lehilahy mikasa tanana

1. whitney ( 28/09/2009 19:01)
hono aho aona ny hevitrareo @ zao tantarako zao; za ve ny diso ka mendrika agna ny vao fetaka.
niaraka 8 mois zay sy ny olon tiako tsy nanino azy akory za fa nidongy teo @ canapé dé tezitra izy ary vao maika norangitiko satria mihaino vaovao izy ary hoy izy tamiko fetako eo ange ianao alefaso hoy za raha maha sahy kay tena no fetahiny marina tsy namaly za fa nandeha tany @ efitra fatoriana ary nitomany tanyKA iny izy nanatona ahy nifona tamiko fa tsy nETY NY nataony ka namela azy ahy.HERINTAONA taty aoriana niady zay roa tao an trano ka nofetahiny dray za mahay vava loatra hono za.NISY VAHINY mo tao an trano de nanao vazaha mody niady zay ny ampitso ka nilamina teny dray. ARY VAO t@ herinandro teo nisy zvt nataoko nefa tsy dé grave amiko fa tonga dé nahazo tahamaina dray eh.KA NY fanontaniako za ve no misy toetra ka mijustifier ny acte ataony agna? marihiko eto fa io rangahiko io dia olona tsotra fa ao no defaut ka sao ba misy vaholana avy any aminareo inona no tokony ataoko.marihiko eto fa za hono manao zaza saina loatra ka zay koa aloa misy difference d age be izy 40 TAONA ZA 24 TAONA;
novalian'i ni81 ny 04/10/2009 20:23
2. fahamarinana ( 28/09/2009 19:11)
:arrow: Ilay ianao kely taona,na zaza saina na mahay vava na mpandrangitra azy ,sns sns mety ho antony lazainy fa mahatonga azy hikasi-tanana anao dia bli bli bla daholo !Resaka fampandriana adrisa izany fa efa faiblesse tsy hitany izay hanaovany azy ka hery sisa no ampihariny !
Tsy manana hatoro aho afatsy ny hoe amiko dia tsy misy varany mijanona amin'olona tahaka izany,na be tahaka ny ahoana aza ny fitiavana azy !Mety tefaka androany,omaly fa rahampitso,afaka heritaona,daka dia mitombo karazany tsikelikely !
Tsy misy olona na dia raika aza,na lahy na vavy io ka mendrika sy natao ho darohana !Na ny biby aza misy lalana mifehy izany ary maha-voasazy !
Samy manana ny faharatsiany ny olombelona tsirairay fa ny mifampidaroka tsy ao e !Amiko mona nefa izay an !
Koa dia mahereza dia mihevera tsara be ! (l)
3. tess ( 28/09/2009 19:26)
Ninona ninona defauts, ninona ninona zvtr tsy nety natao, tsy raison hikashinana tanana olona mitsy izany, fa matoa izy mikasika tanana hoatra izany efa izy mitsy no hoatra izay, ka tonga diaasio resaka dieny izao so lasa alavitra ny fikasihana tananana ka hanenenana any aoriana....
TSY AZO EKENA ny fikasihan-tanana voarara ny lalàna izany amiko.
4. ni81 ( 28/09/2009 19:26)
Zavatra tsy dia zakan'ny lehilahy amintsika vehivavy io mandrangitra azy ireo io, ary koa ilay voalaza fa mahay vava rehefa misy tsy fifanarahana sy tsy fitoviana fomba fijery; na izany aza anefa dia tsy tokony atao velively ny manainga tanana ka hamelaka.
Fialana bala daholo tokoa ilay hoe "zaza saina" fa tanana zatra mitsotra ny an-dramosenao ka sarotra dia sarotra no hampivonkina azy tsy hidaroka...
Ezaho ihany ny mifanazava aminy io olanareo io rehefa milamina tsara ianareo ao an-trano.
5. booboo ( 28/09/2009 19:34)
Miombon-kevitra @ Faha.

Na izany na tsy izany, avereno amiko ny teniko raha diso na tsy mety a, fa avy @ zavatra soratanao dia ohatra hoe tsy mahay mifampiresaka izany ianareo roa ny @ toetra / fihetsika / fiteny ( indrindra² ) mety ho zakan'ny andaniny sy ankilany na tsia.
6. fahamarinana ( 28/09/2009 19:43)
:arrow: whitney : raha olona efa tezitra kosa no mbola rangitina dia mety hitondra lavitra be,aleo ihany mitandrina !tokoa moa zany an ! :lol: (l)
7. soanja ( 28/09/2009 19:50)
whitney:

hono aho aona ny hevitrareo @ zao tantarako zao; za ve ny diso ka mendrika agna ny vao fetaka.
niaraka 8 mois zay sy ny olon tiako tsy nanino azy akory za fa nidongy teo @ canapé dé tezitra izy ary vao maika norangitiko satria mihaino vaovao izy ary hoy izy tamiko fetako eo ange ianao alefaso hoy za raha maha sahy kay tena no fetahiny marina tsy namaly za fa nandeha tany @ efitra fatoriana ary nitomany tanyKA iny izy nanatona ahy nifona tamiko fa tsy nETY NY nataony ka namela azy ahy.HERINTAONA taty aoriana niady zay roa tao an trano ka nofetahiny dray za mahay vava loatra hono za.NISY VAHINY mo tao an trano de nanao vazaha mody niady zay ny ampitso ka nilamina teny dray. ARY VAO t@ herinandro teo nisy zvt nataoko nefa tsy dé grave amiko fa tonga dé nahazo tahamaina dray eh.KA NY fanontaniako za ve no misy toetra ka mijustifier ny acte ataony agna? marihiko eto fa io rangahiko io dia olona tsotra fa ao no defaut ka sao ba misy vaholana avy any aminareo inona no tokony ataoko.marihiko eto fa za hono manao zaza saina loatra ka zay koa aloa misy difference d age be izy 40 TAONA ZA 24 TAONA;


Tonga dia toriana ny lehilahy tahak'izany fa tsy misy andraso andraso. Mankany amin'ny dokotera dia mila ny nanjo sy ny fetaka mety hisy faritra mba hahazo taratasy fanamarinana. Mankany amin'ny fokontany dia apiakarina polisy ary tribonaly. Tsy azo atao ny mikasin-tanana na ao Mada aza fa ilaina ianao no mitory azy vao mety ilay izy fa tsy olon-kafa.
N'inona n'inona vavana na teny na hetsika mandrangitra sns voararan'ny lalana ny mikasin-tanana vady. Ratsy ny lehilahy mpamono vady. Ialao tanteraka.


8. simplex ( 28/09/2009 20:38)

oui,
mety mila mandini-tena enao @ toetranao @ ankapobeny... mety hoe: tsy mieritreritra tsara, manao sain-jaza (chiante), may vava, tsy matotra loatra... bedabe ee.
Fa tsy ekskizy hikasihan-tanana mihintsy izany... tsy misy antony tokony hikasihan-tanana izany mintsy afa tsy hoe "self-defense" zany hoe miaro-tena izy raha ohatra ka hoe tadiavinao vonoina ohatra...
Tsy misy antony tokony hiaretanao an'zany rehetra izany, indrindra fa hoe enao aza mbola vao firy taona... tsy tokony i leiry ve no handady hiazona anao aza :)
eny e, mety hoe fitiavana lehibe tokoa ny anareo fa hoy ah hoe mbola vao izao aza dia efa izany. Vao mia fa tena misy olana goavana dia ho asa fotsiny. Koa aza dia naive loatra fa ady ny fiainana eee. Tandremo dia tandremo fa ny nenina ony any aoriana handatsa an...

;-)
9. Ratoa ( 28/09/2009 20:48)
Na manao sainjaza tahaka ny zaza 2 taona aza ianao, tsy misy mahazo mikasi-tanana anao, eny na dia ny reny niteraka aza. Ka vao maika izany vady.
Mangalà certificat médical isiky ny voakapoka. Aza be teny.
Mangataha fisarahana eny amin'ny fitsarana fa tsy fantatrao izay mety ho vokan'izany any aoriana any;
Efa toetrany io.
Misy namako, nokapohan'ny vadiny ka vahy ny taola-mbazany (mâchoires). Tsy nitory izy fa nangataka divorce diaafak amdiodio. nanomboka tamin'ny kapoka kely dia niafara tamin'ny totohondry 15 taona taty aoriana.
Tsy hiehena io fikapohana io fa hitombo . Raha miteraka ianareo dia hikapoka ny ankizy koa izy atsy ho atsy.
10. Papoose ( 28/09/2009 20:50)
nikasi-tanana? sady tsy mba indray fa efa impiry??? OH QUE NOOONN!!! tsary an!
11. cutie ( 28/09/2009 21:43)
Mpandefa : whitney [ Valio ] 28-09-2009 21:01:30
Lohateny : lehilahy mikasa tanana
hono aho aona ny hevitrareo @ zao tantarako zao; za ve ny diso ka mendrika agna ny vao fetaka.
niaraka 8 mois zay sy ny olon tiako tsy nanino azy akory za fa nidongy teo @ canapé dé tezitra izy ary vao maika norangitiko satria mihaino vaovao izy ary hoy izy tamiko fetako eo ange ianao alefaso hoy za raha maha sahy kay tena no fetahiny marina tsy namaly za fa nandeha tany @ efitra fatoriana ary nitomany tanyKA iny izy nanatona ahy nifona tamiko fa tsy nETY NY nataony ka namela azy ahy.HERINTAONA taty aoriana niady zay roa tao an trano ka nofetahiny dray za mahay vava loatra hono za.NISY VAHINY mo tao an trano de nanao vazaha mody niady zay ny ampitso ka nilamina teny dray. ARY VAO t@ herinandro teo nisy zvt nataoko nefa tsy dé grave amiko fa tonga dé nahazo tahamaina dray eh.KA NY fanontaniako za ve no misy toetra ka mijustifier ny acte ataony agna? marihiko eto fa io rangahiko io dia olona tsotra fa ao no defaut ka sao ba misy vaholana avy any aminareo inona no tokony ataoko.marihiko eto fa za hono manao zaza saina loatra ka zay koa aloa misy difference d age be izy 40 TAONA ZA 24 TAONA;

izy no tena manao zaza saina fa tsy enao, tonga de torio any @ polisy refa misy ohtr'zany. Oul kanosa ny oul mamono vady zany, na oul complexe , na koa efa misy tsy metimety mitsy ny momba azy, avy any aminy ny faute fa tsy avy any aminao mitsy.
12. soanja ( 28/09/2009 22:33)
TANDREMO! Tsy tsara hakan-taranaka ny lehilahy mpamono vady! MILA TSABOINA IZY raha toa ka mahafantatra fa kilemany izany ka mety hanome azy famindra-po ianao, zany hoe hitany mialoha fa mitady hametaka izy. ARETINA ny famonoana vady!

Ireto no dingana atao raha possible:
- Teneno izy rehefa tsy tezitra iny hoe aretina io manjo anao io fa mila fitsaboana. Raha mbola manao izany amiko ianao dia miala tsiny fa toriako any amin'ny polisy.
- Teneno izy fa hiezaka koa ianao tsy handrangitra izany fahatezarana izany raha mbola tadidinao izany.
- Teneno izy fa raha hitanao fa tsy tananao ny tananao hikapoka ahy satria tezitra loatra ianao dia ndana haingana mivoaka ny trano. Maka rivotra sady tsy miverina ato an-trano raha tsy afaka ny fo. Rehefa afaka ny fo tezitra dia afaka miresaka amin'izay isika. TSY fanafana ny herisetra n'inona n'inona zavamisy hoe.
-Ka raha mbola be safary dia ialao amzay fa tsy afaka hanova azy ianao tsinona satria efa raikitapisaka ny aretina.
13. arialy ( 29/09/2009 05:06)
sssh mety resaka ny azy fa oul efa voafetaka in 3 be izao ve ts ahalala ny tokony ataony e, en plus izy ts niverina teto tsony.
14. tess ( 29/09/2009 05:28)
arialy: ato kou alou misy tena tia mampiresaka fotsiny marina e! :-D mais juste hahafantarana ny antsain'ny mpiforum de.... :^) MISY IHANY foana ny mamaly matotra mais tsy maninona hevitra dool mety mahomby ho an'ny hafa ihany :-D
15. whitney ( 29/09/2009 05:39)
hisaraoko ianareo rehetra namaly ahy.Maro aminareo mitsy no mety anome tsiny ahy hoe naninona za tsy nitory lé izy kosa INtelo zay za no voa fetaka tanaty telo taona nivadianay. MENATRA ny hitantara an lay izy @ ray aman dreniko ary indrindra2 ny havany. inona no tokony ataoko miresaka otrany lay teneny madame soanja io ve za sa aona.ra hiteny @ ray aman dreniko manko za dia efa fantako SOLUTION tonga Dé misaraka kanefa tiko ny vadiko. IO KO tao @ FITAIZANA AGNA MITSY no nisy tsy namely satria diso nianta loatra ka vavy tokana hono eh.KIZITONA ARY MORA TEZITRA SADY MISY VAVA KA IZAY ISARAOKO AN TY Vadiko ty satria zao za vao tena mahafantatra ny atao hoe fianaina satria tena hitako mitsy izy fa manao sacrifice @ reo toetrako ratsy reo ARY mananatra . lay izy akory tsy hoe tonga de mikasa tanana eo gé izy fa mifamaly zay de efa tenenina za oe mipetraha tsara bola ny contraire zay no ataoko ary lay zvt tsy tiany iny mitsy no ataoko ka tonga de lasa ny tanany avy eo.MITENY IANAREO MISARAHA ATAOKO AONA NY HISARAKO AZY IZA TY BOLA TENA TY ARY IO DE FANTANY SATRIA HITANY LOATRA IO FITIVAKO IO DES fois za mieritreritra fa mety itany loatra lay fitiavako azy ary fantany fa sarotra amiko ny hisaraka aminy de io mahatonga azy mikasa tanana agna io. zao marina angamba lay pour le meilleur et pour le pire.
16. fahamarinana ( 29/09/2009 05:57)
:arrow: whitney : oh la la !pour le meilleur et pour le pire tokoa ve ?
Misy fetrany ny zava-drehetra fa tsy hoe leferina nefa hita fa gaigy !Ekeko hoe mety tsy izao dieny izao fa mila fotoana ,kanefa dia izao no tsarovy ,anaty fitiavana tokony tsy hisy resaka sacrifices mihintsy na kely aza!Hevitro monja iny an!! Na ekena ny toetra ratsy ,sy tsara mazava ho azy dia tiana ilay olona ,na tsy ekena dia ndana mahazo (hoy ilay namako izay :-P ).Fa tsy sanatria fara-fahoriana eto an-tany ka hiaritra trefle eo,ny miaritra trefle ao anatin'ny fitiavana tsa misy daroka aza efa mankarary maika fa miampy daroka dia ehe !....
asa anefa ,ianao no afaka manapaka azy fa efa bobaka ireo hevitra natolon'ny namana ireo e !Amin'ny lafiny iray ,na zaza ianao na mihanta na ahoana dia raiso ny andraikitra dia mazava ho azy mila mi-subir ilay raha koa araka ny faniriana efa nekena na manapakevitra hiala dia mitaty ny vokany koa ,tsy mora an fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto e,ampiana hambom-po be dia tafavoaka foana na dia marary aza !! mihoatra ireo voalaza ireo efa bli bli bla angamba ry wihtney an ! :)
tess sy arialy : mahavariana tokoa fa miverina matetika eto io resaka daroka io an,asa raha mba mamadika pejy ny mpametraka dinika ndraindray !(l)
17. RATOVOARY ( 29/09/2009 06:14)
BDB loatra le torohevitra etsy ambony, tsy hary ho voavakiko @ antsipirihany fa avy de ny ahy no teneniko.
Raha ny fahazoako ilay resakatantarainao dia misy fifamaliana kely ianareo vao miainga ny tana'lery. Ianao koa etsy abony manamafy fa kizintina sy be vava SNS... Amiko aloha tsy vahaolana hainga sy tokony ho raisina ny fialana aminy sy ny hoe fitoriana raha mbola azo hidifiana ny tsy hisian'izany. Azonao atao ny miala kely eo anatrehany raha vao tsapanao fa mihamafana ny fifandirana misy aminareo roa ( Fanaoko io raha sendra mifamaly @ vadiko aho satria izaho tsy dia mahaefa an'ity fifamaliana be ity) , Amin'izay koa mba lefilefy ilay olana ifamaliana. Tsy midika ho fanaovana tsinontsinona azy ny fialana eo anatrehany vetivety fa mba ho fitonen'ny fonao no hanaovanao an'izany, raha hiaritra hifamaly eo nareo dia avyindray ilay vava tsy ambina sy felaka teha-maina. Raha mbola tohizany ny fifamaliana aorian'ny fisintahana kely anatrehany ataonao, dia efa tena lonilony tadiavina ny azy. Tsy midika faharesena koa ny fahanginanao fa fandeferana lehibe izany, rehefa reraka izy mangina ho azy eo.
Raha sanatria moa tsy misy fiovana rangah, zay angamba vao tokony hiditra @ireo etape voalazan'ny namana eo ambony ireo.
Mahereza fa ady ny amphan'ny fanambadiana ka ilàna fitoniana sy fileferana
Mirary soa
18. whitney ( 29/09/2009 06:34)
MISAOTRA anao RATOVOARY zay torohevitra nomenao zay dray no arahiko ary hitako fa mety hisauvé ny tokantranonay fa ra toa moa efa miala sady efa hiezaka hiala @ io mahay vava io nefa bola voa tahamaina dia aleoko miala @ zay
19. ni81 ( 29/09/2009 07:08)
Azonao atao ny miala kely eo anatrehany raha vao tsapanao fa mihamafana ny fifandirana misy aminareo roa ( Fanaoko io raha sendra mifamaly @ vadiko aho satria izaho tsy dia mahaefa an'ity fifamaliana be ity) , Amin'izay koa mba lefilefy ilay olana ifamaliana
mitovy @ io koa no fanaoko, mandeha any an'efitra hafa aho, na mivoaka any an-tokontany mihitsy aloha raha mbola mazava ny andro.
tess sy arialy : mahavariana tokoa fa miverina matetika eto io resaka daroka io an,asa raha mba mamadika pejy ny mpametraka dinika ndraindray !
faha> ka sao dia ilay olona taloha nametraka dinika momba ny lehilahy mikasi-tanana iny ihany ary e! :-P
20. fahamarinana ( 29/09/2009 08:40)
ni:
faha> ka sao dia ilay olona taloha nametraka dinika momba ny lehilahy mikasi-tanana iny ihany ary e!

:arrow: eka,possible tokoa,tsy mazava tsara angambany ! tsy hita e! :) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559