Peggy sy ny rafozany

1. niryna ( 28/09/2009 01:00)
Nanambady ity sinoa vavy iray atao hoe Peggy.Niaraka nipetraka tamin'ny rafozany izy ary nisy olana teo amin'ny fianakaviana satria lasa tsy nifandray ireo mpianakavy ,izy moa vahiny vao tonga ao amin'ilay fianakaviana kely ,ny rafozany vavy koa moa toa mibaikobaiko sy manao fijery mangarika lava izany ary toa tsy tia azy no noeritreretin'ity vinanto hany ka lasa nifankahala tanteraka izy mianaka ,vinanto sy rafozana io
Indray andro dia nandeha tany amin' i Wing Wong i Peggy ary notantarainy azy fa tena tsy tiany maizina ilay rafozany ka misy fomba ve atao anampoizinana azy ho faty? Nikentrona kely sy taitra tampoka ity rangahy ary dia niteny moramora hoe raha toa ka vonoinao ho faty izy dia tsy maintsy hiahiahy anao ny rehetra ka izao ary atao
" Ity misy vovonjavatra kely an ,ataonao ao anatin'ny sakafony in-telo isan'andro.Mba tsy hampiahiahy aza kosa anefa dia tsy maintsy andrahoinao sakafo tsara foana izy ary anjaranao no mandroso sakafo azy isan'andro tsy mahazo teiztra aminy hianao fa izay ampanaoviny anao dia ataovy daholo.
Nataon'i Peggy daholo izay nampanaoviny azy ary nandeha ny andro ,ny volana ary dia niaina tao anaty fifaliana ny fianakaviana nandritra ny enim-bolana,tsy nifamaly intsony izy mianaka ,tsy naharitra aza ity rafozany niteny tamin'ireo olona rehetra izay itany fa mbola" tsy nisy vinanto mahafinaritra sy tsara fanahy toa izany raha mbola vinanto ihany koa":D
Indray andro dia niverina tany amin'ny Wing Wong i Peggy ary nikoropaka niteny tamin'ilay rangahy fa tsy tiany ho faty ny rafozany ,misy fanafody ve amerenana ny aina fa malahelo mafy aho raha maty eo izy?
Fa ahoana hoy ity rangahy
Manoatra ny reniko ny itiavako azy ary manoatra ny zanany no itiavany ahy
,sady nitalaho mafy ery ity tovovavy fa tsy tiany ho faty indray hono ny rafozany :roll: :cry:
Hoy ilay rangahy hoe iza no niteny anao fa fanafody fanampozinana no nomeko anao? Vitamine ireny mba ampantanjaka azy ary satria ny sainao no nanampozina anao dia toa pozina ilay izy ,nokarakarainao tsara izy ary dia nahita izany izy dia nanaja anao sy tia anao koa :arrow: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao

HAFATRA HO ANTSIKA REHETRA ,NY FITIAVANA IHANY NO MAHASOLO FITIAVANA,TIAVO NY OLONA IZAY TSY TIA ANAO FA ANANGANA VAIN'AFO EO AN-TAMPONDOHANY HIANAO
HOY NY SORATRA MASINA[B] "RAHA IZAY TIANAREO IHANY NO TIAVINAREO
,INONA NO TOMBOTSOA AZONAREO AMIN'IZANY ?
IF YOU LOVE THOSE WHO LOVE YOU ,WHAT YOU GOT IN RETURN ?[/B]

Andriamanitra dia fitiavana,nomeny antsika izany fitiavana izany mba ho zaraina ny hafa indrindra ireo izay tsy mba afaka mitia antsika noho ny antony maro ,nampianariny isika ho tia ny fahavalo,nampianariny isika ny hamela ireo nanao ratsy antsika,raha mitazona ny fo malotontsika isika ka tsy manaiky ny famelana ireo izay nanao ratsy tamintsika dia isika ihany no hijaly sy hivoto fo.Tsy mora kanefa raha toa tsy vitantsika dia antsoy ilay Atra be fitiavana fa izy no am-pianatra antsika izany

Tantara sinoa io ary mbola hiainana hatramin'izao

BA MAMIKELY MIPOAKA BE HO ANTSIKA NAMANA REHETRA ETO AMIN'NY SERA
NIRYNA
:-* :-* (l) (l) :-* :-* (l) (l) :-* :-*
novalian'i cutie ny 13/10/2009 23:03
2. cutie ( 28/09/2009 01:15)
za tia tantara sinoa sy japoney :) :) :) :) :D :D :D :D
3. ni81 ( 28/09/2009 08:05)
HAFATRA HO ANTSIKA REHETRA ,NY FITIAVANA IHANY NO MAHASOLO FITIAVANA,TIAVO NY OLONA IZAY TSY TIA ANAO FA ANANGANA VAIN'AFO EO AN-TAMPONDOHANY HIANAO
4. fidinirina ( 28/09/2009 08:13)
misaotra ! mahatsara tokoa ny mizara fitiavana noho ny mitàna alahelo.
5. nathie86 ( 28/09/2009 12:00)
:-* :-* misaotra nizara fa misy hisainana tokoa eh
6. fahamarinana ( 28/09/2009 12:16)
niryna:
BA MAMIKELY MIPOAKA BE HO ANTSIKA NAMANA REHETRA ETO AMIN'NY SERA
NIRYNA

:arrow: Raisiko tsara be ilay ba mipoaka be akia !
Fa mbola hangatahana Aminy indray ilay Fitiavana ngoda be satria tsy mora hany zany hitia ny fahavalo sy ny mpamitaka ary ny mpanao ratsy zany ! Tsy efan'ny Faha raika avao e ! :lol: (l)
7. ni81 ( 28/09/2009 13:51)
BA MAMIKELY MIPOAKA BE HO ANTSIKA NAMANA REHETRA ETO AMIN'NY SERA
NIRYNA
:-* :-* :-* :-* :-* faha :D
8. Ratoa ( 28/09/2009 13:56)
Tsy efan'ny Faha raika avao e !
saingy raha mivavaka amin'ny fo Faha dia efany é!
9. rijadolly ( 28/09/2009 16:06)
ihihihi! tsy ratsy; Am-Pitiavana be e! :-* :-* :
10. niryna ( 28/09/2009 17:19)
cutie:

za tia tantara sinoa sy japoney :) :) :) :) :D :D :D :D

andraso fa andefasako indry fa misy ato amiko

11. ni81 ( 28/09/2009 17:39)
Voalaza teo :
hoy faha: Tsy efan'ny Faha raika avao e !
hoy ratoa: saingy raha mivavaka amin'ny fo Faha dia efany é!
Voalaza koa anefa fa:

"Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra". Mety misy tsy azo atao angamba izany ny mihavana aminy raha azoko tsara?
12. fahamarinana ( 28/09/2009 18:38)
Ratoa:
saingy raha mivavaka amin'ny fo Faha dia efany é!

:arrow: Ratoa : Marina e!Fa tena mivavaka amin'ny fo tokoa aho,ny tiako tsindrina dia hoe tsy efako za amin'ny maha-olombelona ahy irery fa mila ny Heriny aho vao mety ho tafitako izany ! Aleo dia tsorina fa sarotra kah !... hatreto aloha dia eo ny toerana misy ahy !! :?
ni:
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra". Mety misy tsy azo atao angamba izany ny mihavana aminy raha azoko tsara?

:arrow: ni : Ilay mihezaka mihavana angamba vita ihany fa ny olana dia ilay ny tena irery no manao ezaka nefa amiko,mila hifandrimbonana ilay izy (za sy ilay fahavaloko na namako ,sns...)!Za mihintsy angamba no efa sampona ka tsy hanaiky ilay hoe ndao hihavana na dia efa hitako zao fa tsa mamely amiko !Ehe !sarotse !..Aleoko tsa manana toy izay manan-dratsy ! Faha zay an ,dia aza ampiana tsimpona akory fa efa haiko tsara be fa tsy izy mihintsy io fomba fihevitro io ! :/ (l)

13. ni81 ( 28/09/2009 18:54)
ni : Ilay mihezaka mihavana angamba vita ihany fa ny olana dia ilay ny tena irery no manao ezaka nefa amiko,mila hifandrimbonana ilay izy (za sy ilay fahavaloko na namako ,sns...)!Za mihintsy angamba no efa sampona ka tsy hanaiky ilay hoe ndao hihavana na dia efa hitako zao fa tsa mamely amiko !Ehe !sarotse !..Aleoko tsa manana toy izay manan-dratsy ! Faha zay an ,dia aza ampiana tsimpona akory fa efa haiko tsara be fa tsy izy mihintsy io fomba fihevitro io ! :/
faha a! io teny io ange tena fanontaniana napetrako mihitsy ho ahy koa e! Ilay hoe "raha azo atao". Tena miseho @ olona akaiky ahy koa io ( 2 hafa ankoatra an-dry) dia misy io teny io hoe: "RAHA AZO ATAO...", dia ny tiako ho marihina hoe: fa misy izany tsy azo atao? Dia zà ihany no mamaly azy eto hoe: tena misy tsy azo atao tokoa izany ka! Satria, ianao mikatsaka mitady fihavanana hatrany, ary ilay olona anefa mikatsaka ny handavo sy hanimba ilay izy hatrany koa... dia aleo samy maka ho azy no mety!
14. fahamarinana ( 28/09/2009 19:00)
:arrow: ni : :-D :-D tsy mety hono zany samy maka ho azy zany ,tsika roa hany ka be loha an ! :-P :wink: :-* (l)
15. ni81 ( 28/09/2009 19:12)
ni : tsy mety hono zany samy maka ho azy zany ,tsika roa hany ka be loha an !
ka hifampi-hatsaravelatsihy fotsiny izany? afaka mifamela heloka tsotra ange e!
16. cutie ( 28/09/2009 19:21)
. Mpandefa : niryna [ Valio ] 28-09-2009 19:19:52
Lohateny : Re : Peggy sy ny rafozany
Hoy i cutie:

za tia tantara sinoa sy japoney


andraso fa andefasako indry fa misy ato amiko

ok :) :) :) :)
17. niryna ( 01/10/2009 04:39)
fidinirina:

misaotra ! mahatsara tokoa ny mizara fitiavana noho ny mitàna alahelo.

tsy misy fisaoana fidy a

18. niryna ( 01/10/2009 04:40)
nathie86:

:-* :-* misaotra nizara fa misy hisainana tokoa eh



:D
19. niryna ( 01/10/2009 04:50)

niryna:
BA MAMIKELY MIPOAKA BE HO ANTSIKA NAMANA REHETRA ETO AMIN'NY SERA
NIRYNA
[quote=fahamarinana]
:arrow: Raisiko tsara be ilay ba mipoaka be akia !

Fa mbola hangatahana Aminy indray ilay Fitiavana ngoda be satria tsy mora hany zany hitia ny fahavalo sy ny mpamitaka ary ny mpanao ratsy zany ! Tsy efan'ny Faha raika avao e ! :lol: (l)
tena tsy mora tokoa ka ,izay no mahatonga ny fiteny hoe tsy misy mahavita tena isika,izay no mahatonga antsika mitalaho sy mivavaka amin'Atra mba ampiany.
izaho nahita experiences tamin'izany hoe famelankeloka izany,izaho fotsiny no fizaka sy tezitra tamin'izany kanefa rehefa nanontaniako ny olona tsy niraika akory ,dia ny tena fotsiny no maty eo

olona akaikin'ny fo no maty ,ny tena lavitra,ny fianakaviana tsy niteny fa natahotra hoe sao maninona any koa, no tsy nieritreritra ny hiantso,tonga ny sary vao hoe maty,izany ve dia mba ho rariny,tezitra mafy aho ,nandratra ny foko ilay nataon'ny fianakaviana,tonga tany aho dia nangataka famelankeloka fa tezitra tamindry zareo,nanontany ry zareo hoe iza tokoa no tompon'andraikitra tamin'izany ? tsy nisy niraika sy tsy nieritreritra ho diso akory izy rehetra tsss
dia izay ny lesona itako ka zaraiko eto,ny tena fotsiny no nivonto fo,tsy namela kanefa hay ny olona nanadino ,tsy nanisy sira akory
Dia ato anatin'ny saiko koa ry faha ilay passion de Jesus iny a,novonoina,nodarohana ,olo-marina anefa . kanefa izy dia niteny hoe Atra o mamela ny helony fa tsy fantany izay nataony.
dia miverina koa ny tenin'Atra hoe raha tsy mamela ny rahalahinao izay itan'ny masonao hianao dia tsy mamela anao Atra ,ahoana no ilazanao fa hoe tia an'Atra hianao ,kanefa ny rahalahinao aza tsy tianao ? dia izay koa no tato antsaika ka nahaizako nianatra namela ny fahavaloko rehetra sy nangataka famelana izay mety ratsy vitako sy nataoko tamin'ny hafa


20. niryna ( 01/10/2009 04:55)

Ratoa:
saingy raha mivavaka amin'ny fo Faha dia efany é!

:arrow: Ratoa : Marina e!Fa tena mivavaka amin'ny fo tokoa aho,ny tiako tsindrina dia hoe tsy efako za amin'ny maha-olombelona ahy irery fa mila ny Heriny aho vao mety ho tafitako izany ! Aleo dia tsorina fa sarotra kah !... hatreto aloha dia eo ny toerana misy ahy !! :?
ni:
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra". Mety misy tsy azo atao angamba izany ny mihavana aminy raha azoko tsara?
fahamarinana:

:arrow: ni : Ilay mihezaka mihavana angamba vita ihany fa ny olana dia ilay ny tena irery no manao ezaka nefa amiko,mila hifandrimbonana ilay izy (za sy ilay fahavaloko na namako ,sns...)!Za mihintsy angamba no efa sampona ka tsy hanaiky ilay hoe ndao hihavana na dia efa hitako zao fa tsa mamely amiko !Ehe !sarotse !..Aleoko tsa manana toy izay manan-dratsy ! Faha zay an ,dia aza ampiana tsimpona akory fa efa haiko tsara be fa tsy izy mihintsy io fomba fihevitro io ! :/ (l)


ary ilay zavatra mitranga tsy fahadisoan'ny tena akory fa kanefa dia ny tena no lasibatra?
fialonana no tiako tenenina eo,maro no antony mahatonga izany ary rehefa sendra ny toa izany ny tena dia nangina aho ,lasa nisitaka kely nivavaka fa raha ny foko sy ny atezerako dia nety nivazavaza mafy aho saingy tonga dia tato an-tsaiko ilay hoe tsy anao ny fiitsarana fa Ahy dia izay ,tsy mora saingy rehefa ilay tsimpona no ao andoha dia niezaka ho tanterahako ilay hafatra


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.066