Namana

1. ni81 ( 27/09/2009 08:43)
Nahalasa ny saiko ny nahita sy nandinika ity hira ity napetraky 'ny namana irary tany ho any
http://www.dailymotion.com/relevance/search/jean+rigo/video/x34grs_jean-rigo-namana_music

Namana io manahirana tsy zoviana
Ataonao tiana loatra izy
Matetika mamadika an-tegna
Olo mpamadika izy io ô! ô!
Tsy olo lavitra anao
Fitiava-namana io diniha hely e!

Ndre ka raha akory ataonao
Tsy maintsy tsiny azonao
Tsy hataoko hakivy ahy zegny
Fa fombam-piainana
An-karatsiana tsy miala
Ny raha tsisy atao misy
Zany angamba ny amin’io namana io
Ô ô samy tsaratsara tsika aby e ! e!
Amaray koa fa hôdy é!
Tsy izaho tsy tia hihavana anao fa...
Anao nivadika e
Zanahary mahita koa nisy tsy nety nataoko anao
Samy lava andro hivelômana antsika
Mahità mitady amy taniny e

Samy tsaratsara tsika aby e! e!
Amaray koa fa hody e! e!.....

Tsy vao zalahy... variana korana tsara io
Diniho matetika fa maro fihatsaram-belatsihy
Zany edy raha nahavoa
Nefa tsy mahavoasahy koa aho
Fitiava-namana io diniha hely
Ndre karaha akory ataonao
Tsy maintsy tsiny azonao
Tsy ataoko hahakivy ahy zegny
Efa fombam-piady
An-karatsiana tsy miala
Ny raha tsisy atao misy
’Zany angamba ny amin’io finamana io
Ô ô samy tsaratsara tsika aby e! e! :?
novalian'i tess ny 29/09/2009 15:48
2. fahamarinana ( 27/09/2009 08:46)
:arrow: Dia apetrako ilay rohy raha te-hiheno azy !! Isan'ny hira ankafiziko sy tena mahavariagna ahy ,na dia ny tonony monja aza !Misaotra ni81 a ! :-* (l)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/jean+rigo/video/x34grs_jean-rigo-namana_music
3. fahamarinana ( 27/09/2009 08:53)
:arrow: oie !! kay efa tao ! azafady fa niverina indroa !
Manahirana tokoa ilay "namana" raha ny fijeriko azy !Amiko manokana ,na metaly ,na varahina,na volafotsy,na volamena dia tsy mipetraka ho olana ho ahy !Ny fahasamihafana dia mitondra zava-tsoa hatrany satria misy fifampizarana hatrany sy fifanampiana ,sns...na ny fahasamihafana ka mety handratra aza noho ny tsy fifankahazoana dia mbola harena koa satria natao indrindra hanarenana ny tsy mety ahafahana mifandray be be kokoa ao anatin'ny rariny sy hitsiny ary indrindra ny "fahamarinana"! Isany fomba fijeriko ilay atao hoe "namana "sy nahatonga ahy niditra itony forum sy ny fb ihany koa ! :D
FA KOSA Ilay karazana namana atao hoe varahina nefa mifono volamena na volafotsy no tsy dia mifanentana amino ,satria izy ireny rehefa ela ny ela ,entin'ny andro sy fotoana mifandimby dia mivadika ho maramara ,tsy dia tsara loko intsony fa karaha lasa vandana izany !
Fa hevitro monja ireo ary mino aho fa tsy itovizako amin'ny be sy ny bobaka !Koa dia ialana tsiny raha mety aha-tafitohina o !
tsiky sy kiss dia ampy
Faha :-* (l)
4. ni81 ( 27/09/2009 09:24)
FA KOSA Ilay karazana namana atao hoe varahina nefa mifono volamena na volafotsy no tsy dia mifanentana amino ,satria izy ireny rehefa ela ny ela ,entin'ny andro sy fotoana mifandimby dia mivadika ho maramara ,tsy dia tsara loko intsony fa karaha lasa vandana izany
ahoana indray izany? :-P :)
5. fahamarinana ( 27/09/2009 09:45)
:arrow: ndraso ndray ary azavaiko amin'ny fomba hafa raha haiko ny milaza azy !Ohatra hoe ireny bibidia mitafy hodi-janak'ondry ireny moa ? Na koa mangahazo faran'izay tsara sy lafatra jerena aty ivelany fa lo aty ?
euh..hevitry Faha raika avao zany an ! :wink: :D (l)
6. ni81 ( 27/09/2009 09:57)
mazava be! na dia hevitry Faha raika avao ihany aza fa misaotra e! :) mbola ho avy ny maro hilaza ny heviny
7. niryna ( 27/09/2009 23:31)
Ity indray anefa tena namana

http://www.dailymotion.com/video/xzrnh_tsiakoraka-namana?from=rss
MIsy olona tena namana ary misy olona minamana rehefa misy tombotsoa tadiaviny dia alainy namana ary rehefa tsy mahazo ilay tombotsoa dia miala moramora .Misy anefa namana mihoatra lavitra ny mpiray tampo ny fifankatiavana aminy
8. ikaretsaka ( 28/09/2009 02:43)
I don't need a friend who changes when I change and who nods when I nod; my shadow does that much better.
Good Friends never let you do things stupid...ALONE
9. Mirananirina ( 28/09/2009 13:36)
Namana,tena namana,misy koa ny namana mpamadika sy manaratsy .Ary ny namana serasera ity .... :lol: :lol: :lol:
10. tess ( 28/09/2009 21:16)
mahaiza mifidy, ataovy maro fa iray no itokiso, :-P
11. yonikafopl ( 29/09/2009 11:03)
tess, ny fatra pifidy kou nefa no tena sendra ny manganana...
za ndray miteny we manaova namana fa aza mitoky na dia amin'izay heverinao azo hatokisana aza, amiko ny tsiambaratelo de impossible amzao fotoana iainantsika izao, TSIAMBARAROA no asoloko io teny io, zany we ra tsy te hanana disadisa amin'ny namana ianao dia tano ho anao irery izay tsy tianao hiparitaka, fa ny tsy misy aza foronin'ny namana vao maika fa ny teny mivoaka ny vavanao.

Tsara ny namana, mahafinaritra ny manana namana rehefa samy mahay manaja ny jardin secret ny avy.
12. tess ( 29/09/2009 15:48)
marina kalou zany yonik ah! :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2865