Ny fifohazam-panahy...
21. ikaretsaka
(
28/09/2009 10:49)
ka raha zavatra an'ahy ihany ve no tsimponiko de inona ny olana... fa le mitsimpona ny an'olona de manovanova an'iny araka ze mety aminy de mihambo fa mitory tenin"Atra no manahirana
22. fidinirina
(
28/09/2009 12:35)
(Mazava = Jesoa)
rakaroka:
Izao aloha no nahatonga ahy tsy nandefa ny zanako nianatra Sekoly alahady 'tsony e. => MIVOANA @ définition "universelle" ny fampianarana ny voambolana hany ka "VERY" ny ankizy rehefa anontanian'ny mpampianatra vokabolary any ampianarana, raha atao hoe "mazava ve ny lesona? dia hanao izy hoe "Jesoa no lesona izany?...Very repera ny zaza @ fampianarana toa izao an!
Ahoana ary izy izany [rakaroka]. Rehefa tsy hitanao ve ny hanoherana ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra dia foronina daholo ity fanakianana rehetra ity !
Toa tsikaritro ihany fa ianao anisan’ny olona mahafehy ny teny frantsay tsara rehefa manoratra eto nefa dia midina ambany hoatran’izany mihitsy ianao mandray hevitra tsy mitovy. Rehefa manontany ny mpampinatra hoe Mazàva ? Ahitsiho aho raha diso ity dikany ity : C’est clair ?
Fa rehefa Jesoa kristy no tenenina dia : « Lumière ». Tsy hitako izay mahasarotra an’izany.
Ary tsy izaho koa no nanoratra an’io teny io ao anaty baiboly fa Jesoa kristy no nanambara izany :
« Izaho no fahazavan’izao tontolo izao » Jaona 8:12 ie Mazava = Jesoa
Ny amin’ny ankizy tokony hianatra ny tenin’Andriamanitra :
Izao no hitako ao anaty baiboly :
«Ohabolana 22.6 Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany»
«Deotornomia 11.16 Kanefa mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany hianareo;
11.17 ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana hianareo tsy ho eo amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah anareo.
11.18 Koa alatsaho ao amin'ny fonareo sy ao amin'ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin'ny tànanareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny handrinareo;[Heb. eo ambonin'ny elanela-masonareo.]
11.19 ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha an-dàlana, na mandry, na mifoha;
11.20 ary soraty eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonao sy eo amin'ny vavahadinao izy
Vitanao ve ny fiahiana ny fanahin-janakao ? Maro anefa ny fanahy ratsy eto @ izao tontolo izao.
Ny fampianarana sekoly alahady dia fampahafantarana ny ankizy an’Andriamanitra sy ny teniny. Ilaina ny fitaizana ara-panahy fa tsy vatana mandehandeha fotsiny akory ny olombelona.
Matio 11.25 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika.
Matio 18.2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany
18.3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova "Gr, mitodika" hianareo ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo.
18.4 Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra.
18.5 Ary na zovy na zovy no handray zazakely anankiray aza tahaka itony noho ny anarako, dia mandray Ahy.
18.6 Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka alentika any amin'ny ranomasina lalina izy.
Mba fantatrao moa rakaroka fa ny avonavon’ny olon-dehibe io mihitsy no tsy andraisany ny fahazavana ateraky ny tenin’Andriamanitra. Miseho ho mahay sy mpandalina nefa lavitry ny fahamarinana. Ny zaza rehefa ampianarina mora mandray kokoa ary rehefa lainga no afafinao aminy isan’andro dia aza gaga raha mpandainga no iafarany.
23. ikaretsaka
(
28/09/2009 23:02)
tsy haiko intsony hoe iza no very sy tsy very @ zao le
ny manofy mitsimpona sa ny miasa
Ny hoe "mitodika" mihitsy samy manana izay fandraisany azy e
ny manofy mitsimpona sa ny miasa
Ny hoe "mitodika" mihitsy samy manana izay fandraisany azy e
24. cutie
(
29/09/2009 00:32)
Mba fantatrao moa rakaroka fa ny avonavon’ny olon-dehibe io mihitsy no tsy andraisany ny fahazavana ateraky ny tenin’Andriamanitra. Miseho ho mahay sy mpandalina nefa lavitry ny fahamarinana. Ny zaza rehefa ampianarina mora mandray kokoa ary rehefa lainga no afafinao aminy isan’andro dia aza gaga raha mpandainga no iafarany:-D :-D :-D :-D :-D
"Blessed are the pure in heart, for they shall see God"
de mbola misy koa:
"Avy @ vavan'ny ankizy madinika sy minono ho hanorenanareo hery"
tsy haiko na misy diso io fa tsianjery t@ seklohy alahady mbola tadidy foana hatramizao :-D :-D :-D
25. ni81
(
29/09/2009 14:02)
Ny hoe "mitodika" mihitsy samy manana izay fandraisany azy eka ny fandraisanao azy ahoana?
26. ikaretsaka
(
29/09/2009 15:57)
ny mitodika amiko de hoe mifoha..
ny mifoha amiko dia hoe mahatsapa @ zay fa miankina @ fifandraisanao @ realite sy izay mitranga eo ka entinao mikarakara ny tenanao sy ny manodidina anao fa tsy ny filazana hoe nifoha e..zao e
Ity ny ahy ny fahazoako azy (Blaogiko) de diniho tsara

Si tant de gens sont malheureux, c’est parce qu’ils ne sont pas éveillés :
ils marchent comme des somnambules dans la vie et ne voient pas la
réalité comme elle est, mais plutôt avec les filtres que sont leurs peurs
et leurs illusions.
Ils ne sont pas libres mais attachés à plein de choses et de personnes
qu’ils ont peur de ne pas réussir à posséder ou encore de perdre,
ce qui leur crée des peurs, de l’angoisse et de la souffrance.
lls ne vivent pas dans la vérité, c’est-à-dire dans la réalité : leur relation
avec eux-mémes, avec les autres et avec le monde est faussée par des
illusions qui proviennent du conditionnement auquel on les a soumis.
Ce qui est important, c’est de s’éveiller, c’est-à-dire de prendre
conscience de ce fait, de l’assumer, pour en arriver à étre capable
d’apprécier la vie."
27. bor2lais
(
30/09/2009 08:34)
Voalaza etsy ambony :
"tsy haiko intsony hoe iza no very sy tsy very @ zao le
ny manofy mitsimpona sa ny miasa"
-----------
Ny tsy azoko dia ity :
- moa ve ny mitory na/sy "mitsimpona" tsy mba miasa ?
- ilay asa atao ve mila fifanjanana sy fiandrasana ny hafa ?
Sao dia lasa tahaka ny tantaran'i Marta sy Maria mantsy izy ity : ilay manao raharaha any "an-dakozia" mitaraina (amin'ny Tompo) fa tsy mba manampy azy hono ny rahavaviny fa laozany mipetraka mihaino na "miresaka" (amin'ny Tompo) fotsiny !

29. ikaretsaka
(
30/09/2009 12:14)
bor2lais:

Raha mifandraika @ realite le tory sy tsimpona de asa fa le "mivoana any an-danitra any" kosa isalasalana ihany amiko..
ohatran'ilay hoe @ fomba ahoana ho'a no hahasahiako hitory hoe" mandehana am-piadanana, mivokisa, matoria fa ny Tompo momba anao" , @ katrami tsy mikapa nefa handeha hibattre be @ arabe feno vatokely, mbola tsy mahita ny hanina hoaniny androany sy tafo hisitrihan'ny lohany ..de hahatonga azy hino ze ambarako?
nohon'ny hoe tsy miteny ahako na 1 mbava aza fa manome azy sakafo kiraro, trano ialofana ka izy no loa-bava hoe niadana sy nambinin'ny Tompo?
30. bor2lais
(
01/10/2009 07:16)
Amiko aloha ry "Ise" dia samy toriteny daholo izany an ! Ary heveriko fa mifameno aza : ny endriny fotsiny no samihafa satria miankina amin'izay hitorina. Ary samy mifototra amina tsimpona ao anaty Baiboly daholo !
31. fahamarinana
(
01/10/2009 07:39)
ika:
ohatran'ilay hoe @ fomba ahoana ho'a no hahasahiako hitory hoe" mandehana am-piadanana, mivokisa, matoria fa ny Tompo momba anao" , @ katrami tsy mikapa nefa handeha hibattre be @ arabe feno vatokely, mbola tsy mahita ny hanina hoaniny androany sy tafo hisitrihan'ny lohany ..de hahatonga azy hino ze ambarako?
nohon'ny hoe tsy miteny ahako na 1 mbava aza fa manome azy sakafo kiraro, trano ialofana ka izy no loa-bava hoe niadana sy nambinin'ny Tompo?
:arrow: Misy fahamarinanany ny voalazan'Ika !Ny eritreritro monja dia hoe azo tsy azo atao miaraka ve ireo ? Zay angamba no afaka hanambarana ny hevitritsika rehetra ato !
bor2 :ekeko koa ny voalazan'ise ary marina ,fa ny fahitako azy koa dia raha olona tena efa mahalala tanteraka ny Tompo,miaina miaraka aminy dia tsy hipetraka olana ary azony avy hatrany !Rahatoa kosa ka olona tsy mahalala nefa anaty fahasahiranana dia hampahery azy (ary tsara averina ho fampaherezana ho azy koa ) saingy mila arahana fanomezana sakafo,sns fa iny no maika sy tena ilainy!Raha voky izy dia mety mora ho azy koa ny mandray ny ambiny !Nefa mety voky koa dia avy dia lasana mitsoaka ! hihi !
fehiny :mifameno tokoa ary samy toriteny miseho amin'ny endriny samihafa !Raha atao indray miaraka dia vao maika lafatra tokoa ! :D (l)
33. ikaretsaka
(
01/10/2009 12:06)
asa lo vo kabary ry faha an...
i Jesoa aza niteny sy nametra mafy hoe aza tenenina @ olona ny soa nataoko taminareo
i Jesoa aza niteny sy nametra mafy hoe aza tenenina @ olona ny soa nataoko taminareo
34. niryna
(
02/10/2009 05:25)
fidinirina:
Ny fifohazam-panahy na «réveil spirituel»
Mety maty na miala mihitsy mantsy ilay fanahy masina io raha toa ka tsy ampiasainao sy iainanao intsony. Ohatra, mpandray kominio na fanasan’ny Tompo ianao nefa nijanona nandritry ny taona maro. Ianao anefa mahafantatra tsara fa ireny dia sakramenta (marika hita maso ny fahasoavana noraisina tsy hita maso). Koa sanatria ve midika fa tsy eo ambany fahasoavan’ny Tompo intsony ianao ka aleonao mijanona. Sa koa sao dia niandry tambiny t@ Andriamanitra ianao ka rehefa tsy azonao izay tadiavinao @ zavatra hita maso sy ny filànao dia ialanao Andriamanitra.
Matory ara-panahy ireo izay mahafantatra an’Andriamanitra kanefa mbola mandeha @ nofo sy ny filany ihany, ireo izay efa nandray an’i Jesoa nefa tsy nahita voka-tsoa mivaingana teo @ fiainany ka miveri-dàlana, indrindra ireo izay mbola tena voageja ao anaty fahamaizinina. Mila velomina ao anatiny fa tsy ny sitrapony no tokony ataony fa ny sitrapon’Andriamanitra. Izay no mandeha araka ny fanahy fa tsy ara-nofo. Raha miteny Andriamanitra hoe : katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, mifamelà heloka, mifankatiava, mifampizarà, mifampianara sns dia izany no tsy maintsy atao fa tsy hoe : ny ahy izay tiako sy metimety amiko ihany (tsy baikon’iza n’iza) ; na rehefa tsy omen’Andriamanitra aho, avelao Izy ho any ; na hoe aleo aloha aho hanota fa rehefa eo am-pialana aina aho hibebaka, sy ny sisa marobe tsy voatanisa.
Ny mifoha ara-panahy izany dia olona mahatsapa fa efa tonga ny maraim-baovao (Mazava = Jesoa), mila mitsangana (Mino), midio (Mibebaka ary miala @ fahotana, atao batisa), miomana tsara (Mivavaka), misakafo (Mandray ny tenin’Andriamanitra) ary mandeha mamonjy ny asa nanirahan’ny Tompo (Mitory sy mampianatra). Ireo dia atao am-pitiavana (araka an’Andriamanitra) avokoa.
mazava be fa misaotra e :D
35. bor2lais
(
02/10/2009 09:50)
Voalaza etsy ambony :
"asa lo vo kabary ry faha an..."
-----------
Mety HS angamba ny ahy ity ka ialako tsiny mialoha !
Io voalaza io izany ilay hoe pratika aloha vao théorie raha azoko tsara ! Raha eo amin'ny fianarana dia azo ampifandraisana hoe : tonga dia TP fa tsy mila Cours mikasika izany akory !
Avy amin'ny "kitsapatsapa" no ahitana ny "làlan-kizorana" !
Ny voalaza raha tsy diso aho anefa dia ny finoana no arahin'asa fa tsy ny asa no arahina finoana, sa mitovy ihany izany !
Hevitso monja ihany ngefa io an !

36. ikaretsaka
(
02/10/2009 15:04)
ka ry zareo eto ngefa ra bord le Theory ny betsaka e...ho'zy ny tsimpona hoe wawawawawa 50 lignes avec penina multicolor
soa lavo hahay mamindra hoy ny gasy
sady mandeha (miasa) de rehefa tsy any ny lalana de ary! fa tsy laozana mamaky eo fotsiny de na mianjera ny gazety ao riana na tsy mi se rendre compte hoe lasa eny ampovoan'ny arabe de laozana mamaky ihany!

37. niryna
(
07/10/2009 20:12)
ikaretsaka:
ka ry zareo eto ngefa ra bord le Theory ny betsaka e...ho'zy ny tsimpona hoe wawawawawa 50 lignes avec penina multicolor
soa lavo hahay mamindra hoy ny gasy
sady mandeha (miasa) de rehefa tsy any ny lalana de ary! fa tsy laozana mamaky eo fotsiny de na mianjera ny gazety ao riana na tsy mi se rendre compte hoe lasa eny ampovoan'ny arabe de laozana mamaky ihany!
ary soa kenda ahay hitsako tsara fa sao tonga ny fotoana vao hoe domy aho ranaotra fa matin'ny ...... eo
38. ikaretsaka
(
07/10/2009 22:12)
dia rehefa nopohan'ny fiara de tsakoy tsara @ izay fa aza laizana mamaky fotriny