Maimaika toy ny diky entin-driaka...

1. tsiafoi1 ( 18/09/2009 11:11)
Fomba fijeriko izaho manokana izy ity :

Raha hitodihana ny lasa dia ity misy fanontanina iray izay tsy nahitam-baliny mandrak'ankehitriny ?
1-Nahoana no tsy nosamborin'ny Filoha Ra8 mihitsy na tratran'ny fanadihadiana manokana ny Maire TGV, t@'izany fotoana raha nihantsy ny Filoha sy ny fitondrany teo @'ny kianjan'ny demokrasia t@'ny fotoan'androny? Toa navela hahatanteraka h@'ny farany ny mission tiany hatongavana Ilaikely dia ny coup d'Etat izany.

Valiny telo no mety azo raisina
a) Na tena niady irery tsisy mpanoro-hevitra tokoa ny Filoha, ary tratran'ny oditr'akondro nanodidina azy. Kanefa azo inoana ve izany raha ny moyen teo am-pelantanany no jerena??
b) Na nisy tsindry na hery hafa avy iny ivelany izay tsy azo niodivirana
c) Na niniana najabaka ny tovolahy kely satria "mamay toy ny diky entin-driaka", mba handavoana ny vositra mialoha ny fotoana.

mbola hitohy
novalian'i tsiafoi1 ny 28/09/2009 08:32
2. tsiafoi1 ( 18/09/2009 12:26)
a) Niady irery ny Filoha...
Aingana dia aingana ny fandehan\'ny coup d\'Etat, ary tahakan\'ny efa voaomana hatry ny ela, contre à la montre izay no azo hamehezana azy. Mety azo andraisana ity valin-teny ity ho mitombina tokoa izany fisehoan-jvt izany. Matoa afaka nanjera iny fitondrana avo toerana iny (sur le plan international et national) tao anatin\'ny volana vitsy monja, sy toa efa voakajy mialoha (avant Sommet), dia midika fa nikotrika ela izany ireo nanodidina akaiky ny Filoha. Raha izany tokoa, nahoana ary no afaka mbola nilefa izy sy ny vady aman-janany, sa mbola tao ny fisainana malagasy mandala ny aina ho ambony ny zv-dht?

Raha ity petra-kvt ity no zva-nisy tokoa, azo antoka fa ho sarotra sy mahakely finoana ny fiverenan\'ny Filoha Ra8 ho amin\'ny fitondrana indray. Ary mino aho fa raha ny lojikan\'olombelona tsotra izao, na izy tenany aza tsy te-hiherika intsony, raha ny fingana sy ny zava-nanjo azy no visavisainy.
3. terrywui ( 18/09/2009 14:32)
Tssss !!hevitra taingina kely ny an'i tsiafoy ee!! matoa izy nesorin'ny vahoaka Malagasy teo de efa leo fahantrana lalina ny oul !! mijaly , voageja daholo ny sehatr'asa tokony hatao rehetra ( fromazy, yaourt , fruits , vary , menaka , siramamy ....) tysisy natao tson ny pokna de nifontana de io no niafarany !! fa aza be resaka be eo fa tsy mi-passs zany pastera a!!
4. tsiafoi1 ( 18/09/2009 14:42)
b) Nisy tsindry sy hery hafa ivelan'ny firenena tsy azo niodivirana
Izay rehetra mety hahazo tombotsoa t@'ny fionganan'ny Filoha Ravalomanana, dia azo antoka fa niray petsapetsa t@'iny coup d'Etat iny avokoa. Voalohany amin'izany ny firenena Frantsay izay manana ny 60% ny vola miodina sy miasa eto Madagasikara @'ny alalan'ireo orinasany marobe eto. Tsy mba manana ressources minières koa izy, fa mitavana sy mivelona @'ireo firenena nozanahany fahiny. Faharoa, matoa nezahina noravana mialohan'ny sommet sy ny francophonie Ra8, dia nisy firenena nikendry hatry ny ela ny handray izany, io firenena io de esclave ny Frantsa ary miara miasa akaiky @'ny terroristes, no sady nikendry ny hifehy an'i Afrique iray manontolo, tsy iza izany fa Lybie. Somary nanao ambodia nitafy odin-janak'ondry, fa ankehiriny dia niharihary toy ny vay an-kandrina. Porofon'izany ny nandraisany an'i Kelifingotra sy ny nanomezany hélico. Fahatelo, dia ireo firenena indo-pakistanais&arabes, izay zatra-nivelona @'ny trafic sy varotra (madio sy maizina) PPN sy produits de premières nécessité, nofehezin'ny Tiko sy Magro avokoa izany rehetra izany ka tsy nahita irika intsony rizalahy ireo.

Raha ireo no dinihina, dia azo lazaina fa ho saro-tsarotra ny fiverenan'ny Filoha Ra8 eto, raha tsy misy tsindry sy tactique hafa mahery noho ireo! Iza ary?? Tsy manary toky isika fa mbola tsy niala na resy tanteraka ny Filoha, ary mbola miasa an-kolaka io hery iray io, matoa mbola tsy vita ny reconnaissance ny jiolahy mpandroba hatreto
5. terrywui ( 18/09/2009 14:44)
be marenina b lety ,, tohizany iany le hevi-bolokiny !! tssslety eeee!....

:evil: :P :P :P :P :evil: :P :P :P :P :evil:
6. tsiafoi1 ( 18/09/2009 15:29)
Fa elà ve Ra-zandry tsy mamaky tsara a, fa ny maso ve no mijery sa ny fotran'i toi e!! Efa mipetraka noir sur blanc ery ambony fa "Fijeriko za manokana ity"... Ela mbola maka lagy ihany... Vakio fotsiny dia rehefa tsy resy lahatr'i Pasitera toi, Andraso fa alefako ho an'i toi Mopera Odoié Rabeorona ...
7. terrywui ( 18/09/2009 15:36)
Vakio fotsiny dia rehefa tsy resy lahatr'i Pasitera toi, Andraso fa alefako ho an'i toi Mopera Odoié Rabeorona ...
:-D :-D :-D :-D =)) =)) =)) :-D :-D hay ve hevitr toi maniokana e!
8. tsiafoi1 ( 18/09/2009 16:55)
c) Niniana nanajabaka i boaikely fa maimay toy ny ...
Ny zavatra hita aloa ankehitriny, dia tazana na @\'ny andaniny, na @\'ny ankilany ireo dinozore politika (mpitana ny secret d\'Etat), ... Ary hita hoe miara-mosalahy manketsy sy mankeroa, acteurs @\'ny film rehetra...

Raha atao ny kajikajy politika, dia azo lazaina fa adversaire @\'ny élection manaraka, nananontanona ny Filoaha Ra8 ny boay kely, raha vao tafiditra teo @\'ny sehatry ny Maire de Tana. Ny MAP izay hiarahana @\'ireo firenena ngeza mpiara-miombon\'antoka anefa vao mitsaika. Mety ho tapaka an-tenantenany zany Projet à long terme izany, satria 2012 + 5 = 2017 no voatendry ho faran\'ny mandat. Tsy mbola matotra tsara akory ny mety ho zava-bita ao anatin\'izay 5taona izay. Mety ho very vola ny ngeza satria ny projet ho tapaka an-tenantenany daolo... \"Miova Andriana, miova Sata\",..Fantam-pantatra ihany manko ny lojikan\'ny business man zay fa rehefa mahazo sehatra, de zay hitoeran\'ny vola aingana ihany aloa (financement parallèle Ben Laden) no mahamaika azy... Ny fotoana fohy de fohy, tsy nisy afatsy ny 2009-2010 hanomanana ny sain\'ny vahoaka...

De niniana natosika le bandikely mba hijabaka alohan\'ny fotoana, zao petsa sy maimbo foza tanteraka... Potika tanteraka ny carrière politique-ny. Lery koa moa entin\'ilay hafanam-po sy ambo diso toerana @\'ny maha-tanora azy, de tsy nandinika kely akory fa avy de ndao...! Monja koa moa no hiarahana Ndao! ndao!... Azo antoka fa na hisy prochaine élection in-2 aza tsy ho tafa mihitsy ntsony le bandikelyUnderlined text,... Fantatry ny bekintana tsara izany, ke efa nentiny nanao formation sahady ny ekipan\'ny CNE, ho fanomanana ny élection manaraka...
Ny ekipa niarahan\'lery koa moa tsy mba nampisongadina fa vao maika nampiosona, fantan-jareo tsara fa transition io ka izay hamenona ny posy ihany aloa... Reo anefa fantatra tsara fa tsy hisovaly hazo maty zany fa hanao revirement tsikelikely avy eo... Efa nanomboka iny Ramaka, nanao antso ho an\'ny miaramila mba handray andraikitra... De malalaka ny la voie ho an\'izay ho avy manaraka eo... Président à vie mihitsy aza... Iza ary izy zay??? Mbola ady sy tantara mitohy ny @\'io... Ny ngeza no tompon\'ny teny farany @\'ny alalan\'ny vahoaka malagasy efa voasasa atidoha...

Vinavina ihany izay voalaza fa ny lesona ho antsika tanora,... Aza maimay toy ny diky entin-driaka, ka any an-kady no hiafarany... Aleo toy ny akoho hamidy, mahandry ny andro Zoma, Amin\'izay ho lolohavina an-tapon\'ny loha. Ary aoka hanaja sy handala mandrakariva ny rafitry ny fizokiana, satria ny ela nietezana lava volo, ary ny antitra antitra ihany, ka aza atao fotsy rora raha miteny...

Fin
9. tsiafoi1 ( 18/09/2009 17:06)
Vinavina avokoa izay voalaza rehetra, mety hitombina mety ho diso... Ho an'ny vahoaka tsivakivolo, de izay mitondra fandrosoana ho azy ireo @'ny ankapobeny ka hiadanan'ny ambanilanitra madry fehizay, miaina am-pilaminana, ka hananany fitokiana... Izay no Mpitondra izay andrasany?

Tsy maninona izay mahafehy ireo fe-petra ireo
10. fijo ( 18/09/2009 21:36)
vao nanomboka anie n hetsika TGV dia efa niten ravalo hoe sambory io,fa minisitra roa no nanakana azy tsy hisambotra,satria mbola tsy niteny i andry hoe handray fahefana,fa ny tsy azoko di ahoe naninona no tsy nosamborina izy ,nony nilaza fa hitondra ny tetezamita?????teo no tsy arako ny resaka
11. tlay ( 19/09/2009 08:16)
Fijo: izy nilaza oe andray fitondrana iny anie ka efa namany dôly reo miaramila mitondra girad reo e! arakin'Ny tenin'I tsiafoy hoe tetika efa nomaninina ve io zavatra ataony reo foza reo. Nanomboka teo i Ra8 no tsiafa nanotra intsony. Miaramila ko mo efa miandry kendry toana an'I Ra8 rahateo.
12. tlay ( 19/09/2009 08:21)
TERRYWUI: FA ELA TY VE VOKARAMA SA AONA E! MANDEHANA ANY FORUM NY HAT ANY FA AZA KÔZY ATY. MARARY SAINA TSSS
13. ntss ( 19/09/2009 09:26)
iza ko ty tlay tsy mahazaka dona ato am sera ty!

Ny problem ny ra8 hatrany amboalohany dia NISOUZY ny tanjak'i Boay kely.

Tsy fantany mantsy fa i Andry fotsiny no "goute qui a fait déborder la vase" fa efa betsaka ireo fahavalo nangoniny nandritra izay 7 taona izay. Ny efa nanao fanambarana ampahibemaso fa tsy tia na ireo mbola niandry poinsa ny hialana ao am sambon-dra8 efa nidiran-drano.
Io phénomène de cause à effet fa tsy misy ol miongam-potsiny izany eo.
14. tlay ( 19/09/2009 10:17)
Ntss: mbola idirany sotro marina ny vavanao. De tsimarary ny ainao na ikorotana ambony ambany aza ao dago ao. Mba mipetra enao eo @toeranireo olona reo vary 1kapoka anjaranolona 6 mianaka. Zavatra tsy fatatrao na ny olona sasatrasany dia ra8 anie nitaty ny tsinety rehetra nataony pitondra teo alo e! raharaham-pirenena akory tsy terena otran vômasonjaza...sa nareo efa zatra t@ny androny ratsiraka gaboraraka, zay atao rehetra de mety sy vola daholo. vao nofehezin lalana kely t@ ra8 de tsinahazaka de mitabataba satry tapaka le fihinana? aza ti tena r'Ise fa ale mba erahaminana a!
15. patrick2002 ( 19/09/2009 10:42)
Aoka kosa aloha hazava fa i Andry TGV tsy nikatsaka ny haka fahefana hanongana an-dRavalo teny ampiandohana ,nitaky ny hanajana ny fahefany @ maha ben`ny tanana azy izy tany ambolaohany ,niziriziry ity Ravalo fa izy no filoha ,ary tsy misy mahazo manangana firenena ao anaty firenena ,dia izay vao tonga t@ izao ny toe-draharaha .
Ka izay ny tsy hanekeko ny teniny Tsiafo hoe efa planifié a l`avance ny rehetra .
Io samby mitady occasion daholo dia vao mahita dia lasa ,ohatra i Ratsiraka tsy nikasa ny hiverina intsony ,vao mahita fa toa ohatry ny misy mangirana hidirana ihany izy ity dia miady hitsofoka .
@ politika tsy misy zavatra previsible izany na ny nahatonga an`i Ravalo president ,na i Andry President ,na i Ratsiraka ,na i Zafy . misy ny occasion dia miady ilay olona .
16. tsiafoi1 ( 28/09/2009 08:32)
Patrick a tena minia tsy mahita ve toi sa tsy maharaka ny tantara sur place. Film efa monté daolo ireny fa niaina ny action ny vahoaka sisa... Ary mba ty za eto fa tsy hi-dépasse ny 2010 dia hivalona ho tantara zany resaka TGV sy Frantsa izany-% - Ireny daka ambavafo nahazo an\'i TGV tany @\'ny ONU ireny, Ravalo tsy maty fa mimpirina tsara, ... midika fa avo lenta ny ady. Adin\'ny ngeza samy ngeza no acteurs principales, figurants sy silhouettes fotsiny ny vahoaka, fa ny Bekintana aloa hatreto mbola mahery, na dia maka mora sy tsy migidraka aza. Petrole io!!! tsy hisy hanaiky ho gisitra eo.

Ny scénarios andrasana manaraka dia ny retour en force de Ra8, par voie de l\'urne avec compteur départ à zéro..., zany resaka TGV izany dia ho écarté de la scène politique aloa ao anatin\'ny 10 na 15 taona eo ho eo.

Ry dadabe Ratsiraka, mody misotro ronono sy miandry fodiana any ambody atafana. Dada Zafy moa hilamina fa ho Filoha ambony ny réconciliation nationale. Hisy fanamboarana ny resaka partie politique dia hangina ny fandoto rano rehetra fa samy hahazo ny anjarany... TGV sy ry fatsouraly dia hiasa mangina ary hanangana opposition... Tantara mitohy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.3366