ha ha ha eshhhhh e

21. reeves ( 17/09/2009 14:28)
Ny tena tsy azoko amin`ny soatoavina mibaiko ireto miaramila ireto dia ny fahasahiany manao fanonganam-panjakana , na koa miandany amin`ny firehana iray raha tokony ho neutre izy manoloana ny hetsika politika . Ny fijerem-potsiny ireo namany manao Coup d`Etat dia nampitsanga-menatra ny miaramila mihitsy ary tena ambany be ny fijerin`ny olona an-dry zareo . Soa fa efa misy ny tonga saina toy ny RFI izay efa manomboka mijoro sahy miatrika ny FIS ary efa fampitandremana sahady izay , ary efa manomboka faly ny vahoaka fa raha tsy misy tokoa mantsy tafika NEUTRE dia tsy hilamina mihitsy eto . Angamba mety hisy vahaolana hivoaka amin`izay mandritry ny fihaonan`ny miaramila rahampitso eny amin`ny Cercle Messe Betongolo fa dia efa tena maharikoriko mihitsy na ny mijery lava an`ireto CAPSAT ireto amin`ny fahitalavitra aza .
22. fijo ( 17/09/2009 22:11)
hoy rapa hoe "noana noho ny nataon'iza?"hoadray,de ny foza indray ve no manontany an'izany le????izy no be ziriziry izao kay???????
iza no nanoa sonia avy eo mivadika?????
iza no nandroba ny varin'ny tiko tao tamatave??????
23. patrick2002 ( 18/09/2009 01:11)
fijo:

hoy rapa hoe "noana noho ny nataon'iza?"hoadray,de ny foza indray ve no manontany an'izany le????izy no be ziriziry izao kay???????
iza no nanoa sonia avy eo mivadika?????
iza no nandroba ny varin'ny tiko tao tamatave??????



Fa tsy mahazo mihinana vary izany gasy raha tsy variny TIKO :-D :-D :-D , ary fa maninona marina tsy misy vary tonga ao @ port raha tsy variny TIKO eh!
Sao dia vitany Ravalo no mibahana ny fanafarana vary any ivelany raha tsy an`i TIKO ihany ,ho ratsy izy izany ,fa na misy izany na tsy misy dia
VIVE TGV.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.104