Dia hoy Jesosy taminy: aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i

1. rzakarivola ( 15/09/2009 12:04)
[MATIO 22:15-22]
"20 Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?
21 Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
"
1- Ny vola ve no tena tian'i Jesoa notenenina teo ? Ny Jiosy dia nahafantatra tsara ny voasoratra hoe "Ary Andriamanitra namorona ny olona ho tahaka ny endriny", izany hoe noforonin' Andriamanitra ho sariny sy sorany ny olona. Nahoana izy ireo no manolotra ny tenany ho an'i Kaisara (izao tontolo izao) ?

2- Miteny ve i Jesoa eto fa tsy maintsy manome an'i Kaisara (izao tontolo izao) koa ? Ny Jiosy dia mahafantatra tsara ny Soratra Masina manao hoe : "an'i JEHOVAH ny tany sy izay rehetra eo aminy", dikan'izany, na dia ny i Kaisara aza dia mbola an'i JEHOVAH ihany koa. Koa "aloavy ho an'Andriamanitra izay an' Andriamanitra"

Aoka izay mino an'i Jesoa Kristy tsy hanolo-tena "ho an'izao tontolo izao sy ny filàny", fa aoka ny tenanareo hatolotrareo "fanatitra velona sitrak' Andriamanitra". Ary "Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah?."
répondu par rakaroka le 20/09/2009 20:49
2. rakaroka ( 15/09/2009 15:54)
Matoa tsy avy tany dia nataony safo-be mantsina hoe "aloavy ho an'Andriamanitra avokoa justement MANITSY ilay fomba fihevitra izy hoe "TSINONTSINIAVINA" ny MISY eto an-tany fa ny "FIFANDRAISANA @ Atra ihany no Banjinina: Oh TSIA! Ny La croix izay misy "fifandraisana mijidina" mariky ny fifandraisan'ny olona sy Atra sy ny "mahitsirano : mariky ny fifandraisan'ny samy olona izay Toa NEGLIGENA-BE matetika !
Dia ampahatsiahivina eto fa tokony heverina koa ny zavatry ny tany: Izay ny fahazoako ity tany! dia tahaka izany koa ny ara-panahy!
3. ikaretsaka ( 15/09/2009 16:06)
Dia ampahatsiahivina eto fa tokony heverina koa ny zavatry ny tany: Izay ny fahazoako ity tany! dia tahaka izany koa ny ara-panahy!

izay koa ny fahazoako azu
4. niryna ( 18/09/2009 04:34)
Dia ampahatsiahivina eto fa tokony heverina koa ny zavatry ny tany: Izay ny fahazoako ity tany! dia tahaka izany koa ny ara-panahy!
ikaretsaka:

izay koa ny fahazoako azu


ika kosa mitovy hevitra amin'ny olona foana oops
Mba omeo kosa aloha ny hevitrao e

ahoana moa ilay tsimpona ry ika ,ampio aho e

Tenin'i kristy ho an'ny mpianany ilay izy . Fa raha izao fiainana izao no heverinareo fa hisy fahasambarana dia mahantra noho ny rehetra hianareo ahitsiho raha diso :D
5. ikaretsaka ( 18/09/2009 15:15)
ka marina kosa ny lazain-drakaroka io
Fa aza adino fa nitsinjo ny zavatry ny tany koa i Kristy ry nirina matoa novokisany ny olona, nampahiratiny ny hjamba mba hahitta (ny eto an-tany) nositraniny ny marary fa tsy novonoiny (ka hiakatra any an-danitra ny fanahiny)
zavatry ny tany no nataony fanoharana..zavatry ny tany no nakany nofo sy nataony hitovy (naka nofo t@ maria virjiny ka tonga olombelona)

ary indrindra matoa izy tonga teto an-tany ... hitsinjo ny zavatry ny tany izy!
sa ahoana?

aza tsimponina fotsiny le izy fa vakio aby de diniho sy eritrereto tsara hoe inona ny tena nataony ?
tsy ho jamba mahiratra sy ho very @ kitsimpona ianao @ izay fa hahazo tsara ny concept ny
6. rakaroka ( 18/09/2009 19:23)
niryna:

Fa raha izao fiainana izao no heverinareo fa hisy fahasambarana dia mahantra noho ny rehetra hianareo [/b] ahitsiho raha diso :D


Diso ny tsipon'i Nyrina eto.Sady disoiny ny fehezan-teny no mibiloka koa ny heviny, mivaona ilay "contexte" Ahitsiko :
tenin'i Jesoa t@ fampanantenany ny fitsanganan'ny tenan'ny maty io.
( Ary tandremo fa mbola maneho ny "karma" ho an'ny "finoana"hafa.)
Ao @ Ikorintiana 15 no misy io " ary raha @ izao fiainana izao ihany no hanantenantsika an'i Kristy dia mahantra indrindra samy olona isika.
7. ikaretsaka ( 18/09/2009 19:36)
k'efa hoe tsimpotsimponiny fahatany io fa tsy manaraka concept ko rakaroka koa ...
8. rakaroka ( 18/09/2009 19:47)
:-D :-D :-D Dia ianao indray anie no anontaniany ? Hita we "tsy nahiditra tsara tao an-doha tokoa fa "fikirakira" any anaty baiboly any rehefa hi"blablabla" :-D :-D :-D
9. ikaretsaka ( 19/09/2009 01:42)
:wink:
10. majesty ( 20/09/2009 04:51)
hoy Lotera izay hoe " na ho avy rahampitso aza ny Tompo, dia mbola hamboly paoma ihany aho androany ."
Jesosy nampiseho ny tokony hifandraisantsika @ fiaraha-monina, santionany io resaka hetra io (ho an'i Kaisara) fa ny soratra masina ary mampianatra ny tokony hanajana ny fahefana misy sy ny mpanjaka sns (tsetsatsetra tsy aritra io)
11. rakaroka ( 20/09/2009 20:49)
Mahafinaritra kosa aloha ny fanamarihan'i Majesty eto satria betsaka tokoa ny fampianarana aza toa maniratsira ny zavatry ny tany izany fa tondé ao an-danitra ao aby no "katsahina mafy!" dia TENA tsy ahoana intsony ilay fiainana an-tany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0484