fangataham bavaka

1. ravakamalala ( 13/09/2009 10:14)
mba mangataka anareo namana mba hivavaka manokana ho anilay namako izay nandao antsika alina tamin ny faha 30 taonany, namela vady sy zanaka vao 4 taona .
Handry ampiadanana anie izy izay !
répondu par rhina le 25/09/2009 06:19
2. rakapy ( 13/09/2009 11:38)
+R.I.P +
3. rakaroka ( 13/09/2009 15:11)
'ndriiiiiiiiyyyyyyy mbola tanora tokoa !:cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: mampalahelo tokoa izany! tsy ho azy ihany no ivavahana fa ho an'ireo akanga sisa nanamborana 'ndrindra koa ! fiteny ihany moa ny hoe ho lasa ny ratsy fa toa vao manomboka aza ny tolona ho azy mianaka nilaozana !
4. fahamarinana ( 13/09/2009 15:16)
:arrow: mampalahelo tokoa !Dia mahaiza miononona Ravakamalala dia atreho ny zanany kely fa mafy zany !Handry am-piadanana anie ilay naman'ise ! :( (l)
5. tywa68 ( 13/09/2009 16:05)
:cry: loza zany marina ! ny Tompo anie hanome fiononana feno ho anao sy ny havana navelany :-* :-*
6. ikaretsaka ( 13/09/2009 16:32)
O di immortales! -Requiescat in pace!
7. simplex ( 13/09/2009 16:58)

mahaiza mionona e
mivavaka ho an'ny fianakaviany
mahereza,
:-* :-*
8. ni81 ( 13/09/2009 17:10)
Mirary fiononana feno ho an'ny vady aman-janany sy ho anareo namany koa e!
9. ravakamalala ( 13/09/2009 19:08)
misaotra anareo rehetra.
10. booboo ( 14/09/2009 07:35)
Mirary fiononana feno ho an'ny vadiny sy ny zanany kely ary ny fianakaviany. Tena mbola tanora be tokoa dia lasana...
mirary fionona ho an'i Ravakamalala izay namany ihany koa :)
11. ari.malala ( 14/09/2009 12:54)
Miara miory @ Ravakamalala sy ny fianakaviany ary mivavaka hoazy sy ny vadiny aman-janany. Mahereza daolo.
12. zokidol ( 14/09/2009 13:19)
mba mangatakavavaka amin'ny famahana ny olana amin'ny fahasarotan'ny fanatanterahana asa sy ny fikasana eo amin'ny fiainana andavanandro misaotra mialoha ary manantena ny fivavaky ny maro
13. rijadolly ( 14/09/2009 14:02)
Mirary Fiononana sy mivavaka ho an'vady amanjanany sy Ravakamalala,Andriamanitra anie hanampy azireo noho ny FandaharaNy ny Fiainan'izireo.

zokidol:
mba mangatakavavaka amin'ny famahana ny olana amin'ny fahasarotan'ny fanatanterahana asa sy ny fikasana eo amin'ny fiainana andavanandro misaotra mialoha ary manantena ny fivavaky ny maro
Mba ho voninahin'AnaraNy anie ny ASA atanao sy ny fiananao iray manontoly

Dia mirary soa antsika rehetra koa mba ho Fitaratry ny rehetra ny fiainanantsika manontolo noho ny AnaraNy
14. niryna ( 14/09/2009 14:32)
Ravaka a> ny namana rehetra eto amin'ny serasera dia mamangy ny fahoriana ho an'ny fianakaviana sy ny vady aman-janany.Mivavaka ho azy ireo ihany koa izahay
Ry Andriamanitra be fitiavana o.Mangataka ny famindramponao izahay mba hiaro ireo vady aman-janaka navelan'ny namanay.Tompo o hianao mahalala ny fahoriana mahazo azy ireo amin'izao fotoana izao koa omeo azy ny fiadanana,fiononam-po ary ny fitiavana.Aza avela ho irery izy ireo Tompo o fa ny olona no mandao fa hianao kosa tsy mandao anay na amela anay ho irery.
Enga anie ny fahasoavanao ho irotsaka ao am-pon'izy ireo isan'andro.Misaotra Ray o ary amin'ny alalan'ny zanakao malalanao no anaovanay izany vavaka izany.Amena
Ny namanao rehetra eto amin'ny serasera


:-* :-*
15. niryna ( 14/09/2009 14:41)
zokidol:
mba mangatakavavaka amin'ny famahana ny olana amin'ny fahasarotan'ny fanatanterahana asa sy ny fikasana eo amin'ny fiainana andavanandro misaotra mialoha ary manantena ny fivavaky ny maro
rijadolly:

Mba ho voninahin'AnaraNy anie ny ASA atanao sy ny fiananao iray manontoly

Zokido> ankino amin'Andriamanitra ny lalanao,mahatokia Azy fa ataony ho lavorary sy tanteraka ny fanirianao

Ohabolana 3:5-6

5 Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;

6 Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,


5 Confie-toi en l`Éternel de tout ton coeur, Et ne t`appuie pas sur ta sagesse;

6 Reconnais-le dans toutes tes voies, Et il aplanira tes sentiers.



rijadolly:

Dia mirary soa antsika rehetra koa mba ho Fitaratry ny rehetra ny fiainanantsika manontolo noho ny AnaraNy


misaotra rija !

:-*
16. soanja ( 15/09/2009 03:49)
ravakamalala:

mba mangataka anareo namana mba hivavaka manokana ho anilay namako izay nandao antsika alina tamin ny faha 30 taonany, namela vady sy zanaka vao 4 taona .
Handry ampiadanana anie izy izay !



Mirary fitoniana ny fianakaviana ary hitantana azy ireo lalandava anie ny Tompo!


17. rzakarivola ( 15/09/2009 12:19)
ravakamalala >>> Tsoriko aminao fa sahirana be aho mieritreritra hoe mivavaka ho an'ilay maty. Sincèrement, nitaizana ahy fa tsy mety izany, kanefa ny Soratra Masina tsy nahitako mazava hoe mety sa tsy mety tokoa ve izany ? Inona moa ny vavaka fa tsy fifandraisana amin' Andriamanitra ? Misaotra anao @ity lohahevitra ity fa izao no nahatonga saina ahy hitodika @ Tompo hoe ahoana tokoa ny amin'izany vavaka ho an'ny efa lasana izany.
Raha misy manana verset anohanany hevitra fa heloka eo anatrehan' Andriamanitra ny mivavaka ho an'izay efa lasana, dia mba ento eto. Raha tsy misy dia tanteraho fa nangatahan'ny namana, fa isika no mpisoron'ny Mpanjaka.
18. rhina ( 25/09/2009 06:19)
ny hivavaka ho an'ny zanany sy ny vadiny nga no tokony hatao e!!!
fa tsy ho an'ilay maty

satria izy reo zao no tena mila fanampiana ara-tsiana, ara-batana sy rehetra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1295