famahanana ny zaza

1. ari.malala ( 11/09/2009 13:44)
Mirahaba ny namana rehetra,

Hatr@ firy taona kay ny zaza no tokony hofahanana? Tsy zany mantsy fa i Ambinintsoa zao efa 3taona sy tapany fa mihanta b ts mety minan-kanina refa ao antrnao aho raha tsy fahanako. Miezaka iany ry zareo ao antrnao hampihinana an'izy roalahy aloha, fa mandà ireo hoe hiandry an'i neny, d ts mety miankanina iz raha tsy tonga ah, d nefa indray midongy tsy mety minan-kanina rha tsy fahanako. Misaotra mialoha.
novalian'i rhina ny 29/09/2009 10:59
2. sipagasy ( 11/09/2009 18:09)
mmhh io akia tsy misy taonany ann, sady hoy koa ny pediatre izay hoe tsy misy zaza tolorana sakafo ka tsy handray fa mba miangoty fotsiny izy akia ann, na ho fetafetainy aza dia omeo azy ihany mba hoe fanazarana azy koa e!

dia mazotoa e
3. xxx ( 12/09/2009 07:00)
Ka io nge na le oll efa manambady aza mbola mitady hofahanana ihany e. Jereo am-le mariazy reny fa dia atao nananina sotro iray vilia iray kaopy iray ny an'ireo mpanambady satria midongy tsy mety minana ny iray raha tsy fahanana. Mariky ny fitiavana ny famahanana ary sao dia matahotra ny tsy ho tinao intsony ilay zanakao dia mitady hofahananao foana?
4. sapele ( 12/09/2009 11:04)
miankina aminao iany no handraisany sotro na tsy fa ato aminay misy zaza mbola vao 18 volana fa efa mandray sotro izy ary tsy mety fahanana intsony,,,otrany mba mahagaga ahy ra zaza 3taona tsy mety misakafo raha tsy fahanana.zaro haingana izy fa sao de mihanta loatra.
5. sapele ( 12/09/2009 11:17)
diso kely aho fa 20 volana le zaza ka!mahalany betsaka iany izy na de mbola misy verykely aza avy ao anaty sotrony.efa mahay misotro rano @ vera irery,, mazotoa mitaiza e!
6. ari.malala ( 16/09/2009 06:31)
sapele, ts hoe ts mety mints nge e, fa refa ao antrano ah d mihanta b izy, fa zao izy hitako ndray ny fika k :) dokafako hoe hendry nge le zanak'i neny fa hinankanina zao izy d lasa mandray sotro :)
7. tywa68 ( 16/09/2009 07:10)
Ari.malala > avelao izy hihinana irery fa miara-misakafo aminy à table fotsiny ny lehibe d hitany hoe samy mihetsika, fa tsy misy mifamahana zany, manjary ho sahirana any aoriana hihinana irery any @olona ohatra...aza ampihantaina loatra zany fa fianarana dhl zany, mila indépendance izy hivoarany... :wink:
8. xxx ( 16/09/2009 07:19)
Mirahaba ny namana rehetra,

Hatr@ firy taona kay ny zaza no tokony hofahanana? Tsy zany mantsy fa i Ambinintsoa zao efa 3taona sy tapany fa mihanta b ts mety minan-kanina refa ao antrnao aho raha tsy fahanako. Miezaka iany ry zareo ao antrnao hampihinana an'izy roalahy aloha, fa mandà ireo hoe hiandry an'i neny, d ts mety miankanina iz raha tsy tonga ah, d nefa indray midongy tsy mety minan-kanina rha tsy fahanako. Misaotra mialoha.

Ohatrany mahagaga ahy le izy. Matetika ny ankizy raha misy namany miara-mihinana aminy eo dia tena mihinana tokoa, mety tsy dia mifandrombadrombaka angamba ilay zokiny, na koa somary henjankenjampihetika aminy dia kamo izy hiarahihinana @ zokiny. Fa afaka foana io rehefa zarinao mamahan-tena izy kah, na somary dokafy kel rehefa eo ampihinanana fa laniny foana io
9. xxx ( 16/09/2009 08:17)
3ans et demi izany ve tsy efa mianatra ? Efa tokony mihinana irery izany amiko aloha e
10. rhina ( 16/09/2009 14:14)
arakaraka ny zaza sy ny fitaizana azy
ra voa mahay mitazona zavatra iny ny zazaka efa misakafo dia ampianarina mandray sotro eo @ faha 8 na 9 volany raha tsy diso za
dia mianatra tsikelikely izy any @ faha eritaona sy tapany any izy tokony ho efa hahay hitana sotro tsara raha maha araka ny mpitaiza
sady zao koa tsara ampianarina mitana sotro ny zaza satria rehefa fahanana izy dia tsy hit mazava ny hhavoky azy
11. Ratoa ( 16/09/2009 17:08)
Ari.malala: mierom-pitia ny zanakao fa tsy hoe kamo na malai-komana. Ianao angamba tsy manatrika matetika ny fotoana fisakafoanany. Fotoana sarobidy io. Jerao fa talohan'ny samborana azy Jesosy dia niara nisakafo tamin'ny mpianany Izy. Fotoana fanehoana fitiavana sy firaisan-kina ny fiaraha-misakafo.
Ireto exemple roa omeko anao:
- Nisy olona nahavatra nampisakafo ny zanaka amanjafiny ny alahady. Rehefa nanontaniana ny antony izy dia namaly hoe: tiako hiray hina ny zanako, indrindra ny zafikeliko. Ny fiaraha-misakafo no mampiray hina ny mpianakavy fa tsy ny trano iaraha-mipetraka akory;
- Nisy zaza efa 6 taona. Naty tampoka ny mpitaiza azy. Misy andro izy tsy omana fa mijery ny hafa. No tenenin'ny renibeny izy ihinana. Dia hoy izy hoe:"fahanana aho". Tezitra reniny fa reinbeny kosa namahana sady niteny hoe "fahanana ny zanako? ao ary. dia avy eo nataony hoe "anao indray izao". Dia hoy ilay zaza "rehefa tonga izao i mama ZY an (ilay mpitaiza efa naty io) fahanany aho.
Dikany? Malahelo ilay mpitaiza izy ary mahatsiaro azy rehefa misakafo fa tsy hainy ny mamboraka ny halahelony ; Ampianarina azy tsikelikely ny atao hoe fahafatesana.
Ento mora ny fanitsiana ny zanakao fa efa manana fietsehampo izay mbola tsy ananan'ny zandriny Ari.malala: mierom-pitia ny zanakao fa tsy hoe kamo na malai-komana. Ianao angamba tsy manatrika matetika ny fotoana fisakafoanany. Fotoana sarobidy io. Jerao fa talohan'ny samborana azy Jesosy dia niara nisakafo tamin'ny mpianany. Fotoana fanehoana fitiavana ny fiaraha-misakafo.
Ireto exemple roa omeko anao:
- Nisy olona nahavatra nampisakafo ny zanaka amanjafiny ny alahady. Rehefa nanontaniana ny antony izy dia namaly hoe: tiako hiray hina ny zanako, indrindra ny zafikeliko. Ny fiaraha-misakafo no mampiray hina ny mpianakavy fa tsy ny trano iaraha-mipetraka akory;
- Nisy zaza efa 6 taona. Naty tampoka ny mpitaiza azy. Misy andro izy tsy omana fa mijery ny hafa. No tenenin'ny renibeny izy ihinana. Dia hoy izy hoe:"fahanana aho". Tezitra reniny fa reinbeny kosa namahana sady niteny hoe "fahanana ny zanako? ao ary. dia avy eo nataony hoe "anao indray izao". Dia hoy ilay zaza "rehefa toga izao i mama ZY (ilay mpitaiza efa naty io) fahanany aho.
Dikany? Malahelo ilay mpitaiza izy ary mahatsiaro azy rehefa misakafo fa tsy hay ny mamboraka ny halahelony ; Ampianarina azy tsikelikely ny atao hoe fahafatesana.
Ento mora ny fanitsiana ny zanakao fa izy efa manana fietsehampo izay mbola tsy ananan'ny zandriny izy
12. soanja ( 17/09/2009 15:38)
ari.malala:

Mirahaba ny namana rehetra,

Hatr@ firy taona kay ny zaza no tokony hofahanana? Tsy zany mantsy fa i Ambinintsoa zao efa 3taona sy tapany fa mihanta b ts mety minan-kanina refa ao antrnao aho raha tsy fahanako. Miezaka iany ry zareo ao antrnao hampihinana an\'izy roalahy aloha, fa mandà ireo hoe hiandry an\'i neny, d ts mety miankanina iz raha tsy tonga ah, d nefa indray midongy tsy mety minan-kanina rha tsy fahanako. Misaotra mialoha.


Lavabe ity an!

Amin\'i taonan\'i Mbinintsoa dia tokony efa hahatsapa izy fa tsy mitambatra amin\'ny Neny intsony ny vatany fa olona miavaka izy manana ny mahaizy azy: I Mbinintsoa. Io dia eo amin\'ny taona 2 sy tapany eo ny zaza manomboka mahatsapa izany ka izany ny mahatonga ny ankamaroany tsy manaiky raha tsy izy no mampiditra ny kirarony sy manao zavatra momba azy ary izy no mandidy izay tiany atao.
Zany hoe efa manomboka manala tena amin\'ny fiankinana amin\'ny Ray amandreny ilay zaza ary efa vonona sahady hikopakelatra. Saingy isika ray aman-dreny kosa mahita fa mbola betsaka ny ilana fanitsiana na fampianarana izay zavatra tiany atao satria mbola zaza tokoa izy ary tsy ho hahaleotena tanteraka.

ka ny zaza mbola mifikitra be toy izany hoe: i Neny no hanao izao sy izao ahy dia mahatsapa izy fa mbola ilainy ny fifikirana amin\'i Neny. Io no antsoina hoe \" attachment problem\" ka io dia resaka psisokolojika sy sosialy fa tsy ara-tsaina fahaizana akory.

Ny tian\'i Mbinintsoa tenenina eto fa tsy ho hainy ny mamoaka izany dia hoe \" Mila an\'i Neny aho miaraka amiko sy miara-manao zavatra amiko. I Neny no fiainako. Tsy feno ny rehetra raha tsy eo i Neny.\"

Io fahafenoana io zany no tsy mbola hitany fa tsy ampy ka amin\'ny hetsika isan-karazany no amoahany azy.

Ireto avy no atao:

- Matetika dia mahafinaritra ny ankizy amin\'io taonany io ny mijery ny namany/ havany sy ny manodidina azy ary mampitaha ny momba azy. Na ny zokiny aza dia azo akana izany traikefa izany. Tenenina ilay zoky hoe\" I xxx anie ka efa lehilahy lehibe tokoa! -indrindra rehefa mahavita asa iray izy na maromaro - jereo niasa mafy i xxx nanao an\'izao sy izao avy. Firy taona zao ise ry xxx? Tsara anie zany lehilahy lehibe mahavita zavatra zany e!!!\" Dia miala any amin\'izay ny andry ry Ari hoe \" i Mbinintsoa koa anie ke efa lehilahy lehibe, sa tsy izany moa??? ireto avy ny ataon\'ny lehilahy lehibe dia tanisaina hoe mahay milalao amin\'ny namana tsy miady fa miandry tantana sns sns maro dia tanisaina ho isany koa ny hoe \" afaka mitazona sotro azy samirery dia mampiasa forsety de mampiditra sakafo ambava. Tandremo tsy tsakoana ny sakafo an!!! sao kenda eo an... !! dia ezahina hihiratra ny sainy hahafantatra hoe inona avy no atao rehefa misakafo dia inona no manaitaitra... Zah zao vehivavy lehibe, rehefa mampiasa forsety ho dia somary ahodiko kely ny forstiko raha mihinana pasta! azoko daholo ve le izy ... oay tonga dia miakatra any ambava amzay! tsakoana tsara! yammm matsiro an an!\" Atao izay hahavitany ahita ny tsapandry eo ampanaovana zavatra... raha tsy taitra amin\'izay izy dia mbola misy zavatra mahavotsa azy ao fa mila tadiavina. Fa i Neny miara-mi-explore ilay izy no tena zavadehibe aminy.

Miankina amin\'ny zaza tsirairay ny fahafahany mampisafo ny tenany. Zaza iray taona sy tapany dia efa mahavita azy tokoa.

Ny 3 taona io no misy asa antsoina hoe \"Refining the motor skills \" zany hoe ny zavatra kely pitsopistony no manomboka mahasarika azy ny manao azy amin\'ny tanany ary ny hazakazaka na mampiditra baolina ao anaty baskety ka misy focus sy concentration no ataony rehefa manao resaka physika mampiasa tongotra sy tanana ary hozatra rehetra izy ohatra.
Raha manao puzzle izy dia tsy mila intsony misy bokotra horaisin\'ny ilay fela tanana goavana fa efa tokony ny puzzle madinika efa complique reny sady tsy misy bokotra intsony fa rantsan-tanana vitsivitsy no maka na tsy misy intsony fa dia toy ny maka zavatra tsotra ireny ihany.

Ny resaka sosialy indray dia io voalazan-dRatoa io no mahateny azy. Sarobidy tokoa ny fotoana fisakafoanana amin\'ny fianakaviana. Io no solon\'ny fiangonana raha ao an-trano.

Tokony lalandava miara-misakafo in-2 miaraka daholo ny fianakaviana farafaharatsiny isanandro. Eo ampisakafoanana ny zanaka no mahalala hoe izao no atao hoe Fianakaviana. Io no ifarahany amin\'ny mpiaramonina anareo.

Amin\'ny fomba fikarakarana ny zaza amiko fa tsy voatery ny hafa akory dia misy \"ceremonie\" ny fomba entina hiarahana eo. Ezahina ny zaza hanampy amin\'ny fikarakarana ny sakafo hariva ohatra. Dia izy ireo ihany koa no mametraka ny vilia sy ny sotro mba manomana ny sainy fa ho akaiky ny fivoriana sy ny sakafo, dia miara antsoina ny rehetra hoe tongava mamonjy ny fiaraha-misakafo, tsy misy mahazo mandray sotro manomboka raha tsy vita ny fivavahana: ( na zaza iray taona sy tapany dia efa maharaka an\'io), mifampitana tanana ny mpianakavy ary atomboka ny fisaorana an\'Andriamanitra, i neny miteny hoe arosoy ny sakafo dia miatomboka ny fisakafoanana. Mandritra ny sakafo dia mifampiresaka tanteraka. Hanontaniana tsiraidray ny zanaka hoe nanao ahoana ny androny sns sns... izay mahairay anareo rehetra eo. Tokony tsy hisy fibedesana eo ambony latabatra raha tsy hoe misy toetra tsy mendrika hoe hifampitoraka sakafo na hafa tsy mifandray amin\'ny atao eo. Vita ny sakafo dia miteny i Neny hoe \"mahazo miala amin\'izay\" vao miala ny zanaka fa tsy hoe izay vita miala. Afaka mangataka miala izay misy mahamaika saingy mila angatahana io fa tsy hoe tonga dia lasa. Eo no misy ny fiandrasana, fandrasana tantana sy ny fiarana fiaretana. Azo atao ny fisaorana an\'Andriamanitra raha mazoto ny mpianakavy dia avy eo mirava. Tokony hanampy amin\'ny fanalana ny vilia avy nisakafoanana ny zanaka ary manampy amin\'ny raharaha ao an-trano.

Zavatra iray goavana ny hametrahana ny fifantohana amin\'ny fiarahana eo fa tsy hoe ianareo misakafo dia i Dada mamaky gazety. Ny rehetra no miaramisakafo na izay tsy misakafo tokony hiresadresaka miaraka fa tsy manao zavatra hafa.

Tsy mora ny mametraka an\'io seremony io amin\'ny mpianakavy maika lava saingy raha misy ny ezaka dia izay no tsara indrindra satria ny zaza rehetra dia mitaky filaminana ety ivelany mba hilaminany ao anaty na dia tsy tsapa aza ilay izy. Ny zaza rehetra dia mitaky fahafantarana hoe inona no manaraka- predictable move na routines.

Raha apetraka toy izany ny fipetrahan\'ny sakafo amin\'olombelona dia mandray an\'iny fotoandehibe ny zaza ary entiny mandra lehibe ny fahatsapana ny filana izany ka ny fiainana dia mahalala fa amin\'izao fotoana izao dia hiara misakafo izahay sy i neny ary ny hafa. Feno ny momba ahy satria fantatro ny fotoana ary zah lehilahy lehibe mahavita misakafo tsara toy ny rehetra!

Mazotoa akia a!






:-* :-* :-* (l)
13. rhina ( 29/09/2009 10:59)
tena lava dia lava ny an'i soaja fa tena feno dia feno misaotra na dia tsy za aza no nametraka an'ilay dinika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.089