Ny hevitrao

1. Envy7 ( 02/09/2009 07:09)
Arahaba aloha no atolotra,alohany hanombohantsika tafa vaovao. Misy bandy akama,latsaka an-katerena ka mila ny hevitry ny maro.Tsy hanonona anarana pour le respect.Ka toy izao lay zistoire.Tafalatsaka tamina jobakely mbola virijiny izy.Tiny io joba io,ary nerahany,na tsy vita raharaha ara-panjakana aza,juste oe samy ray aman-dreny dia vita,fa afaka miandry zany raharaha mandany vola zany ozy lery.Dia niray trano tao lery sy le joba,lery zany efa mendimendy niatso an-drajobakely oe vady.Tato aoriana kely ny fiarahany,amam-bolana,nivoaka daholo ny sekirenlery,manan-janaka amina joba hafa.Lasa lavitra lay jobakely virijiny,azafady,kay efa nerahany tao,mbola nifandefa hafatra izy mi-deux,efa volana maromaro zao,tsy mikozy tsony le joba,lery mila ho lasa adala hanary lamba,ny toaka bobohana ny sipa irobohana.Ny bandy akama efa tapitra ,nikozy tamlery fa ho very JOKER elah less bainina raha manary an io zanakolona io.Zao lery vao manenina,raha ianareo no teo aminy toeran-dry zareo,inona no hevitrareo. Misaotra mialoha!
novalian'i Envy7 ny 27/09/2009 04:32
2. boozkel ( 02/09/2009 08:29)
tsy azoko le we " Lasa lavitra lay jobakely virijiny"
zany we lasa nisintaka??

Rah mbola tiany le sipa , te hamerina azy izy, de tsy misy afa-tsy ny fifanazavana e, ny solaitra moa efa vaky dia vakiana hatram'farany , hazavaina azy ny reetra e, mba tsy hisian'ny surprise hafa ndray,

misy manko ny zavatra azo afenina sy andaingana , fa ny zavatra tahak'izany tsy laitra hafenina, na ela na haingana de fantatra ny marina,
de tsorina @ le sipa e,

Rah tsy misy relation tsony izy sy ilay renin-jaza de atao ze anaporofoina izany aminy,

eny e, mora ny miteny fa sarotra ny fandidiana, ... hafa manko rah fantatra mialohan'ny nidiran'ilay sipa taminy le zavatra.. fa efa tafiditra izy vao nahafantatra,
3. Envy7 ( 02/09/2009 09:06)
marihako etoana,fa le bandy akama tsy nanary lay jobakely tato afara,na lasa mihodina aza.ny bandy koa,aminy maha bandy azy zay,tsy laitra miitsy, tsy maintsy mba manala kely eny aminy sisiny eh.
4. Envy7 ( 02/09/2009 09:07)
marihako etoana,fa le bandy akama tsy nanary lay jobakely tato afara,na lasa mihodina aza.ny bandy koa,aminy maha bandy azy zay,tsy laitra miitsy, tsy maintsy mba manala kely eny aminy sisiny eh.
5. kelly13 ( 02/09/2009 11:08)
ny bandy koa,aminy maha bandy azy zay,tsy laitra miitsy, tsy maintsy mba manala kely eny aminy sisiny eh.
===> fa maninn no oe "tsy maintsy" e! zany tsy maintsy zany nge d oe voatery na kou oe obligation e! aiza kou zany bandy obligé manala kely eny @ sisiny zany? tss
6. TWING ( 02/09/2009 12:02)
fa maninona nefa raha fidèle e?sarotra be angah zany?
tsy lava rambo zany ry bandy fa sao manody @ zanaka ny atao a!

rehefa tsy nety ny an lery sy ny reninjanany dia manaja ilay sipakely izy dia vadiny dia milamina e!

aza atao fombafomba lesy ny mariazy fa hiainana a!
7. Mirananirina ( 02/09/2009 13:07)
Ny tena tsy azoko amin'ilay tantara dia ilay hoe sipakely virijiny? 8O 8O 8O
tsy tokony hoan'ny bandy efa niteraka ve izy io sa ahoana????tsy mazava mihitsy.
Ny hevitro moa rehefa ny lhl no tia vehivavy izay,,na sakanana toa inona aza izy manao foana na efa 80 taona aza.
tsy hitanareo angaha ilay rangaha 100 na 80 taona nitady vady iny??
8. simplex ( 02/09/2009 13:09)

tsy azoko le tantara:

misy jobakely virjiny (mbola virja ihany nga izy @ zao no mbola izay ihany no fiantsoana azy?) miara mipetraka @ lery. Natao fisehoana fotsiny fa tsisy zavatra officiel.

Rehefa niara nipetraka ry zareo dia kobo hoe manan-janaka @ sipa hafa lery. Dia lasa nipitsika i joba virjiny. Mbola mifampi-text ihany ry zareo aloha.

I lery mamonjy mivary lavo ary miaraka @ sipa hafa. Manao adidy @ maha lelah azy...

zay ve le tantara?

iza no tokony ampiana @ zao le bandy sa i joba virjiny? :)
9. soanja ( 02/09/2009 15:07)
Envy7:

Arahaba aloha no atolotra,alohany hanombohantsika tafa vaovao. Misy bandy akama,latsaka an-katerena ka mila ny hevitry ny maro.Tsy hanonona anarana pour le respect.Ka toy izao lay zistoire.Tafalatsaka tamina jobakely mbola virijiny izy.Tiny io joba io,ary nerahany,na tsy vita raharaha ara-panjakana aza,juste oe samy ray aman-dreny dia vita,fa afaka miandry zany raharaha mandany vola zany ozy lery.Dia niray trano tao lery sy le joba,lery zany efa mendimendy niatso an-drajobakely oe vady.Tato aoriana kely ny fiarahany,amam-bolana,nivoaka daholo ny sekirenlery,manan-janaka amina joba hafa.Lasa lavitra lay jobakely virijiny,azafady,kay efa nerahany tao,mbola nifandefa hafatra izy mi-deux,efa volana maromaro zao,tsy mikozy tsony le joba,lery mila ho lasa adala hanary lamba,ny toaka bobohana ny sipa irobohana.Ny bandy akama efa tapitra ,nikozy tamlery fa ho very JOKER elah less bainina raha manary an io zanakolona io.Zao lery vao manenina,raha ianareo no teo aminy toeran-dry zareo,inona no hevitrareo. Misaotra mialoha!

Ilay hevitra hoe virjiny angamba no mahatonga azy miboboka toaka. Marary satria lasa le virjiny kely taloha tao an-tsainy.

:-D :-D :-D :-D
10. Envy7 ( 02/09/2009 16:46)
tsy obliger lery,raha te hanala azy eny aminy sisiny ka.raha mbola tsisy vady. lery no itadiavana torohevitra.Mazava tsara fa mety nalahelo le jobakely,dia aleony mitady vady fidele,honnete.toy izay hiverina aminy mamolava,sy mpiodina. lery aloha tsy mihaino ny torohevitry ny bandy,sarotra atoro,tsy voatery homba azy ny tenanay,satry hoe bandy akama izy. fa ny ahiana mafy,lery hanatena ny tsy misy eo. tokony lay zaza no hatrehany. efa be zay vita zay.
11. soanja ( 02/09/2009 16:54)

Envy7 > Tena misy olombelona mihitsy malemy manoloana zavatra isan-karzany ka tsy mahatanty ny mena miraviravy sy ny fakam-panahy maharendrika. Io anefa tsy sitrana ny resaka antsisiny fotsiny fa mila tena dokotera sy fanasitranana mavaivay satria ny antony mahatonga izany tsinona dia ny fahazazana no voa.

Tsy ho mora amin'izany olona izany ny hifantoka amin'ny fitaizana satria na izy aza raha dinihiko avy amin'ny teninao dia mbola tsy nitombo ny sainy ka hahafeno ny takian'ilay zaza amin'ny atao hoe ray aman-dreny.

Ny mijery ny fiodin'ny fiainany no azonareo atao ary maka lesona avy amin'izay zavatra hita eo mba tsy handaitra amin'ny tena ny nahazo azy. Rehefa potraky izy dia areno am-pitiavana fotsiny.

12. Ratoa ( 03/09/2009 01:16)
Mbola zaza ary tia tena be izany olona izany mandositra adidy: isehoana fa tsy ampakarina satria tsy te handany vola (afaka miandry hoy izy izany raharaha mandany vola izany). Anefa iaraha mipetraka dia izay vao vakiana ny nafenina. Ny olona tia anefa mora memela heloka ary ny vehivavy matetika dia tsy tezitra amin'ny zaza nateraky ilay olon-tiany alohan'ny fifankahitan'izy roa. Fa kosa tokony ho lazaina alohan'ny idirana lalina izany. Mahatsiaro ho voafitaka izato virjiny sy nanary ny maha virjiny azy tamana mpamitaka dia nilefa.
tsy manome tsiny azy aho ary iriako izy ahazo anjara aman'olona tsy mandositra adidy sy afa mijoro ampanajana. Fahaizana fiaraha monina izany.
Ny vonjy atao an'ilay lehilahy ve? Dokotera anala azy amin'ny taoka. Ary ny fiainana no hitaiza azy fa tsy misy afaka hanampy azy satria izy tsy vonona hiaino sy hanaiko ny toro-hevitrareo namany.
Ary manao chantage koa izy, mody hoe tsy mahazaka ny nialan'ilay sipa, fa ny tena marina, mitady fitserana avy aminareo. Misy eritreritra (conscience) ve izany olona izany?
13. Envy7 ( 03/09/2009 09:59)
Soanja > marina ary tena marina ny voalazanao. taminy fahazazany lery,nisedra olana goavana,ka mety teo koa no nahatonga ny sainy ho voa. May ny ranomafana iray vilany be,volana maromaro tsy afaka am-pandrina Fa amiko kosa aloha tsy excuse zany,misy krizy lery,refa mihetsika io,toy reny mpifoka maina reny .Blem -nlery koa efa bobaka rahateo.Satry ny joba zay saika ho vadiny tany @95-2000 tany, namono tena ,raha nandre t@le joba faharoa,zay niterahany hoe,zanaky(...)ty hoentiko ity,izy no nahabevohoka ahy. lery moa midrikina,fa tsy zanako leisy io an,vao indray ve no niaraka de ho bikina izy,fa zanaka na bandy hafa.tratrako impiry mirevy miaraka amin-dry zalah(...)
14. Envy7 ( 03/09/2009 10:57)
ilay zaza aloha de lery navela. Lay jobakely lasa niataka,niangavy anlery,hanao test ADN mba ahalalana ny tena marina,hoe zanany na tsia,ahafahana mametraka ny marimarika iraisana mba tsy hisiany disadisa ao aoriana.Fa lery tena bandy vendrana sy sanana.
15. boozkel ( 03/09/2009 12:07)
Lasa lavitra lay jobakely virijiny,azafady,kay efa nerahany tao,mbola nifandefa hafatra izy mi-deux,efa volana maromaro zao,tsy mikozy tsony le joba,lery mila ho lasa adala hanary lamba

Eto ianao milaza we lasa ilay joba kely .... mifandefa hafatra izy roa .... dia zao tsy mikozy tsony le joba volana maromaro zay i-e tsy mifankahita zany, tsy mifankahay vaovao.

marihako etoana,fa le bandy akama tsy nanary lay jobakely tato afara,na lasa mihodina aza.ny bandy koa,aminy maha bandy azy zay,tsy laitra miitsy, tsy maintsy mba manala kely eny aminy sisiny eh.

de eto ndray ianao milaza fa mbola miaraka izy sy ilay jobakely,...fa le bandy fotsiny mihodina.

ilay zaza aloha de lery navela. Lay jobakely lasa niataka,niangavy anlery,hanao test ADN mba ahalalana ny tena marina,hoe zanany na tsia,ahafahana mametraka ny marimarika iraisana mba tsy hisiany disadisa ao aoriana.Fa lery tena bandy vendrana sy sanana.

eto ndray niataka tampoka ilay jobakely,

miondikondina be daholo ny zavatra tantarainao. tena :roll:

tsy azoko le izy, na izany na tsy zany, tsy de problem ho an'le bandy tsony ny hitako eto fa adalana ny azy fa le sipakely no tokony ampiana... sendra an'izay lehilahy adala.
16. xxx ( 03/09/2009 14:20)
boozkel >>> noheveriko fa izaho koa no vendrana kay tena misavorovoro marina ny tantaran'ny akama sy ny mpitantara

:roll: :roll: :roll:
17. Papoose ( 03/09/2009 15:05)
azavao tsara mihitsy aloha fa na za aza tsy mahazo kle!
18. soanja ( 04/09/2009 00:50)
Envy7:

. May ny ranomafana iray vilany be,volana maromaro tsy afaka am-pandrina[/b] Fa amiko kosa aloha tsy excuse zany,misy krizy lery,refa mihetsika io,toy reny mpifoka maina reny .

Krizy inona zany ilay "io" no mihetsika resahinao io? Ny ranomafana iray vilany anie ka tsy hampisy krizy mihitsy fa dia may ianao rehefa may ary misy degire karazany telo rehefa may fa tsy hisy krizy foana zany mihitsy rehefa avy may.

Rehefa mitantara zavatra dia mila milamina foana sady asesy na ny fotoana na ny zava-nitranga sy ny olona voateny na voarohy amin'ilay tantara.

Na izany anefa na tsy izany dia mampalahelo ahy ilay namanao satria tsy fantany izay ataony fa atopatopan'ny fiainana izy. Mivavaka ho azy no azo atao raha mbola tsy ahita dokotera izy ato ho ato.
19. Envy7 ( 05/09/2009 08:05)
tena misavorovoro lay film,na ny tena aza mahatsapa fa tia anlery lay jobakely;fa lery miitsy no tsy nahay nitana. Araho tsara ary. Na dia nandeha nihodina aza lery,nanaja azy le joba.mazava aloha hatreo? Lasa lavitra lay joba,efa niaraha-nahalala io,na ry zalahy na lery. Andraso;aza tonga dia mitsara hoe ka lay jobakely zany nisitaka ka aiza lery no tsy ihodina sy hanao hadalana;fomba fitsarantsika ivelany izany. Fa talohany hiaingan le joba,dia nanao projet d avenir ry zareo.Nividy trano,nisy ny ampahany nalohan le joba talohany hiaingany,ary ny rehetra tsy voaloha nalefany izy efa any alavitra any.Atao angamba fa mbola mazava be hatreo, zay ditra nataonlery zany,tsy nasian le jobakely lagy e,na fitsangajangana,na fimamoana,na ny fanangonana jobakely ,teo ampivarotana,na ny fahatongavany renin-janany mitaky vola isanandro eo;na ny fiarahana matory am viavy ao an-trano, izay tranga tsisy hitan le joba lasa alavitra. Fa ireo mpanampy sy ry zalah nangoraka anle joba,no mifandefa mail,mitantara ny zava-mitranga.Andraso aloha,andraso aloha,hazavaiko tsara, tsy namporisika anle joba hankahala anlery akory;fa kosa itazonan le joba ny volany,mba tsy ho lanim-beivavy eto amtanana.Voavidy ara-dalana ny trano,ary misoratra amlery,raha ny tambatrisa ny vola nalefan le jobakely nasehony andrizalah,dia mihoatra lavitra noho ny vidiny trano. Hatreo aloha,fa tohizana etsy ambany ny savorovoro be,na ny tenanay aza ,tsy maharaka hoe hatraiza no atomboka. Manenina lery,le joba koa tsy ahitam-baovao .Toy izao ny sms farany...refa avy eo tantaraiko.
20. Envy7 ( 08/09/2009 08:42)
Bon,voalaza etsy ambony sms farany fanitsiana ( sms naha choquer an-drasipakely . 2 iany angamba dia ampy,fa ts izy rehetra kosa. Ny voalohany / MATY ENY AMINY HOPITALY (lery io maty io,ary lery koa no nandefa ny sms,zay nanova soratra,hotrany hoe ry zalahy zan no nampilaza an-drajobakely fa maty lery) i...,HAKA NY RAZANA IZAHAY IZAO....ntsss gaigy be lery,mbo kozy e,tsy vitako ny hanao ny olon-tiko anzany. Ny faharoa,2 iany aloha,no zaraina eto.Taty afarafara lery nandefa sms toy izao. Mitso-drano anao aho,ahita zay vady sahaza ho anao... Zao lery manenina tongotra aman-tanana,rajobakely refa nokoziko anzany,dia namaly tsotra ,efa vita ny aminay,tsy misy foko mitempo ho azy tsony.Taraiky be nareo tsy naharaka ny vaovao,angah tsy nambarany anareo ?Zay voasoratra dia voasoratra.Ny momba ny trano,refa tonga Madagascar aho sy ny Avocat ary ny vavolombelona ,mifandinika anizany.Raha ho amidy ,tsy mila vola ambony noho izay nalefako ,misy ireo ttasy mazava misy ny anarany mpandefa,sy izy nandray.Ny hiresaka ve no tsy ho hataonay,efa manana olon-tina aho amzao fotoana izao.Vita efa ela ny aminay. lery no ilaina toroina hvt,manenina,....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5137