tarana-boanjo, foto-boanemba

1. hana ( 26/08/2009 23:56)
Ahoana no fitaizàna ny ankizy tsy hanahaka ny tsy mety eo @ fiainan'ny RAR raha tsy hita avy hatrany ny voka-dratsin'ilay atao?
Ohatra : mifoka sigara, mihinana sakafo tsy ara-pahasalamàna (mamy loatra, matavy loatra, tsy équilibré...), misotro taoka matetika be imason'ny ankizy fa tsy hita ho mamo ary ilay fianakaviana manan-katao, tsy mahavatra mikarakara tena, mpihatsara ivelatsihy, midikiditra fiainan'olona fa ny azy tsy jereny, basy vava na petsana loatra, frivole, kamo (miasa na manao raharaha) ets.
Misokatra ilay lisitra.
Tsy mikasika fianakaviana iray manokana ilay izy, fa hoe, raha ny iray @ mpivady no maneho ilay fitondran-tena ary ny iray te hiaro ny zanany @ izany, nefa tsy hitondra @ tsy fanajàna na tsy fitiavana ilay manao ny tsy mety.
novalian'i rhina ny 29/09/2009 11:58
2. soanja ( 27/08/2009 00:13)
hana:

Ny fahitako ny hoe hanabe dia ny tena no tsy maintsy ho modely voalohany amin'izany. Raha ny tena idealy dia alohan'ny hanao raharaha hanambady ny mpifankatia dia mila misy lamina apetraka ao an-tokatrano. Amin'ny alalan'ny resaka sy fifandaminana ary fanetretena sy fandeferana no isehoan'izany.

1- Ny fametrahana ny soatoavina arahina, tafiditra ao anatin'io ny hoe inona ny finoana arahina ary inona no antony isafidianana izany finoana izany ohatra. Tafiditra ao anatin'ity koa ny firesahina hoe ahoana ny hiainantsika ilay fiainana: higalabona be ve raha misy vola sa hitsitsy ary hiezaka hanangona araka izay azo atao ho an'ny taranaka. Hitandrina amin'ny fahasalamana ve sa tsy mila mivaky loha fa dia izay tiana atao atao. Fianakaviana, iza no homena fanajana indrindra, hamadika ve sa tsia? sns sns..

2-Hiteraka ve sa tsia? Raha hiteraka dia inona avy no tianao ho hita amin'ny zanakao na dia mbola tsy niforona aza izy ireo. Tonga ny fotoana hiterahana dia ilaina tanteraka ny fanarahana kilasy momban'ny ahoana ny fomba hitaizana ny zanaka ao anaty lamina fiarahamonina iray hitanao fa ekenao. Raha tsy tianao io fiarahamonina iainanareo izao dia tsara ny mifindra toerana manaraka izay toerana ifanandrifian'ny soatoavina ery ambony.

3- Apetraka mazava ny zavatra tsy tiany ho hita ao anaty tokatrano: Fimenomenomana/ tabataba eo anoloan'ny zanaka, tsy fitovian-kevitra ka ifandirana eo anoloan'ny zanaka,, ny toaka ao an-trano sy any ivelany, raha sanatria ka mamo dia aza mody sns..., ny fifohana rongony, ny fandaingana, ny tsy fifampiresahina raha misy olana sns... , ny fitondrana namana tsy hitondra mankaiza eo amin'ny fiainan'ny fianakaviana na ny fifandraisana mampisalasala sns sns...

Ireo rehetra ireo no hitan'ny zaza dia mila misy manazava amin'ny ankizy ny zavamisy sy ny mety ho fiantraikany eo amin'ny fiainana na kely ny zaza na lehibe miankina amin'ny taonany ny fanazavana. Averimberina aminy ny zavamisy hitany sy ny ho fiantraikany ary ny anatra manaraka izany.

Maro tokoa ny fomba saingy ny mila mitandrina lalandava hoe inona no ho avy. Mila resahina amin'ny ankizy ny ho avy na tsy mbola fantany aza satria ny sainy afaka miasa ihany ary izy hahalala rehefa tonga ny fotoana ka isokatra ny masony. Ankoatr'izay tsy misy azonao atao fa apetraka amin'Andriamanitra ny zava-drehetra ary izy no mandahatra fa ny adidinao dia efa novitainao araka izay mety vitanao ampitiavana.

3. ni81 ( 28/08/2009 08:01)
Ny fahitako ny hoe hanabe dia ny tena no tsy maintsy ho modely voalohany amin'izany.
tena zava-dehibe tokoa io. Ahoana moa no ahafahana hananatra ny ankizy tsy ho mpidoroka zava-mahamamo (ohatra) raha toa ka ilay RAD aza miondana tavoahangy? :D sa hilaza hoe: aza ny ataoko no atao? :roll:
4. sitlo ( 01/09/2009 19:02)
Tena tsy misy lasitra tsy maintsy arahina ilay izy araka ny fahitako azy. Tena arakaraka ny toerana misy ilay olona, ny fiarahamonina, ny namana sy ny sekoly, ...
Haka ohatra iray aho: ny cousin-ko izay tsy misotro toaka mihitsy na kely aza na dia misotro be aza ny dadany. Ny antony dia maty namosavian'ny olona (ataoko hoe mosavy satria izay no ilazany azy, na dia fantatro aza hoe produit chimique tsotsotra fotsiny no afangaro amin'ny toaka dia mahafaty), tamin'ny toaka ny zokiny.
Izaho indray dia tsy misotro (misotro ihany fa indroa na intelo isa-taona) rehefa any Madagasikara. Satria ny RAD-ko tsy misotro, ny anabaviko tsy misy misotro, ary ny rahalahiko zara raha misotro.
Kanefa aty ivelany aho expert mihitsy satria ny manodidina ahy expert daholo.

Ka ilay izy amin'ny mbola kely ihany ny ankizy no rarao tsy hisotro satria mbola mivoatra ny atidohany. Fa rehefa stable tsara izy dia ampahafantaro azy ny lafy tsara sy ratsiny, ny risque sy avantage dia afaka adidy amin'ny fatana ianao.
5. ni81 ( 01/09/2009 19:29)
Kanefa aty ivelany aho expert mihitsy satria ny manodidina ahy expert daholo
:-D :-D expert!
6. ari.malala ( 02/09/2009 07:49)
soanja:
Ny fahitako ny hoe hanabe dia ny tena no tsy maintsy ho modely voalohany amin'izany
+1
7. tywa68 ( 02/09/2009 07:59)
ni81 : Aza ny ataoko no atao :lol:

Ilay modely aloha miezaka eny foana, fa rhf ny ankizy no manana ny personnalité satria mifanerasera @olona any ivelany koa, d efa manana ny fihetsika tiany atao sy ny zavatra tiany andramana izy. Ny mandrara be angambany d tsy handaitra, fa ny miteny fotsiny hoe mety zao ny hitranga raha ... d zay fampitandremana zany e ! misy manko situation tena tsy azo iverenana intsony (ohatra voan'ny SIDA v vao lazaina hoe fa naninn no tsy nanao kapôty ?)
8. ni81 ( 02/09/2009 08:02)
ni81 : Aza ny ataoko no atao
ie :-P
9. ari.malala ( 03/09/2009 06:01)
marina koa aloha lay hoe refa mifanerasera @ fiarahamonina sy ny namany any ilay ankizy d mety miova, fa na izany aza mety ho tavela iany ilay modely apetraka k!

10. hana ( 08/09/2009 21:42)
misaotra anareo rehetra namaly. Manaiky ilay hoe modely sy ny fiaraha-monina aho.
Fa ny tena tiako anontaniana anie hoe raha ireo ray aman-dreny no tsy mitovy fitondran-tena e. Ohatra tsy tapaka ramose mitondra namana ao an-trano hisotro toaka, nefa ramatoa te hiaro ny ankizy @ fisotroana. Na hoe ramatoa pelika sady petsam-bava nefa mba tian-dramose hipetrapetraka, ho maontona ny zanany vavy.
Izay "hendry" nefa tsy afaka hitaiza ny zanany hankahala na tsy hanaja ilay manao ny tsy mety.
11. ni81 ( 09/09/2009 09:40)

ka raha toy izao ohatra lazainao izao dia handeha ila toy ny kiraron'i beminaha ny raharaha izany koa! :)
12. soanja ( 09/09/2009 23:08)
hana:

misaotra anareo rehetra namaly. Manaiky ilay hoe modely sy ny fiaraha-monina aho.
Fa ny tena tiako anontaniana anie hoe raha ireo ray aman-dreny no tsy mitovy fitondran-tena e. Ohatra tsy tapaka ramose mitondra namana ao an-trano hisotro toaka, nefa ramatoa te hiaro ny ankizy @ fisotroana. Na hoe ramatoa pelika sady petsam-bava nefa mba tian-dramose hipetrapetraka, ho maontona ny zanany vavy.
Izay "hendry" nefa tsy afaka hitaiza ny zanany hankahala na tsy hanaja ilay manao ny tsy mety.

Izay no ilana ny fanakanesana amin'ny couselling na olona manome torohevitra anareo mivady ka.
Io soatoavina ao anaty tokatrano io dia mila resahina matetika ho aiza ho aiza isika amin'ny resaka fitaizana sy ny fanabeazana. Dia eo ampandriana miresaka izany ka raha tsy mamo rangahy, tsy sosotra ramatoa dia tokony olona vory saina no mifampiresaka eo hoe inona no zavamisy ary aiza ny ezaka mbola mila tratrarina.
Raha miresaka izany anefa nefa ny modely na ny mpitaribato vilam-bava no hita sy atao dia eo ny hoe mila mitady mpanolo-tsaina isika fa tsy ampy anao vadiko ny hevitra avy aty amiko na asa tsy nahavita nanova anao ny resantsika.
Raha tsy mety indray hoe ho any dia akory atao na hiaritra trefla eo ianao dia vita momoka koa ny zanaka faramandimby na hitady lalan-kafa misy filaminana sy fitiavana ny hafa kokoa.

Io mila steps avokoa ny miatrika azy, fa rehefa tsy misy ifandraisana intsony nefa ny taranaka no zavadehibe ny mifanao veloma ihany no mety.

Toy ny fiangonana ihany io tokatrano io rehefa tsy milamina dia aleo manangana fiangonana vaovao toy izay hifampidrikina amin'ny fisaiana tsy hifandray nefa ny zaza / ondry potika eo anelanelany.

Tadidio lalandava fa ny Fitiavana dia mitarika fisokafana ho an'ny hafa, indrindra ny tsy manantsiny!

13. rhina ( 29/09/2009 11:58)
tena lava loatra ny an'i soaja namaky ihany ah fa tsy vitako hatramin'ny farany

fa zao no tiako ho lazaina :

marihana fa tsy ny RAD ihany no mandray anjara eo @ fitaizana @ maha olombanona ny akizy fa ny fiaraha monina ihany koa dia tena manana anjara andraikitra lehibe

ny fitaizan'ny RAD dia arifanina fotsiny entin'ny akizy tsirairay hivoakaeny @ fiaraha-monina mba tsy hampivily lalana na hakatahaka ny hataon'ny olona eo @ fiaraha-monina sns ...

eto madagasikara lo mbola tsy dia betsaka le oe mpanoro hevitra ny mpivady sns e!!!! ka noho izany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4244