Maro ny zavatra tsy tokony ho resahina any am-piasana

21. niryna ( 29/08/2009 04:40)

1-Ny karamantsika
Tsy mbola nahita tokoa aloha aho olona nifampiresaka hoe ohatrinona aky ny karaman-dry? iny koa dia azy irery e.

Ahatsiarovako ireny lehilahy misehoseho eo imaso ireny ity, hi,hi ,mividy zavatra kely izy dia ny volabeny any am-paosy no aderaderany eo ho itan'ny olona hoe manambola be

2- ny aretina mahazo
eny marina tokoa izany fa rehefa misy aretina mahazo ka mila fanampiana amin'ny hafa ny tena dia tsy maninona no mitantara izany fa misy tokoa anie ka na dia tsy tokony ho tantaraina izao ary dia tsy misy tsy mahafantatra ny olona e.tsy mitovy hoy aho ny fiainana aty sy any amintsika fa ny aty dia misy mahasahy miteny hoe inona koa no raharahiko izany sns .. tsy ny rehetra akory fa mba misy ihany ny maningana

3- ny fosafosa
Io no tena poizina mifono ao am-piasana ary raha misy olona ifosanao dia mihomana koa izay fa ifosa anao any ambadika koa izy sa ahoana ?

4-miasa dia mitaraina lava amin'iny foana
Misy tokoa olona dia tsy mamokatra mihitsy fa mitaraina foana no ataon sy mitsongoloka ny hafa ary tsy misy tsy lazainy fa kamo avokoa ny mpiara-miasa,ao koa moa ny mitady 19 any amin'ny pata .draidraidray tsss

5- ny vidin-javatra izay vidianao
arakaraky ny fifandraisana amin'ny mpiara-miasa io
indraindray tian'ny hafa tokoa ny zavatry ny tena ny hafa koa tian'ny tena dia tsy maninona fa misy olona midedaka tsy anontaniana,misy indray ny sasany manaboka ny an'ny hafa fa ny azy atao ambony ,hi,hi
----------------------------------------------------------
1 - Aty Frantsa io tonga dia fantatra foana matetika fa apetany @ annonce mihitsy aza indraindray ny karama isan'ora ho raisin'ilay olona
ny aty aminay ny karama ambany indrindra no apetany fa ny karaman'ny hafa dia tsy mitovy noho ny fahatongavana efa ela na vao aingana fa tsy mbola nahita kosa aloha aho nifampanontany karama izany

2 - Ny aretina mahazo dia mety misy namana mahita vahaolana, afaka hanoro hevitra sy hanoro ny Dr tokony hatonina.
Zà izao manana olom-pantatra, voan'ny cancer (nono, taovam-pananahana) fa efa sitrana, fa ny namany sy ireo mpifanerasera aminy rehetra dia tsy mba hanafenany ny aretiny mihitsy na kely aza.
ie izaho koa manaiky an'izany fa misy ny olona sasany ataony fantatry ny olona avokoa izao aretina rehetra tsy tokony ho tantaraina izao. hi,hi

3 - Ilay fosa aloha dia arakaraka ilay toeram-piasana e: misy mantsy tsy afaka mifangaroharo be ny mpiasa fa samy manana ny toerana misy azy

ny fantatro aloha dia raha mifosa olona isika dia mihomana koa fa ho fosain'ny olona sa tsy mitombona izany ,marina koa izany hoe arakaraky ny toerana iasana na miaraka na mitokana.Fa misy koa mifaninana sy mifanindry ny sasany ary mifampitsongoloka ,mbola misy io amin'ny samy mpiara-miasa malagasy miray toerana .

4 - Ity fitarainana koa aloha dia eeee! fa saingy tsy mba tarainina ilay fankanesana eto @ ordi :-P :lol: :lol:

hi,hi .. misy tsy mety faly amin'ny asany tokoa anie kanefa tsy miafa fa eo ihany e,dia tsy mamokatra mihitsy indrindra rehefa tsy misy mpijery sy tsy misy asa enjehina

5 - Raha toa ve mba tokony ahasoa ny namako ilay vidin-javatra (mora ohatra) dia tsy tokony ho tantaraiko azy? Dia mba asaiko mandeha izy mijery ao sao mety aminy.
Dia miandry ny fanazavanao manaraka ary e!

marina tokoa izany fa misy mifaninana ny mpiara-miasa indrindra ireny mijery ny vidin-javatra lafo vidy ireny. Misy indray koa mialona izay anaovan'ny sasany ,fa raha toa ka mpinamana ka tian'ny iray ilay zavatra tsy mampaninona tokoa ny mizara .Efa nahita ireny olona be ambo ireny ve ni?
ny zavatry ny olona bokainy fa ny azy indraindrainy ?

Averiko indray fa tsy mitovy ny fiainana fa araky ny toerana misy sy ny mpiara-miasa ary ny fifandraisana ao am-piasana

22. niryna ( 29/08/2009 04:53)
ari.malala:

fa manin moa ny karama no hotantaraina @ olona? momba ilay aretina, mety hoe akàna torohevitra marina ko! na ny dokotera tokony hatonina. Misy koa ireo mahalala ireny torohevitra tsotsotra ireny d mba mahasoa na mampitony ilay aretina farafaharatsiny alohan'ny ahitana dokotera. Ny fosafosa.. euh, zà manokana ts tia an'io maizina mints.
izaho koa momba izany
fa indraindray tsy tokony ho tenenina ny rehetra daholo ny momba anao,mpiara-miasa no tenenika an fa misy namana ao anatin'iny mpiara miasa iny izay namana akaiky.
ohatra ataoko hoe izany ,tsy niasa ny olona iray dia manontany ny ankizy hoe taiza aky indry ,narary aho fa tsy omena azy daholo ny details rehetra izao ,hi,hi .Misy anie miteny tsy anontaniana e .ilay mitady doko koa any amintsika mila izany fa aty indray dia efa samy manana ny olona raha tsy hoe tena zava-dehibe ilay izy ,saiky misy mifanaraka ny toerana ipetrahany avokoa ny doko rehetra


Ny hoe mitaraina lava @ asa alou hihi![/quote itandry ireny olona tsy manantsaina afatsy ny mitaraina lava ireny ,reraka hatramin'ny tena avy ,hi,

[quote] mety efa ts zaka intsony kosa ny atmosfera ao ampiasana nefa efa mitady fa ts mahita d tsmaints miaritra ko hihihi! mandrapahita aloha e :P ilayvidinjavata mitovy hvt @ ni81 za :)
ilay hoe mpampiasa masiaka na konjokonjo aloha dia mahazo amin'ny rehetra e,tsy misy ho tia ary samy mahita zavatra ratsy ataon'ilay mpampiasa ny hafa daholo ny mpiara-miasa
ny mampihomehy ahy indray dia ilay mpiara-miasa kamo be tenda,mandeha mivoaka any an-kabone foana dia lasa mandeha any e,elabe vao tonga eo dia antsoina foana ,iny no be tarainana sy mimenomenona foana
misy koa ny mpampiasa manao fitsarana mitanila ohatra na izay itany eo ihany no irahany dia mimenona kosa ny olona.arakaraky ny asa sy ny toerana ary ny mpampiasa koa io e


23. niryna ( 29/08/2009 05:01)
Bazily:

Manana namana aho ato, izaho mbola miaina antokantrano tsy rava, izy indray efa rava tokantrano ( nisara-panambadiana ). Miresaka olana foana izahay matetika na ara-ekonomika na ara-pahasalamana. Ny hitako tombony dia ny fifampatokisanay roalahy, na izy na izaho dia samy tsy misy manafina izay zaa-miseho aminay.
izay ilay hoe mpinamana fa ity anie business no resahiko e ,hi,hi
rehefa lasa namana akaiky dia tsy maninona fa misy ny olona tsy te ahalala izay momba anao ahy satria miasa dia manao vola hoy ireo tsy tia miaraka aman'olona ,tsy mitovy ny any amintsika
misy ary izany toerana feno mpiteny ratsy variraraka izany dia miantso ny namako fa hoe tena tsy aiko mihitsy fa miteny ratsy daholo ny mpiara miasa,dia mila miteny koa ve izaho ,ha,ha,ha

Morakokoa ny fifanoroana hevitra rehefa ao ilay fifampatokisana. Ny tiako lazaina dia miankina amin'ilay namanao ao ampiasana iresahana ilay izy. Raha mifampatoky ianareo roa dia tsy hitako izay olana ifampitantarana na ifampiresahana izay momba ny tena , nefa asiana fetrany kosa na izany aza
hoe hatreto ihany.
miombo-kevitra amin'izany koa izaho

Fa ny tena tsy tiako amin'ny mpiara-miasa, indrindra eo @ samy vehivavy dia ilay tsy mifankahazo jery, mifampialona ka vava tsy ratsy. Vao dify ilay ankilany dia eo aloha fa fosain'ny ilany, na koa mba mifampitantara ihany fa raha tsy eo ilay iray dia tapitra voalaza @ hafa @ antsipirihany avokoa izay momba an'iny namany iny, mety miitatra aza ny filazàny azy avy eo.
ka izay ilay lazaiko hoe mifosa,raha mifosa olona isika dia mihomana fa ho fosain'iny olona iny any amin'ny hafa koa
fa ny lahy koa kay mifosa tsy misy toa izany fa tsy ny vavy ihany ary ilay izy tena areti-mifindra an
ny ahy no tiako dia aleoko miaraka ireny olona manana toetra mamporisika anao zavatra tsara ireny na manana fijery manampy sy manoro zavatra tsara foana ireny

Mandreraka be le izy fa atao ahoana fa izay ilay fiainana sy fiaraha-monina.

ka izay no izarana azy eto fa mety misy fa tsy ho voatery mitovy ny rehetra ,mizara fotsiny aho fa tsy hoe akory hiainako ireo an



24. niryna ( 29/08/2009 05:09)
ni81:

Ny momba ilay vidin-javatra dia tsy mety (amiko) raha toa ka hizesta be hanao hoe: jereo itony ny fiaranay izao no vidiny 100000 EUROS:-P, mampiseho taratra ny fieboeboana...kanefa ilay olona hiresahanao aza tsy manana afa-tsy 4L efa atosika foana fa tsisy demarera :(
ka misy ilay manintsindriko ry ni a,
hors sujet kely ity an ,ny olona sasany dia tia mifaninana ary misy toerana manana fiara tsara be ry zareo fa ny tranony tena aoka fotsiny ,filazan'ny olona io fa mbola tsy niditra tany aho a
misy koa olona tsy manaiky ho ambanin'ny hafa mihitsy dia mifaninana
misy koa rehefa tonga ny fety dia mividy ireny tsipoapoaka ireny ry zareo,ity indray ny masoko no nahita ary vola be no laniny satria mifaninana amin'ny hafa izy ,ny nampalahelo anefa dia milaza tsy manambola izy ,izany hoe tsy miasa ry zareo fa mangataka fanampiana amin'ny fanjakana amin'ny sakafo sy ny hofantrano .


25. niryna ( 29/08/2009 05:13)
Papoose:

1-matetika anie ary maro ny orinasa iray efa manana ny salary grid-ny ee, miaraka @ rang mifanandrify aminy! donko zegny vao fantatrao fotsiny ny rang-ny mpiara-miasa aminao dia fantatrao ny karamany...amiko ohatran'ny olona tsisy atao zany hifampitsilo karama zany!
2-ilay aretina mpahazo ndray, safidinao ny hiteny na tsy hiteny, fa rehefa miantraika @ asanao( manapaka lava handeha hanao traitement sns, dia tsy maintsy ho fantatry ny olona mpiara-miasa), donko zegny na enao no mitonona hoe za manana aretina toy izao na avelanao ho fantany miandalana eny!
3-ny fosafosa nisy, misy, ary mbola hisy foana, fa anjaranao no miala pas rehefa tsy te handray anjara....rehefa vaovao @ na birao ray no tena mora mahavictime @ le kifosafosa raha tsy mitandrina fa ataon'ny olona fanateran-dresaka foana....
4-ny mikasika ny vidinjavatra ndray, ny matetika hitako dia wain zay mividy zvt lafo ka midedaka be miteny azy satria mantsy betsaka ny fivarotana ahitana mitovy @ le izy na kalitao na modely na loko, sns fa ny olona mampiasa coupons ohatra na miandry rehefa andron'ny soldes...fa ny tsy reviko amin'iny fotsiny dia le olona manome anao coupons any @ le fivarotana tsy hividianako zvt mihitsy na hovarotako ambakany ny tanindrazako aza :-P
misaotra nizara


26. niryna ( 29/08/2009 05:15)
lohataona:

niryna:

Marina fa any am-piasana isika no mandany andro betsaka indrindra kanefa na izany aza tsy ho voatery ho tantaraina ny olona any avokoa ny fiainantsika any an-tokantrano

Zaraiko ity dia mba tohizo izay mahafantatra ny tokony atao na tsy tokony atao any am-piasana.
Tsara ny manana namana miara miasa kanefa kosa misy ny tena namana azo itantaraina ny vaovao mikasika antsika fa tsy tokony ho zaraina ny rehetra izany na dia tsy dia misy dikany aza satria mihitatra ilay izy noho ireo olona mifosafosa
Mba hiaravona izany dia ireto ary misy torohevitra kely ka raiso izay mety aminao
1-Ny karamantsika
2- ny aretina mahazo
3- ny fosafosa
4-miasa dia mitaraina lava amin'iny foana
5- ny vidin-javatra izay vidianao
6 ......14 mbola maro koa fa anareo no manohy azy
fa maninona tokoa no tsy tokony ho zaraina ny mpiara-miasa ?




(l) niryna


aza tenenina ny momba ny fiainanao dia ampy!
Ny ambongadiny ihany fa atsinjarany adia anao sy ny vadinao ary ny ankizy e!ny
:lol:

marina izany ary tsy ahy anie ireo fa mizara fotsiny aho e,sady araka ny toerana woa io e

27. niryna ( 29/08/2009 15:54)
simplex:


ireto avy no zavatra firesaka any ampiasana:

* blagy na zavatra mapme hita @ internet, na hoe voaray ao anaty emailaka

* resaka sports

* resaka vevavy

* resaka kaly

ny resaka fiainanao manokana dia tsy resahina mintsy ra tsy hoe misy olana be toy hoe misaraka @ vadinao enao na hoe nandositra ny zanakao... zavatra mazava be hoe tsy maintsy fantatry ny ol zany eee...

Sinon, refa manao barbecue na fety kely na hoe mijery bolina... dia izay olona antsoinao @ ireny ihany no tena iresahana ny fiainanao. Zany hoe bandy akama, ankaiky.

voila!

;-)

izay mihitsy fa isika indraindray miteny tsy anontaniana e, ny fisarambady na ny toetran'ny vady,ny hoe nilaozan-drangahy na hoe asa mifosa ilay vady,e,e ,ny zavatra efa itako dia ireo lehibe no mifosa vady avokoa,tsy misy izay tsy mahalala ny tantara any an-trano ny tena satria tsy menatra ny mifosa ny vadiny ry zalahy . Ireo izay olona tsy faly amin'ny tokantranony no resahiko an


28. niryna ( 29/08/2009 15:57)
xxx:

Ary mba ahoan ndray ireny oul mitantara ny intimité (RS) ireny e?

tsy dia tsara koa hono araka ny fandinihan'ny olona azy io satria raha mitaraina ny kilemanao na ny fahamenaranao na ny zavatra tsy tiana hianao dia mety iny ihany no angandy ampiasaina aminao rehefa misy mahasosotra na mahatezitra azy aminao ,asa aloha ?

29. niryna ( 29/08/2009 15:59)
quote=niryna]

tsy dia tsara koa hono araka ny fandinihan'ny olona azy io satria raha mitaraina ny kilemanao na ny fahamenaranao na ny zavatra tsy tiana hianao dia mety iny ihany no angandy ampiasaina aminao rehefa misy mahasosotra na mahatezitra azy aminao ,asa aloha ?


[/quote]
xxx:

Ary mba ahoan ndray ireny oul mitantara ny intimité (RS) ireny e?
[ mino aho fa tsy izao rehetra izao kosa dia ho tantaraina avokoa raha tsy hoe angaha tena namana akaiky raha sanatria ka nisy izany

30. niryna ( 29/08/2009 16:00)
Papoose:

:-D raha za no intantarana an'izany dia henoiko fotsiny fa raha izy ho hiandry ahy hitantara dia antsoiko i paoly hitantara azy @ toerako! :D



:roll: :D :D
31. niryna ( 29/08/2009 16:08)
niryna:

dia mbola tohizako ihany ka raiso izay mahasoa antsika
6 ny zavatra tsy tianao na maha menatra anao
7 ny politia sy ny finoana
8 ny fiainana izay niova
9 ireny facebook sy ny blog alefa any amin'ny net ireny
ho azavaiko miandala ny tiako tenenina fa aleo aloha andeh kely an

:-* :-*
6 efa nomeko ny fanazavana fa ireny no fiadiana ataony andratra anao ka tsara raha tsy ampahafantarina azy ireny
7 efa henonareo ny teny fahiny hoe aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpanao politika ? hi,hi
tsy maninona angamba no miresaka ny vaovao misy fa raha miteny hoe izaho atoko iry na ity no tiako ka sendra tsy mifanaraka ny mpiara miasa ilay izy dia lasa eo ny ady ,indrindra any amintsika amin'izao fotoana izao,na ny mpiray tampo aza dia misy maty sy levona rehefa io no resahina k'nou ! asa aloha fa eritreritra ny ahy iny
8 misy koa olona nanambady izy dia lasa nisaraka ,na koa hoe lasa niova ny style ny fiainany ,tsara angamba mba tazomina ho antsika ilay izy fa mety tsy ampiova inona raha tsy hoe angaha namana be ,namana be foana no resahikoa satria misy mety manana namana any am-piasana an
9 ny facebook, fa ahitsiko kely,mety ho tsara angamba ilay izy raha olom-patatra fa ny loza ita eo daholo ireo olona mifampiresaka amin'ny hafa ,ary ny fiainantsika tsy tokony ho tantaraina an'izao olona rehetra izao indrindra fa vahoaka marobe no ao anatin'ny web ,eritreritra koa ny ahy iny

miandry izay hevitrao indray ary aho e

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1684