14 taona manao sipa

1. carson ( 21/08/2009 17:57)
Raha ny Baiboly izany no alaina tahaka dia tokony ho 14 taona eo ny olona dia efa manao sipa. Dia eo ho eo amin'ny 18 taona dia mivady.
Tsy hisy hahavita fianarana raha izany.
novalian'i rhina ny 25/09/2009 06:07
2. cutie ( 21/08/2009 18:01)
:-D :-D :-D :-D :-D
3. ni81 ( 21/08/2009 20:41)
Raha ny Baiboly izany no alaina tahaka dia tokony ho 14 taona eo ny olona dia efa manao sipa. Dia eo ho eo amin'ny 18 taona dia mivady.
Tsy hisy hahavita fianarana raha izany.
t@ andro taloha ny olona kely dia nanambady mihitsy aza koa! :)
4. Ratoa ( 21/08/2009 22:28)
Planète avy aiza ary no niavianao? Tsy hainao angaha ilay hira hoe "fitiavan'ankizy"? Normal mihitsy ny misipa à 14 ans satria eo no misokatra ny saina mandalina "intelligence formelle" , eo no mitsimoka ny fientanampo mahery rehetra . Saingy mbola tsy ampy fahalalana ny zaza 14 ans ka ilaina araha -maso tsara sy azavaina amina tsy misy olakolaka ny fiarahana, ny loza mety hitranga amin'izany sy ny tombontsoa mety haterany . Matetika koa dia ilay fitiavana "platonique" no iainany. Misy koa zazavavy vao teraka dia efa fiancée fa rehefa 14/15 ans eo izy vao mifanerasera amin'ilay ho vadiny . Mbola misy izany.
5. mirabela ( 22/08/2009 15:04)
inona avy zany no mety karazana fitiavana isaky ny taona? satria voalaza teo ohatra hoe refa 14 platonik!!! d refa 18 ? refa 30? ary refa 60?


8O 8O 8O
6. rijadolly ( 22/08/2009 15:48)
TONON-KIRAN'I SOLOMONA 8: 4) "Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema:Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony."
Ts tokony ho taitaitra mahita ny sasany manao noho ny fitsaran-tena hoe taraiky noho ny hafa.Ny fampihanaran'manodidina matetika ihany koa no mamoha ny fitiavana izany @Ankizy.
Mila fantatra tanteraka aloha ny atao hoe "sipa".Hatraiza ny fetra farany ahafahana milaza fa sipa ilay ataonao.Satria samy manana ny famaritana azy ny rehetra.
Ilaina ny fifanajana na eo amin'Ray amandReny na eo amin'izy roa,indrindra eo anatrehan'Andriamanitra izay efa nihainan'Gasy taloha.Ra ts ilaza ny tataran'Josefa sy Maria za,aiza ho aiza ilay izy?

Ra voavalinao tsara izay rehetra izay dia fantatrao avihatrany fa tsy mety ny manao sipa na mety ny manao sipa na dia efa ho 40 taona aza ianao.
7. Ratoa ( 23/08/2009 21:35)
Eo amin'ny faha 14 taona eo ho eo no mitsimoka tahaka ny voninkazo ny fihetseam-po rehetra, ary indrindra ny fitiavana olona amin'ny sexe opposé. Tena fitiavana mavaivay io na dia mety tsy hateza aza amin'ny mbola maha zaza ireo tia na mifankatia. Na efa mieritreritra ny hiray ara-nofo aza izy dia tsy mbola manantaneraka izny noho ny fanajany ny ankilany. Ny tahotra koa etsy an-daniny misakana ny firaisana, satria manontany tena izy ireo hoe:" raha miteraka main'izany moa dia ahoan ny amelomana ilay zaza?". Fitiavana madio ny azy izany , izay no maha "platonique" azy.
Tsy milaza aho fa tsy misy ny maningana.
Dia eny aloha mifampi-tantana eny, dia mifampiandry any ho any rehefa handeha sy avy mianatra , dia mifanorokoroka eny ets...Mijanona eo
Ireo 18 taona no miakatra kosa, ao ireo tonga saina sy mahatsiaro tena fa efa tokony hanambady. Efa vory ny vatana manontolo eo amin'io taona io, efa mahazaka vohoaka ny zazavavy.
Hita amin'izany ary fa misy fahalalana ara- tsiansa raiketin'ny Baiboly.
Tamin'ny andro taloha dia fahadisoana izany miara-mietraka amana lhl na vhv izany raha tsy mbola voatitra ny vody ondry. Fadiana koa ny milahadahatra amana lhl na vhv sao lany zara , indrindra ka ny mitoe-jaza alohan'ny fahavitan'ny fanambadiana.
Ankehitriny anefa efa lasa lavitra be: miaa mipetraka na tsy voahati-body ondry aza, misy miteraka mihitsy.
Karazana sipa fira moa izany no nifaritako teo? Mivoatra araka ny toetr'andro ny famaritana sy ny fanao . Taloha efa elalea ihany "jija" na "jijakely" no filaza azy, dia lasa "bera" , dia sipa, dia efa any amin'ny gerla indray "girl"!. Mariho fa zazavavy foana no voantso amin'ireo voabolana ireo. Dia nanjary nisy matoanteny hoe "mijija, mibera, misipa ; migerla koa angamba rehefa kelikely. Ny "bera" no nisy fotoana nilazany ny lahy sy ny vavy.
8. ari.malala ( 24/08/2009 06:13)
carson:

Raha ny Baiboly izany no alaina tahaka dia tokony ho 14 taona eo ny olona dia efa manao sipa. Dia eo ho eo amin'ny 18 taona dia mivady.
Tsy hisy hahavita fianarana raha izany.



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
9. tywa68 ( 24/08/2009 09:07)
:lol:
10. xxx ( 24/08/2009 09:29)
io ve tsy arakarak'izay prioritaire @ fiainana e, hanambady sa hianatra, na izy 2 koa azo ampiarahina ho an'izay mahavita

Amiko tsy hitako izay olona raha te hanao sipa à 14 ans ka hanambady à 18ans ka tsy hanao fianarana raha izay no safidy
11. rzakarivola ( 24/08/2009 11:53)
Manana fanontaniana roa aho :
1- Aiza ho aiza ao @ baiboly no misy an'izany?
2- Inona no mety hamelàn' Andriamanitra hitrangan'izany zavatra izany ?
12. rakapy ( 24/08/2009 11:59)
hoy rzakarivola
Manana fanontaniana roa aho :
1- Aiza ho aiza ao @ baiboly no misy an'izany?
2- Inona no mety hamelàn' Andriamanitra hitrangan'izany zavatra izany ?

Raha ny baiboly no ataonao fangalana references @ izao fotoana izao dia tokony hijanona any @ andron'i Mosesy ianao.
Maro, analink'isa ny zavatra tsara tsy voalazan'ny baboly.
13. rijadolly ( 24/08/2009 14:13)
Raha ny baiboly no ataonao fangalana references @ izao fotoana izao dia tokony hijanona any @ andron'i Mosesy ianao.
jero kosa rakapy le lohahevitra f hoe
Raha ny Baiboly izany no alaina tahaka dia tokony ho 14 taona eo ny olona dia efa manao sipa. Dia eo ho eo amin'ny 18 taona dia mivady.

14. rakapy ( 24/08/2009 15:00)
hoy i Rijadoly
jero kosa rakapy le lohahevitra f hoe
Voalaza teo :
Raha ny Baiboly izany no alaina tahaka dia tokony ho 14 taona eo ny olona dia efa manao sipa. Dia eo ho eo amin'ny 18 taona dia mivady.

Hoy Rakapy

Raha ny baiboly no ataonao fangalana references @ izao fotoana izao dia tokony hijanona any @ andron'i Mosesy ianao

Inona hono no tsy mazava eo?
15. mion ( 25/08/2009 06:29)
ka zao ange e,
à 14 ans de manao sipa, tsy voararan'ny baiboly io zany. Raha toa ka tenin'A/tra ny baiboly dia aza lazaina oe no lazainy izay tsy nolazainy.
Zao kosa anefa, refa manao sipa de normal be raha tonga @ RS ny fiafarany , à 14 ans, mbola tsy voalazan'ny baiboly texto koa izany oe aza manao RS izany.
16. rakapy ( 25/08/2009 06:53)
Ny taona hanaovan'ny tsy 1/1 sipa aloha dia miankina @ tsy 1/1 aby e! Ny zavatra tsara ho fantatr'ireo izay hanao sipa sy tsara ampahafantarina azy ireo fotsiny dia ny voka-tsoa sy voka-dratsy mety ateraky ny fanaovana sipa.
Eny mety ho solafaka izy nefa raha mahay maka lesona t@ izay nahavoa azy dia tsara be. Fianarana ny fiainana.
17. tywa68 ( 25/08/2009 07:29)
Marina mihitsy : fianarana ny fiainana fa anjaran'izay mahalala ny mizara zay heveriny mahasoa ny manodidina azy, ary ampitiavana hatrany :wink:
18. Ratoa ( 28/08/2009 00:55)
de normal be raha tonga @ RS ny fiafarany ,
tsy voatery ho izay . Misy ny "amour platonique " izay manalavitra ny filan'ny nofo. Raha mécanique fotsiny angaha ilay fiarahana dia miafara any fa raha miaraka amin'ny fitiavana dia mbola ela vao ho tonga amin'izany noho ny taonany indrindra indrindra. Voa porofo fa ny ankizy (en majorité) 14 -16 taona dia tsy mbola miaina ny fitiavana ara-nofo fa mbola idealy no iainany satria izy mbola mitady idealy na modely iray na maromaro ho tahafana. Satria koa izy tsy mbola manana ny tarigetrany efa voafaritra mazava fa mbola eo ampanorenana an'izany sy eo ampitadiavana ny lalana na ny fomba hitondrany ny fiainany.
19. rhina ( 25/09/2009 06:07)
rakapy:

Ny taona hanaovan'ny tsy 1/1 sipa aloha dia miankina @ tsy 1/1 aby e! Ny zavatra tsara ho fantatr'ireo izay hanao sipa sy tsara ampahafantarina azy ireo fotsiny dia ny voka-tsoa sy voka-dratsy mety ateraky ny fanaovana sipa.
Eny mety ho solafaka izy nefa raha mahay maka lesona t@ izay nahavoa azy dia tsara be. Fianarana ny fiainana.



tena marina mintsy ny anao
ny tsirairay ihany no mitondra an'io sy ny fiaraha monina misy anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 4.424