Ny fanondranana rano avy eto mada makany...?

1. rhina ( 15/08/2009 10:01)
Mba fantatsika moa fa manimba tontolo iainana io fanondranana rano io?
betsaka ny fikambanana miaro ny tontolo iainana no efa nanao fietsiketsehana momba an'io.
Zaingy mbola tsy hita marina izay marina momba an'io.
mino aho fa misy manampahaizana momba ny tontolo iainana ny toetry ny andro eto amin'tsika ka mba mila hevitra avy aminareo .

fanampin'izay ny any atsimo ary mijaly rano isantaona isantaona tsy itantsika izay anaovana azy ko nahoana moa no handeha hanondrana rano akilometatra maro any ivelany ranomasina....
mahagaga ihany
novalian'i Ratoa ny 04/11/2009 22:57
2. xxx ( 15/08/2009 12:16)
Tokony hanao fihetsiketsehana goavana mihintsy isika malagasy hanoherana io fanondranana rano io ,ry zareo hat ange no nahita io HEVITRA MAMOHEHATRA io é,ny malagasy toa azy mety ho faty(ny atsimon'i mcar) tsy hisotro rano tsy rahirahiny fa ny vahiny no omena rano,izany no izy refa TIA VOLA SY HARENA ,ny harena ambanin'ny tany ny VAHINY no manjaka na volamena sy vatosoa dia ny karana no tena mahazo ao,misy faritra aza ta@andron'ny deba tsy azo haleha tany majunga fa hoe ny karana ihany no mahazo maka volamena ao,miditra eny Ivato ny karana avy a@taniny tsy mila visas fa ny karana ao antoerana no mitsolotra dia miditra fotsiny rizareo mazava ho azy fa hitsentsitra andra-Malagasy no hahatongavany any amintsika .
Izao ny fitRandrahana pétrole marina fa tsy vitan'ny gasy nefa tokony zaraina @ny vahiny mpitrandraka ny gateau é? é 10% fotsiny ny an'i malagasy sisan'izay an'ny vahiny ,avy eo io vola io zarain'ny Mpitondra ho any ampaosiny indray,dia 2, NA 3 % sisa no hanasoavana vahoaka ,refa miova ny ny MENTALITE gasy sy refa tonga saina ba mijery ny tombotsoan'ny malagasy ny MPITONDRA eto dia mandroso i mcar ,izay fotoana izay nefa rahoviana.?raha izaho manokana aloha tsy hitako izay hifampirahirahina a@reny tavaratra arabo2 ireny ,ny toetsain'ny mpitondra no lo morina no tsy mahatafita ny malagasy,raha nomen'Andriamanitra harena isika ho antsika fa tsy ho an'ny vahiny!!!
3. Ratoa ( 15/08/2009 19:08)
izay ilay fitiavan-tena , rhina,
Tsy hitany ny fahorian'ny vahoaka madinika fa ny paosiny ihany no hitany sy tsaroany.
izany tany mahavidy rano izany manana izay ilaina amadihana ny ranomasina ho tonga ranomamy, tahaka an'i Israely. Saingy ny maampalahelo dia ny fitenin'ny hafa hoe: "chaque peuple a les dirigeants qu'il mérite".
Indrisy mantsy... Dia tena tsy manan-kery anoherana izany ve ny vahoaka malagasy? Fantatr'ireo mpitondra tsy valahara laotra ny teotran'ny malagasy , hany ka hitsakitsahany tsy misy hambahamba ny vahoaka: ny malagasy tsy dia be teny laotra ary tsy dia mitsikera maotra ny ataon'ny hafa (les malgaches sont réservés). hany ka mbola ho ela vao ahita (conscients sy informés) izany tranga izany ny vakoaka.
ilay toetra tsara indraindray manjary antsy marinintra.
4. rhina ( 16/08/2009 09:35)
tena marina ny anao Ratoa
ny tena mahagaga koa d aporisihina izay sisa manana ala midadasika eto amin'izao tontolo izao nefa d toa amin'ny vava sy resaka vola fotsiny fa tsy dia hitao loatra izay finiavan'ny hafa (ny firenena hafa indrindra ireo mpamatsy vola ireo matanjako) tena hiarao ny tontolo iainana e!!
Dradradradraina isanandro fa efa simba ny couche d'ozone nefa iaraha mahitra tsy asina tsikera fa ny firenena matanjaka no tena manimba ny tontolo iainana. Tsy mana-tsaina afa tsy ny hampiasa ny hazo tsara misy eto amintsika. Ra efa fantatra ary fa ratsy ny mikapa ala sns nahoana no afarana indray e!!!!
izany ve no atao hoe mikajy ny tontolo iainana.


ho an'i xxx tsy dia mazava amiko loatra aloha fa araka ny fahalalako dia efa projet t@ fitondrana repoblika faha 3 io resaka fanondranana rano io. Raha diso aho dia mba ahitsio ka omeo porofo satria efa projet atr'izay no fahalalako an'io fa ny Juin na Juillet 2009 no hanatanterahana azy .....

zay lo fa mba misy afaka manazava eto ve ny tena maharatsy ny fanondranana rano na dia efa fantatra @ ambangovangony aza ny mety ho vokadratsiny @ akapobeny.

5. xxx ( 21/08/2009 03:46)
rhina:

Mba fantatsika moa fa manimba tontolo iainana io fanondranana rano io?
betsaka ny fikambanana miaro ny tontolo iainana no efa nanao fietsiketsehana momba an'io.
Zaingy mbola tsy hita marina izay marina momba an'io.
mino aho fa misy manampahaizana momba ny tontolo iainana ny toetry ny andro eto amin'tsika ka mba mila hevitra avy aminareo .

fanampin'izay ny any atsimo ary mijaly rano isantaona isantaona tsy itantsika izay anaovana azy ko nahoana moa no handeha hanondrana rano akilometatra maro any ivelany ranomasina....
mahagaga ihany

Ka maninona mihintsy raha tsy tohanana tsy avela hidina any anaty ranomasina koa io renirano io fa manjary tsy antsika intsony fa ikambanana amin'ny be sy ny maro? Ahahahahahahha

6. rhina ( 24/08/2009 11:11)
ny an'i xxx kosa ts mtov n zvtra resahatsika efa fatatry ny olona rehetra fa mvarina any @ ranomasina ny renirano fa tsy lasa renirano tsony fa lasa ranomasina dia ts maintsy @ alalan'ny fantsona lehibe zany iz vo voatazona ho rano madio sns e!!! .................
olona mahay be ohatran'i xxx io ve ho atoro an'izany fa le resaka tena iz lo mba resahana e!!!
sad mianiany ihany Hiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii
7. rakapy ( 24/08/2009 15:21)
Ilay hoe hanondrana rano (exportation) aloha dia tsy hita izay maha ratsy azy satria rano firy km3/ jour no lasa any an-dranomasina tsy misy mpampiasa akory. Raha ny reniranon'i Faraony no resahana. Ka nahoana moa raha avadika ho fidiram-bola ho an'ny firenena izay ambin-drano tsy ampiasaintsika.
Fa ny zavatra manahirana sy tsy mety anefa dia ilay hoe hanondrana rano any ivelany isika nefa ny faritra Atsimo sy ny faritra maro eto Madagasikara aza tsy ampy rano efa ho firy tao-maty izay.

Ka nahoana raha ny famatsina rano ny faritra atsimo aloha no tena atao vaindohan-draharaha.
8. Ratoa ( 24/08/2009 19:03)
Ka nahoana raha ny famatsina rano ny faritra atsimo aloha no tena atao vaindohan-draharaha.

marin-daotra. Izay mihitsy ilay finiavana.
Raha mankany atsimo any dia voamanga be ohatry ny lohan'olona, balahazo mivoraka be sy fotsy madio, vorontiloza matavy, ny hena kisoa jerena fotsiny. Izany ny harenan'iny ilany atsimo anefa tsy ampy rano. Ka raha ampy rano iny, na ampiana ny vahoaka sy ny mpamboly, aoka fotsiny. Ny ilany atsimo indray angamba no hamelona ny faritra hafa eto amin'ity nosy malala.
9. ravonjison ( 04/11/2009 14:17)
rakapy:

Ilay hoe hanondrana rano (exportation) aloha dia tsy hita izay maha ratsy azy satria rano firy km3/ jour no lasa any an-dranomasina tsy misy mpampiasa akory. Raha ny reniranon'i Faraony no resahana. Ka nahoana moa raha avadika ho fidiram-bola ho an'ny firenena izay ambin-drano tsy ampiasaintsika.
Fa ny zavatra manahirana sy tsy mety anefa dia ilay hoe hanondrana rano any ivelany isika nefa ny faritra Atsimo sy ny faritra maro eto Madagasikara aza tsy ampy rano efa ho firy tao-maty izay.

Ka nahoana raha ny famatsina rano ny faritra atsimo aloha no tena atao vaindohan-draharaha.



Iny angamba dia mazava ry Rakapy a . Raha manondrana rano isika dia mampidibola, raha mikarakara ny fa matsina rano any atsimo kosa dia mandany vola.
Ny mampidibola aloha izao no prioritaire .
10. Ratoa ( 04/11/2009 22:57)
dia avelao ho matin'ny hetaheta sy ny hanohanana eo zareo any atsimo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6139