I Ratsirahonana no mpandrava fitondrana eto

1. rabaradaka ( 11/08/2009 11:16)
Ny tany Maputo dia azo lazaina fa tsara ny dia. fa ity resaka ity no nahalasa eritreritra ahy ry dadatoa : niresaka i Zafy Albert sy Ratsiraka Didier ary Ravalomanana Marc hoe ny tena loza dia ity RATSIRAHONANA ity no nandrava ny fitondratsika telo lahy nefa dia izy indray ity no miaraka amin'ny Andry RAJOELINA. Midika izany fa ho ravany tsy ho ela koa ny fitondran-dRajoelina. Tena ratsy ity Ratsirahonana ity hoy izy telo lahy.
Resaka tena nisy io ry dadatoa a
novalian'i dadabe ny 16/08/2009 08:08
2. ravatorano ( 11/08/2009 11:23)
mba afaka indray zany datoa Ndrema amin'izany kle :wink:
3. essera ( 11/08/2009 11:40)
Ratsirahonana alou tena giravy e. Zah manokana ts d tia ny adkléany. Izy sy Ndrema no tena lasitra iray. Reny no tena anisan'ny manam-pahaizana amin'ny manipulation sy gaigy raha hi-influencer.
4. remahity ( 11/08/2009 11:44)
aoka ra-zoky, fa ra-marsely angaha hadinonareo:

tsy taitra fa membre ny gouvernement de transition tampoka ramarsely vao hoe...

donc: ananantsika maro ireny karazan'olona ireny ka....

ary ndrema JUNIOR, efa tao foana koa leiry an!!!!
5. essera ( 11/08/2009 11:51)
Tena marina izany, ramarsely no tena tsy nandingana gara mihitsy fa izy tratr'antso foana. Raha ny honohonon-dresaka henoko izay tsy fantatro izay fahamarinany d manana "secret garder-na" be lery eo am fitondrana izay tsy ahafahana manala azy eo. Tsy fantatro izay fahamarinany fa resaka n samy bandy zan
6. ntss ( 11/08/2009 12:02)
Reny Ratsirahonana reny ry zalahy no superhero eto am tanàna a!

Miaraka aminao iy refa manao ny fahamarinana enao fa manana "pouvoir surnaturel" ahafahana manongotra anao eo amin'ny seza izy refa tsy mizotra am fahamarinana sy fahamasinana nodradradradraina enao.
Eny mety maro ny olona tsy tia azy fa
- raha tsy nisy an'i Ratsirahonana tsy niongana i Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana. ary mbola anatra ho an'i Andry Rajoelina koa zany.
- raha tsy nisy ani Ratsirahonana niaraka tamin'ny mpitolona tany ambony tany dia zava-poana ny filatsahana an-dalambe sy ny blabla eny amoron-dalana.

Tsy fidiny ho azy ny 4000 téte fa izy zany mitsy e!
VAS Y SUPERMAN RATSIRAHONANA.
Mbola aiza ny hanaovany an'io accord de Maputo sy io Amnistie io? tsy ho afa-bela eo dadanareo ra mbola izy no izy.
7. xxx ( 11/08/2009 12:03)
tena taraiky zahay r zalah fa mba lazao hoe iza le ramarsely sy ndrema ary ndrema junior azafady e?
8. essera ( 11/08/2009 12:28)
Ranjeva
9. essera ( 11/08/2009 12:30)
Ranjeva Marcel
Andriamanjato Ny Hasina
10. patrick2002 ( 11/08/2009 13:07)
zah manokana aloha dia midera an`i Ratsirahonanana ,tsy ny olona no tohananany bfa ny fampandrosoana sy ny fahamarinana, miombon-kevitra an`i ntss izaho eto .
Mba oviana moa i Ravalomanana no niheno an`i Ratsireahonana raha tsy tamin`ireny DAKAR 1 sy Dakar 2 ary ny election presidentiel 2001 ireny ihany .
Izay ilay mahavoa an`i madagasikara rehefa hita fa olona manana hevitra hahavita betsaka noho ny tena dia finganina ,fa tsy hampandeferina ny ambo-po ho aqn`i firenena .
Nanao an`izany Ratsiraka t@ andriamaholison ,Joel Rakotomalala,
nanao an`izany i Zafy t@ Andriamanjato Richard
Nanao an`izany i Ravalomanana t@ Ratsirahonana , ngah izy tonga teo @ io place iny raha tsy Ratsirahonana .
Ny ahy ry Ratsirahonana sy ry Manandafy ,ary Andriamanjato ireny no mpanao politika ,malagasy voa indrindra halainy olona fotsiny ny hevitra avy eo dakany .
11. Mirananirina ( 11/08/2009 13:19)
Ny tany Maputo dia azo lazaina fa tsara ny dia. fa ity resaka ity no nahalasa eritreritra ahy ry dadatoa : niresaka i Zafy Albert sy Ratsiraka Didier ary Ravalomanana Marc hoe ny tena loza dia ity RATSIRAHONANA ity no nandrava ny fitondratsika telo lahy nefa dia izy indray ity no miaraka amin'ny Andry RAJOELINA. Midika izany fa ho ravany tsy ho ela koa ny fitondran-dRajoelina. Tena ratsy ity Ratsirahonana ity hoy izy telo lahy.
Resaka tena nisy io ry dadatoa a

tsy nihomehy indray aho raha tsy io ry rabaradaka.Ny fitantaranao azy.
12. Noue ( 11/08/2009 17:28)
rapatrick aloha dia tsy mahagaga eee ! sady kay lery io violeur :^) :^) :^) :^) :^)
13. tess ( 11/08/2009 18:28)
rabaradaka:

Ny tany Maputo dia azo lazaina fa tsara ny dia. fa ity resaka ity no nahalasa eritreritra ahy ry dadatoa : niresaka i Zafy Albert sy Ratsiraka Didier ary Ravalomanana Marc hoe ny tena loza dia ity RATSIRAHONANA ity no nandrava ny fitondratsika telo lahy nefa dia izy indray ity no miaraka amin'ny Andry RAJOELINA. Midika izany fa ho ravany tsy ho ela koa ny fitondran-dRajoelina. Tena ratsy ity Ratsirahonana ity hoy izy telo lahy.
Resaka tena nisy io ry dadatoa a

ka tena vendrana daholo izany efa telo lahy be izao ravany foana...


14. fijo ( 11/08/2009 22:27)
eto dia miray hevitra amindry akama isany aho,fa ireny olona ireny,dia tokony halavirina ny fitondrana misy ao aminn'y firenena.tsy ratsirahonana ireny fa ry ndrema sy ny forongony koa,tsy hisy raharaha vanona ao raha mbola ao ireo
15. patrick2002 ( 12/08/2009 00:03)
Dia hita ihany ny maha gasy ny be sy ny bobaka ,tsy miaiky ny faiblesseny mihintsy asa na io no maha gasy zay tsy hita ny maharatsy azy , fa amiko aloha dia toe tsaina Ratsy .
Ireny ry Ratsirahonana ireny no olona tokony hitondra firenena fa tsy manana moyen mitovy @ famille Kennedy atsy USA .
Izaho dia manaiky fa tsy ao ny connaissance ny Ravalomanana fa kosa fantatro fa ny mitondra firenena tsy mila diploma ary tsy misy fianarana , fahaizanao miara miasa ,sy mifidy izay olona fantatrao fa alehany ( ekipa doro hoy Rossy )
Izay no nanohanako an`i Ravalo T@ fotoanadrony fantatro fa tsy mahay na miteny frantsay rangahy iny ,fantatro fa tsy manana BEPC rangahy iny .
Dia hino ve ianao fa ho tonga filoha teo Ravalo raha tsy noho ny Ratsirahonana ,ireny no nanolo-kevitra hoe confrotation de PV , Dia hino ve ianao fa ho lasa Filoha i TGV raha tsy noho ny Ratsirahonana ,dia hino ve ianao fa hoi lasa Filoha Zafy raha tsy noho ny Andriamanjato ,fa rehefa azo ilay toerana dia hadino ny lakana nitana dakao amin`izay fa izao no tena role ,asa na hanao ahoana koa ity Andry ity ,hatramin`izao aloha dia mifikitra mafy @ Ratsirahonana.
16. fijo ( 12/08/2009 21:05)
ka izya mihintsy no maharatsy azy.
azavaiko ny hevitro.
voalohany aloha,dia olona fantatro tsara iny olona iny satria,sady mpampianatra ahy,no olona fantatry ny fianakaviako.
(ratsirahonna)no resahiko eto fa tsy ndrema.
ny tsy itiavakoazy,dia tsotra,marina ary ekeko fa raha tsy izy tsy teo ravalo,izay tohanako noho izy lanimbahoaka fa tsy hoe satria izy ravalo(tsy misy hiraharahiako ny maha ravalo azy)
ary ny tsy hitiavako andratsirahonana dia io izy manodikodina ny lalana araka izay hitiavany azy io.
mba dinio amin'ny saina tony ny zavatra hisy,raha misy olona hafaka,hanao izay tiany amin'ny lalana araka izay mahafaly ny fony?????????izany no tena atao hoe jadona
17. patrick2002 ( 13/08/2009 03:19)
Haodiny @ ahoana ny lalana fa tsy azoko ,mba manontany anao izaho ,inona ny toerana nisy an`i Ratsirahonana nandritry ny fitondrany Ravalo ,tsy nisy
Sahiko ny milaza aminao fa tsy i Ratsirahonana mihintsy no hanoro an-dRavalo anireny fifidianana boeing ireny ,sy ireo connerie maro be nataony Ravalo ,
Vao lany Maaire aza i Andry dia mbola niazakazaka i Ratsirahonana sy Rajemison nampiavana an`i Andry sy Ravalo ,fiheverako azy dia manolo-kevitra Ratsirahonana ho an`i Ravalo hoe tsy maintsy manaiky hiara miasa aminy ianao raha tsy izany ianao no miongana.
Heveriko fa tena fihetsika olo-kendry ,fa ilay olona toroina no tena adala mazan-doha dia izao no vokany ,ary izay no hanohanako ny tsy ara-dalana , :-D :-D :-D
18. tess ( 13/08/2009 05:10)
ka raha tena mafy i ratsirahonana izy aza efa ratsirahonana izany dia izy no ho lany eo izany ry pàt ah! :wink:
raha tena mahay izy dia izy no ho lany eo fa de hita tsika :^)
19. fijo ( 13/08/2009 21:05)
orapa an,i ratsirahonana letsy no nanoro an dravalo nanao ilay fiosorantena teny mahamasina voalohany iny an,aza hadino izany,iza no firenena nanaikyan'iny?????olona adala no nanaiky izy fanosorantena nataony iny.ary io mbola naveriny tamin'i andry io koa.izany tsy fanodinana lalana,sa inoa no filaza izany.
20. patrick2002 ( 14/08/2009 01:43)
tess:

ka raha tena mafy i ratsirahonana izy aza efa ratsirahonana izany dia izy no ho lany eo izany ry pàt ah! :wink:
raha tena mahay izy dia izy no ho lany eo fa de hita tsika :^)



Ka ny Tess hanana tsy mahaleo an`i nambinina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.571