voatery tsy maintsy hiala Praiministra izany Monja Roindefo

1. ravatorano ( 10/08/2009 07:00)
raha ny charte de maputo no dinihina dia voalaza ao fa tsy mahazo milatsaka ho fidiana ny mpikambana rehetra ao amin'ny goverinemanta tetezamita izay hatsangana eo ! Izany hoe raha ny tena marina dia tsy maintsy hialan'i Monja Roindefo izany io toerana maminy io raha tsy zany dia veloma hatreo ny nofinofiny sy ny antoko Monima amin'ny filatsahany ho fidiana !
tadiditsika fa nanontany ny hevitry ny HCC mihitsy izy raha azon'ny filohan'ny HAT atao ny manala ny praiministra nefa moa izany izao dia mazava ho azy fa voatery tsy maintsy hiala aùmin'izany toerana izany ihany izy raha manan-kevitra hitsapa ny halalin'ny fifidianan'ny filohan'ny repoblika indray !
Isaorana azy izay efa vitany teo amin'ny fitantanana ny governemanta teo ary irariana izy hahavita betsaka amin'izay mbola hataony eeee
2. Noue ( 10/08/2009 07:04)
toa ho be ihany no hiala ao koo ! nga rondefo irery ihany ??

aleo koa aloha hiala rondefo eee ! lery mikasa ny hilatsaka @ fifidianana io na dia efa fantany aza fa tsy ahazo voix eo lery ee ! 1% ?? ampy ve zay ?? raha ahazao a !! :-D :-D :-D :-D :-D :-D
3. essera ( 10/08/2009 07:43)
Raha ny eritreritro d aleo tena vrai politicien no hitantana fa efa mankaleo kosa ny mieritreritra ny hoe izay manam-bola sy mahay vava no mpitondra.
4. Noue ( 10/08/2009 07:46)
iza hoy elah no tokony ho eo aza ??
5. xxx ( 10/08/2009 07:58)
Raha mba ny tena hampivoatra an'i Gasikara ny ao an-tsain'i Praiminisitra Roindefo de mirary azy ho tafita aho , sady mba hampisy rano iny faritra atsimo iny fa tena fadiranovana. Asa moa raha hohadinony koa izany rehefa mahazo toerana izy !!!!!
6. essera ( 10/08/2009 07:59)
Ny tena tiako hotenenina izany d olona tena nianatra ny momba ny fitantanana firenena fa raha i Essera zao oh no manambola d afaka milatsaka ange nefa tsy manana an'ilay compétence hoe tena mi-coordonner ny action'n ny gouvernement sy ny institution isan-karazany fa miankina b tanteraka amin'ny conseillers spéciaux.
7. reeves ( 10/08/2009 08:00)
Betsaka ny diso paika ireo be kajy politika satria nihevitra ny hanao tremplin ny maha-minisitra mba hilatsahana ho Filoha satria amin`iny manko mba afaka mitokana zava-bitan`ny teo aloha foana . Mety hahita demission maromaro isika ato ho ato raha izao fandehany izao . Ny zavatra hitako kosa hatreto dia Ingahy Edgard Razafindravahy izay tao ambadik`i TGV nandritry ity fanonganam-panjakana ity dia anisan`ireo hilatsaka ! Efa ao anatin`izany ny paika nanendrena azy ho PDS tanà mba hanaovana propagandy mandritry ny mandat-ny satria mody hiezaka hanao zavatra betsaka izy amin`izany mba ho fanta-bahoaka . Antananarivo ihany mantsy no Region clé , rehefa lany eto dia efa azo ambara ho lany . Tsy lany fika ireto mpanao politika eto amintsika ireto kanefa ny vahoaka mpifidy efa manomboka ho tonga saina ka ataoko fa tsy dia azo ambakaina toy ny taloha intsony . Ny hany mbola nahavoafitaka an`Antananarivo fotsiny , dia ny nahalany an`i TGV ho Maire tamin`ny fotoan`androny . Isika rehetra samy tsy nisy nanampo fa hanongana an-dRa8 anie ny mission-ny fa tsy dia ho maire loatra . Mission accomplie kosa aloha ny azy tamin`iny na izany na tsy izany e !
8. hery ( 10/08/2009 08:12)
Ho hita eto raha tena mpanao politika i Roindefo na tsia. I Ravalo izao tena mpanao politika satria tonga izy dia niteny hoe tsy handray anjara amin'ilay governemanta ny tenany mba hahafahany milatsaka hofidiana amin'ny fifidianana manaraka.

Zavatra telo no mety hitranga:
1. Hametra-pialana i Roindefo ary tsy handray anjara amin'ny tetezamita dia hilatsaka ho filoha. Ampy azy ve anefa izay volana vitsivitsy izay mba nampahafantarany ny tenany? Tadidio fa 20 isa mahery kely ny vato azony tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany. IZany hoe na ny fianakaviany aza tsy nifidy azy.

2. Tsy hametra-pialàna i Roindefo fa hiafy ho praiminisitra. Fantany fa tsy ho lany rahateo izy dia aleony mba praiminisitra mahazo saosy. Marihina fa na dia tapitra aza ny teteza-mita dia mbola mitohy ny saosin'ny minisitra sy praiminisitra. Ary inoako fa hahazo toerana hafa izy aorian'izay.

3. Ity no tena ahiako. Tsy hametra-pialàna i Roindefo ary hanao bodongerina hirotsaka (miaraka @ basin'ny CAPSAT). Ho rava hatreo ny fifanarahan'i Maputo. Hiteny i leiry hoe izaho tsy nanatrika tany. Tena vitan'iny izany lolll
9. ari.malala ( 10/08/2009 08:19)
Ingahy Edgard Razafindravahy izay tao ambadik`i TGV nandritry ity fanonganam-panjakana ity
ha va re! ary mitombo iany zany listry ny olona tao ambadiky TGV zany ra zany ko!
10. essera ( 10/08/2009 08:21)
Ny zavatra hitako kosa hatreto dia Ingahy Edgard Razafindravahy izay tao ambadik`i TGV nandritry ity fanonganam-panjakana ity dia anisan`ireo hilatsaka !

Raha ohatra an'ah alou ny oul rehetra d avelako hanao eo fa ny any anaty urne ihany no mikaonty.

D le analyse-n'i Hery eto ambony indray d aleo izy hanao any Rahery fa io ange hita eo ihany izay vary sy tsiparifary rehefa miainga e. Silaka b eo izay nieritreritra ny hilatsaka anefa ts poinsa.

11. Noue ( 10/08/2009 08:25)
hery:

1. Hametra-pialana i Roindefo ary tsy handray anjara amin'ny tetezamita dia hilatsaka ho filoha. Ampy azy ve anefa izay volana vitsivitsy izay mba nampahafantarany ny tenany? Tadidio fa 20 isa mahery kely ny vato azony tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany. IZany hoe na ny fianakaviany aza tsy nifidy azy.
ireny taloha t@ fifidianana, firy ny vato azony ? 1%, maika fa zao ?? fa nga koa izy ity fanaovana pari no natao ireny geste midona kely ireny eee ??
ny fianakaviany aza tsy nifidy azy ka maika fa ny vahoaka ?? io aloha dia hanofy eo eee ! sady efa goaika antitra loatra ka tsy tian'vahoaka


:-D :-D :-D :-D :-D :-D sady tsy adala koa anie ny vahoaka fa samy nahita ny zavatra rehetra nataony ee ! iza indray no mbola sahy hifidy an'io ?? nefa moa tsy aleony kosa ve hijanona @ io toerany io mba hitsonjovana ny any aoriana ee !! ny saosy io a ! satria na andeha mbaka ny lohany aza tsy ho lany zany io !
12. rakaroka ( 10/08/2009 08:44)
Sssssssssss !!!!!!tsssssssss!!!!!Ny tena mahatsiakiky @ ity resaka ity dia "resaka bizna ftsn anie ilay izy e, 'nareo no mivaky loha "ho lany izy sa tsia?"...
De toute façon ny marge ahazoana misaosy durant cette teteza-mita hany ka
hahazoan-drizareo tai-paosy hanaovany ny éléction-ny , efa misy reserve à côté koa raha toa tsy lany!...Dia izay tonga eo dia izay "hanangonana ny ho azy ihany no tanjona!"
Dia raha mbola izany foana, aza manofy fiainam-pirenena ho vanona!...
13. Noue ( 10/08/2009 09:20)
rakaroka:
Sssssssssss !!!!!!tsssssssss!!!!!



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D ireo aloha no zava-marina ka aleo tsy tohizana kely ny fanakipiana ny maso eee :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
14. essera ( 10/08/2009 09:36)
Izao e. Raha tena mitombina tsara ilay participation inclusive d azo antoka fa ho sarotsarotra ny hanapoahana mandritra ny tetezamita.
15. ravatorano ( 11/08/2009 08:26)
satria hifampitsikilo amin'ny ara drariny ry zareo ka iza no sahy hangalatra ao amin 'ny kitampo-bolam-panjakana tokoa !
za aloha mino fa hiala izy e ary hitako eto fa izay no lalana mety aminy raha mbola tena hanao politika izay satria raha mifanohatra amin'izay dia ny HAT izay akamany mihitsy nomety hivadika aminy !
izay ho lany sy hilatsaka eo indray avliay ho avy baba aaaa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3013