inona no andraisanareo lhl ny vhv mampirafy?

1. Mirananirina ( 08/08/2009 16:36)
Na manambady na tsia ny vehivahy ka mampirafy,ahoana no andraisanareo lehilahy izany???
novalian'i terrywui ny 23/12/2009 14:11
2. sylvain ( 08/08/2009 18:56)
lazao aloha ny antony hampirafesany, matoa mampirafy d misy antony!
3. tess ( 08/08/2009 20:17)
lazao aloha ny antony hampirafesany, matoa mampirafy d misy antony!
BONNE Réponse :wink:
4. Lejoba ( 08/08/2009 22:20)
rien de bon fa ho fanajàna ny namana dia tsy lazaiko eto
5. ni81 ( 09/08/2009 06:51)
rien de bon fa ho fanajàna ny namana dia tsy lazaiko eto
:roll:
6. ikaretsaka ( 09/08/2009 08:00)
sylvain:

lazao aloha ny antony hampirafesany, matoa mampirafy d misy antony!

Mitovy hevitra


7. Mirananirina ( 09/08/2009 08:21)
Io anie aminy akapobeny e.Tsy fantako ny antony aloha,fa betsaka anefa ny vhv no mampirafy ankehitriny.
rien de bon fa ho fanajàna ny namana dia tsy lazaiko eto

Tsy mikasika ahy manokana io ka,aza matahotra ianao.Afaka omenao izay sosokevitra.
8. Mirananirina ( 09/08/2009 08:32)
Ny hevitra narosoko dia tsy mikasika ahy fa fanontaniana mipetraka fotsiny.Mahazaka izany ve ianareo lhl.Maditra ve sns....ny vhv manao izany?.
Raha mampirafy mirana tsy nolazaiko eto kosa ka :)
9. ni81 ( 09/08/2009 08:38)
Na manambady na tsia ny vehivahy ka mampirafy,ahoana no andraisanareo lehilahy izany???
tsy hevitro akory ity fa izao no voalazan'ny hira
http://www.dailymotion.com/relevance/search/rija+ramanantoanina/video/x7deav_rija-ramanantoanina-raha-tsy-ho-ahy_music
10. tess ( 09/08/2009 08:51)
ni ataoko eto mitsy alou io angalàko bahana ny mamaky sy mandinika azy hihih

Raha tsy ho ahy
ho ahy irery ianao fa ho azy koa,
raha tsy ampy anao
ny refa tianao ny ampiara-droa.
Dia avelao ho ahy irery ny fitiavako fa sao dia lo
ka tsy ahay hitia intsony aho avy eo.

Avelao ho any koa
ny lasantsika tsy hifoha,
Na zay anio na ny ampisto
aoka tsy hisy ho re
Dieny mbola tsy miroborobo fakany ilay fitia,
dia aleo kapaina sao mamohy

Tsy ninia ny amitaka aho sanatria,
na koa tsy ampy ahy ilay kaloko
Fa nisy fitia iray tsy mbola itako nandalo teo
dia tsy fantatro fa lasany aho... Blue color


Tsitsoo
11. fahamarinana ( 09/08/2009 09:12)
:arrow: Amiko manokana aloha an ! he he !
Tsy misy mahasamihafa na lahy na vavy no mampirafy,izany hoe tsy misy meloka mihoatra ny hafa izany e !Samy azo lazaina fa tsy mety daholo manoloana ilay efa vady,na sipa ,na olo-tiana efa iarahana ....
Mety misy antony betsaka koa fa santionany ireto lazaiko ireto sy araka ny fomba fijeriko manokana koa fa mety ho diso aminareo :
-mety sendra ny tena tiany izy nefa sarotra ho azy ny manao safidy : satria ilay tiany tsy afaka koa,na koa eo ny zanany ,na koa tsy manan-tsiny ilay raika ka sarotra ny hanapaka hevitra !
-Mety haditrana tsotra izao,efa fahazarana hany ka lasa tsy fantatra intsony na ratsy na tsara ny atao !
-Mety te hanana tiana ankiroa !Toa misy hono zany an ,asa anefa izany fo mizara roa izany ,mety hanahirana ho an'ny tokam-po
-Mety ho fitiavan-tena koa :sady fy ny atsy no mamy ny aroa ,matahotra ho votso-droa dia mila pneu de secours .
Nefa hevitra sendra nandalo daholo ireo fa mety tsy misy mitombina na raika avao aza ! (l)
12. ni81 ( 09/08/2009 09:12)
Angaha hatreo fotsiny? :D
13. fahamarinana ( 09/08/2009 09:26)
:arrow: hatreo aloha kouh !...fa izay voa manodidina hono !..mbola haka inspiraka ! :-P (l)
14. Mirananirina ( 09/08/2009 09:38)
tsy hevitro akory ity fa izao no voalazan'ny hira
Jereo eto

tiako ho fantatra ny hevitr'i Ni kosa e.
ni ataoko eto mitsy alou io angalàko bahana ny mamaky sy mandinika azy hihih

Ary ny hevitr'i tess ahoana?Tsy mirana no mampirafy an.
Tsy misy mahasamihafa na lahy na vavy no mampirafy,izany hoe tsy misy meloka mihoatra ny hafa izany e !Samy azo lazaina fa tsy mety daholo manoloana ilay efa vady,na sipa ,na olo-tiana efa iarahana ....

Fahamarinana,marina mihitsy izany fa matetika ny lhl anie tsy misy resaka fa hoe lhl dia vita,fa raha ny vhv dia toa be ny mpanenjika.
mety sendra ny tena tiany izy nefa sarotra ho azy ny manao safidy : satria ilay tiany tsy afaka koa,na koa eo ny zanany ,na koa tsy manan-tsiny ilay raika ka sarotra ny hanapaka hevitra !
-Mety haditrana tsotra izao,efa fahazarana hany ka lasa tsy fantatra intsony na ratsy na tsara ny atao !
-Mety te hanana tiana ankiroa !Toa misy hono zany an ,asa anefa izany fo mizara roa izany ,mety hanahirana ho an'ny tokam-po
-Mety ho fitiavan-tena koa :sady fy ny atsy no mamy ny aroa ,matahotra ho votso-droa dia mila pneu de secours .

Izaho koa mahita fa tena marina mihitsy ny hevitra teneninao io fahamarinana.
15. ni81 ( 09/08/2009 10:17)
Angaha hatreo fotsiny?
i tess tsy nanohy ilay hira no noteneniko an'io ry faha fa tara kely aho a!
Tsy misy mahasamihafa na lahy na vavy no mampirafy,izany hoe tsy misy meloka mihoatra ny hafa izany e !Samy azo lazaina fa tsy mety daholo manoloana ilay efa vady,na sipa ,na olo-tiana efa iarahana ....
tena marina io, samy tsy mety :(
tiako ho fantatra ny hevitr'i Ni kosa e.
tsy tiako aloha ilay izy e! aleoko tonga dia mahita olona mandray fanapahan-kevitra hoe "misaraka" toy izay hampirafy! Misy fomba fitenenana manao hoe: "raha tsy tianao atao amin'ny tenanao dia aza atao amin'ny hafa"
Fahamarinana,marina mihitsy izany fa matetika ny lhl anie tsy misy resaka fa hoe lhl dia vita,fa raha ny vhv dia toa be ny mpanenjika.
maro mihitsy ny olona miteny ny hoe "hatreo am-baravarana ihany izy no anao..." :roll: raha toa ka ilay lehilahy no mampirafy
16. fahamarinana ( 09/08/2009 10:42)
ni81:
maro mihitsy ny olona miteny ny hoe "hatreo am-baravarana ihany izy no anao..." raha toa ka ilay lehilahy no mampirafy

:arrow: efa mba reko koa io fiteny io !Mety misy fahamarinany nefa mino aho fa misy maningana ihany ny lehilahy sasany ! Raha io no dinihana akaiky dia mitombina ihany ilay fahatongavan'ny fitiavana bobaka be !
ni81:
tsy tiako aloha ilay izy e! aleoko tonga dia mahita olona mandray fanapahan-kevitra hoe "misaraka" toy izay hampirafy!

:arrow: Marina tanteraka ,nefa mino koa aho fa tsy dia hoe sitrapo ny hijanonana amin'ilay tranga ,ndao atao hoe ny sasatsany fa tsy ny besinimaro e, angamba samy mety te hanana tanjona daholo ny tsirairay hoe hiara-monina,hanambady ,hiara-miaina amin'ilay olo-tianay nefa sendra ny tranga tsy hay vahana dia iainana amin'ny onjany eo !
Misy koa nefa iny kilalao mankarary ny hafa iny mihintsy no ahazoany aina sy ahazoany tsirony !Akory atao ,samy manana ny fomba fanehony ny fitiavany !

Fehiny : Lalina tokoa io Fitiavana io anie rehefa hidirana lalina kokoa ny manodidina azy rehetra e !...nefa iny koa ilay mampangitakitaka :D (l)
17. tess ( 09/08/2009 11:12)
mety sendra ny tena tiany izy nefa sarotra ho azy ny manao safidy : satria ilay tiany tsy afaka koa
bonne réponse :-P :-D
18. tess ( 09/08/2009 11:18)
Ary ny hevitr'i tess ahoana?Tsy mirana no mampirafy an.
16. Mpandefa : tess [ Valio ] 09-08-2009 13:12:26
Lohateny : Re : inona no andraisanareo lhl ny vhv mampirafy?
Voalaza teo :
mety sendra ny tena tiany izy nefa sarotra ho azy ny manao safidy : satria ilay tiany tsy afaka koa
bonne réponse
19. tess ( 09/08/2009 11:26)
Ary ny hevitr'i tess ahoana?Tsy mirana no mampirafy an.
i tess tsy nanohy ilay hira no noteneniko an'io ry faha fa tara kely aho a!

ni : kay ve mbola nisy tohiny e! page raika io fotsiny no novakiko hihihi aleo jerena am manaraka,

mirananirina: ny hevitro ity:
16. Mpandefa : tess [ Valio ] 09-08-2009 13:12:26
Lohateny : Re : inona no andraisanareo lhl ny vhv mampirafy?
Voalaza teo :
mety sendra ny tena tiany izy nefa sarotra ho azy ny manao safidy : satria ilay tiany tsy afaka koa
bonne réponse




20. ravonjison ( 09/08/2009 12:13)
[quote=ni81]

Tsy misy mahasamihafa na lahy na vavy no mampirafy,izany hoe tsy misy meloka mihoatra ny hafa izany e !Samy azo lazaina fa tsy mety daholo manoloana ilay efa vady,na sipa ,na olo-tiana efa iarahana ....
tena marina io, samy tsy mety :(



Marina dia marina io. Ampiako fotsiny, ny antony mahatonga azy ireo hanao izany no samihafa eo @ lehilahy sy vehivavy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1372