inona no andraisanareo lhl ny vhv mampirafy?

21. Mirananirina ( 09/08/2009 12:25)
tsy tiako aloha ilay izy e! aleoko tonga dia mahita olona mandray fanapahan-kevitra hoe "misaraka" toy izay hampirafy! Misy fomba fitenenana manao hoe: "raha tsy tianao atao amin'ny tenanao dia aza atao amin'ny hafa"

Nefa ny akamaroany dia tsy misaraka.Fa dia faly ny hanandroa eny foana.
maro mihitsy ny olona miteny ny hoe "hatreo am-baravarana ihany izy no anao..." raha toa ka ilay lehilahy no mampirafy

Misy antony matoa ny gasy nanao io fiteny io taloha an :(
Raha io no dinihana akaiky dia mitombina ihany ilay fahatongavan'ny fitiavana bobaka be !
Ka izay indrindra ange e,nahoana no manana fitiavana olona maro ny olona1,mahagaga.
Lalina tokoa io Fitiavana io anie rehefa hidirana lalina kokoa ny manodidina azy rehetra e !...nefa iny koa ilay mampangitakitaka

Tena mahavariana tokoa,
mirananirina: ny hevitro ity:
Voalaza teo :
16. Mpandefa : tess [ Valio ] 09-08-2009 13:12:26
Lohateny : Re : inona no andraisanareo lhl ny vhv mampirafy?
Voalaza teo :
mety sendra ny tena tiany izy nefa sarotra ho azy ny manao safidy : satria ilay tiany tsy afaka koa
bonne réponse

eny ary e.
Fanontaniana kely:
Hoan'ny olona mampirafy ireo ary ve samy tiana daholo ireo sa ny 1 ohatra kilalao fa ny 1 tiavina
22. tess ( 09/08/2009 12:39)
Nefa ny akamaroany dia tsy misaraka.Fa dia faly ny hanandroa eny foana.

BETSAKA NY tsy misaraka noho ny antony maro...samy manana ny cas-ny ny tsirairay
Ampiako fotsiny, ny antony mahatonga azy ireo hanao izany no samihafa eo @ lehilahy sy vehivavy.

mety hisy hitovizana ny antony eo amin'ny lahy sy ny vavy ka! mety ho samy hafa ihany koa....
23. milamm ( 09/08/2009 14:33)
aleo kalo azava fa tsy olana zany amiko raha lesbienne izy no mampirafy :lol:
tonga de ao @ ilavako azy tsara
24. marindra ( 09/08/2009 19:59)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
25. marindra ( 09/08/2009 20:01)
Raha tsy ho ahy
ho ahy irery ianao fa ho azy koa,
raha tsy ampy anao
ny refa tianao ny ampiara-droa.
Dia avelao ho ahy irery ny fitiavako fa sao dia lo
ka tsy ahay hitia intsony aho avy eo.

Avelao ho any koa
ny lasantsika tsy hifoha,
Na zay anio na ny ampisto
aoka tsy hisy ho re
Dieny mbola tsy miroborobo fakany ilay fitia,
dia aleo kapaina sao mamohy

Tsy ninia ny amitaka aho sanatria,
na koa tsy ampy ahy ilay kaloko
Fa nisy fitia iray tsy mbola itako nandalo teo
dia tsy fantatro fa lasany aho... Blue color

Ny hiranay :-D :-D :-D :-D
26. ari.malala ( 10/08/2009 08:42)
milamm:

aleo kalo azava fa tsy olana zany amiko raha lesbienne izy no mampirafy :lol:
tonga de ao @ ilavako azy tsara



:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
27. milamm ( 19/08/2009 23:59)
tsisy tokony apikorapaka zany ry ari-malala fa afaka mifambotra tsara tsy misy maratra zahay 3 @ zay :�)
28. Envy7 ( 24/08/2009 17:39)
Ary mba aona ry zalahy belamba ireny?toa manana hatr@viavy 5,nefa rafotsy tsy mikorapaka.Ny any Gasy,1monja dia lasa tantara be.Sa tsy zany ry zalahy.
29. Ratoa ( 10/09/2009 17:58)
Ka ny an'ny gasy efa noraran'ny mpanjaka, asa i Lay Dama angaha fa tsy tadidiko tsara, satria mampisara-bazana ny mpianakavy ny fampirafesana. Fa matetika ny olona mampirafy dia mitady zavatra izay tsy hitany na tsy azony eo ami'ilay voalohany, na amin'ny lahy na ny vavy dia samy mitombona izany. Misy foko any avarabaratry ny Nosintsika any, mampirafy ny vehivavy ao. Tsy tena mampirafy ara-dàlana fa maka zaza amana lehilahy izay tiany. Ny vehivavy manambady ihany anefa no mahazo manao izany fa ny tovovavy dia tsy mahazo miteraka raha tsy efa mana-tokatrano.
Ao koa ireo mampirafy nohon'ny filana na fitiavana zava-poana toa ny haingo sy ny vola.
Na lahy na vavy dia samy tsy mety io amiko satria miaro fitaka. Iza no afaka hanome toky fa hitia olona roa amin'ny fomba tena mitovy tanteraka? Ny reny aza manana ny zanany tiany indrindra.
30. Ratoa ( 10/09/2009 18:04)
Marihiko: noho ilay izy efa noraràna mazava dia manjary mampisaritaka. Taloha anie ny lehilahy gasy ka nampirafy fa tsy nampisaritaka izany. Raha ny vehivavy no mampirafy dia saritaka be no vokany satria zareo lehilahy voadoany amin'ny ambo-pony izay heveriny angaha ho ambony noho ny an'ny vehivavy ary mampisaritaka koa satria ny vhv no atao mpitàna (dépositaire) ny soa rehetra amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina eran'izao tontolo izao '" Fa ny vehivavy hendry dia lova avy amin'i Jehovah " hoy ny Baiboly, ary indrindra eto amintsika.
31. mandrindra ( 17/09/2009 06:58)
mahazo mandeha daholo na lahy na vavy. raha lazaina hoe ny lahilahy no mihodia dia misy vehivay miaraka aminy izany. noho izany tsy misy hoe lahy na vavy fa samy manao daholo. ary tohizo fa tsara beee io , voleo sy aparitaho manerana ny tontolo ny fitiavana, peace and looove
32. ni81 ( 17/09/2009 07:01)
mahazo mandeha daholo na lahy na vavy. raha lazaina hoe ny lahilahy no mihodia dia misy vehivay miaraka aminy izany. noho izany tsy misy hoe lahy na vavy fa samy manao daholo. ary tohizo fa tsara beee io , voleo sy aparitaho manerana ny tontolo ny fitiavana, peace and looove
:lol: :lol: loza! :? :{
33. soanja ( 20/09/2009 12:38)
Zah manokana aloha dia mametraka izany ho fanapahan-kevitry ny tsirairay miankina lalandava amin'ny zavamisy atrehany ao. Ny mety aminy mety tsy hety aminao ary ny mety aminao mety zavadoza aminy. Samy miezaka sy mikatsaka izay mahasambatra azy ny olona ary tsy natao ifampitsarana ny sehatra. Iray azoko ambara anefa dia fantaro tsara izay ho vady satria sao hijaly ny taranaka.
34. xxx ( 27/10/2009 03:14)
Ratoa:

Misy foko any avarabaratry ny Nosintsika any, mampirafy ny vehivavy ao. Tsy tena mampirafy ara-dàlana fa maka zaza amana lehilahy izay tiany. Ny vehivavy manambady ihany anefa no mahazo manao izany fa ny tovovavy dia tsy mahazo miteraka raha tsy efa mana-tokatrano.




Mba azonao lazaina ve tompoko avarabaratry ny nosy aiza ho aiza, fa avy any mantsy ny tenanay fa toa mbola tsy naheno an'zay ka mahagaga2 ihany lahy
8O 8O
35. kotobekibo ( 01/11/2009 23:15)
hitsikitsika tsy mandihindihy foana e! ao raha !
saingy samy mànana ny antony !
Efa mitovy zo izao , samy afaka mikoty samy afaka mandà , samy afaka manary , samy afaka mampirafy ! :-D :-D :-D
36. naritsimba ( 26/11/2009 08:58)
Izaho indray tsy mba sarotiny izany, natao handinika ny tsirairay na lahy na vavy, koa safidiny io raha te hampirafy izy.
Ny tena voarara dia izao:
1-Raha efa manambady ara-dalana ianao dia aza entina ao ambony fandriananareo mivady ilay olona ampirafesinao @ vadinao fa manofa "chambre".
2-Raha toa ka sipasipa indray dia aza entina eo ambonin'ny fandriananao raha toa ka tsy ho vadianao akory, fa mbola fahotana be koa izany.
3-Ny fampirafesana dia tsy voatery avy @ ilay olona akory fa misy koa ny tsy fidiny vokatry ny faneren'ny Ray aman-dreny, toa ny nahazo an'i Jakoba izay lasa nanambady in-droa satria tsy maintsy ny zokiny aloha no mivoaka manambady dia izay vao ny zandriny, noho izany dia tsy vao izao no nisiany fa efa hatramin'ny naha tany ny tany.
37. naritsimba ( 26/11/2009 09:22)
Aoka hanan-kaja amin'ny olona ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana: fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra Hebreo 13:4

Aoka ho tsaroantsika fa :
Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady Matio 5:28

Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; ary rehefa napetrany teo afovoany izy,
dia hoy ireo taminy: Mpampianatra ô, ity vehivavy ity azo olan-tànana nijangajanga.
Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22.22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao?
Izany no nolazainy hakany fanahy Azy, mba hahazoany izay hiampangana Azy. Fa Jesosy niondrika ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny ratsan-tànany.
Ary raha naharitra nanontany Azy ireo, dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.
Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin'ny tany tamin'ny ratsan-tànany.
Ary raha nandre izany izy, dia nivoaka tsirairay hatramin'ny zokinjokiny ka hatramin'ny zandrinjandriny; ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo. Jaona 8:3-9

Raha dinihana ireo voalazan'ny Soratra MAsina ireo dia mazava fa:
1-Ny lehilahy raha vao mijery vehivavy ka mila azy ao am-po dia efa diso.
2-Ilay vehivavy azo olan-tanana nijangajanga kosa dia nahoana no izy irery no nentina teo, moa ve ni-mast izy zany, sa nisy lehilahy niaraka taminy fa saingy araky ny fomba Jiosy fahiny moa dia tsy manana ny toerany mihitsy ny vehivavy raha teo @ fiaraha-monina afa-tsy ireo izay nofidian'Andriamanitra manokana ka dia ilay vehivavy ihany no nentina teo anatrehan'ny rehetra fa izay niaraka nijangajanga taminy dia tsy hita, noho izany iza no afaka nanaporofo fa azo olan-tanana tokoa izy, izay midika fa tratra teo am-panaovana mihitsy izy izany.
Antsika no mieritreritra, ny ahy efa nolazaiko fa tsy mba sarotiny aho ary tsy mihaino izay vavan'ny olona, fa kosa rehefa hampirafy ianao dia ataovy any @ mangingina fa za entina ireharehana eo imason'ny ilay vadinao na ilay olon-tianao, @ zay tsy misy bedy. Aleoko tonga dia mitsotra hoe zà hanao sipa @ zay fa ahoana ny hevitrao? dia @ izay milamina satria efa nampiomana ianao @ zay.
Tsy misy afa-tsy ny fahatsorana ihany io rehefa tsy te hahita gidragidra e!

38. terrywui ( 23/12/2009 14:11)
inona no andraisanareo lhl ny vhv mampirafy?
tsy olana ! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5168