Fanomanana ny faha folo taonan'ny namana serasera.org

1. ravatorano ( 08/08/2009 07:00)
Raikitra izany fa hisy fankalazana ny faha folotaonan'ny namana serasera.org eto Antananarivo izay karakarain'ny mpiketrika ao amin'ny namana serasera dago na NSD.Izany dia vokatry ny fihaonana omaly izay natao teny amin'ny 67 hectares.Eto izany dia efa mba mampiomana anareo namana rehetra amin'izany mba tsy ho hisy indray ny hoe tampoka dia tsy azo nanoharana fa tsy tafa indray e !
Ho lazaina tsikelikely sy manaraka eto ihany ny ho fizotran'izany hetsika lehibe ho karakaraina izany ary hahazo hafatra any amin'ny boite-ny avy ny namana rehetra tapa bolana mialohan'ny andro hanaovana ilay fety beuh !
novalian'i rhina ny 28/09/2009 11:42
2. fahamarinana ( 08/08/2009 17:10)
:arrow: hummm !sambatra ny any zany,ary ny aty aminay hono nanakory ny tohiny !mijapy dinika za io Razoky o ! :) (l)
3. ari.malala ( 10/08/2009 07:42)
Tongava aty Faha a!
4. voahirana ( 10/08/2009 08:19)
Dia raikitra indray izany ny fankalazana ny faha folo taona ho hita tsy ho ela eto ihany ny programme mety ho atao amin'io fankalazana io , hisy ny fivoriana manaraka mba andinihina izay atao eny ankadikely tsy ho ela fa hita eo ihany ny tohiny eeee!!!
5. glou ( 10/08/2009 15:01)
Araky ny tenin-drazoky io ambony io dia raikitra fa hisy ny fankalazana ny faha 10 taona ny Serasera Namana ka ho an' ny eto antoerana dia hatao io 3 octobre io ny hetsika fa ny toerana hanaovana azy dia mbola ho dinihina ary ho fantatra ny 29 aout ho avy izao izay hisy fihaonana mialoha eny ankadikely ilafy ka manasa antsika namana rehetra ho avy eny an-toerana @ 11h ny fotoana eo @ bodofotsy Ilafy ka samy mitondra izay fantany fa mety ohatra ny an' ny lehilahy dia boisson ary ny vehivavy izay afaka mitondra sakafo hanampiana izay efa any, koa eto dia tsy hanavahana fa izay namana te ho avy dia raisina antanan-droa,eto koa dia misaotra ireo namana marobe tonga teny @ 67ha t@ zoma lasa teo ary ireo namana taloha efa tsy hita elaela nefa hita indray , ireto avy ny namana tonga teny : Ravatorano, glou, voahirana,naritsimba, mimifalie, lalah, angotiko, notron, capitou, jaya, diosezy, ravitsonjo, ilalaina, linjokely;kolo, gallant, mimich, nanie, labloom, nanady, loulousy, thiel, valiha,misy tsy tadidiko fa ialana tsiny fa maro loatra, izay zany eh, @ 29 aout any ilafy no fotoana @11h izay tara dia miantso hanoroana ny toerana
tsiky dia ampy eh!!
6. thiel ( 11/08/2009 08:01)
Dia manentana izay mbola misalasala izany ho tonga maro eny an-toerana fa goavana ny zavatra hodinihina sady ny revy mandeha ihany.Milay be foana!!!! Mahafinaritra raha maro2 kokoa nohon'ny ny tany @ 67ha no ho avy,ilay la chasse no tsy ampy mihintsy é :^) :^) :^)
7. nytsiry ( 11/08/2009 08:57)
ao fa ho avy e !
fa angah tsy any amin 'i sefo glou indray ilay fivoriana moa ?
ekena ary fa d eny ilafy zany tsika mifankahita e !
8. MioraArielle ( 11/08/2009 11:31)
Ho avy raha tsy lasa vacance any Tamatave, fa efa ela be tsy nandeha.
9. heureuse ( 12/08/2009 12:34)
Mahafinaritra izany feno 10 taona izany, ary raha vao mandeha ny angotiko dia mazoto be za, hi,hi :D :D
10. angotiko ( 14/08/2009 04:01)
:lol: :}
inona mou no azo ambara fa dia miarahaba alou eh, dia ny manaraka mou tsy inona fa dia manentana antsika rehetra zany ho avy amin'io 29 aout io mba afahana tsara manomana le fety beuh faha 10 taona koooo
izaho mou dia hiezaka ny ho avy fa dia tongava ry heureuse fa any tsika mahita anazy fa ny adidy vita ny fialamboly koa tsy diso anjara, ny antsika vehivavy mou laoka no entina fa ny an'ny lehilahy jus mangatsika sy jus mafana mdrrr!! tongava akia aaaaaa
dia tongava daholo ry reto an :-* :* :evil: :^) :/ :-D :-P :-o ;-) :P
kiss kiss
11. heureuse ( 14/08/2009 06:56)
Ok, hiezaka ho avy za ka, ary tsy misy jus tiède angaha, hi,hi :-D
12. rakaroka ( 14/08/2009 20:42)
Hummmmmmmm!!!!! :-* :-* :-* :-* :-* :-* MAHAFINARITRA ny fiaraha-mientanareo , dia ianareo ao anatin'ny rivotra politika mivaivay indray no
MAHAJORO isiam-pihaonana fa izahay atao hoe mihamikamina aty no toa voasamaky ny rivotra politika avy any?...
MAHAVITA SOA e! :-* :-* :-*
13. ari.malala ( 17/08/2009 11:54)
Naniry hoavy fa saingy sampona indray e! mahavità b d miandry sary sy miandry vaovao :(
14. nytsiry ( 18/08/2009 05:57)
heureuse < enao koa raha vao mandeha d mazoto be koa za
ari.malala< aza atao an'izany tsy afaka zany foana moa e ! mba reseo ny sampona e ! :-P
15. naritsimba ( 18/08/2009 06:33)
rakaroka> aty ange oà tsy misy miady zany e, na tsy mitovy hevitra aza mahay miaraka foana, misy foana ny resaka politika ao anatin'ny fihaonan'ny NSD rehefa eny antsefatsefany eny, saingy tsy mampiady fa vao maika aza mampifanantona.
angotiko> aza adino le lohanono hihihihihi, aleo hiezaka hitady ronono velona mafana lol
thiel> la chasse, la chasse, aleo fa hitondra la chasse raha mahita e! hainao ihany
ari.malala> manetsa be mbola ho avy e
16. ari.malala ( 18/08/2009 09:58)
nytsiry, satriko handresy azy fa resiny fôna ah zay tao hoao :-(
17. heureuse ( 18/08/2009 10:26)
[quote=nytsiry]
heureuse < enao koa raha vao mandeha d mazoto be koa za
tena tsy tadidiko ary ianao fa dia miala tsiny e! hi,hi,hi
18. heureuse ( 18/08/2009 10:33)
thiel
19. fahamarinana ( 18/08/2009 10:57)
:arrow: ny eto paris oah toa efa mandehandeha any ny date sy ny hoe voafetra ny toerana nefa dia tsy tazana ny fisoratana anarana !Ka ho tara angamba ny tenanay dia tsary handeha koa amin'izao e ! :? (l)
20. ari.malala ( 19/08/2009 06:43)
Faha, manin ts mi contacter an'i Sipagasy? sa moa izy tsy any?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3439