Dia dioviko tsara aloha ny tranoka fa andray vahiny aho

1. niryna ( 07/08/2009 16:47)
Raha hitady trano isika dia jerena daholo aloha ilay izy ka rehefa tiana dia manampakevitra fa hifindra na hividy.Dia manomboka eo ny fanadiovana ilay trano ,mety ho lokoko tsara ilay izy fa mety tsy ho tiako ilay loko taloha,dioviko ary ny fanadiovana no tena mafotaka ,rehefa madio amin'izay ilay trano dia miditra amin'izay ny fanaka rehetra. ary vonona andray vahiny koa aho.
Toa izany koa ny fanahy masina,mbola tsy mahalala izany aho ka dia mianomboka mamaky ny tenin'Atra ,ahoana tokoa moa no ahalalako izany fitiavan'Atra izany raha tsy nisy nampahafantatra> mety mamaky baiboly aho,mety mihaino ireo olona izay nomen'Atra fahasoavana mizara izany tenin'Atra izany ary dia mandray koa,manandrana koa aza hoe ahoana tokoa moa izany teny ao anatin'ny baiboly izany.Tsy andaho ahy hono izy ary dia rehefa misy fahoriana aho na tahotra na ahiahy dia antsoko izy hampahery ahy.

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=7&andininy=7-7&dika=ls-web
io izao misy ohatra iray tsy azo lavina ary azo porofoina ka ataovy ny andrana
.
Dia mino ilay Atra velona amin'izay aho,manaiky ho tantanany amin'izay ilay tokantranokeliko,efa madio ilay izy satria aho efa nibebaka ,efa namela ahy izy ary dia voasasan'ny ran' Jesosy tokoa izany fahotanko izany.Vonoa aho ny ampiantrano ny fanahy masina ary manomboka mipetraka ato amiko amin'izay izy satria aho efa voavidin'ny ran'i Jesosy

Rehefa miampiantrano ilay fanahy masina aho satria nino an'i kristy aho fa maty noho ny fahotako izy ary mino fa ny famonjena dia avy amiNy irery ihany ary dia manomboka miaraka amiko ilay Fanahy masina ary io Fanahy masina io no manomboka mampianatra ahy ny tenin'Atra,manoro ahy ny lalana tokony alehako rehetra
Raha mbola tsy tsy ao aminao ny Fanahy masina dia diovy ny tranoanao ary ampihatranoy izy fa ho tonga tokoa,mivavaha,mangataha famelankeloka ary maneke fa Kristy no mpamonjy anao ka manomboka androany dia azonao diovina ny tokantranonaoa ary avelao izy irery ihany no itantana izany satria ao aminy irery no ahitana izany famonejana izany :-* 8)


(l) niryna
novalian'i niryna ny 25/08/2009 19:10
2. rijadolly ( 07/08/2009 18:37)
misaotra Niryna a!
3. niryna ( 08/08/2009 18:30)
rijadolly:

misaotra Niryna a!


tsy misy fisaorana rija
4. bobone ( 12/08/2009 13:04)
eeeeeehhhh marina zany zoky an! misaotra e! :D :D :D (l) (l) :-* :-* :-*
5. rzakarivola ( 12/08/2009 14:01)
Mampahatsiaro ahy tenin'i Jesoa ireo nambaran'i Niryna ireo
1- "Ny fatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana"
2- "Izay omen'ny Raiko ahy no hanatona ahy"
3- "Izay manatona ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy"
4- "Mahatsara anareo ny fialàko, fa raha tsy mandeha aho dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina"
5- "Rehefa tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana, ny fahamarinana ary ny fitsaràna.
Ny fahotana : satria tsy nino ahy izy
Ny fahamarinana : satria izaho mankany @ Ray ka tsy hahita ahy intsony ianareo
Ny fitsaràna, satria efa voatsara sahady ny andrianan'izao tontolo izao"
6- "Rehefa tonga ny Mpananatra, dia Izy no hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko, ary hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra"

Farany : "Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ka hiara-misakafo aminy"
6. ari.malala ( 12/08/2009 14:36)
Hay v nenareo ny Fanahy MAsina ka vahiny e! d mitoetra hafiriana d lasa refaveo? nenay mantsy 'fanomezana' ka mitoetra mandrakizay satria 'miara-dalana isanandro'
7. fahamarinana ( 12/08/2009 14:52)
:arrow: izay ary ilay fanoharana lasa voadika ho hafa !...hitady irika foana isika hampidirana ilay Finoana dia lasa zavatra hafa no mety handraisana azy ,tsy ny rehetra sanatria fa tsy azo tsinotsinoavina izany !!!
Misy fahamarinany ny lazain'ny ari ....araka ilay olona eo no hiovany na tsia ny fandraisany ilay Teny sy ny fatran'ilay Finoana hananany !...hevitro monja iny an ! :) (l)
8. rzakarivola ( 13/08/2009 07:08)
ari >>> Raha teto i Jesoa dia inoako fa izaho no ho teniny taminao : "Tsy lavitra ny fanjakàn'ny lanitra ianao".
9. niryna ( 25/08/2009 18:57)
bobone:

eeeeeehhhh marina zany zoky an! misaotra e! :D :D :D (l) (l) :-* :-* :-*



(l) (l) (l) (l)
10. niryna ( 25/08/2009 18:59)
rzakarivola:

Mampahatsiaro ahy tenin'i Jesoa ireo nambaran'i Niryna ireo
1- "Ny fatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana"
2- "Izay omen'ny Raiko ahy no hanatona ahy"
3- "Izay manatona ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy"
4- "Mahatsara anareo ny fialàko, fa raha tsy mandeha aho dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina"
5- "Rehefa tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana, ny fahamarinana ary ny fitsaràna.
Ny fahotana : satria tsy nino ahy izy
Ny fahamarinana : satria izaho mankany @ Ray ka tsy hahita ahy intsony ianareo
Ny fitsaràna, satria efa voatsara sahady ny andrianan'izao tontolo izao"
6- "Rehefa tonga ny Mpananatra, dia Izy no hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko, ary hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra"

Farany : "Raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ka hiara-misakafo aminy"


tsara be ilay fanazavana fa misaotra betsaka e
:-*
11. niryna ( 25/08/2009 19:06)
ari.malala:

Hay v nenareo ny Fanahy MAsina ka vahiny e! d mitoetra hafiriana d lasa refaveo?

ari a> ny fanahy dia tsy mipetraka ao amin'izay tsy mino an'i kristy ho mpanjaka sy mpamonjy azy,marina fa fanomezana io saingy izay manaiky azy ihany no itoerany satria izay mino azy dia anatona azy Izy
ari-malala:
nenay mantsy 'fanomezana' ka mitoetra mandrakizay satria 'miara-dalana isanandro'
raha toa ka zanak'Atra ilay olona ,raha toa ka mino an'i kristy ho tompo sy mpanjaka,raha toa ka mino azy ho mpamonjy ary mino fa izy irery no lalana mankany amin'ny ray,fanomezana tokoa io ho an'izay voavonjy,fa maninona no izay voavonjy ihany ,efa nomen'Atra antsika ny zanany ary efa nasehony tamin'ny fitiavana an'izao tontolo izao izany kanefa tsy ny rehetra no mety mandray azy hatramin'izao,noho izany na fanomezana aza ilay izy raha tsy mino an'i kristy dia tsy manana ny fanahiny satria izy no nangataka ny Rainy mba itoetra ao ampon'izay mino Azy
mahereza hatrany isika rehetra mikaroka ny fahamarinana ary minoa fa any aminy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray hoy ny voasoratra ao anatin'ny soratra masina,tsy misy na iray aza ankoatra azy

:-*
12. niryna ( 25/08/2009 19:08)
fahamarinana:

:arrow: izay ary ilay fanoharana lasa voadika ho hafa !...hitady irika foana isika hampidirana ilay Finoana dia lasa zavatra hafa no mety handraisana azy ,tsy ny rehetra sanatria fa tsy azo tsinotsinoavina izany !!!
Misy fahamarinany ny lazain'ny ari ....araka ilay olona eo no hiovany na tsia ny fandraisany ilay Teny sy ny fatran'ilay Finoana hananany !...hevitro monja iny an ! :) (l)


misaotra anao nizara
:-*
13. niryna ( 25/08/2009 19:10)
rzakarivola:

ari >>> Raha teto i Jesoa dia inoako fa izaho no ho teniny taminao : "Tsy lavitra ny fanjakàn'ny lanitra ianao".


rzaka > inona no tianao tenenina amin'izany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.058