tsy hanaiky ny tafika amizao raha miverina Ravalo ???

1. nytsiry ( 05/08/2009 08:27)
dia nanao fanambarana tamin'ny mpanao gazety izany ireo manamboninahitra mpitarika ny tafika malagasy omaly dia nylehiben'ny tao amin'ny fiarovana,ny miaramila,ny zandary ary ny polisy fa tsy hanaiky mihitsy ry zareo raha toa ka lany any Maputo fa i Ravalomanana no haverina ho filoham-pirenena indray !
Na izaho aza aloha tsy dia mankasitraka loatra an 'ilay hoe hamerenana an'i Ravalo ho eo amin 'ilay toerana na dia lany tamin'ny 50% mahery aza izy tamin'ny fifidianana farany teo saingy tsy lanin'ny vavoniko koa no mahita ireto tafika sahy milaza ary tsy mihambahamba maka "position" amin'izany !
Lazaina fa tsy manao politika ny tafiaka,tsy azo atao fitaovana politika nefa izao valaln dresaka nataon-dry zareo izao v tsy efa tafiditra lalina ao anatin'izany sa iza indray no hifanao rakiafina amin dry zareo eto amin'izany
Izay no tena mahavoa eto amitsika ny voasonia sy avoakan'ny vava hafa , ny tena atao reefa eny antsehatra hafa hany ka tsy mety mhitsy ny firindran'ny fandrosoana eto fa misy sakatsakana lava noho izany rehetra izany !
Dia tsy maintsy ho I Andry TGV v izany no ho eo sa reefa tsy Ravalo fotsiny d tsy "koi" ho an'ny tafika ?
novalian'i ndenn ny 06/08/2009 22:56
2. Mirananirina ( 05/08/2009 08:46)
Lazaina fa tsy manao politika ny tafiaka

resaka fotsiny io fa manao daholo ihany ny akamaroany.Raha tsy manao politika ve ry zareo ho lasa filohampirenena toa an-dry Ratsiraka,lasa minisitra sy mahazo ny poste politika maro isankarazany.
3. xxx ( 05/08/2009 09:27)
RAHA tsy manao politika ve ry zareo ho nisy izao fahafambaraka miafara amin'ny coup d'état izao ,f'iza no nanampy sy nanao ny asa goavana nanongam-pahefana fa tsy ry zareo ,soa fa tsy izy rehetra alou fa reo izay voavidy vola sy tsy tia ny mpiray tanindrazana aminy no nanaiky ,izany no izy refa voavidy vola ,na hamarina an-kady ny firenena aza dia ndao foana ,vola io é,aza tia vola sy mati-bononahitra ihany nefa izao ny malagasy rehetra no efa afa-baraka efa na dia ireo tsy voakarama aza ,ny vahoaka madinika natao fitaovana moa dia tsy lazaina intsony ny fahorianay hianjadiany ny mpanao politika tia vola sy harena eto madagasikara,sady mampalahelo no mahamenatra azo oharina a@tongombakivaky izao madagasikara ,efa izany foana moa no nihainana teto fa ty fanon-ganampanjakana ity no tafahoatra lotra, ny vidéo betsaka no porofo mitahiry ny miaramila manimba ny fefin''ambohitsirohotra ,rahoviana ny mpitondra eto ba ho afaka @fitiavam-bola ??????DIA MBA HANDROSO @RARINY SY NY HITSINY ?ny harem-be hanana nefa mahantra noho ny fitiavan-tseza sy vola hataon'ny mpitondra .
4. naritsimba ( 05/08/2009 10:02)
Rehefa tsy hanao koa ny tafika zahay vonona e, tsy mila olona mpandainga, sy mpangalatra tanin'olona ny aty! tsy mila Ravalomanana(dadarabe osy)!
Tsy moramora akory ny nakan'ny tanindrazan'olona,azonareo anontaniana hoe firy ny fokonolona nogadrainy tany Antsampandrano route Faratsiho, saingy tsy kivy ny olona fa ny nigadra nigadra, ny teo nanohitra hatramin'ny farany.
Lazaivo fa mandainga indray ny tenanay, fa vao tany aho t@ sabotsy 1 aout 2009, ekeko fa misy ny mpanohana an'i ra8 ao @ faritry vakinakaratra saingy raha ny eo Sambaina-Ambohibary-Ambalavao-Antsampandrano dia tsy mila azy, @ izao fotoana lasa misy mpanao dobera sy fromage eo Sambaina-Antsirabe, nefa teo aloha tsy azo natao ny manao izany ary tsy maintsy namidy t@ TIKO ny ronono.
Noho izany tsy ilaina Ra8 mpangalatra tanin'olona.
5. tess ( 05/08/2009 10:11)
nytsiry: marina mitsiny izany....FA ALEOKO RAVALO Mba hitanao hoe misy zavabitany azo jerena :-P
6. hery ( 05/08/2009 10:11)
Ny an'i naritsimba alahelon'ny taniny lasan'i ravalo zao foana :-) Ataovy titre tsara ny tany dia aza manaiky fetsifetsen'iza n'iza na Ravalo na iza amin'ny manaraka e. Maninona ny anay tsy lasany...

Fa ny mahatonga ny miaramila miforitra tahaka an'io dia fantany ny hanjò azy raha miverina eo ny ara-dalàna. Kolonely daholo mantsy ry zalahy ireo ka raha miverina ny hierarchie-n'ny tafika dia ny jeneraly amin'izay no hibaiko ka sady ho very kapoaka ry zalahy no mety higadra mihitsy. Court martiale mihitsy anie no sahaza an'ireny boay kely komandà sy ny sisa manivaiva jeneraly ireny e :-)

Tsy hitako izay atahorana an-dRavalo raha tena mamim-bahoaka marina.
7. nytsiry ( 05/08/2009 10:49)
Forces armées

Contre le retour de Marc Ravalomanana au pouvoir


Les forces armées ont leur mot à dire sur le sommet organisé par le Groupe international de Contact, qui débute ce jour à Maputo. Dans un communiqué remis, hier, à la presse, les forces armées ayant pour devise « ho an'ny tanindrazana » (pour la patrie) tiennent à préciser qu'« elles ne sont pas contre la tenue de cette rencontre si elle vise effectivement à résoudre la crise politique. Toutefois, toute décision n'allant pas dans le sens de l'intérét supérieur de la Nation, mais que les participants seront obligés de signer, ne peut en aucun cas étre acceptée et appliquée à Madagascar. Elles rejettent catégoriquement l'éventualité d'un retour de l'ancien président de la République au pouvoir, parce que cela entraînera inévitablement des graves troubles dans le pays ».
Marge de manÅ“uvre. Par ailleurs, les forces armées souhaitent que « les différentes mouvances puissent disposer d'une assez grande marge de manÅ“uvre pendant les négociations et qu'elles puissent prendre des décisions en toute liberté ». Pour conclure, elles espèrent que la rencontre de Maputo tienne véritablement compte des aspirations populaires. Cette déclaration de la grande muette intervient juste à la veille de la tenue du sommet de Maputo. Un communiqué qui démontre sans embages sa position. Et ce, le jour où les membres des quatre mouvances ont quitté le territoire national pour rallier la capitale mozambicaine.

recueillis par Dominique R.
midi madagasikara
05 aout 2009
8. sapele ( 05/08/2009 11:25)
Samy manana ny tombotsony sy ny fahavoazany ny tsirairay ka samy manana ny tiany koa,fa rah izahay aloha tsy mila an'dra8 itondra intsony e!
9. kidoropamba ( 05/08/2009 11:26)
Rariny ny an'i Miaramila. Olona hitondra mercenaire hamono gasy izany dia tsy mendrika hiverina eo @ fitondrana. Ampiasao ny loha fa tsy io fo tribalista io foana e.

Maninona ny tanin-drahery tsy azon'ny olona hoy izy be zesta ery. Hoy aho hoe: Mivavaha tsara mba tsy ho azon'ny olona foana izy io fa tsy misy ny mahalala ny am-pîtso.

Izay tsy faly mibontsina. Fa izany ny marina.
10. pikatti ( 05/08/2009 11:29)
Inona ary ty menomenona ty!!!
Zao lisany de efa be doika sahady nefa ny oul aza ty mbola hifampiraharaha ,zao anie le mampicoince-nareo e,manao be vava be ,refa hinégocier zany de mila ouvert ny saina sao mitohana eo :}
11. watafon ( 05/08/2009 12:19)
kidoro: ary aiza ary zany mercenaires zany fa mbola mba tsy hitako mitsy an!
naritsimba : f'angaha tsy hoe arodana ndray le HAT e! aiza ihany ary izy zany ranary an !!! hahaha !!!!!
hery: lojika tokoa ny an'ireto miaramila mpitondra amzao satria raha vao miverina ny ara-dalàna na hoe miova ftsn ny fitondrana eo dia voadàka any daholo ry zalahy ireo mantsy, indrindra indrindra moa raha i ra8 no miverina !!!
Amiko aloha dia tsotra dia tsotra ny vahaolana ivoahana ny krizy misy antsika zao e : "retour à l'ordre constitutionnel" d zay ihany! asa na sarotra b no mahazo an'izay na odiana faina mihitsy mou zany e!
12. papala ( 05/08/2009 12:43)
betsaka ny malagasy no tsy mahay an'izany "'ordre constitutionnel"' zany. FA DE ZAO, TSY MILA MIARAMILA INTSONY , TSY MILA FIFIDIANANA, FA IZAY BE SANDRY IHANY NO AOKA HIAKATRA EO @ FITONDRANA...........! :-@ :-@ :-@ :-@ :-@ :-@
13. ari.malala ( 05/08/2009 13:36)
Zà koa vao naika ametraka fanontaniana toa an'i wata hoe aiza le mercenaires?
14. kidoropamba ( 05/08/2009 14:09)
Kay hiandry ny mercenaire hitontona nareo vao hino? Andraso eo i paoply a. Na ra8 aza izao efa niaiky fa tsy te hanao politika intsony satria io politika io no namingana ny hareny rehetra.

Hajanony @ izay ilay nofinofy fa ravalo efa masaka anaty vilany e.

Inona no tianao? Ny fe-ny? ny lohany? Ny helany? ny lela-ny? ny molony? Vita matavy Ra8.

Resaka tribalisma fotsiny hoe no mivohy izany Ra8 izany fa efa tsy misy ninoninona mihitsy. Ra8 tsy te hanao politika intsony. Ampy azy izay fanalambaraka azy izay sy ireny fiainana nataony ireny.

Izay tsy faly mibontsina fa ny ahy dia ny marina ihany no lazaiko.
15. locl ( 05/08/2009 15:20)
Fa mba hatraiza no force tena ananan'ny tafika, vola ihany no herin'ireo fa rehefa tsy misy vola ireo reraka hoazy, ka raha amiko dia tonga ny fotoana tokony hihetsehan'ireo miaramila mpomba ny ara-dalàna ampiany vahoaka fa ho aiza eo ireo e
16. RABROVE ( 05/08/2009 15:26)
Ny hevotro indray dia mino aho fa fitsapana ataon'Atra aminy vahoaka sy ny mpitodra izao ny miaramila akory tsy Atra ka handidy mialoha azy ,ny sitrapony ihany no tsy maintsy tanteraka iza moa no nahafantatra fa ho mora toy ireny no nandehanan-Dra8 ,aza mirehareha fa ny avoaka ny ampintso tsy fantatrareo e! tenin'Atra mazava tsra ao anaty baiboly izany hoe AZA MIREHAREHA NY AMIN'NY AMPITSO IANAREO FA IZAY AVOAKA NY ANIO AZA TSY FANTARAREO hafatra ho anireo extremiste isany izany aza mitompoteny ianareo fa hoe tsy tafa intsony i Ra8 na tsy maintsy i TGV no hitondra eo zaho aza manana eritseritra hafa indray hoe RATSIRAKA no efa experimenté raha politika izany ary mety ho iZAFY no hanova ny toetsaina efa boboka ankehitsiny na tsy fantatra e zay ry akama isany mpanao POLITIKA NEFA MANDETIKA NY FIRENENA SY MANIMBA NY TOETSAINA nareo ve mino fa MANATENA NY FANJAKAN'NY LANITRA IANAREO IREO E ! saino kely izany e!
17. kidoropamba ( 05/08/2009 15:39)
Rariny io lazain'ny miaramila io satria raha tsy izany dia baomba sy baomba no nasesik'ireto GTT ireto. Bandy racista sy fanatikla ange ireto GTT bolitika kely ireto e.

Nanavotra an-dravalomanana io zavatra ataon'ny miaramila io.

Jerevo manandafy mbola milaza azy praiministra kanefa na ny handeha gabone aza mila autorisation. tssssssss!!!!!!! lasa adala daholo hoa ireto GTT ireto.

Aza ataonareo takalonaina Ra8 fa efa nifona t@ Ratsiraka.

Izay tsy faly mahazo mibontsina fa ny ahy dia ny marina ihany lazaiko.
18. harybe ( 05/08/2009 15:55)
ny eto ange dai ny halahelo fa tsy nahazo rariny tamin'ny ravalo no betsaka eh! ry kidorapanda sy ry wiwi sy ny tariny moa dia miteniteny foana lava izao!! i naritsimba moa dia tsy lazaina tsony!!olona efa kaokan'ny taoka izao ka oe "aleo ataony refa tsy hanao ny tafika!" :lol: :lol: :lol:
mba mila asina fifanajana ihany ty resaka politika eto ity fa hitako fa mivôtra any amin'ny tsy izy!mirediredy ny betsaka!miteniteny foana! mandainga!
hita taratra amin'izao ataon'ny sasany eto izao ny fiainana politika eto antoerana!! kilalao sy hanihany sy vazivazy!!eto dia efa ahitana fa tsy handroso ny firenena satir ilay "mentalité" mihintsy no tsy mety!na avy @ legaliste na avy amin'ny tgviste!!
amiko aloha dia mila sivanina ny mpi_forum ato fa betsaka no tsy havotra! mandany page fotsiny!!
19. ni81 ( 05/08/2009 16:02)
amiko aloha dia mila sivanina ny mpi_forum ato fa betsaka no tsy havotra! mandany page fotsiny!!
:-D :-D :-D
20. pink ( 05/08/2009 20:17)
kidoropamba:

Rariny io lazain'ny miaramila io satria raha tsy izany dia baomba sy baomba no nasesik'ireto GTT ireto. Bandy racista sy fanatikla ange ireto GTT bolitika kely ireto e.

Nanavotra an-dravalomanana io zavatra ataon'ny miaramila io.

Jerevo manandafy mbola milaza azy praiministra kanefa na ny handeha gabone aza mila autorisation. tssssssss!!!!!!! lasa adala daholo hoa ireto GTT ireto.

Aza ataonareo takalonaina Ra8 fa efa nifona t@ Ratsiraka.

Izay tsy faly mahazo mibontsina fa ny ahy dia ny marina ihany lazaiko.

sao ianao io no raciste.aza mba complexe. Malagasy mitovy aminao ve hambanana vava basy sy hampitahorona andro aman'alina ...Na hanamboatra resaka aza dia efa sira levona anaty rano ny vita, ka aza manatena ny fo ireo malagasy matahotra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0727