fa taiza ary?

41. bor2lais ( 07/08/2009 12:50)
Voalaza etsy ambony :

"Ao @ facebook misy quiz ... d afaka mamorona quiz perso daholo. Mba namorona aho dia nahita ankizy iray tena nahafantatra be momba ahy. Ny antony ? Satria namako izy ary mpiresaka amiko, hany ka mora ho azy ny namaly ny fanontaniana mikasika ahy rehetra"
---
Izaho koa dia saika hanontany hoe tsy i "coopsal" va re ity miresaka eto ity ?
42. ni81 ( 07/08/2009 12:53)
zà koa saika hiteny an'io! mety hoe: nanova ps fotsiny ihany :roll: :D
43. rzakarivola ( 07/08/2009 13:38)
rakapy:

Nareo koa toa zatra mi- dramatiser zavatra, tsy resaka lokon'ny salakan'i jesosy no ilana valiny fa ny fotoana fahatanorany.Izay taona maromaro fa tsy hoe 1 taona akory Ka asa na zava-dehibe izany na tsia???

==> Ka raha tadiavinao fatratra ilay fahatanoran'i Jesosy, nahoana no lazainao mi-dramatiser zavatra izay mitady ny lokon'ny salakany ? Nefa ianao raha manontany izay anao tsy mi-dramatiser ?

rakapy:

Raha toa ka tsy misy ilana ny ahafantarana izany dia mety tsy misy ilana ny fahafanatarana ny tantarany manotolo koa angamba???

==> Ndeha atao hoe ilaina ho fantatra izany. Sao dia mba ho fantatrao ihany izany raha toa ianao ka manaiky hihaino izay asaiNy fantarinao aloha ? Ianao ve no mahafantatra izay ilana ho fantatrao momba ny mpanjakan'ny mpanjaka sa Izy no mahalala ny momba anao rehetra, ka mampahafantatra anao izay tokony ho fantatrao ? Tsy ianao no nifidy Azy ho Mpanjaka, fa Izy no efa Mpanjaka. Ny safidy mipetraka aminao dia ny hoe "hanaiky hanjakàny ve ianao sa tsia"? Na hanaiky ianao na tsia, Mpanjaka izy.
44. rzakarivola ( 07/08/2009 13:43)
rakapy:

Ie mpanjakany mpanjaka Izy e

Sao dia fampiesonana daholo aza ny tantarany iray manotolo kle???Aza hitako ^^ ^^ ^^

===> Raha fampiesonana daholo ny tantarany iray manontolo, vao maika fifaliana ho anao ny hahita an zany. Fa raha tsy fampiesonana ny tantarany iray manontolo ambaran'ny Baiboly fa marina, izay ho anao no tena "aza hitako". Ho menatra mafy ianao satria kay Izy efa niresaka taminao fa tsy noraharahianao, naniraka olona izy hanambara aminao fa tsy nivakianao loha, naniraka vavolombelona izy fa ianao tsy nety nandray.
Nisy fanonganam-panjakana sy grevy foana teto. Izay teo @ fitondrana dia tsy nanaiky ho resy aloha, ary tahaka izany ireo mpanohana azy. Rehefa nandray ny fanjakàna kosa izay naharesy, inona no nahazo ireo fahavalony tsy nanaiky hanjakàny?

Ianao mbola misalasala hoe "sao d mba fampiesonana ny ambaran'ny Baiboly momba an'i Jesosy", izaho koa taloha tahaka izany. Ankehitriny aho mahazo antoka fa marina izany, ary ny antoka ho ahy dia Izy miresaka amiko. Ary izany no itenenako amino tsy am-pisalasalana fa miresaka amin'ny olon-drehetra Izy, miresaka aminao Izy ary "mitsangana eo am-baravaran'ny fonao mandondona".
45. rzakarivola ( 07/08/2009 13:45)
artefy:

ny fanontaniana tokony hapetrak'i rakapy voalohany angamba dia hoe nahoana no ireo boky 73 ireo ihany (ho an'ny baiboly katolika raha 66 angamba ny an'ny protestanta) no narafitra ho baiboly, dia maninona no ireo boky 4 ireo monja no ao amin'ny evanjely? satria mino aho fa nisy mpanoratra evanjely nitantara ny fahatanoran'i jesoa tokoa tany fa tsy narafitra ao anaty baiboly satria tsy nankatoavin'ny konsily vatikana (angamba) ilay izy...

tsy aleon'i rakapy manantona mivantana an'i benoit mihitsy... :lol:

==> I Benoit mbola olombelona, ary tsy niaina t@ andron'i Jesoa sy ny tany aloha na t@ andron'ny apostoly. I Jesoa mihitsy no mila atonina raha te hahafantatra ny tantaraNy sy hahafantatra Azy manontolo.
46. rzakarivola ( 07/08/2009 13:52)
rakapy:

Mety ho io marina izany no fanotaniana tokony napetrako? Ka ra io ary ny fanotaniana dia inona ny antony tsy napidirana azy tao anaty baiboly?

==> Misy ihany ny fanazavana omen'ny teolojiana hoe maninona no ireo no natao anaty baiboly. Fantatro kosa, fa na sain'olombelona aza no nanambatra ny Baiboly, i Jesoa dia tsy iza fa YAHVEH Mpamonjy, koa Andriamanitra afaka nanakana mba tsy ho tanteraka izany fisainan'olombelona izany, fa matoa tsy nosakanaNy izany, dia efa nankasitrahaNy.

tsy aleon'i rakapy manantona mivantana an'i benoit mihitsy...

:-D :-D :-D Ka i lery tsy mety mamaly telephone ko :-D :-D :-D
[/quote]
==> Ie, marina izany. I Jesoa kosa azo atonina @ fotoana rehetra, sady efa nilaza Izy fa "Izay rehetra manatona ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy"
47. rzakarivola ( 07/08/2009 14:12)
ravonjison:

Tiako ho marihina eto fa tsy mitombina ilay hoe: virjiny i Maria nefa niteraka . Niaraka t@ bandy izy ary izay no nahabevohoka azy.

==> Miombon-kevitra amin'ireo documents ianao izany. Izay zavatra tsy hain'ny olona ka tsy hitany dia lazainy fa tsy mitombina, izay hitany kosa dia ezahiny itadiavana fanazavana. Tsy mahagaga raha ny olona tsy mino ny fisian' Andriamanitra na ny maha Mpamorona Azy ny hanizingizina fa tsy hain' Andriamanitra ny mahatonga ny virjiny hiteraka. Ny olombelona aza anefa ankehitriny mahay an'izany, koa Andriamanitra ve no tsy hahay ?

ravonjison:

Ny kristianina indray dia manazava izany zavatra izany araka ny finoany.

==> Marina izany, fa na ny tsy mpino kristiana koa aza manazava araka ny finoany (na ny tsi-finoany). Misy ny finoana marina ary misy ny finoana mampisalasala, misy ny finoana tsy marina mihitsy. Fahiny aho nisalasala, fa rehefa izaho no nandre an'i Jesosy namaly ny fanontaniako dia nino amin'izay aho fa marina ny ambaran'ny Baiboly rehetra momba Azy. Ary tsy noho ny nandrenesako ihany, fa noho ny niainako sy iarahako miaina amiNy isanandro.
48. rzakarivola ( 07/08/2009 14:37)
ravonjison:

Azo lazaina izany fa olombelona 100% izy.

==> Marina ity teninao ity, ny Baiboly dia manambara fa olombelona 100% Izy, kanefa tsy nanota. Satria Izy no Andriamanitra. Izy no tenin' Andriamanitra, ka tsy afaka hanohitra ny tenaNy.

ravonjison:

Araka ny fehin' ilay documents, dia nilaza ny heviny daholo ireo mpikaroka, ary mazava hoazy fa ireo kristianina dia nilaza fa zanak' A/tra lasa nofo izy. Ilay journaliste iray izay kosa nilaza fa : olona tsotra izy, teraka , niaina dia maty toy ny rehetra.

==> Ireo mpianatra koa talohan'ny nahitaNy an'i Jesosy velona (nitsangana t@ maty) dia nihevitra fa olombelona ihany izy ary maty. Izaho koa nisalasala, fa rehefa nandre ny feoNy aho dia tsy misalasala fa milaza fa velona Izy. Ary velona miteny amin'ny olombelona rehetra.

ravonjison:

Izy Jesosy koa mety mba nanontany teny hoe , fa naninona ary iry no nanana fiainana sarotra sy ratsy fiafara ( voahombo)?

==> Andriamanitra tsy inoako hanontany tena ny amin'izay ataony, raha misy mahafantatra izay ataoNy dia Andriamanitra irery. Ny olona no manontany tena hoe "nahoana Izy no nanana fiainana sarotra ary ratsy fiafara?". Izao no valiny: Naseho tamin'ny nofoNy ny zavatra hiainan'izay mpanota tsy voavela heloka rehetra ao @ tontolon'ny fanahy (any an-danitra) sy ny hiafaraNy
49. rzakarivola ( 07/08/2009 15:28)
soanja:

Raha ny boky isan-karazany voasoratra avy amin\'ny firenena hafa sy kolontsaina hafa dia nitantara tokoa ny fandalovan\'i Jesoa nivahiny ireo toerana ireo talohan\'ny nanaovana batemy azy tao amin\'ny reniranon\'i Joridany.
... Nepal sy Tibet ... Amerika

==> Indray mandeha nisy vehivavy Kananita nitaraina tamin\'i Jesoa mba hositraniny ny zanany, dia izao no navalin\'i Jesoa \"tsy nirahina afa-tsy ho amin\'ny ondry very @ Israely aho\". Mpandainga i Jesoa raha toa ka nandeha nanao mission tany @ toeran-kafa kanefa izany no teniNy. Ary i Jesoa nilaza fa ny devoly dia mpandainga sady rain\'ny lainga. Koa raha marina io teninao io dia i Jesoa no devoly. I Jesoa Marina, Izy no Fahamarinana ary tsy handainga Izy na oviana na oviana.
Voalaza ao @ [Matio 13:54-56] fa tany Nazareta i Jesoa no zaza mandra-pahalehibeNy.

soanja:

I Maria Madelenina koa dia nanoratra betsaka momba azy sy Jesoa ary ny fahendrena sy fahamasinana eo amin\'i Jesoa. Nisy fitiavana niroborobo tokoa teo anivon\'Izy roa ka nahatonga ny apostoly hafa saropiaro aza.

==> Gnostisma ngamba ity resakao ity. Jesoa no Zanakondry, ary ny Fiangonana (dia ny fitambaran\'ireo mpino Azy) no fofombadin\'ny Zanakondry.
Jesoa efa nahafantatra tsara ny fotoana hahafatesaNy araka ny sitrapon\' Andriamanitra (nisy fotoana Izy saika hovonoin\'ny olona fa niafina foana, fa rehefa tonga ny ora dia tsy namaly mihitsy Izy fa nanaiky, nentina toy ny ondry hovonoina), ka raha ilay tena fitiavaNy sy fahendreNy dia tsy ho namela olombelona ho tia Azy ara-nofo Izy. I Petera no nisaina ara-nofo ny fitiavana, ka nahitsiNy hoe : \"raha tia ahy mihoatra noho ireo hafa ianao, fahano ary ny ondriko\". NolazaiNy foana koa fa \"Izay tia ahy dia hitandrina ny didiko\". NolazaiNy ny tena atao hoe fitiavana Azy.

soanja:

Ny zava-dehibe anefa dia tsy ny tantara fa ny finoana azy hoe Masina ve Izy ary Andriamanitra ve Izy. Mahatsapa Azy ve ianao ao aminao?
Raha ireo roa ireo dia tsy isalasalako izany.

==> Raha tsy misalasala ianao dia izay izany no izy.
Tsy misalasala aho milaza fa be dia be ny mifanohitra amin\'ny tenin\'i Jesoa KRISTY. KRISTY ilay Tenin\' Andriamanitra tonga nofo, niverina any @ RaiNy rehefa nahavita izay nanirahana Azy tety.
50. rzakarivola ( 07/08/2009 15:29)
rakapy:

Ilay tanatara hoe tany @ faritry Nepal sy Tibet iny no nandehanan'i jesosy t@ fahatanorany no efa henoko fa ilay Amerika aloha dia tsy mbola henoko e!.
Raha atao hoe Marina ary fa tany @ faritry Nepal sy Tibet iny izy no naka fahendrena sy fahaizana t@ fahatanorany. Inona ary no antony anafenana izany sy tsy ilazana izany ao @ baiboly?
Mbola amafisiko ihany ilay filazana fa hoe "mpanjakan'ny mpanjaka" hono izy fa tsy hoe pasitera na mpanjaka tsotra ka hoe tsy voasoratra na tsy nisy nahafantatra ny tantarany sasany.

==> Tsy hitako izay antony ilazàna zavatra tsy marina ao @ Baiboly. Ny Baiboly manambara ny fahamarinana. Jesoa Kristy no Fahamarinana
51. ravonjison ( 07/08/2009 16:09)
rzakarivola:

ravonjison:

Tiako ho marihina eto fa tsy mitombina ilay hoe: virjiny i Maria nefa niteraka . Niaraka t@ bandy izy ary izay no nahabevohoka azy.

==> Miombon-kevitra amin'ireo documents ianao izany. Izay zavatra tsy hain'ny olona ka tsy hitany dia lazainy fa tsy mitombina, izay hitany kosa dia ezahiny itadiavana fanazavana. Tsy mahagaga raha ny olona tsy mino ny fisian' Andriamanitra na ny maha Mpamorona Azy ny hanizingizina fa tsy hain' Andriamanitra ny mahatonga ny virjiny hiteraka. Ny olombelona aza anefa ankehitriny mahay an'izany, koa Andriamanitra ve no tsy hahay ?

ravonjison:

Ny kristianina indray dia manazava izany zavatra izany araka ny finoany.

==> Marina izany, fa na ny tsy mpino kristiana koa aza manazava araka ny finoany (na ny tsi-finoany). Misy ny finoana marina ary misy ny finoana mampisalasala, misy ny finoana tsy marina mihitsy. Fahiny aho nisalasala, fa rehefa izaho no nandre an'i Jesosy namaly ny fanontaniako dia nino amin'izay aho fa marina ny ambaran'ny Baiboly rehetra momba Azy. Ary tsy noho ny nandrenesako ihany, fa noho ny niainako sy iarahako miaina amiNy isanandro.



Hono oa ry RZAKARIVOLA, misy zavatra roa nolazaiko ireo ka nasianao ady hevitra, hiady hevitra mikasika anio izany isika an ?
52. rzakarivola ( 10/08/2009 06:38)
ravonjison:

Hono oa ry RZAKARIVOLA, misy zavatra roa nolazaiko ireo ka nasianao ady hevitra, hiady hevitra mikasika anio izany isika an ?

==> Raha i Jesoa KRISTY koa no mampiteny ahy ka miteny amin'ny alalako dia tsy hisy hampihemotra ahy.
53. ravonjison ( 10/08/2009 14:37)
rzakarivola:

ravonjison:

Hono oa ry RZAKARIVOLA, misy zavatra roa nolazaiko ireo ka nasianao ady hevitra, hiady hevitra mikasika anio izany isika an ?

==> Raha i Jesoa KRISTY koa no mampiteny ahy ka miteny amin\'ny alalako dia tsy hisy hampihemotra ahy.




Betsaka moa ny zavatra voalazako ka nasianao ady hevitra , fa itý iray itý ihany no raisiko, fa raha tsy izany betsaka loatra ka tsy ho vitantsika eto.

Voalazako : Tsy virjiny izany Maria, fa nisy bandy nahabevohoka azy \"
Io hevitra io no tohanako hatrany.

Ny nahatonga ny hoe Maria virjiny dia fahadisoana t@ fandikan-teny tany taloha tany. Ary io fandikanteny diso io no notohizan\' ny kristianina hatramin\' izao.
Nisy tokoa ny fikarohana mikasika izany satria mahavelom-panontaniana ihany izany hoe virjiny nefa niteraka.
Ka araka ny efa voalazako etsy ambony, tovovavy i Maria ary bevohoka, izany hoe mba nanao revirevy toy ny vehivavy rehetra izy. Enatra sy olana tokoa eo @ fiarahamonina anefa izany, noho izany nitady hevitra ny Ray amn-dReniny mba tsy ahairery azy. Ny vahaolana dia hitadiavana vady izy.
Voalaza ao koa fa fianakaviana tsy dia nanana loatra ry zareo. I josefa izay lehilahy efa matotra sy manana situation stable no hitan\' ny Ray amn-dReniny fa vahaolana.
Noho izany nasain\' izy ireo nanambady an\'i Josefa izy ary koa niala t@ tanana nisy azy ireo izy ( nifindra niaraka t@ Josefa) noho ny tondromolotry ny olona.
Izay no fantatra hatr@ izao.
Zavatra roa no azo fintinina avy @ io
1- tsy virjiny i Maria rehefa nanambady an\' i Josefa.
2- ny fomba fieritreritsika an\' i Maria ho vehivavy maontina, madio, mendrika sns... dia tsy mifanaraka mihitsy @ zavamisy. Toy ny zazavavy rehetra ihany izy: nanao sipa, nirevirevy, nifampikasokasoka t@ ny lehilahy.
54. soanja ( 10/08/2009 23:29)
rzakarivola:

[quote=soanja]
izao no navalin\'i Jesoa \"tsy nirahina afa-tsy ho amin\'ny ondry very @ Israely aho\".


Ka raha izay zany no izy dia nahoana ianao izay tsy zanak'Israely no mifikitra mivavaka sy manompo ity Andriamanitra/ olona iray tsy nirahana afa tsy ny ondry very @Israely?

Arabakiteny ve no andraisanao io teny io?


55. ruthh ( 12/11/2012 05:01)
ooouhhh.... resaka be manadala
ny antony tsy naoratana anle boky 7 ao am baiboly protestant ne tsotra be e.
ao am reo boky reo ra mamaky nareo d misy mvavaka @ anjely ao.
nefa ny baiboly milaza mazava fa ny anjely dia fanahy natao hanompo antsika
zany hoe nasiana hierrarchie otrzao le iz
Andriamanitra
Isika
Anjely
ary Satana no farany

iverenako ndrai le hoe maria
iny ndray efa voamarina fa tsy nisy chrmsm lahy tao aminy
afaka manao recherch nareo d vakio ao
Ron WYATT no nahita tany ho any am 1999 tany. ny fiaran'ny fanekena no natombony notediaviana,
d rany no niafarany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3655