fa taiza ary?
21. rakapy
(
03/08/2009 17:38)
Ie mpanjakany mpanjaka Izy e
Nefa mampalahelo fa banga tantara na koa nafenina ny tantarany sasany.
Sao dia fampiesonana daholo aza ny tantarany iray manotolo kle???Aza hitako ^^ ^^ ^^
22. artefy
(
05/08/2009 09:28)
ny fanontaniana tokony hapetrak'i rakapy voalohany angamba dia hoe nahoana no ireo boky 73 ireo ihany (ho an'ny baiboly katolika raha 66 angamba ny an'ny protestanta) no narafitra ho baiboly, dia maninona no ireo boky 4 ireo monja no ao amin'ny evanjely? satria mino aho fa nisy mpanoratra evanjely nitantara ny fahatanoran'i jesoa tokoa tany fa tsy narafitra ao anaty baiboly satria tsy nankatoavin'ny konsily vatikana (angamba) ilay izy...
tsy aleon'i rakapy manantona mivantana an'i benoit mihitsy... :lol:
tsy aleon'i rakapy manantona mivantana an'i benoit mihitsy... :lol:
23. rakapy
(
05/08/2009 10:39)
Hoy Aritefy
Mety ho io marina izany no fanotaniana tokony napetrako? Ka ra io ary ny fanotaniana dia inona ny antony tsy napidirana azy tao anaty baiboly?
:-D :-D :-D Ka i lery tsy mety mamaly telephone ko :-D :-D :-D
ny fanontaniana tokony hapetrak'i rakapy voalohany angamba dia hoe nahoana no ireo boky 73 ireo ihany (ho an'ny baiboly katolika raha 66 angamba ny an'ny protestanta) no narafitra ho baiboly, dia maninona no ireo boky 4 ireo monja no ao amin'ny evanjely? satria mino aho fa nisy mpanoratra evanjely nitantara ny fahatanoran'i jesoa tokoa tany fa tsy narafitra ao anaty baiboly satria tsy nankatoavin'ny konsily vatikana (angamba) ilay izy..
Mety ho io marina izany no fanotaniana tokony napetrako? Ka ra io ary ny fanotaniana dia inona ny antony tsy napidirana azy tao anaty baiboly?
tsy aleon'i rakapy manantona mivantana an'i benoit mihitsy...
:-D :-D :-D Ka i lery tsy mety mamaly telephone ko :-D :-D :-D
24. bor2lais
(
05/08/2009 12:32)
Voalaza etsy ambony :
"tsy aleon'i rakapy manantona mivantana an'i benoit mihitsy... "
Dia hoy rakapy :
"Ka i lery tsy mety mamaly telephone ko"
---> Ka gravy kosa ange izany tadiavinareo atao izany e ! Tadiavinareo ahantona izy ka aiza izy no hamaly anareo ! :lol:
Miala tsiny @ izay mety ho tohina an !
25. ravonjison
(
05/08/2009 13:50)
rakapy:
Io manko ilay lazaiko hoe miala pas na odina tsy hita ilay tantara na afenina.
Raha voalaza fa \"mpajakan\'ny mpanjaka\" izy dia tokony ho voarakitra ara-tantara ny fiainany de A a Z e! Tsy tokony hiisy olana ny fahafantarana ny fotoana nialany sakana sns...
Izy raha teo tsy tonga tsy nampoizina fa voalaza fa efa ela ireo mpaminany no nilaza ny fiaviany ka tokony maro no efa niomana ny handrakitra izany ara-tanatara.
Jereo izao ny tantaran\'ireo Pharaons, na dia tsy \"mpanjakan\'ny mpanjaka\" aza izy ireo dia voasoratra ny ankamaroany nefa dia maro tamin\'izy ireo no teraka sy niaina talohan\'i jesosy.
Asa aloha fa amiko dia misy banga na nanesorana ilay tantaran\'i jesosy.Ny antony ? tsy fantatro.
Araka ny hevitrao hotako t@ dinika sasany, tsy haiko na hahafaly anao na tsia ny hevitra ho lazaiko eto.
Araka ilay documents hitako izay, mitondra ny lohateny hoe \" Ny fiainan\' i Jesosy \" , dia izao no mba azoko lazaina :
-araka ireo theologiens sy journalistes nanao fikarohana mikasika izany dia mahagaga tokoa fa tsy dia misy fantatra betsaka mikasika ny fahatanoran\' i Jesosy ( hatra@ izy noentina nitsoaka tany Egypte ka hat@ izy nanomboka nitoriteny sy nanao fahagagana). Ireo boky betsaka narafitra ho baiboly dia tsy misy milaza izany loatra, ireo mantsy nosoratana 50-90 taona taorinan\' ny nahafatesany ( ny filazantsara vaovao ) , mba hampiroborobo ny fivavahana kristianina. Ka izay mikasika ny fahatanorany dia tsy fantatra satria tany Egypte izy, ka tany tsy dia nisy nahalala azy loatra, niafina aza no nataony.
- ny mba fantatra fa tena marina dia izao: tsy dia tian\' ireo rahalahiny izy, satria \" enfant batard \", zaza tsy misy ray ( nanana rahalahy sy anabavy izy).
I Marie mantsy bevohoka, tsy fantatra ilay bandy nahabevohoka azy ( fantatra fa bevohokana bandy izy) ,satria toa hoe tsy nety nilaza ilay sipany i Maria.. I Josefa indray dia efa nanana zaza t@ vady teo aloha, izy no tapakevitra fa hampakatra an\' i Marie izay efa bevohoka, noho izany noentiny tany @ toerana hafa i Marie, mba tsy ho voatondron\'olona molotra.
Rehefa nitombo ireo ankizy ireo dia miara-milalao, fa hita kosa fa tsy dia faly aminy loatra ireo rahalahy zokiny. Satria i Maria renikely, i Jesosy tsy manana ray, somary nahilikilik\' ireo leiry. Tsy dia nilamina loatra izany ny fiainany.
Tiako ho marihina eto fa tsy mitombina ilay hoe: virjiny i Maria nefa niteraka . Niaraka t@ bandy izy ary izay no nahabevohoka azy.
Ny kristianina indray dia manazava izany zavatra izany araka ny finoany.
26. rakapy
(
05/08/2009 14:05)
Raha ity tantara voalazanao ity izany no dinihina dia nohon'ny tsy filazan'i Maria ilay nahabevohoka azy izany no namoronana fa hoe nitoe-jaza t@ A/tra izy? Ary nahoana ary no tsy mba voalaza ao @ baiboly ireo rahalahiny sy anabaviny ireo?
Dia raha hoe bandy no nahabevohoka azy dia olombelona 100% izany izy?
Dia raha hoe bandy no nahabevohoka azy dia olombelona 100% izany izy?
27. ravonjison
(
05/08/2009 15:20)

Ireo rahalahiny sy anabaviny ireo dia voalaza tokoa ao@ baiboly. Raha io tokoa no jerena dia hita fa ny kristianina tokoa no manome fanazavana fa nitoe-jaza t@ A/.tra izy.
Azo lazaina izany fa olombelona 100% izy.
Araka ny fehin' ilay documents, dia nilaza ny heviny daholo ireo mpikaroka, ary mazava hoazy fa ireo kristianina dia nilaza fa zanak' A/tra lasa nofo izy. Ilay journaliste iray izay kosa nilaza fa : olona tsotra izy, teraka , niaina dia maty toy ny rehetra. Izy Jesosy koa mety mba nanontany teny hoe , fa naninona ary iry no nanana fiainana sarotra sy ratsy fiafara ( voahombo)?
28. ni81
(
05/08/2009 15:49)
Izy Jesosy koa mety mba nanontany teny hoe , fa naninona ary iry no nanana fiainana sarotra sy ratsy fiafara ( voahombo)?fa avy eo izy nitsangana ary niakatra ho any an-danitra rehefa afaka kelikelin'iny!
29. soanja
(
05/08/2009 22:42)
sitlo:
Fa taiza marina ary i Jesosy tamin'ny fahatanorany? Teo amin'ilay mampipatrapatra ny hormone sy ny afom-pitiavana iny.
Tsara petraka ny fanontaniana.
Raha ny boky isan-karazany voasoratra avy amin'ny firenena hafa sy kolontsaina hafa dia nitantara tokoa ny fandalovan'i Jesoa nivahiny ireo toerana ireo talohan'ny nanaovana batemy azy tao amin'ny reniranon'i Joridany.
Isan'ny toerana notsidihina sady nahazoan'ny fomba fisainana vaovao momban'ny tontolo iainany sy ny finoany dia ny faritr'i Nepal sy Tibet iny. Isany toerana nandalovany koa i Amerika satria hita soritra tamin'ny tantara rakitra ny momban'i Indianina teto Amerika ny fahendrena nentiny sy ny momba azy. Tamin'izay fotoana izay anefa dia tsy nisy niantso azy ho Jesoa, "Ilay lehilahy fotsy manampahendrena" fa ny soratra no nilaza fa i Jesoa io voaresaka io araka ny fandihin'ny mpandalina ny finoana isan-karazany.
Ny Apostoly Tomasy koa dia isan'ny nanoratra be dia be ny tantaran'i Jesoa hatramin'ny fahakeliny amin'ny antsipirihany tokoa. Nahavariana ny olona niara niaina tamin'ilay zaza nitombo ny fahagagana nataony sy ny zavatra isan-karazany mitranga raha voakasika Izy. Ny reniny tamin'izany dia efa nahalala fa hafa noho ny hafa ity zaza iray ity saingy niezaka nanafina izany tamin'ny manodidina.
I Maria Madelenina koa dia nanoratra betsaka momba azy sy Jesoa ary ny fahendrena sy fahamasinana eo amin'i Jesoa. Nisy fitiavana niroborobo tokoa teo anivon'Izy roa ka nahatonga ny apostoly hafa saropiaro aza. Isany nahatonga ny fanaratsiana ity vehivavy mpianatr'i Jeso ity zany toerana manokana nomen'i Jesoa an'i Maria Madelenina izany nony maty Jeso satria fanjakan'i lahy no nisy tamin'izany. I Petera no isan'ny nifandona matetika tamin'ity ramatoa ity noho izany.
Raha fintiniko dia nitety faritany maro i Jesoa nilaza momba ny Rainy sy ny Fanjakany. Betsaka anefa no tsy nampidirina sy nariana momba izany tantara izany satria tsy mifanaraka amin'ny zavatra tiany ampitaina tamin'izany andro izany.
Ny zava-dehibe anefa dia tsy ny tantara fa ny finoana azy hoe Masina ve Izy ary Andriamanitra ve Izy. Mahatsapa Azy ve ianao ao aminao?
Raha ireo roa ireo dia tsy isalasalako izany. Mazotoa mikaroka lalandava ny tantara sy ny momba anao.
30. ravonjison
(
06/08/2009 06:38)
soanja:

Mahaliana dia mahaliana ireo voalazanao ry Soanja.
31. rakapy
(
06/08/2009 07:28)
Ilay tanatara hoe tany @ faritry Nepal sy Tibet iny no nandehanan'i jesosy t@ fahatanorany no efa henoko fa ilay Amerika aloha dia tsy mbola henoko e!.
Raha atao hoe Marina ary fa tany @ faritry Nepal sy Tibet iny izy no naka fahendrena sy fahaizana t@ fahatanorany. Inona ary no antony anafenana izany sy tsy ilazana izany ao @ baiboly?
Mbola amafisiko ihany ilay filazana fa hoe "mpanjakan'ny mpanjaka" hono izy fa tsy hoe pasitera na mpanjaka tsotra ka hoe tsy voasoratra na tsy nisy nahafantatra ny tantarany sasany.

32. soanja
(
06/08/2009 18:48)

Ny hoe marina ny fanadihadihana na tsia dia tsy misy afaka mitono tena fatratra isika satria zavanitranga efa lasa ilay izy ary ny fikarohana tsy mijanona fa mbola mitohy. Noho izany dia azo lazaina fa nisy nanoratra ireo.
Ny baiboly TV dia boky maromaro nosoratan'ny mpianatr'i Jeso sasany fa tsy ny rehetra akory, satria araka ny voalaza dia nofidian'olombelona izay boky tiany ho isan'ny ao anaty baiboly. Samy nanoratra momba an'i Jeso avokoa anefa ireo izay nifandray taminy avy ka hatramin'i Barabasy, ilay lehilahy novotsorana tamin'ny toeran'i Jeso.
Io baiboly io dia tena politika ranoray ny fomba nandraisana azy tamin'izany ary i Paoly no tena nanana ny fahefana goavana nampanjaka ny heviny tao. Raha mandinika ianareo dia i Piera izay natao hoe lohany tamin'ny apostoly tsy dia hita izay nosoratany fa ny momba azy no voalaza tao kosa.
Ny hevitra natosak'i Jeso kosa tamin'ny diany nihaona tamin'iro olon-kendry sy Masina tany Tibet sy Nepal dia misandrahaka tokoa ao anaty baiboly avy amin'ny tenin'i Jesoa avy amin'ny soratry ny mpanoratra isan-karazany tao. Afaka omeko ny andininy rehefa malalaka aho. Fa isan'ny nanova tokoa ny fijerin'i Jesoa ny vehivavy ny fivahiniany tany Tibet. Nony niverina izy dia nomeny lanja ny vehivavy ary niady mafy ho an'ireo ny tenany. Izay tsy dia kolontsaina jiosy loatra mantsy izany.
Izay indray ary aloha fa dia misaotra nanaraka indray. Namaste daholo.
Rakapy> Rehefa malalaka aho dia omeko anao ny fandihadihana ny nandalovan'i Jesoa teto Amerika araka ny lovantsofina izay voasoratra.
33. rzakarivola
(
07/08/2009 11:22)
sitlo:
Fa taiza marina ary i Jesosy tamin'ny fahatanorany? Teo amin'ilay mampipatrapatra ny hormone sy ny afom-pitiavana iny.
==> Tao anatin'ny fahatanoran'i Jesoa (33 ans et 1/2) no nasehon' Andriamanitra ilay "afom-pitiavana tsy matin'ny ony maro" t@ nahafatesan'i Jesoa teo ambony hazo fijaliana. Nanomboka teo @ lohasahan'i Getsemane, niafara tany @ilay havoana Golgota.
Ilay hormone terme tsy voasoratra ao dia tsy haiko ny heviny ... nefa lasa saina aho eto hoe sao dia izany hormone izany no nahatonga ny hoe "ary ny dinitra teny aminy dia nipatrapatrka toy ny rà" ?
Ie, nijery teto aho dia nahita fa izay tokoa izany no izy. Fa miampy koa hoe, ilay rà nitete taminy hanadiovana ny fahotana rehetra, izany no tena fitiavana.
34. rzakarivola
(
07/08/2009 11:35)
rakapy:
Fanotaniana tsara ary matetika dia odian'ireo xana tsy valiana izy ity.
==> Inty misy kristiana iray fara faharatsiny tsy nody fanina. Nefa koa, azonao anontaniana mihitsy anie i KRISTY e! Ho hitanao raha velona tokoa Izy amin'izay na tsia. Teniny ny hoe "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana", ary tanterahiNy ny teniNy fa tsy mba miteniteny foana Izy.
rakapy:
Nefa rehefa mba te hafantatra ny fahotanoran 'i jesosy ny olona dia vitsy dia vitsy no mba volaza momba izany.
Nahoana angaha no misy banga be ao baiboly momba an'io nefa dia voalaza fa izy hono ilay mpanjakan'ny mpanjaka???
==> Rehefa misy milatsaka ho fidiana filoham-pirenena na toy izany, tsy dia ary ilaina avokoa ny antsipirihin'ny tantaran'ilay mpilatsaka, fa ngamba ny tena ilain'ny olona dia ny hahafantarany hoe "capable" ve io olona io hitondra ny firenena. Koa raha hisafidy handray (hino) ny Mpanjakan'ny mpanjaka, ny zavatra tokana ilaina fantatra angamba dia izay hahafahana milaza hoe "capable" ny ho mpanjakan'ny Mpanjaka ve io sa tsia.
Izao no nosoratan'i Jaona "Raha ny zavatra nataon'i Jesosy rehetra no soratana boky, na izao tontolo izao aza tsy ho omby, fa nosoratana izao mba hinoanareo"
Raha misy olona iray mieazaka manadihady mba hamoahana ny an-tsipirihim-piainan'ny candidat iray dia azo inoana fa fahavalon'ilay candidat io izany.
Hatramin'ny nahatongavaNy nofo aman-drà no efa maro ireo namela-pandrika Azy saingy tsy nisy nahita tsiny na dia iray akory aza taminy. Izaho koa isan'izay mpanome tsiny Azy taloha, fa ankehitriny aho mino fa misy Izy, marina ny ambaran'ny Baiboly momba Azy.
35. rzakarivola
(
07/08/2009 11:54)
rakapy:
Io manko ilay lazaiko hoe miala pas na odina tsy hita ilay tantara na afenina.
Raha voalaza fa "mpajakan'ny mpanjaka" izy dia tokony ho voarakitra ara-tantara ny fiainany de A a Z e! ...
==> raha ny tantarany de A à Z no tadiavinao dia ho lany ny andronao. Na izany na tsy izany aza, izy nilaza hoe "izaho no A sy Z" (alfa sy omega).
rakapy:
Tsy tokony hiisy olana ny fahafantarana ny fotoana nialany sakana sns...
==> Toa hoe roa ambiny folo taona izy no nentina voalohany tany @ Tempolin'i Jerosalema, ary rehefa vita ny fankalazana tany d tsy niara-nody t@ ray aman-dreniNy fa nilaozaNy nitoetra niaraka t@ Mpahay Lalàna tao an-tempoly. Rehefa tonga ndray ny reniNy d ouz izy hoe "tsy fantatrareo va fa tsy maintsy mitoetra ato an-tranon'ny Raiko aho".
Tsy maintsy firy taona ny oul no miala sakana ? Moa ve mitovy daholo ny zvt ataon'ny ankizy miala sakana ? Sa mety ny sasany lasa voredretra, ny sasany lasa kizitina, ny sasany lasa fermé b, ny sasany lasa saron-kenatra ?
rakapy:
Izy raha teo tsy tonga tsy nampoizina fa voalaza fa efa ela ireo mpaminany no nilaza ny fiaviany ka tokony maro no efa niomana ny handrakitra izany ara-tanatara.
==> Efa voarakitra talohan'ny nahatongavaNy ny tantaraNy fa natao message codé. Ankehitriny, efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka ambara mazava izy fa tsy codé intsony.
rakapy:
Jereo izao ny tantaran'ireo Pharaons, na dia tsy "mpanjakan'ny mpanjaka" aza izy ireo dia voasoratra ny ankamaroany nefa dia maro tamin'izy ireo no teraka sy niaina talohan'i jesosy.
==> Mino ve ianao fa marina ireny tantara voasoratra ireny fa tsy mba olona te halaza no namorona an'ireny?
rakapy:
Asa aloha fa amiko dia misy banga na nanesorana ilay tantaran'i jesosy.Ny antony ? tsy fantatro.
==> [Jaona 21:25]
Jesosy manana valiny amin'izay fanontanianao rehetra fa anontanio Izy. Nefa mitsarà marina fa aza misisika amin'izay efa diso tahaka an'ireo fariseo sy herodiana
36. rzakarivola
(
07/08/2009 12:25)
ikaretsaka:
Ka ny an'ny olona letsy eo @ le part mahaliana azy ihany no soratany an... raha sipa sao no nanoratra an'io de mety nisy hoe hermes ny ranomanitr'i madelenina le nararany t@ tongotr'i jesoa
==> Tsy nisy sipa ny nanoratra ireo evanjely 4, kanefa dia voalaza tsara ao ny fitoerana sy ny akora nanaovana ilay menaka manitra nararak'ilay vehivavy iray teo an-dohan'i Jesosy, ka nahatezitra an'i Jodasy.
ikaretsaka:
Raha mpibizina rozy zao le nanoratra de nolazainy fa tsilon-draozy teo antokontaniny no nanaovana fehiloha tsilon-drazezo...
Ohatra hoe raha ialahy no manoratra ny momban'i niryna de ze mahaliana an'ialahy sy tian la ho fatatry ny olona momban'i niryna ihany no soratan'ialahy...
==> Marina izany. Izaho izao rehefa miresaka an'i Jesoa, dia ny maha Tenin' Andriamanitra velona Azy no lazaiko, dia asehoko ao mandrakariva fa miteny @ olombelona Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa. Le izy indray aloha tsy hoe izay no mahafinaritra ahy, fa izay mihitsy no hitako sy iainako ka tsapako.
Ny an'i Matio izao dia ny fampianaran'i Jesoa no tena nasehony, ny maha Mpampianatra Azy. Ny an'i Lioka dia tena ny tantaraNy no tena navoitrany, ny an'i Marka dia ny maha Zanak' Andriamanitra Azy.
37. rzakarivola
(
07/08/2009 12:27)
Mirananirina:
taiza moa izy raha tsy teo ihany e, iza moa isika no nahita izay nataony tamin'ny fiainana (fitiavany )tany e.Toa ny rainy any andanitra no nimasohany.
===> Izaho aloha tsy nahita izay nataoNy tamin'ny fiainana e, zah ary vao t@ 1981 no teraka. Ny teniNy ihany no ahafantarako ny tantarany, ary inoako ny teniNy satria fantatro fa velona Izy ary miteny hatramin'izao.
38. rzakarivola
(
07/08/2009 12:32)
artefy:
noho izany aza dia be adihevitra amin'ny fahatanoran'i Jesoa fa manjary mihozongozona ny finoana, ary tsy ny fahalalana ny tantarany sy ny fiainany akory no inona fa ny fanekena azy ho Tompo sy Andriamanitra.
==> Marina tokoa fa na dia tsara aza ny alikaola, rehefa sotroina be loatra dia mampihevaheva tsy misy ekilibra intsony, ary toy izany ny fahalalana izay alikaolan'ny fanahy, rehefa sotroinao be izy dia tsy hanana équilibre @ fiainam-panahy intsony ianao.
Ao @ facebook misy quiz ... d afaka mamorona quiz perso daholo. Mba namorona aho dia nahita ankizy iray tena nahafantatra be momba ahy. Ny antony ? Satria namako izy ary mpiresaka amiko, hany ka mora ho azy ny namaly ny fanontaniana mikasika ahy rehetra (izay tantarako sy fiainako), ary tsy tsatoka mihitsy no nataony, fa fantany izany ary fantatro koa.
Raha misy te hahafantatra marina ny fiainan'i Jesoa, tsy @ tsatotsatoka sy ny siosion-dresaka, dia mila mifampiresaka @i Jesosy mihitsy izy, mila mihaino azy indrindra indrindra.
39. rzakarivola
(
07/08/2009 12:45)
rakapy:
Rariny sy hitsiny ianareo raha defensif be ny momba ny fahatanoran'i jesosy satria manjary mihozongozona ny finoana raha toa ka hita ilay marina.
==> Ny mampiozongozona ny finoan'ny olona an'i Jesosy dia efa nambaran'i Jesosy fa noho ny tsy fampiharana ny teniNy [Lioka 6:46-49].
Izaho kosa hitaona anao hihaino ny tenin'i Jesosy ary hampiatra izany, raha tsy hoe matahotra ianao sao hihozongozona ny "tsifinoanao" azy.
rakapy:
Raha ataontsika hoe mamo lava na mpiady an-tsena na nianatra soratra masina t@ Hindu na .... ary i jesosy. Inona ary no olana raha voasoratra ao anaty baiboly izany?
==> Tsy mino aho hoe Andriamanitra indray no hianatra Soratra Masina amin'ny olombelona. Tsy mino aho hoe Andriamanitra no hiady an-tsena, Izy izay nahafohy ny ZanaNy Lahitokana hampihavanana ny olombelona amin'ny tenaNy. Tsy mino Azy ho mamo koa aho, satria ny hamamoana dia miseho @ tsy fananana équilibre, raha Izy no tsy manana équilibre dia efa potika izao rehetra izao fa tsy nisy zavatra kanto sy mirindra intsony, Izy n o mampisy équilibre @ zava-drehetra.
rakapy:
Amiko dia ilay tsy filazana ny nataony mihintsy no manahirana satria lasa mistery.
Hijanona ho mistery aminao foana Izy (izany hoe ho sahirana foana ianao) raha tsy mbola vonona ny hihaino Azy sy hitady ny marina amin'ny fonao.
40. rzakarivola
(
07/08/2009 12:49)
ikaretsaka:
Mitombina ka... tsy nisy nahalala izao hoe inona ny lokon'ny kilaoty nanaovan'i hitler farany t@ nahafatesany ohatra... tsy nisy nanoratra nefa mety misy olona liana.... alaivo ze historiens rehetra tian la raha misy mahay na 1 aza...de tahak izany io
==> Tsy nisy nahalala ny kilaotin'i Hitler. Miresaka fitafiana ianao dia tsaroako fa voasoratra ao hoe ny akanjon'i Jesoa dia tsy nisy vitrana fa iray. Nisy fotoana indray teny an-tendrombohitra dia tonga "fotsy be faran'izay madio, ka tsy nisy nahadio toy izany raha eto an-tany".