Nofy ririnina !
1. ronaldo09
(
31/07/2009 07:38)
Mbola mitohy ny fampanantenana poak’aty ataon’ireo mpitarika ny hetsika politika mpomba an-dRavalomanana etsy amin’ny « Magro » Ankorondrano. Mbola ambetin-dresaka eny mantsy ny hodian- dRavalo eto Madagasikara tsy ho ela intsony. Nofy ririnina avokoa anefa izany satria resaka fampandriana adrisa no ataon’ireo mpitarika izany eny an-toerana. Raha ny zava- misy iainan’ny Malagasy amin’ izao fotoana izao dia tsy mitombina velively izany. Mbola namela ratra ao am-pon’ny Malagasy rehetra ny zavatra nataony teto amin’ny Firenena. Didy jadona, fangoronan-karena tsy ara-drariny, fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana, fanaovana ampihimamba ny fananam-bahoaka…Tsy nisy nampandositra azy tany am- pitan-dranomasina ihany koa teo fa mahana ny ratsy nataony izy dia lasa nitsoaka. Zarany aza tafala teto mba tsy niharan’ny hatezeram-bahoaka. Fampandriana adrisa no ataon’ireo olona ao amin’ny Magro ireo ka nofy ririnina ihany ny an’izay manantena ny fahatongavany eto an-tanindrazana indray. Ireo olona nametrahan’ny vahoaka ny fitokisana nitolona tamin’ny fialana tamin’ny jadona izay tarihin-dRajoelina ihany koa tsy hanaiky izany velively.
Amboary àry ny sainareo izay manantena ny hiverenan’i dada satria nofy ririnina izany. Tsy mbola fotoanany izao. Na izy aza tsy mahatsiaro anareo zanany intsony. Resaka nivoaka tao amin’ny mpikambana « Tim » ihany no nilaza fa tsy mandefa vola ampandehanana ny fihetsiketsehana etsy amin’ny « Magro » Ankorondrano intsony Ravalomanana. Mbola porofo manamafy izany fa nofy ririnina ihany ny fanantenana amin’ny fiverenan’i dada. Tsy azo inoana intsony araka izany ny fipetrahany indray eo amin’ny Fitondrana na izay hampody azy eto na izay hametraka azy eto. Tsy hiverin-dàlana velively ny tolona efa natomboka, izay efa hadiva ho vita. Tsipaky ny miala aina daholo ireny fampidirana baomba hanaovana asa fampihorohoroana eto Madagasikara ireny.
Mbola nofy ririnina ihany koa ireo fiverenan’ireo depiote sy senatera teo aloha eny amin’ny Antenimierandoholona sy ny Antenimiera-mpirenena. Na hisy aza ny Fitondrana Tetezamita iarahana aorian’ny fanaovan-tsonia ny sata hivoaka dia mbola ho nofinofy ihany izany fiverenan’ny senatera sy ny depiote eo amin’ny Fitondrana izany. Izay sata mivoaka eo mantsy no karazana Lalàmpanorenana hitondrana ny Tetezamita iarahana. Ny ankamaroan’ireo depiote sy senatera « Tim » ireo koa anie nampijaly vahoaka ary tsy nahavita ny asany antsakany sy andavany tamin’ireo nifidy azy.

novalian'i ravatorano ny 01/08/2009 08:19
3. xxx
(
31/07/2009 08:34)
Avelao letsy mba hiverina na dia ataon'elah prezidan'i Nosy lava ihany aza a! :-D :-D :-D
5. milamm
(
31/07/2009 10:09)
aza dedaka otrany lalimanga less ela ry ron eny ambony tay vao miedinedina a
toa raisn'ela voninahitra izany hoe very ny fiandrianam-pireneny tanindrazana
tssss,maivana loatra le hevitr'ela no sady poak'aty,sata in no resahin'ela nefa ny lalam-panorenana efa nijoro aza zimbazimbainy reto akaman'ela foza ireto,
fozatay marina lisany kah
=)) :-@

8. ravatorano
(
01/08/2009 08:19)
ary ireo ho very asa atsy ho atsy zany manakory
sady tsy hanana seza hipetrahana ? tsy hananana toerana hitsnaganana mba hahafahana miasa intsony nohon'ny fihetsika maro samiohafa ataon'ireo mpanao politika malagasy rehetra ireo !
amiko trsy ny tim na ry tarik'i ravalo rery no manana fahadisoana amizao fa ry zareo rehetra ireo izay resaka fotsiny izay hoe mikatsaka ny tombotsoam-pirenena.Ny HAT/FAT sy izay miaraka aminy, ary ireo mpanohitra rehetra ireo amiko dia tsisy tia tanindrazana avokoa fa mandetika ny firenena amin'ny lalina ka tsy mendrika ny ho eo amin'ny sehatry ny fanaovana politika intsony ary koa tsara entanina ny vahoaka mba tsy hifidy an'ireo intsony !
Be izay vitan 'ireo izay !
:cry: :x