voninkava-mahatratra

21. bobone ( 04/08/2009 12:24)
Tess: misaotra akia @ fahatokisana zava-dehibe amiko izany ! sady tsy azo hatao vazivazy ny zavatra tahaka izao satria aina!!! tsy azo hatao koa ny mifamitaka satria mbola ao Atra mijery !!!!
manaraka izany , fa dia misaotra @ izay hataonareo rehetra e!

ni81: misaotra @ ilay torolalana fa tena tsy haiko mihitsy ilay toerana fa nolazaiko an'i BOga ilay izy dia fantany tsara !!! manomboka rapitso ny congé ny ! miara miasa mako zahay roa ka tsy mifanary @ sarotra, na ratsy na tsara!

Matokisa ianareo rehetra izay manolotra fa tsy maintsy tonga any aminy iay rehetra alefanareo sy ny vaovao omenareo ahy!
fa dia misaotra anareo indrindra Atra hamaly ny soa hataonareo rehetra bà mamy be++++++
22. boga ( 04/08/2009 13:50)
salama o!
de misaotra an'i bobone aloha nandefa ty hafatra ty tato e!manarak'izany de misaotra betsaka anareo zay namaly ny hafatra e!Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly soa ho anareo tsi1-1 avy
tsy vazy2 akory fa tena misy .Tsy afaka miditra matetika eto mantsy ny tenako noho ny hamaroany asa e! hany ka i bobone ihany no mampita izay hafatra halefanareo.
Izao aza efa mangalatra miditra eto fa tsy tanty ny maheno no hafatra avy aty aminareo ka tsy hay ny tsy hisaotra e! koa de misaotra betsaka @ izay nataonareo sy izay mbola hataonareo e!
Tsy ho eto mandritra ny andro maro ny tenako ;koa mino sy matoky aho fa tsy maintsy tongan'i bobone aty ny hafatra alefanareo .
Mifampitondra toy ny mpirahavavy iraintampo izahay ; atokisako 100% izy e! ka tsisy atahorana e
Zay ary fa de mirary soa ho antsika rehetra e!
boga namanareo
23. ni81 ( 04/08/2009 18:10)
Tess: misaotra akia @ fahatokisana zava-dehibe amiko izany ! sady tsy azo hatao vazivazy ny zavatra tahaka izao satria aina!!! tsy azo hatao koa ny mifamitaka satria mbola ao Atra mijery !!!!
manaraka izany , fa dia misaotra @ izay hataonareo rehetra e!

ni81: misaotra @ ilay torolalana fa tena tsy haiko mihitsy ilay toerana fa nolazaiko an'i BOga ilay izy dia fantany tsara !!! manomboka rapitso ny congé ny ! miara miasa mako zahay roa ka tsy mifanary @ sarotra, na ratsy na tsara!

Matokisa ianareo rehetra izay manolotra fa tsy maintsy tonga any aminy iay rehetra alefanareo sy ny vaovao omenareo ahy!
fa dia misaotra anareo indrindra Atra hamaly ny soa hataonareo rehetra bà mamy be++++++
Dia mirary soa e!
24. endrika01 ( 05/08/2009 04:34)
Ny namana izay tsy manakatolotra ve,mba afaka mahalala ilay hopital handidiana ilay rafozan i Boga?Mety misy mako ny namana serasera izay tsy manan-katolotra mba maniry ny hamangy eny!Tsy ny vola iany akory no zava-dehibe aminy tranga hoatrizao fa ny fifankaherezana iany koa!Ka raha afaka i bobone na i Boga mba manome ny fotoana hanaovana ny fandidiana sy ny hopital hanaovana izany! Dia isaorana mialoha!
25. bobone ( 05/08/2009 05:45)
endrika01: tena marina mihitsy akia zany ! fampaherezana tena ilaina manoloana ny aretina tahaka izany ! fa andraso hanontaniako tsara i Boga dia mamaly anareo eto zaho e! misaotra mialoha ô!! :D :D :D
26. niryna ( 07/08/2009 04:17)
bobone> manao ahoana aky indry .voaray ny hafatra fa misaotra .Alefaso any amin'ny e-mail-ko ny adiresin-dry dia indry no maka azy any amin'ny western union. Izay fa ao anaty e-mail isika no mifampiresaka be be kokoa
niryna
27. bobone ( 07/08/2009 06:46)
Niryna: misaotra akia zoky an! any izany sika miresaka bebe kokoa e!
bà mamy be njy ! :wink: :D :-*
28. aivetinakely ( 20/08/2009 18:00)
Somary tara aho vao nahita ny dinika. Ialàna tsiny!!! Torohevitra ihany ny ahy no mba andraisako anjara. Any Ihosy, any amin'izany atao hoe "Sakalalina " izany dia misy hôpitaly tena mitsabo. Tsy lafo satria 15. 000 fmg ny hofan'ny hôpitaly na firy volana na firy volana ianao no ao. Ny fitsaboana anefa tena mahafapo. Ny fanafody laninao ihany no vidinao. Raha comprimé iray na folo ao anatin'ny boîte iray no laninao dia iny no vidinao ariary dimy na ariary folo, arakaraka. Notsaboina tany telo herinandro ny reniko fa efatra alina ihany no lany miaraka amin'ny sakafon'ny marary fa ry zareo no miantoka. Maro ny eran'ny nosy efa avy nitsabo tetsy sy teroa no mankany. Matetika efa lany haika etsy sy eroa vao mankany ho fialàna nenina kanefa de saika sitrana daholo izay avy any.
Nisy vehivavy iray nanapahana ny tsinainy fa efa nodidiana indroa izy ka t@ voalohany hono nisy hadino tao ny fitaovana ka efa harafesina tao; niaraka chambre t@ reniko izy no nahalalàko ny tantara. Masoko no nahita fa herinandro taorian'ny nandidiana azy de afa-nandeha tsara Ramatoa.
Ny mandidy ny any dia 500.000 fmg, t@ volana Mai 2008 io, 25.000fmg ny saran-dalana avy eo Ihosy. Mba diniho ihany raha mety aminao, ny reniko dia nianjera avy eny andavarangana ary ny bassin no vaky, efa noeritreretinay ho kilemaina mandra-maty izy kanjo nony nentinay tany de mba sitrana ary mandeha ara-dalàna izy izao, tsy nitondra takaitra akory. Mpitantana Italianina no ao ary mankany Italie matetika izy mividy izay ilainy any na fanafody na fitaovana. Tena tsara fanahy ny mpitsabo any, mitsabo ara-dalàna.
Ampy angamba izay fa raha mbola mitady fanampim-panazavàna ianao de afaka manoratra @ adiresiko io.
Misy fikambanana masera miara-miasa amin'ireo any koa.
Mirary fahasalamàna é
29. kerena09 ( 21/08/2009 13:56)
Manahoana daholo,
Dokotera tena mahafa-po, sady tsy andoavam-bola no tsy mandidy, "andramo ka zahao" i Jesosy: sarany: ny safidinao sy ny finoanao Azy. Misy tanan' i Jesosy miasa am-pitiavana be ao @ fiangonana "vahao ny oloko" etsy @ les 3 frère andrefan'Ambojanahary.
30. ni81 ( 22/08/2009 19:24)
Manahoana daholo,
Dokotera tena mahafa-po, sady tsy andoavam-bola no tsy mandidy, "andramo ka zahao" i Jesosy: sarany: ny safidinao sy ny finoanao Azy. Misy tanan' i Jesosy miasa am-pitiavana be ao @ fiangonana "vahao ny oloko" etsy @ les 3 frère andrefan'Ambojanahary.
hay moa misy fiangonana vaovao eny @ zao fotoana izao!
31. bobone ( 22/09/2009 14:13)
aivetinakely:
Miarahaba anao ary ialana tsiny raha izao voa mamaly fa tsy teto zaho io e! misaotra @ torohevitra nomenao fa tena ilana tokoa izany ary hiezaka aho hilaza izany @ Boga !! ala-nenina mantsy no hatao e! misaotra indrindra, tahian\'Atra!!!

kerena09: misaotra indrindra Tompoko,tahian\'Atra e!

Ni81: salut njy an! zaho koa anie tsy mahalala izany e! hay ve nisy izany ao Andrefan\'Ambohijanahary izany !!!
:-* :D :D
32. ni81 ( 22/09/2009 14:20)
salut bobone! tonga soa indray akia a! :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.253