tsiky ifampizarana

1. artefy ( 28/07/2009 09:45)
Namory ny vatandehilahy rehetra tao an-tanàna hono ny mpanjaka dia nijanona tery andafy atsinanan'ny rano izy sy ny zanany vavy tokana, ny tovolahy novoriany kosa tety andafy andrefana

nikabary izy ka toy izao no ventin-kevitr'ilay kabary: raha misy lehilahy iray sahy miampita an'io rano io izay marihana fa feno mamba noana dia homen'ny mpanjaka ny zanany vavy ho vady ary hahazo ny antsasaky ny fanjakany, izany hoe miampita eny aminy tsy misy maratra ary nanolontena fa tsy misy mpaneritery, satria lehilahy mahery fo no ilainy...

indro ary nisy tovolahy iray teo amin'ny afovoan'ny olona tsy nihambahamba fa avy dia niroboka ny rano, nilomano hiampita ery amin'ny mpanjaka, kinanjo tsy nahafaka 2 metatra akory dia norambasan'ny mamba
iny koa nisy iray tery amin'ny ilany atsimo nanezakezaka mafy niampita saingy teo amin'ny antsasadalana dia nifandrotehan'ny mamba
fa rehefa variana teny atsimo ireo mamba dia nisy tovolahy iray nanovokovoka niampita tampoka tety amin'ny farany avaratra lasa, lasa ... tody soa amantsara tery ampitan'ilay rano...

faly aok'izany ny mpanjaka ka nihazakazaka nitsena azy "arabaina ianao anaka fa tena lehilahy sahy sy mahery fo toa anao no mba iriko hitantana ny antsasaky ny fanjakako sy ho vadin'ity zanako vavy ity, avia anaka manatona..." namaly ilay tovolahy ka nanao hoe " zah rangah tsy miraharaha an'izany ah! iza fotsiny ilay nanosika anah teo, mivoaha tao raha mafy be..." sady nitabataba izy no niteny ratsy vary raraka...

tapitra o
novalian'i rhina ny 03/09/2009 13:20
2. artefy ( 28/07/2009 10:00)
Tany amin'ny desert no niseho ity tantara ity, nisy lehilahy iray maika hamonjy fotoana ka dia tapakevitra fa hividy rameva iray izay tena haingampandeha tokoa, hafakely ity rameva ity satria baiko no omena azy, rehefa tianao ny hampandeha azy dia miteny fotsiny ianao hoe "ouf" ary rehefa tianao ny hampijanona azy dia miteny ianao hoe "amen"...
"ouf"... lasa ilay rameva, roso ny dia ary tena nandeha mafy tokoa ilay izy ka faly ilay rangahy fa ho tratra ny fotoana,... rehefa lasa nandeha elaela anef dia diso lalana izy fa nanitsy hantsana iray izay tena lalina tokoa, tian'ilay rangahy hajanona ilay rameva nefa tsy tsaroany ilay baiko, tera-tsemboka izy satria efa mihamanakaiky ilay hatsana ilay rameva anefa mandeha mafy hatrany, hany heriny dia nivavaka izy: "Andriamanitra o! ataovy mijanona ity rameva ity! amen!" naheno ilay amen ilay rameva dia nijanona tampoka 2 cm teo alohan'ilay hantsana, tafajanona ihany ilay izy ka nisento tokana ilay rangahy "ouf!"
3. artefy ( 28/07/2009 10:44)
taorian'ny valin'ny CEPE dia hoy ilay rangahy tamin-janany:
- ialahy irery izao no tsy afaka CEPE, ny ankizy rehetra izao afaka daholo
- ny antsika ange io ry dada efa lova e! dada nandova an'i dadabe dia izaho izany mandova an'i dada
4. xxx ( 28/07/2009 11:41)
artefy:

taorian'ny valin'ny CEPE dia hoy ilay rangahy tamin-janany:
- ialahy irery izao no tsy afaka CEPE, ny ankizy rehetra izao afaka daholo
- ny antsika ange io ry dada efa lova e! dada nandova an'i dadabe dia izaho izany mandova an'i dada


:-) nefa dia efa nataon'ny HAT cadeau izy teo :-)
vazivazy izany
5. JOSIAH ( 28/07/2009 11:53)
Mahay be daholo nareo :lol:
6. ari.malala ( 29/07/2009 09:41)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
7. artefy ( 30/07/2009 10:48)

- Eo amin'ny sarin'ilay mpanjaka ejiptiana maty leity misy soratra hoe 357 AV JC ah! inona no dikan'zany?
- angamba izany no nomeraon'ny fiara nandona azy...
8. rhina ( 03/09/2009 13:20)
artefy:

Namory ny vatandehilahy rehetra tao an-tanàna hono ny mpanjaka dia nijanona tery andafy atsinanan'ny rano izy sy ny zanany vavy tokana, ny tovolahy novoriany kosa tety andafy andrefana

nikabary izy ka toy izao no ventin-kevitr'ilay kabary: raha misy lehilahy iray sahy miampita an'io rano io izay marihana fa feno mamba noana dia homen'ny mpanjaka ny zanany vavy ho vady ary hahazo ny antsasaky ny fanjakany, izany hoe miampita eny aminy tsy misy maratra ary nanolontena fa tsy misy mpaneritery, satria lehilahy mahery fo no ilainy...

indro ary nisy tovolahy iray teo amin'ny afovoan'ny olona tsy nihambahamba fa avy dia niroboka ny rano, nilomano hiampita ery amin'ny mpanjaka, kinanjo tsy nahafaka 2 metatra akory dia norambasan'ny mamba
iny koa nisy iray tery amin'ny ilany atsimo nanezakezaka mafy niampita saingy teo amin'ny antsasadalana dia nifandrotehan'ny mamba
fa rehefa variana teny atsimo ireo mamba dia nisy tovolahy iray nanovokovoka niampita tampoka tety amin'ny farany avaratra lasa, lasa ... tody soa amantsara tery ampitan'ilay rano...

faly aok'izany ny mpanjaka ka nihazakazaka nitsena azy "arabaina ianao anaka fa tena lehilahy sahy sy mahery fo toa anao no mba iriko hitantana ny antsasaky ny fanjakako sy ho vadin'ity zanako vavy ity, avia anaka manatona..." namaly ilay tovolahy ka nanao hoe " zah rangah tsy miraharaha an'izany ah! iza fotsiny ilay nanosika anah teo, mivoaha tao raha mafy be..." sady nitabataba izy no niteny ratsy vary raraka...

tapitra o



tena tapaka mints ny tsinaiko hiiiii
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2547