suçon

1. xxx ( 21/07/2009 05:18)
Suçon na ilay vanditra menamena kely voatsetsitra eo @ faritry ny tenda na sahala amin'izay, misy tantara iray ity somary efa elaela kely ihany t@ namako iray izay.
Miasa alina rangahy, manao itony asa-na sécurité itony. Sendra mba repos izy dia mazava ho azy fa mba miara-matory amindramatoa ao antrano. Nandritra ny alina dia nandeha ny RS teo @izy roa, teo anefa no nitrangan'ny olana, naniry ny hametraka suçon teo amin-drangahy ny vadiny nfa nandà ity farany satria nivahiny tao amin-dry zareo ny anabaviny ka mba mahamenatra ihany. Tezitra anefa ramatoa fa matoa hoy izy tsy manaiky dia misy olnkafa tsy tianao hahita azy io any ampandehananao any fa tsy dia noho ny anabaviny loatra. Raikitra ary ny fifamaliana ny alin'io via RS io, nitomany ramatoa ka nivoaka ny trano andro alina, tany ampivoahana tany no safotra izy. Tsy nitampody ny ainy raha tsy naiditra hopitaly vonjimaika (urgence),izaho moa no anisan'ny nanampy io namako io nitsabo azy tany. Tany ampitsaboana azy no nanontaniako mangina ilay namako ny anton'ny fahatoranana ka io no notantarainy ahy.
Ka aminao :
Inona no tena hevitry ny suçon sy ny lanjany eo @ fifankatiavan'ny olon-droa.
Raha tsy manaiky ny ankilany, dia ho olana be ve eo @ mpifankatia?
Mankasitraka mialoha.
novalian'i cartina ny 14/07/2010 16:16
2. ari.malala ( 21/07/2009 05:42)
Izaho manokana ts tia an'io maizina! sanatria toa biby vare ka mila asiana marika? amiko ihany koa tsy fanajàna ny ankilany ny fanasiana an'io. Hasarotam-piaro diso toerana ihany koa, satria angaha raha tsy nasiana suçon ny olon-tianao tsy ho fantatry ny olona hoe misy miaraka aminy, na koa ts ho fantatry ny olona fa nanao firaisana ianareo? :roll: sady na ny hitondra iny tenda mivanditra iny aza mahamenatra ihany ka! Za aloha izany tsy tia dia tsy manisy ary tsy hanisy ny olontiako mintsy e!
3. tess ( 21/07/2009 06:04)
Inona no tena hevitry ny suçon sy ny lanjany eo @ fifankatiavan'ny olon-droa.

cachet no dikan'iny caveudire hoe avy nirevy izy, zé vopetaka cachet de tratra avy hatrany hoe tany izany :-D
4. ni81 ( 21/07/2009 06:32)
Asiana fitombo-kase zany koa! :^)
5. bobone ( 21/07/2009 07:44)
miarahaba anareo rehetra aloha e!
ny amiko manokana raha ny momba ity suçon ity dia miombon-kevitra @ Ari ! zaho ! midika fa tsy fitiavana ireny amiko fa fahasarontam-piaro no betsaka ! sao lasan'ny sasany dia asiana ireny ! na tsy tiany ho kitikitian'ny hafa dia siana ireny ! nefa @ izao fotoana izao anie na misy an'ireny na tsy misy kôtiandry zalahy fôna e! hihihi! voninkazo io akh! ! izay tsy mahadiny fankam-panahy dia eo no raisina!
6. fahamarinana ( 21/07/2009 07:46)
:arrow: rehefa tsy encre de chine tsy miala mandrakizay dia mety e! :-D :-D
Iza re no mba ho petahako tombon-kase e ! Ohatrany ho tsara izany mihinana olona izay ! :-P
Vazivazy ihany aloha izany fa manahirana ilay izy angamba raha hitan'olona nefa koa raha izay ary no tian-dramatoa dia maninona no tsy ekena fa atao any amin'ny takona any !...
eritreritra sendra mandalo iny 8) (l)
7. ni81 ( 21/07/2009 08:31)
miarahaba anareo rehetra aloha e!
ny amiko manokana raha ny momba ity suçon ity dia miombon-kevitra @ Ari ! zaho ! midika fa tsy fitiavana ireny amiko fa fahasarontam-piaro no betsaka ! sao lasan'ny sasany dia asiana ireny ! na tsy tiany ho kitikitian'ny hafa dia siana ireny ! nefa @ izao fotoana izao anie na misy an'ireny na tsy misy kôtiandry zalahy fôna e! hihihi! voninkazo io akh! ! izay tsy mahadiny fankam-panahy dia eo no raisina!
Efa fantatry ny olona sasany fa manambady aman-janaka izao aza mbola miditra ihany izy rehefa te hiditra koa! :)
8. fahamarinana ( 21/07/2009 09:17)
:arrow: ni : iny eo ihany fa ny ankilany koa manaiky anie ,zany hoe responsbilité iraisana fa tsy voatery ilay nikoty na ilay nanaiky no diso !Rahatoa ka ifanekeny moa dia azy sy tsy dia hidirana be loatra ! Samy manana ny fiainany sy nahatonga ilay raha nisy ! Fa ny safidy amin'ny fitondrany ny fiainanany no samy manana ny azy,mety misy circonstance mahatonga azy,mety misy tena fahafinaretana,mety misy fontsiny efa haditrana tsotra izao !Zava-mitranga jiaby ireo !
Dia nihitara koa ilay resako e! aha ! (l)
9. ni81 ( 21/07/2009 10:11)
faha>ka ny tiako ambara dia hoe: tsy mahasakana ilay olona ny fahitany ny suçon rehefa hiditra izy! na dia atao feno toy ny vakana aza iny tenda manontolo iny, na dia hisy aza ny takolaka dia toy ny pomety beu :lol: :lol: :lol: nihitatra marina ilay resa-tsika!
10. fahamarinana ( 21/07/2009 10:40)
:arrow: :-D :-D :-D kay moa ! Vao maika koa ve mampirisika azy ohatra ,hihi !iny koa no tsy takatro !Marina e!
Efa ela koa tsy naharebesako ilay hoe pomety ! :D (l)
11. Djhamhal ( 21/07/2009 11:07)
fa maninona moa no tenda fôna no asina suçon fa tsy asiana ny tongotra na ny fe na ny kibo na ny fôtra sy ny eo ambaniny eo é! @ zay mba lasa mena hoditra tanteraka kou!! (peau rouge)
12. ni81 ( 21/07/2009 11:14)
:^)
13. Mirananirina ( 21/07/2009 11:38)
Izaho manokana ts tia an'io maizina! sanatria toa biby vare ka mila asiana marika? amiko ihany koa tsy fanajàna ny ankilany ny fanasiana an'io. Hasarotam-piaro diso toerana ihany koa, satria angaha raha tsy nasiana suçon ny olon-tianao tsy ho fantatry ny olona hoe misy miaraka aminy, na koa ts ho fantatry ny olona fa nanao firaisana ianareo? sady na ny hitondra iny tenda mivanditra iny aza mahamenatra ihany ka! Za aloha izany tsy tia dia tsy manisy ary tsy hanisy ny olontiako mintsy e!

mitovy hevitra aminao
14. tess ( 21/07/2009 12:30)
10. Mpandefa : Djhamhal [ Valio ] 21-07-2009 13:07:03
Lohateny : Re : suçon
fa maninona moa no tenda fôna no asina suçon fa tsy asiana ny tongotra na ny fe na ny kibo na ny fôtra sy ny eo ambaniny eo é! @ zay mba lasa mena hoditra tanteraka kou!! (peau rouge)

ka any anisan'ny mafinaritra kosa raha votsetsitra defa raikitra ihany ny revinjareo kou!
15. simplex ( 21/07/2009 13:40)

:)
no woman, no cry...

;-)
16. xxx ( 21/07/2009 13:54)
indraindray anie lasa ho azy tsy fanahy iniana e, ilay manaikitra daholo ambony ambany :-P
17. Papoose ( 21/07/2009 15:51)
:^)
18. ni81 ( 21/07/2009 16:11)
Fa misy kosa aloha tena tasy @ ilay olona mihitsy ilay izy e! Tahaka ireny olona misy tasy (zanak'omby ) @ vatana ireny.
19. soanja ( 21/07/2009 22:38)
xxx:

Suçon na ilay vanditra menamena kely voatsetsitra eo @ faritry ny tenda na sahala amin'izay, misy tantara iray ity somary efa elaela kely ihany t@ namako iray izay.
Miasa alina rangahy, manao itony asa-na sécurité itony. Sendra mba repos izy dia mazava ho azy fa mba miara-matory amindramatoa ao antrano. Nandritra ny alina dia nandeha ny RS teo @izy roa, teo anefa no nitrangan'ny olana, naniry ny hametraka suçon teo amin-drangahy ny vadiny nfa nandà ity farany satria nivahiny tao amin-dry zareo ny anabaviny ka mba mahamenatra ihany. Tezitra anefa ramatoa fa matoa hoy izy tsy manaiky dia misy olnkafa tsy tianao hahita azy io any ampandehananao any fa tsy dia noho ny anabaviny loatra. Raikitra ary ny fifamaliana ny alin'io via RS io, nitomany ramatoa ka nivoaka ny trano andro alina, tany ampivoahana tany no safotra izy. Tsy nitampody ny ainy raha tsy naiditra hopitaly vonjimaika (urgence),izaho moa no anisan'ny nanampy io namako io nitsabo azy tany. Tany ampitsaboana azy no nanontaniako mangina ilay namako ny anton'ny fahatoranana ka io no notantarainy ahy.
Ka aminao :
Inona no tena hevitry ny suçon sy ny lanjany eo @ fifankatiavan'ny olon-droa.
Raha tsy manaiky ny ankilany, dia ho olana be ve eo @ mpifankatia?
Mankasitraka mialoha.


Miankina amin'ny tsirairay tokoa no mety na tsy mety hametahana ireny tsetsim-pitiavana ireny: ny safidin'ny tompon-tena ary ny fiarahamonina etsy andaniny.

Ny tena izy dia alohan'ny hiarahana amin'ilay olona dia mila mazava ny lalao hoe havelanao hanaikitra ve zah sa tsia? Havelanao hikiakiaka ve zah sa tsia sns... ny tsy firesahana amboalohany ny olana ny manarak'izany dia ny fanajana ny safidin'ny tsirairay amin'ny vatany. Misy tokoa karazam-panehoam-pitiavana isan-karazany sesilany. Ao ny vokapoka eo am-panaovana, ao ny mikapoka , ao ny manakenda sns maro tokoa, samy mahita fafinaretany miankina amin'ilay olona irahina sy izay mahamety ny fiarahana eo. Ny zava-dehibe dia ny teny ierana no tokony hanjaka. Raha tsy hoe angaha ka sambany ny iray vao nanao izany firaisana izany dia eo izy mety tsy hahalala izay fombany eo am-pakana fafiny eo. Tsy omena tsiny izy amin'iny fa ny ankaotr'izay dia tokony tsy hisy blema.

Raha misy olona tsy vonona hihaino ny ankilany momba izay tiany amin'ny vatany dia akory atao raha vady ilay olona gadra zany ianao koa izy manko mety ho faty satria marary fo. Safidy aby io.

Misy tokoa ny firenena izay malaza mpanao an'io ny olona ao aminy ary efa mahazatra azy ka tsy ataony olana na firahamonina io na ny tsirairay ka hitsaratsara hoe ratsy na tsara. Ny mexicanina no resahiko, efa zatra ny maso mahita ny mivanditra be eny an-tendan'izy ireo sady aseho mibaribary mihitsy. Amin'io moa izany sady midika izany hoe nahazo mamy aho tamin'ny alina sdia sambatra be fa voakaikitra tsara nefa ao koa ny filazana hoe efa misy tompony aho fa aza kotina tsony.

Raha ny an'ny Malagasy moa dia satria isika mbola ao anaty fihevitra fa izay tsy manao sy virjiny no anjely/ hendry dia tsy tia hisy an'ireny satria menatra satria fantatra fa nanao ka raha tany ka nisy dia afenina sady resahan'ny olona hoe tsy mba menatra sns.. Raha ity resaka ity moa dia ny "olom-pady" izay fiarahamonina no ijoroan'ny tsy fanekana izany. Manana moral arahina isika dia io no fototra ka raha ny iray tsy mahalala izany dia akory atao diso safidy zany ilay iray.

Ny tsara indrindra angamba ho an'ireo izay tia kakerina sy tsetsafina dia araka ny voalazan'ny namana eny ambony hoe kakero fa amin'ny toerana takona any ianao sady mahatsiaro ilay olona rehefa manina azy mahita ny dian'ny nifiny sy ny lelany no safy mieritreritra ny fafiny azo tamin'izany. Fa raha asarotam-piaro kosa no mitranga dia ny mankany amin'ny mpanolon-tsaina no mety. Mila ampianarina mitia ny iray.

Mahereza tompoko fa tsy mora ny miaina moa isika olombelona be siasia.


20. Djhamhal ( 22/07/2009 11:41)
ary raha ohatra tokoa moa ka ozy le olona oe mahazo mitsetsitra ny tendanao ve aho ? de mamaly ny iray oe : eny ! kanefa Vampire io olona io de ahoana? ny iray mankafy de mankafy ery orohana satria toa orokorohany sy lelafiny kely aloha vao kakeriny avy eo ! ny iray nefa le hitsetsitra le ra miitsy no tadiaviny !oiiii! aza hitako anie zany! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4884