Ny fampianaran-diso

21. Mandefitra ( 21/07/2009 10:44)
Ka zay mantsy ry faha ...
Raha i Petera @ maha olona azy no notondroin i Kristy eto, de Izy ihany dia efa nivadika t@ Teniny etsy ambany :
Matio 16: 22 Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an' Andriamanitra hianao, fa izay an'ny olona.

Fa tokony hoe ny fanambaran i Petera no vatolampy iorenan ny fiangonana, zay tsy hafa fa ny Ray ao andanitra mitsy no nanambara azy :
16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.
17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.

Dia toy izany no hangatahana ny Fanahy, fa rakaraky ny hanirianao ny hianatra ny Teniny, handalina zany no hanirahan'Andriamanitra ny FanahiNy hanazava izany aminao ...

Ka aza sodokan ny teny tsara rindra sy ny fampianarana sadasada ... fa tsy maintsy hongotana ireny ...

Aza mieritreritra koa hoe spect fotsiny ny AO AMbony fa tsy miasa! Miasa Izy @ FanahiNy sy ny TeniNy, ho an zay mino sy mahatoky Azy indrindra indrindra.
22. fahamarinana ( 21/07/2009 10:57)
:arrow: Mandefitra : Mankasitraka e,misaotra nanome fanampim-panazavana ,tsy efa zatra ahy sy ny ahiahiko ve ise amin'ny farany ! hihi !!
( ) tsy mandeha ny emoticome dia tsy voapetako ny fo-keliko !
23. niryna ( 21/07/2009 16:33)
rijadolly:

Ika>>> Marina mihitsy izany tenin'se zany fa tokony handini-tena ny ts11,satria misy mihitsy na ny Fiangonana aza tsy mampirisika ny Mpinony hamaky Baiboly indrindr any an-trano,ny milaza am-bava ny ts ataony,hany ka izay lazain'ilay mpitarika eo de marina avokoa nefa efa naolany ilay teny satria fantany fa kamo handray Baiboly ireo Mpinony.


ngaha ? fiangonana inona koa izany ry rija ?
24. rijadolly ( 21/07/2009 19:51)
Salama Niryna a!
Mialatsiny indrindra Niryna fa ts afaka hanome an'se Anaram-Piangonana mihitsy aho,fa araka ny teninn'Ika io hoe aoka samy handini-tena ny ts11. :D
Ika:
Ny ahy mba indro kely fotsiny momba ilay fariseo sns ..
Aoka ho tadidy fa ireo dia avy @ boky tokana no nangalany izay metimety taminy nahodikodiny teo sy notanisnaisainy araka izay tiany hi manipulena olona t@ izany fotoana izany.
Betsaka koa no manao izany ankehitriny ka mba jereo ihany : mandiniha tena


25. ikaretsaka ( 22/07/2009 03:46)
Nisy zavatra nambaran I fody izay ho an'i niryna momban'io..fa asaa raha novakianao na laozanao nanesika ny anao toy ny isanandro indray
26. Mandefitra ( 23/07/2009 07:20)
Efesiana 4 :
11 Ary Izy (Jesosy Kristy) no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,

12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy,

13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;

14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimboleni'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;

15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'Izay Loha, dia Kristy
;

16 Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiraisina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fi�san'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
27. bor2lais ( 27/07/2009 14:21)
Mandefitra:

Matio 15: 12 Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
13 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
14 Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.

Angataho ny Fanahy Masina hahalalanao zay fampianarana izy sy tsy izy, mba tsy hahavery anao any ankady miaraka @ ilay mpampianatra diso.

----
Misaotra an'i Mandefitra nanokatra ity lohateny ity !

Raha azoko tsara ireo andininy voalaza ireo dia ny Fariseo no resahina eto !

Amiko kosa dia heveriko fa tsy "valable" ho an'ny Kristiana (na izay milaza azy ho mpanara-dia an'i Kristy) angamba ireo andàlana ireo satria araka ny Matio 18 dia anjaran'ny samy Kristiana no mifananatra (am-pitiavana) raha toa ka misy manao ny tsy mety na sendra diso làlana. Ka amiko ao anatin'izany ny fampianaran-diso : adidy ny miteny na manitsy izany (am-pitiavana), ilay "mpampianatra" heverina fa diso no tiako resahina eto !

Sa ahoana ? Ialako tsiny raha toa ka tsy izay no tiana ahatongavana amin'ity lohahevitra ity !


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1114