Manajà ny rainao sy ny reninao ... iza no nahatanteraka

1. rzakarivola ( 08/07/2009 13:55)
Tatsy aloha dia nisy nitondra ny lohahevitra hoe "inona no atao hoe manaja Ray sy Reny, araka izay ambaran'io Didy io". Samy nitondra ny faharesen-dahany ny tsirairay ny amin'izany, nisy ny nilaza hoe "tokony hianarana ny toetrany tsara ary haloha kosa ny tsy mety", nisy nanao hoe "tokony ankatoavina ny teniny", ... maro e!
Tsy fantatro na izay famaritanao izay no tena izy na hafa, fa ny zavatra inoana dia hoe : tsy ny tsifahafantarana ny hevitry ny Didy no maha meloka ny olona, fa ny tsifankatoavana ny Didy. Koa izany no ipetrahan'ny fanontaniana hoe : nahatanteraka ilay Didy hoe "manajà ny rainao sy ny reninao" ve ianao, araka ilay famaritanao ny atao hoe "manaja ray sy reny" ?
novalian'i Veloo ny 10/07/2009 18:40
2. ikaretsaka ( 08/07/2009 13:59)
arakarak'ilay heo ny inona aminy no hajaina.. tsy ny "mankato ny teny" ihany ange no hoe manaja e...
3. rzakarivola ( 08/07/2009 15:39)
Ikaretsaka >>> izay lazainao indrindra, izay vonona hiteny eto izany dia hilaza arakaraka ny famaritany azy. Ohatra iray ity ataoko eto ity (izay fiheverako) :

manajà : mametraha azy amin'ny toerana nanendren' Andriamanitra Azy
Ray : Solon-tenan' Andriamanitra Ray, ahitan'ny zanaka voalohany indrindra fa misy izany Ray nahary izany, ary io Ray Mpahary io no mpamelona ihany koa, manabe (anaty fanabeazana ny fampianarana, fanoroan-dalana, famaizana). Izany hoe manao izay hahatanteraka ny sitrapon'ilay Mpahary amin'ny zanaka.
Reny : Vadin'ny Ray, tena iray aminy, mpanampy tandrify azy.

Nankato ve aho ?
Raha mamolava ny raiko, dia tsy teo @ilay toerana nanendren' Andriamanitra azy izy. Izaho nanampy trotraka nametraka azy teo @ toeran'ny mamolava (fa tsy namerina azy t@ toerana maha Ray azy).
Raha nisy fotoana nahatsapako fa tsy nandray ny toerana maha mpanampy tandrify ny raiko ny reniko fa toa vao mainka koa nampietry azy, tsy mba namerina ny reniko teo @ ilay toeran'ny mpanampy aho fa nanome tsiny aza.
Izany hoe : tsy nametraka ireo Ray aman-dReniko tamin'ny toerana nanendren' Andriamanitra azy aho. Tsy nankato ny Didy hoe "manajà ny Rainao sy ny Reninao" aho.
4. Mirananirina ( 08/07/2009 15:40)
tsy azoko ilay izy,fany haiko dia hoe manaja ny RARnao mba ho ela velona ianao.
5. rijadolly ( 10/07/2009 16:18)
Ra azoko tsara ilay hevitry rzakarivola dia mila fandraisana andraikitra izay mametraka ny Ray amadReny eo amin'toerana nasian'Andriamanatra azy,na nanao ny asa maha RDR azy izy ireo na tsy nanao.Izay ilay tianao hampita hoe nanaja ny RDR v ianao zanaka sa nijery fotsiny?
fanampiny ra tena azoko tsara: Anisany fanajana ny RDR ny fanitsiana azy amin'fahadisoa izay ahafahany maka ny toherany misy azy.
6. Veloo ( 10/07/2009 18:40)
Manajà ny rainao sy ny reninao ... iza no nahatanteraka


misy mahatanteraka, misy ny mihezaka, misy ny tsy mahatanteraka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0332