feo hafahafa amin'ny gitara

1. sitlo ( 08/07/2009 05:47)
Ahoana kay no manao an'ireny feo tsy mivoaka tsara amin'ny reggae ireny. Misy accord tsara ilay izy fa ohatra ny mikasoaka fotsiny ny fanenony fa tsy tena heno be.
Ilay "stir it up" an'i Bob Marley iny izao no ohatra akaiky. Tsy ilay bass an. Fa ohatra ny kabosy hafahafa izany.
2. RATOVOARY ( 08/07/2009 05:59)
Mety ho ilay frappe tsotra fa saronana tànana tampoka ve izany ry sitlo. Raha io dia efa fanaoko io raha mi-accompagner accord aho.
3. Lejoba ( 08/07/2009 10:59)
tendrena mifandimby ny corde tsirairay fa haingana be, nefa atao accord ihany, ohatran'ilay tanan' i Lucky Luke handray basy iny. Jereo ny fitendrin'i Njila ilay jeux interdits (zovy no tsy mahalala fa ny fitia tsy lalao ....)
4. rakapy ( 08/07/2009 11:38)
Hoy Ratovoary
Mety ho ilay frappe tsotra fa saronana tànana tampoka ve izany

Tena marina io fa asio wah-wah sy flagger kely koa ny amp fa mivoaka tsara. Mahaiza mibalence master truck fa aza atao ambony be loatra ny volumen'ny guitar-nao!
5. ndotofetsy ( 08/07/2009 12:23)
ny disto raha reglena dia afaka manao ireny feo ireny na passena @ ordi ny son dia avoaka raha tsy mahavita ny disto dia araka ny fitendry azy fotsiny no mampiova ny feo
6. ikaretsaka ( 08/07/2009 13:49)
sitlo:

Ahoana kay no manao an'ireny feo tsy mivoaka tsara amin'ny reggae ireny. Misy accord tsara ilay izy fa ohatra ny mikasoaka fotsiny ny fanenony fa tsy tena heno be.
Ilay "stir it up" an'i Bob Marley iny izao no ohatra akaiky. Tsy ilay bass an. Fa ohatra ny kabosy hafahafa izany.


Raha mampiasa electric ialahy dia muttena raha mampiasa pedale (wah pedal ) dia hidina ..

misy mampiasa azy kapo-batana (mikaly azy @ poignet) fa misy maha tafavoaka.. :wink: fa mandreraka... nen'i ika ze mora ihany :wink:
7. terrywui ( 08/07/2009 14:09)
le tenin'i rakapy io letsy no izy a! asiana wahwah aloha voalohany! de pikéna tsara! dia asiana precision tsara ny fitendry azy ! = sady frappé na no tsy tsindriana mafy ny cordes de tsindriana kely ndray ! fa ny base dia wahwah ihany
8. ikaretsaka ( 08/07/2009 14:34)
jereo youtube na daily ny an'i bob fa "wah wah" tokoa..
le eric clapton i shot the sheriff koa angalana sopapa (le bandy manao rythmic fa tsy eric fa lery mi solo)
9. sitlo ( 08/07/2009 17:54)
Acoustique ilay izy ka. Tsy ilay reverb iny fa ilay ohatra an'io lazain-dRatovoary io.

Jereo ange ity sipa ity eh. Ny ahy tonga dia maneno be ilay gitara. Ity kofa ity somary manazava bebe kokoa dia somary azoko ilay izy raha barre. Fa ny an'ilay sipa open nefa tsy maneno ilay gitara.
10. simplex ( 08/07/2009 18:55)

ny an'le sipa ny tanana havia no havotsotra kely isaky ny ton, atao mikasoka kely ny corde fotsiny dia lasa mi-mute an'le feo...

moa ny an'le bandy indray ny tanany havanana no manao an'le feo... misy ampanenoina moa misy tsy ampanenoina...

hevitro manokana
:)
11. xxx ( 09/07/2009 21:21)
andramo tendrena @ vatan'ny hoho na ny riran'ilay plastika kely fa tsy @ lohany
12. ikaretsaka ( 10/07/2009 01:50)
ka raha ny an'i bob rasitl de io lazain"i rakapy io fa le acoustic raha corde nylon de io lazain'i xxx10 io.. raha corde vy io heno be iznay ny feon'ilay vy.. sa ny hohoko no zatra bass?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6065