Yaourt maison

1. fafahfy ( 02/07/2009 08:08)
manahona daholo !
Mba misy afaka manome fanaovana yaourt maison ve kay azafady dia misaotra mialoha, za efa nanadrana fa tsy nety le izy fa nitsoranoka be fona nefa alina no natao tao anaty bodofotsy maraina tsy nitambatra le izy
novalian'i fafahfy ny 06/07/2009 16:09
2. ni81 ( 02/07/2009 09:08)
manahona daholo !
Mba misy afaka manome fanaovana yaourt maison ve kay azafady dia misaotra mialoha, za efa nanadrana fa tsy nety le izy fa nitsoranoka be fona nefa alina no natao tao anaty bodofotsy maraina tsy nitambatra le izy
sao dia tsy lait entier no nanaovanao azy? mitsoranoka fotsiny raha vao lait demi écrémé fa zà koa efa tratran'izay fa nifandiso ilay ronono
3. hery ( 02/07/2009 09:49)
Izaho tsy nampiasa lait entier fa nety ka.

Izao no fanaovako azy. Voatery nanamboatra yaourt mantsy satria ronono be dia be efa saika périmés no nanjary voavidy dia hoe aleo atao yaourt.

Zaraina roa ny ronono, ny atsasany hafanaina mitady hangotraka (mahatratra 90° eo ho eo) dia rehefa avy eo esorina eo ambony afo dia tampohana an'ilay ronono mangatsiaka. Tokony eo amin'ny 45° eo ny hafanany.

Tampohana yaourt nature 1 boaty dia afangaro tsara.

Hidina tsara (ohatra hoe anaty cocotte minute) tsy hisy rivotra dia atao amin'ny toerana mafana.

Afaka 6 ora raha kely indrindra vao sokafana sy atao anaty frigo.

Tonga dia am'lé oui :-p
4. xxx ( 02/07/2009 11:02)
hay ve hery mana-talenta @ sakafo koa fa tsy info ihany e !
5. ni81 ( 02/07/2009 11:18)
Izaho tsy nampiasa lait entier fa nety ka.
hay! Zà mantsy indray mandeha nifandiso ilay ronono dia nitsiranoka be ilay izy na dia efa nototofana bodo aza ny alina manontolo. :lol: :lol:
6. fafahfy ( 02/07/2009 13:35)
tena lait entier mintsy no nataoka fa natsora be le izy ka
7. fafahfy ( 02/07/2009 13:39)
andramako ndray io an'i hery io raha mety , dai raha tsy misy yaourt nature kay dia inona no asolo azy ? sa le ayourt maiso efa vita renyno atao de mety
8. hery ( 02/07/2009 14:28)
fafahfy> Sao dia tsy nasianao yaourt marina? Tsy maintsy asiana ferment manampy amin'ny fermentation ka. Raha ronono fotsiny no aotrikao dia tsy miova mihitsy raha tsy mampiasa yaourtière.

Mila mividy an'ireny yaourt kely @ pot ireny amin'ny voalohany. Dia rehefa réussi ilay izy dia ilay yaourt vita indray no amelàna kely atao ferment amin'ny manaraka.

xxx> voatery ka :-p
9. fafahfy ( 02/07/2009 16:31)
zao no nanaovako azy: ronono 1 l nampangotrahana de navela nagatsika avy eo , nozaraina 2 ary de naverina nafanaina ilay atsasany tsy nangotra intsony ary nasina siramamy avy ao nakambana t@ilay ronono mangatsika efa nasina yaourt vita eran\'ny sotro kely de nozaraina t@pot de nofonodina bodofotsy nandritra ny alina
tonga ny maraina ko mbola rano be no hita tao
ahitsio rah amisy tsy nety ny fanovako azy
10. pikatti ( 02/07/2009 17:10)
Petsa tato le essera kely zany refa vendrana ,mandray tsy raisina ha ha ha
elah anie na manopa aza any ambadika any tsy sahy manao eto fa inona ny olana ?tsy zakanao ve le forum é :-D :-D
11. pikatti ( 02/07/2009 17:11)
diso le izy aky ry fafahfy a
12. Tazana ( 02/07/2009 23:13)
Raha mampitahy kosa ilay lazain'i Hery fafa sy ilay soratanao...tsy mitovy be!
I Hery tsy niteny hoe hafanaina in-droa...Manta iny tonga dia sarahina dia ny antsasany ihany no hafanaina...sa za koa tsy mahazo resaka?
Dia hoy koa izy hoe yaourt 1 boity fa tsy iray sotro...
Sa mananihany indray nareo?


13. ni81 ( 03/07/2009 08:02)
Ity efa nisy resaka nifanaovana tany aloha tany ry xxx dia ampitahao eo a

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m49c8f42f14ed8
14. ni81 ( 03/07/2009 08:03)
azafady fa tsy xxx kay fa i fafahfy :lol:
15. booboo ( 03/07/2009 08:26)
Tazana a > t@ izy nanandrana nanao ilay yaourt voalohany io notantarainy io, ilay tsy nety.

Ary sao dia kely loatra ny ferment mitaha @ habetsaky ny ronono ?
16. xxx ( 03/07/2009 08:59)
Marina ilay hoe kely ny ferment
Ilay ronono avy dia asiana siramamy koa mampisy rano be
17. hery ( 03/07/2009 09:24)
Ny fatran'ny nataoko dia ronono 2 litatra , ferment (yaourt nature) iray boaty.
Angamba tsy misy olana loatra raha asiana siramamy dieny mialoha satria tany Dago koa izahay nanao fa tonga dia nasiana siramamy dia nety.

Ny tanjona amin'ilay nanafana ronono dia mba hahazoana an'ilay temperature 45° eo ho eo. Raha ohatra ka tonga dia hafanaina daholo ilay izy dia tsy atao mafana be fa vao mahazo an'io 45° io dia ajanona.

Tokony amin'io hafanana 45° eo ho eo io izy no hidina fa tsy avela hangatsiaka indray.

18. fafahfy ( 03/07/2009 13:13)
misaotra namaly sy nanome torohevitra fa mety sur zany hoe tsy ampy le ferment nanaovako azy , de misaotra an'i ni8 nanome torohetra koa e
de misaotra an'i hery fa lundi za vo manamboatra ndray de ho hita eo ny tohiny fa lazaiko eto ihany
19. Tazana ( 03/07/2009 16:51)
Hay za zany no tsy nahazo resaka ry Booboo! Namaky ilay valiny faha 6 sy fahavalo fotsiny aho dia nolazaiko fa efa nandramany ilay lazain'i Hery.
Fa ny yaourt ny ahy 1 boite pour un litre...fa na 2 L aza izany mahatoraka azy! Ilay différence lait entier sy écréme, ny iray matavitavy fa ny iray somary ...tsy matsora fa tsy matsiro be angamba no azo hilazana azy fa mety daholo ihany aloha. Fa 2% kosa no nataoko fa tsy 1%. Ilay 1% ohatra ny ronono efa tena tsy misy matavy tsony mihitsy...
20. hana ( 05/07/2009 22:10)
salut fafahfy
mety ho antony roa : tsy ampy ilay ferment na tsy niharo tsara. Mety koa ny hafanan'ny bodofotsy no tsy ampy. Satria ririnina izao dia asio gazety mifono 'ireo pots de yaourt (mihidy tsara ireo, mazava ho azy). Pasohy hafana be ny bodofotsy aloha vao asarona azy, ataovy mafana tsara.
Mahasoava eh
hana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1899