ATSANGANO NY SAINA FOTSY ISAN-TRANO

1. Noue ( 01/07/2009 05:26)
ahoana ny fahitanareo an'io ???

[size=70] Misahirana mandrafitra ny « processus de paix » eto Madagasikara.

Tsy maintsy ifanomezan-tànana ny fandaminana ity firenena ity.

Ambavahoana isika izao.

« Atsangano ny saina fotsy isan-trano ! »

« Atsangano ny kilôty fotsy isam-baravarana ry andriambavilanitra, raha ilaina hampifandefitra ireo lehilahy miziriziry mifandrohitra ireo izany ! »

« Mitondrà brassard fotsy eny andalambe mba tsy ho voadarodaroka fahatany intsony fotsiny ! »

HAFATRA :

« Mifona, milela-paladia amin’ireo rehetra mafy be eto antanindrazana amin’izao fotoana izao ».

AOKA IZAY

Filaminana no ilaina, hanatanterahana fifidianana mangarahara.

Tokony ampiana araka izay tratra io fitondrana eo antoerana io hanatanteraka izay raharaha izay dia samy miala tsy misy rahoraho.

Avotsotra madiodio daholo rehefa gadra politika.

Tsy misy ilàna ny « assises régionales » raha tsy ny « réconciliation nationale » nodradradradrain’ny Filoha Zafy Albert aloha no tomombana.

Tokony samy handinika ny isan-tokony dia manomana antsakany sy andavany ny fihaonana imaso imason’ny filoha efa-tonta : Didier RATSIRAKA – Albert ZAFY – Marc RAVALOMANANA – Andry RAJOELINA.

Mifona milela-paladia, tompoko ô … !

Ny filaminantsika eto antanindrazana no manamora ny dinidinika ifanaovan-dry zareo samy maventy.

Ho an’ny filaminana,

ATSANGANO NY SAINA FOTSY !"
[/size]

http://www.madagascar-tribune.com/Hafatra-avy-amin-Ikaky-Ravaho,12210.html
2. saranga ( 01/07/2009 05:38)
O ry Noue a, moramora sao tapaka lalan-drà eo ka very sakaiza izahy.
De atsangano koa ny fe fotsy be nareo
3. xxx ( 01/07/2009 05:58)
dia mbola isika ihany no hanangana saina fotsy, nefa efa isika no miha mahantra, ny safidin-tsika no nosihosena, ny fianakaviantsika no maty ... indrisy mahantra noho ny mahantra isika noho ny fitiavan-tseza sy voninahitra sy ysy haiko intsony
4. essera ( 01/07/2009 05:58)
Maninona ilay saina fotsy raha asiana pentina mena eo afovoany d fetim-pirenen'i Japon mandavan-taona.

:-D :-D :-D
5. Noue ( 01/07/2009 06:06)
saranga:
O ry Noue a, moramora sao tapaka lalan-drà eo ka very sakaiza izahy.
De atsangano koa ny fe fotsy be nareo
io ve no ahatapaka ny lalàndrako ??? ny aty mafy ka ! tsy araky ny fiheveranao azy eee ! ny fiadiana ny famerenana ny ara-dalàna ny tanjona aloha zao ka mitohy hatrany ny tolona !!


6. essera ( 01/07/2009 06:13)
ny fiadiana ny famerenana ny ara-dalàna ny tanjona aloha zao ka mitohy hatrany ny tolona !!

après fifidianana les iny a.

7. Noue ( 01/07/2009 06:16)
ka inona less ny blèm tsy hanaovana ny fifidianana aingana dia aingana aa ?
8. naritsimba ( 01/07/2009 06:19)
Ho ahy aloha izay mpitondra voaporofo fa nangalatra dia tsy mila famelan-tsazy izany na iza na iza. Manjary miteraka fampianaran-dratsy ho an'izay mpitondra manaraka.
Ny tena miteraka ny olana ange dia ny fanaraha-maso no tokony hamboarina tsara ny lalàna e, indrindra ireo Ministera sy orinasam-panjakana.
Tokony hipetraka mazava fa mahazo manara-maso ny famoaham-bola ao anatin'ny ministera na orinasam-panjakana misy azy ny mpiasa rehetra, ary afaka mametraka fitoriana mivantana rehefa mazava tsara ny porofo, ampianarina ny rehetra ny lalàna, ary raha ny zavatra misy hatramin'izay ange dia ny resaka MARCHE PUBLIC no tena hitrangan'ny kitranoantrano rehetra, lasa misy akamakama, ary ny tena mahavariana dia izay manambola dia afaka manao entreprise sy fournisseur daholo dia avy eo mandeha ny 10%.
Raha tena samy mandray ny andraikiny daholo ny mpiasa rehetra dia tsy misy olana io, ary tsy afaka hanodikodim-bola intsony izay mpitondra tonga eo.
Toa anay izao dia ao anatin'ny rafitra manara-maso fa saingy tsy afaka mitory mivantana fa tatitra no atao dia ny tompon'andraikitra no manao ny fitoriana, saingy indrisy fa manjavona io rehefa tonga any ambony any.
Io no tena mahavoa ny fanjakana sy ny orinasam-panjakana eto Madagasikara.
Noho izany dia amboarina ny lalàna dia afaka mitory daholo ny rehetra na iza na iza rehefa manana porofo mazava, ary na iza na iza dia azo toriana daholo.
9. essera ( 01/07/2009 07:07)
Zah zao miteny eto hoe na i Andry TGV na iza na iza mpikambana ao am HAT mihitsy aza, fa eo mantsy no hisy oul havesatra tena havesatra ny saziny ka izay no hahatonga an'ilay hoe séjour définitif no solution-ny aloha.

10. naritsimba ( 01/07/2009 07:26)
Noue> amboarina aloha ny lalam-pifidianana vao atao ny fifidianana.
Ary ny fifidianana Prezida ny repoblika no atao farany mba tsy hitranga ny teo aloha hoe izay prezida lany dia manaraka an'iny daholo na dia hita aza fa olona tsy tian'ny vahoaka dia voafidy ihany rehefa baikoin'izay prezida lany eo.
Izay ange ilay fahavoazana e, ny filoham-pirenena izany dia tokony ho symbole fotsiny fa tsy manam-pahefana.
11. Noue ( 01/07/2009 08:21)
tsss ! foutaise zany eee ! ny tahotra no be dia mody atao daholo aloha zay aha-ela an'io fifidianana io !!
12. pikatti ( 01/07/2009 08:31)
Fika be zany mbola amboarina ny zao sy zao zay , fika hakana fotoana fotsiny ,fika hamenoina paosy fotsiny,fika hialana bala le tahotra an'i dada ,fika tsy hanomezana amnistie aloha ,fika hividianana olona
FIKA FIKA FIKA TGVENDRANA
13. Noue ( 01/07/2009 08:35)
f'ita less ry pikatti !! ny tahotra no be ! io anie less raha tafaverina eo Ravalomanana , sur et certain fa tsy maintsy izy no ho lany eo eee !! ho iza indray aza moa ???
14. naritsimba ( 01/07/2009 10:48)
Asaivo tonga dadanareo e, tsy misy manakana ny ahatongavany ange e, efa miandry azy ny tranony eny Tsiafahy na Antanimora. Ny tenako manokana aloha dia vonona hifanehatra aminy mihitsy raha tonga izy eh! be izay vitany izay fa mendrika hahazo ny sahaza azy izy.
Izaho tsy misy paosy fenoina fa ampy ahy tsara ny vola miditra amiko fa tsy nangalatra toa an'dra8 aho akory, fa mila mandray ny valin'asany izy noho ny ratsy nataony.
Na hisy fifandonana aza tsy asiako olana, tsy ampahafirin'ny nataon'ny radidy t@ 10 aout 1991 sy 2002 sy ny nataony ra8 t@ 7 fev 2009 akory izay hitranga eo, tanampolo aza zahay tsy nitsoaka. Tamin'ny nampatanjaka an-dra8 aza tsy nihemotra izay fampitahorana fa sahy nanohitra foana, maika fa izy any ivelany izao vao maika miakatra ny risi-po, ary zà tena te hifanatrika @ ireo mpanohana azy ireo mihitsy. Ny aty ange tsy miafina akory e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1058