finoana miaro zavaboary
1. itaramasoandro
(
29/06/2009 02:20)
maro ireo finoana malagasy midika fady ary natao hiarovana ny zavaboary fototry ny fiainan\'i malagasy hatr@ fahagolan-tany. ohatra :
- \"fady ny mipetraka ambaravarana @ fotoana iteraham-bary fa mahasarotra ny tera-bary\", natao hamelàna ny mpamboly hitsidika malalaka ny tanimbary ka tsy ho tafintohana raha misy olona eo antokonana. ny vary no anisan\'ny fototsakafo ny malagasy.
fady ny mamono ny kibobo, satria nitondra filaminana ho an\'ny tanàna izy fahagola raha tonga nanafika ny tanàna ny fahavalo. niafiana tao an\'ala ny mponina ary kibobo no nihetsika avy anaty bozaka noheverin\'ny fahavalo ho ireo mponina. lasa nandao ny tanàna ary ireo fahavalo tsy nahita olona.
mahafantatra hafa ve ianareo?
itaramasoandro 8)

novalian'i rzakarivola ny 08/07/2009 13:13
3. ni81
(
29/06/2009 07:25)
- Tsy azo atao ny mandaka rindrina fa lazaina fa mahaosa RAD, nefa tiana mba tsy haloto ny rindrina.
4. itaramasoandro
(
30/06/2009 00:59)
satria ihany koa t@ fiandohany dia rindrina notafiana tsihy fahizay ka raha nirodana izany tsihy izany dia sarona tao ny tsirairay ka matin-kasemporana.
lojika saingy ho an'ny ankizy dia miteny kokoa ny fomba fampitaorana, indrisy hatrizao.
tsaratsara kokoa ankehitriny ny tsy mampitahotra fa mampiorohoro ny ankizy ka mety mahakanosa azy na mahatonga azy hampihorohoro koa raha tsy misy ny manazava azy ny marina ambadiky ny fady.
ary ny hoe, mandia afo aoriana ny fandevenana mba tsy anarahy ny fanahin'ny maty mbola misamboaravoara? fantatraeo moa fa hitoviantsika @ ry zareo sinoa io fomba amampanao io?

5. ikaretsaka
(
30/06/2009 01:38)
Tsy @ ankizy ihany le fampitahorana ka..fa ho an'ny marivo salosana rehetra..(jereo ilay lazain'i soanja atsy ambadika atsy hoe misy mampitahotra hoe rehefa tsy manaraka ny azy hono de tsary voavonjy)
Dia betsaka ny manao azy tsy sazoka vokatr'io

6. itaramasoandro
(
30/06/2009 04:23)
ny fiangonana katolika dia anisan'ireo nampitahotra olona sy firenena maro t@ fotoana ny fitoriana ka nahatonga ny mponina maro namela ny finoany teo aloha. ny basilika md petera dia namboarina, tsarovy ange, t@ fampiorohorona ny olona tsy nanaiky hanaraka ny finoana kristianina ary noterena izy ireo hividy lafo dia lafo karazana pasipaoro mitondra ho an'ny @ paradisa!
fa nivoaka t@ resaka ampiandohana ho'a ilay resaka fa ity indray misy finoana gasy natao hiarovana ny tontolo iainana:
sarobidy ny vorompotsy ary dia narovana hatrany satria toy ny namana eny an-tsaha manampy ny omby sy ny mpiandry. toy ny mamono sakaiza ny manenjika na mamono ny vorompotsy. mbola kely ny ankizy dia ampianarina ny fitsinjovana azy ireny.
toy izany koa ny kankafotra milaza ny fahatongavan'ny lohataona: fanairana ny tantsaha fa fotoana fambolena vaovao mitaky fihetsahana hitsonjovana ny taona ny feony.

7. gasynamana
(
30/06/2009 12:43)
Raha ny fahitako azy dia tsy misy resaka idiran'ny finoana ny zavatra lazain'i itanamasoandro eto.
Raha ny tena marina dia resaka fomba "fitaizana" na "fanabeazana" ny olona fahiny no resaka eto fa tsy misy idiran'ny finoana akory.
Io fanabeazana io no miseho amin'ny endrika fampitahorana, toy ny fanerena ny olona an-kolaka hanaiky izay voalaza.
Horaisiko kely izay voalazanao:
hoy ianao hoe: "fady ny mipetraka ambaravarana @ fotoana iteraham-bary fa mahasarotra ny tera-bary", natao hamelàna ny mpamboly hitsidika malalaka ny tanimbary ka tsy ho tafintohana raha misy olona eo antokonana. ny vary no anisan'ny fototsakafo ny malagasy."
Raha io no rasina izao ohatra dia hita miavaka tsara fa ao ambadik'ilay fandrarana dia misy zavatra iray tiana hatongavana mazava: "natao hamelàna ny mpamboly hitsidika malalaka ny tanimbary ka tsy ho tafintohana raha misy olona eo antokonana. ny vary no anisan'ny fototsakafo ny malagasy."
Ka raha toy izao filazanao izao no fisehony dia tsy azo lazaina ho finoana velively.
Ny finoana dia mitondra mankany amin'ny zavatra iray eken'ny tena fa "Marina", fa tsy misy zavatra ambadika toy io lazainao io.
Ohatra: "Ny malagasy dia nino fa ny "fanahy" tsy mba maty, ary mino ihany koa ny fitahian'ny razana. Tsy misy zavatra hafa ao ambadiky ny filazana hoe: Ny fanahy tsy mba maty. Ary izay finoana "ny fanahy tsy mba maty" izay no manosika azy, hanaja sy hiantso ny razana. manosika azy koa hanaiky fa ny "fanahy ny maty" dia mbola afa-mihaino ny velona, sns...
Fehiny: samihafa ny atao hoe: fomba fanabeazana sy ny atao hoe: Finoana. Fomba fanabeazana ny olona hanaja ny tontolo (indrindra ireo zava-boaary miaro sy manohina ny aina) no lazainao eto, fa tsy resaka Finoana velively.

8. niryna
(
30/06/2009 14:24)
misaotra anao nizara
dia tsy fantatro intsony ilay finoana raha izany satria araka ny voasoratra ao anatin'ny Baiboly Testamenta Taloha dia hoe Aza manana Andriamanin-kafa hafa tsy Izaho Irery Ihany
itaramasoandro:hay ve nisy an'izany e,mba tantara be be kokoa hoe fa mbola tsy naheno izany pasipaoro mitondra any paradisa izany aho raha tsy androany?
ny fiangonana katolika dia anisan'ireo nampitahotra olona sy firenena maro t@ fotoana ny fitoriana ka nahatonga ny mponina maro namela ny finoany teo aloha. ny basilika md petera dia namboarina, tsarovy ange, t@ fampiorohorona ny olona tsy nanaiky hanaraka ny finoana kristianina ary noterena izy ireo hividy lafo dia lafo karazana pasipaoro mitondra ho an'ny @ paradisa!
dia mitovy ny finoana hafa izay vitsy taranaka ny omby dia lasa sacred na natao ho ambony noho ny zavatra rehetra ka lasa nivavahana .Izao ny omby no betsaka eraky ny tanana,toy izany koa ny ragidro feno eraky ny tanana ary dia tena mamela olona mihitsy rehefa tsy mahazo sakafo,fady tsy azo vonoina ka izy indray no lasa mamelaka tehamaina ny olona .
fa nivoaka t@ resaka ampiandohana ho'a ilay resaka fa ity indray misy finoana gasy natao hiarovana ny tontolo iainana:
sarobidy ny vorompotsy ary dia narovana hatrany satria toy ny namana eny an-tsaha manampy ny omby sy ny mpiandry. toy ny mamono sakaiza ny manenjika na mamono ny vorompotsy. mbola kely ny ankizy dia ampianarina ny fitsinjovana azy ireny.
toy izany koa ny kankafotra milaza ny fahatongavan'ny lohataona: fanairana ny tantsaha fa fotoana fambolena vaovao mitaky fihetsahana hitsonjovana ny taona ny feony.
itaramasoandro 8)
dia tsy fantatro intsony ilay finoana raha izany satria araka ny voasoratra ao anatin'ny Baiboly Testamenta Taloha dia hoe Aza manana Andriamanin-kafa hafa tsy Izaho Irery Ihany
9. rzakarivola
(
30/06/2009 14:43)
itaramasoandro:
lojika saingy ho an'ny ankizy dia miteny kokoa ny fomba fampitaorana, indrisy hatrizao.
tsaratsara kokoa ankehitriny ny tsy mampitahotra fa mampiorohoro ny ankizy ka mety mahakanosa azy na mahatonga azy hampihorohoro koa raha tsy misy ny manazava azy ny marina ambadiky ny fady.
==> Tsy azoko ity fanehoan-kevitrao ity. Ianao ihany no milaza fa miteny kokoa @ ankizy ny fampitahorana, kanefa hoy ianao hoe tokony tsy izany intsony no ampiasaina ankehitriny fa .... Izany hoe ny hampita fahalalana ny ankizy no zava-dehibe fa tsy ny hahatonga azy hankato mba hiarovana ilay fahasimbana ?
Fa na izany aza, azoko izany ny anton'ny nitenenan' Andriamanitra hoe "ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana"
10. rzakarivola
(
30/06/2009 14:48)
Tsy @ ankizy ihany le fampitahorana ka..fa ho an'ny marivo salosana rehetra..(jereo ilay lazain'i soanja atsy ambadika atsy hoe misy mampitahotra hoe rehefa tsy manaraka ny azy hono de tsary voavonjy)
Dia betsaka ny manao azy tsy sazoka vokatr'io
==> Izay koa fa azoko ny antony ilazàn'i Jesoa Kristy hoe : "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha tsy manetry tena ianareo ka ho tonga tahaka ny zaza, dia tsy hiditra ny fanjakàn'ny lanitra"
11. ikaretsaka
(
30/06/2009 17:31)
efa nisy nanipy ihany moa ilay resaka katolika ka mba tsetsatsetra tsy aritra kely:
ny katolika tokoa @ izoa fotoana izao dia mi reconnaitre ireny zavatra ireny an, dia miezaka miala tsikelikely @ ireny, dia ny mahagaga mapalahelo dia ireo fiangonana kristianina sasany indray no mivoy io fampitahorana io ankehitriny

12. itaramasoandro
(
30/06/2009 20:03)
Tsy azoko ity fanehoan-kevitrao ity. Ianao ihany no milaza fa miteny kokoa @ ankizy ny fampitahorana, kanefa hoy ianao hoe tokony tsy izany intsony no ampiasaina ankehitriny fa .... Izany hoe ny hampita fahalalana ny ankizy no zava-dehibe fa tsy ny hahatonga azy hankato mba hiarovana ilay fahasimbana ?hoy gasynamana.
ekeko fa tsy dia mazava laotra ny fanehoako ilay hevitra saingy ny tiako ho ambara dia ny hoe: fampitahorana ny ankizy no natao taloha mba andraràna azy ireo tsy hanao zava tsy tokony hatao, zavatra fady. tsy mandaitra intsony izany ankehitriny ary soa ihany.
finoana tokoa io satria izay nandika izany dia voabedy tokoa. nahoana ary, na hatao hoe fanabeazana tokoa aza io, no tsy azo antsoina hoe finoana ihany koa hipetrahan'ilay fomba fanabeazana.' tsy ny misahina ny sakafo ny fanahy ihany no hatao finoana.
misy koa ny hatao hoe finoanoampoana. an'ny tsirairay ny mamaritra raha mety na tsia ny mino sy manantanteraka azy.
tsy omby, vorompotsy na vary no finoako ho andriamanitra fa mino aho fa tsara ny miaro ireo satria mitondra fahasoavana ho ahy sy ny mponina ao @ fireneko izy ireo.
itaramasoandro
13. soanja
(
30/06/2009 23:02)
itaramasoandro:
maro ireo finoana malagasy midika fady ary natao hiarovana ny zavaboary fototry ny fiainan\'i malagasy hatr@ fahagolan-tany. ohatra :
- \"fady ny mipetraka ambaravarana @ fotoana iteraham-bary fa mahasarotra ny tera-bary\", natao hamelàna ny mpamboly hitsidika malalaka ny tanimbary ka tsy ho tafintohana raha misy olona eo antokonana. ny vary no anisan\'ny fototsakafo ny malagasy.
fady ny mamono ny kibobo, satria nitondra filaminana ho an\'ny tanàna izy fahagola raha tonga nanafika ny tanàna ny fahavalo. niafiana tao an\'ala ny mponina ary kibobo no nihetsika avy anaty bozaka noheverin\'ny fahavalo ho ireo mponina. lasa nandao ny tanàna ary ireo fahavalo tsy nahita olona.
mahafantatra hafa ve ianareo?
itaramasoandro 8)
Ny an'i Ntaolo dia manana finoana fa mampifandray antsika amin'ny razana sy ny Andriamanitra (Zanahary) no heveriny momban'ny Natiora; isan'ny goavana amin'izany ny vary sy mifandray aminy, ny omby sy ny mifandray aminy ary ny lanitra/ sy ny tany miaraka. Ireo rehetra ireo dia mitondra amin'ny fivondronana amin'ny fihavanana izay takian'ny Ntaolo hiainantsika hahafahantsika manantena fiaraha-miaina indray amin'izy ireo any ankoatra. Zany hoe lasa razana mitahy koa ianao rehefa izay.
Homeko manaraka ny fijerin'ny Ntaolo ny Voary ary aiza no itarafantsika ny fiasany amin'ny fiainantsika.
Tsara ny lohahevitra fa misaotra.
15. gasynamana
(
02/07/2009 10:56)
Ataoko fa ny antsoina hoe: "Finoana" no tsy mazava amin'i itanamasoandro, ka hanampiko ny fanazavana efa nomeko dia izao:
Ny "Finoana" dia mifototra amin'ny fahamarinana sarotra hazavaina. Raha miresaka finoana dia tsy misy mihitsy resaka "demonstration", fa mostration. Izany hoe: ny fahamarinana inoana dia tsy mba "hazavaina" fa "aseho".
Ohatra: fahamarinana mitaky finoana ny hoe: "Tsy maty ny Fanahy". Tsy misy fanazavana azo omena momba an'izany, fa aseho amin'ny fihetsika sy atao ary ny teny lazaina izany "fahamarinana izany. Noho ny finoana an'io ohatra no mahatonga ny Malagasy hanaja ny razana, hiantso ny razana, sns...
Ny zavatra lazainao, ohatra ilay hoe: "raha mandaka rindrina dia mahafaty ray aman-dreny" dia tsy fahamarinana mitaky finoana velively, satria azo hazavaina. Hoy ianao manazava azy ery ambony ery: "satria ihany koa t@ fiandohany dia rindrina notafiana tsihy fahizay ka raha nirodana izany tsihy izany dia sarona tao ny tsirairay ka matin-kasemporana". Dia jereo fa hazavainao daholo ireo zavatra lazainao fa finoana ireo.
Hamafisiko fa tsy finoana velively ny resaka ataonao eto.
Manaraka an'izay dia miresaka finoanoam-poana ianao. Ny hoe "Minomino foana" dia tsy azo lazaina hoe finoana, satria tsy misy ny fahamarinana ifaharan'ilay finoana fa "Foana" (vide). Ka raha tsy misy io fahamarinana mitaky finoana io, dia tsy misy koa izany ilay finoana.
Raha ny tena marina ny finoana dia mitarika ny olona mankany amin'ilay fahamarinana inoany. Ohatra ny kristiana dia mino an'i Jesoa Kristy, ary izay finoany izay dia mitondra azy ireo hanatona an'i Kristy. Ny malagasy dia mino ny "fanahy tsy mba maty". Io finoany io dia mitondra azy ireo hanamafy ny fihavanan'ny velona sy ny fifandraisany amin'ny fanahin'ny maty. "Velona iray trano hoy izy, ary maty iray fasana".
Misy olona mino fa ny biby sy ny zava-boaary hafa dia manana fanahy, ka hajain'izy ireo izany. Ataony izay fomba rehetra mba hihavanana aminy.
Taloha dia noho ny tahotra no nanosika ny olona hihavana amin'ireo andriamanitra inoany, satria ekeny sy inoany fa manana hery mihoatra noho izay ananany izay ireo, ka afaka hamono azy, na koa afaka hiaro azy.
Farany, ny resaka tantara lazainao eo amin'ny n°5 dia tsy hitako izay idirany amin'ny resaka atao eto.

16. itaramasoandro
(
03/07/2009 03:41)
misaotra anao manome fanazavana saingy,
1) na tsy midika inona aminao aza ny hoe itaramasoandro dia io no anarako eto fa tsy itanamasoandro araky ny nosoroatanao
2) hoy ianao hoe
farany) toa adinonao fa misy fidirana telo samihafa ny hatao hoe finoana
hoy mantsy ny rakibolana malagasy momba any io
finoana (avy @ ino, izany hoe fitokiana ho marina):
a) fitokiana izay voalazan\'ny olona iray. ny ohatra omeny dia ny hoe:ny tsy finoanao ny teniko no nahavoa anao
b) herim-panahy mahatonga hino ny fisian-javatra tsy hita maso noho ny filazan\'andriamanitra na ny irany. oh.: tsara ny fananana ny finoana nefa koa mbola tokony hifanaraka @ atao
d) foto-kevitra iompanan\'ny fivavahana iray. oh. : ny finoana kristianina/ mampiely ny finoana
raha raisina ny voalazako nokianinao anefa dia tafiditra anaty ny faritra a) ny finoana.
feranao ho @ dikany @ maha finoana ara-relijiosy tokona tsy misy dikany hafa ny hoe finoana ka io no tsy hitoviantsika hevitra.
tsy manahy akory izany fa izany ny hatao hoe samy manana ny heviny, ary aho tsy hanodina anao ary ianao tsy hanodina ahy fa hevitra tsy hitoviana fotsiny ihany.
itaramasoandro 8)
1) na tsy midika inona aminao aza ny hoe itaramasoandro dia io no anarako eto fa tsy itanamasoandro araky ny nosoroatanao
2) hoy ianao hoe
Hamafisiko fa tsy finoana velively ny resaka ataonao eto.raha ireo ohatra nentiko no raisina.
farany) toa adinonao fa misy fidirana telo samihafa ny hatao hoe finoana
hoy mantsy ny rakibolana malagasy momba any io
finoana (avy @ ino, izany hoe fitokiana ho marina):
a) fitokiana izay voalazan\'ny olona iray. ny ohatra omeny dia ny hoe:ny tsy finoanao ny teniko no nahavoa anao
b) herim-panahy mahatonga hino ny fisian-javatra tsy hita maso noho ny filazan\'andriamanitra na ny irany. oh.: tsara ny fananana ny finoana nefa koa mbola tokony hifanaraka @ atao
d) foto-kevitra iompanan\'ny fivavahana iray. oh. : ny finoana kristianina/ mampiely ny finoana
raha raisina ny voalazako nokianinao anefa dia tafiditra anaty ny faritra a) ny finoana.
feranao ho @ dikany @ maha finoana ara-relijiosy tokona tsy misy dikany hafa ny hoe finoana ka io no tsy hitoviantsika hevitra.
tsy manahy akory izany fa izany ny hatao hoe samy manana ny heviny, ary aho tsy hanodina anao ary ianao tsy hanodina ahy fa hevitra tsy hitoviana fotsiny ihany.
itaramasoandro 8)
17. ravonjison
(
03/07/2009 10:00)
Mba misy hevitra tiako hampiana mikasika itý ady hevitra itý. Izy itý mansty dia mikasika sy misy ifandraisyny @ ilay ady hevitra atsy ambadika atsy \" finoana sy fahamarinana \" saingy tsy nisy fotoana aho, kanefa mbola misy zavatra azo hiadiana hevitra be aho. Ka mba araraotiko itý hanehoako ny hevitro :
1- Ilay resahin\' i Itaramasoandro eto dia finoana tokoa. Taloha izy no nampiasaina ho fanabeazana ( araka ny lazain\' i gasynamana, fa @ izao fotoana izao ilay izy dia lasa finoana, satria efa tsy mitombina sy tsy marina intsony. Azo porofoina mantsy ilay izy fa tsy marina @ izao fotoana, ka rehefa hita fa tsy marina dia mijanona ho finoana sisa, hoan\' izay te-hino.
Ohatra : \" Tsy azo atao ny mandaka ridrina fa mahafaty nenibe\" .Taloha izany no marina ary nampiasaina ho fanabezana satria ny trano taloha dia vita t@ materialy ratsy , ka raha mandaka rindrina dia mirodana ilay trano, ny nenibe no matetika antitra ka tsy afaka mandositra , noho izany matetika maty ao.
@ izao fotoana izao anefa na mandaka rindrina impolo aza ianao dia tsy hirodana ilay trano ( azo porofoina), Tatý aoriana anefa dia nivadika finoana ilay izy , ary nijanona ho finoana koa, ekena fotsiny sisa( ho an¨izay te-hino), azo lavina tanteraka koa anefa hoan\' izay tsy te-hino . Ary tsy azo ampiasaina ho fanabeazana intsony.
2- Ilay finoana dia tsy azo raisina ho finoana ara-pivavahana fotsiny ( ny kristianina no manao izay matetika), fa mety ho finoana tsotra izao fotsiny ( tsy misy resaka fivavahana aho).
Ohatra : ny ankamaroan\' ny finoana gasy ( tsy ny gasy ihany anefa ...): ny razana dia mitahy. Tsy misy resaka andriamanitra aho, ary koa tsy mbola nisy porofo mikasika izany , noho izany mijanona ho finoana fotsiny ihany. Tsy azoko atao mihitsy hoe resaka fahamarinana izany, tsy misy zavatra marina voaporofo ao.
Eto angamba dia mety hisy \" discussion \" @ gasynamana aho satria izy moa milaza fa ny fahamarinana no mitarika ilay finoana. Izaho kosa milaza fa ny finoana no voalohany, ka rehefa voaporofo fa misy zavatra marina aho ( na tsy marina ) dia rava ilay finoana ka mivadika ho fahamarinana ( na rava fotsiny), satria tsy azo lavina intsony ilay fahamarinana ( na ilay fahadisoana). Raha tsy misy kosa ilay porofo , dia matetika mijanona ho finoana ihany ilay izy.
Tiako ho marihna anefa fa raha tsy mbola misy ny porofo androany, tsy midika fa tsy hisy izany afaka 300 taona ( ohatra).

18. itaramasoandro
(
03/07/2009 14:57)
miombo-kevitra isika ravonjison fa ny finoana dia tsy noferana anaty finoana relijiosy ihany fa malalaka lavitra noho io.
eo ilay mampivelatra ny hevitra @ fanajàna ny finoan'ny hafa na dia tsy mifandraika @ an'ny tena aza. saingy tsy midiaka izany hoe mankasitraka sy mandàla azy koa ny tena.
mamelà ahy ampahatsiaro ity tenin'i gandhi hoe "
ary hamafisiny @ hoe:
nandàla hatrany ny tsy fisian'ny herisetra i gandhi ary hatr@izao dia tsy misy olona afa-tsy ny dalaï lama no tonga @ toerana avo nisy azy.
aoka hazava fa tsy izy no andriamanitra hinoako saingy miteny amiko ny heviny ary maodely tsara ampitaina @ ankizy sy mponina ankehitriny ny maha lehibe an'i gandhi sy dalaï lama.

en réalité, il existe autant de religions que d'individus
ary hamafisiny @ hoe:
si un homme atteint le coeur de sa propre religion, il atteint également le coeur des autres religions
nandàla hatrany ny tsy fisian'ny herisetra i gandhi ary hatr@izao dia tsy misy olona afa-tsy ny dalaï lama no tonga @ toerana avo nisy azy.
aoka hazava fa tsy izy no andriamanitra hinoako saingy miteny amiko ny heviny ary maodely tsara ampitaina @ ankizy sy mponina ankehitriny ny maha lehibe an'i gandhi sy dalaï lama.
itaramasoandro 8)
19. rakapy
(
03/07/2009 16:42)
Nanaraka ihany ity adi-hevitra ity aho. Hita fa mahalina tokoa fa saingy lasa mivelatra loatra ka tsy hita ny tena hitondrana azy.
Itaramasoandro> marina fa malalaka be ilay atao hoe finoana ary angamba mety ahafeno boky 1000 pejy mahery raha io no resahina.
Nefa araka ny lohateny nitondranao azy moa dia ny hoe "Finoana miaro zava-boahary"
Ny tiako ambara dia hoe tokony dinihina isan-tsokajiny ilay atao hoe finoana mba ahitana ilay hevi-baventy izay entiny amin'ny fiarovana ny zava-boahary.
Oh : ny finona Rastafarai sy ny fiarovana ny zava-boahary, ny Buddhist , ny Xana ,Malagasy sns.....
Asa moa fa mba mi encadrer ilay dinika fotsiny ny tenako.

20. itaramasoandro
(
03/07/2009 22:13)
Ny tiako ambara dia hoe tokony dinihina isan-tsokajiny ilay atao hoe finoana mba ahitana ilay hevi-baventy izay entiny amin\'ny fiarovana ny zava-boahary.
hoy rakapy
ka avy teo indrindra anie no nisokafan\'ilay resaka fa rehefa maka \"làlankely\" hafa ny namana-mpiserasera tsirairay dia lasa manaraka an\'iny làlankely iny aloha vao mitampody miverina e!
na izany na tsy izany aza dia tsy mifandaka @ io lohan-teny io ilay antsoiko hoe \"làlankely\" nokianinao fa i mahatma gandhi dia nampiditra tao anaty ny finoany ny fiarovana ny biby satria aminy dia ampy hamelona ny olombelona ny zavamaniry.
(Rononon\'omby ihany no nosotroiny fa tsy nihinan-kena izy. ny finoana hindoista no nahatonga azy hanaja izany saingy nivelatra t@ finoana hafa maro ny finoan\'i gandhi.)
ka ny tiako nambara teo ampiandohana dia raha ny finoana malgasy no jerna, dia niaina hatrany miaraka @ tontolony ny malagasy, satria ny manondidina azy, ny tany, ny lanitra sy razana ary ny hazo ny voamadilo dia sarobidy satria mampita ny eritreritry ny olona 2 razana sy ny zanahary.
itaramasoandro 8)