finoana miaro zavaboary
21. gasynamana
(
04/07/2009 08:36)
Itaramasoandro: Tsy hitady zavatra hafa aho fa izay voalazanao ihany no entiko hanomezana fanazavana ho anao.
Ianao dia nilaza fa misy famaritana telo samihafa nomen’ny raki-bolana malagasy momba ny finoana. Nambaranao fa mifanojo amin’izay voalaza ao amin’ny famaritana voalohany (a) ny voalazanao.
Hoy ianao: finoana (avy @ ino, izany hoe fitokiana ho marina):
a) fitokiana izay voalazan'ny olona iray. ny ohatra omeny dia ny hoe: ny tsy finoanao ny teniko no nahavoa anao
Andeha horaisintsika io ohatra nomeny io mba hampazava ny resaka. Ny zavatra voamarika voalohany dia izao: Tsy voafaritra ilay zavatra noteneniny. Midika izany fa tsy ilay «zavatra lazaina» no zava-dehibe amin’ity famaritana ity fa «ilay olona milaza» sy «ilay iresahany». Izany hoe, ilay ranamana voalaza fa tsy nino izay nolazaina taminy ka voa eto dia azo lazaina hoe olona tsy manana fahatokisana. Tsy azo faritana hoe: olona tsy manam-pinoana io olona io, satria tsy misy resaka idiran’ny finoana eto.
Ohatra: Nialohan’ny hiaingana tao an-trano dia niteny Neny hoe: «Mitondrà elo ianao anaka fa ho avy io orana io rahariva». Tsy nitondra anefa ilay zanany fa nandeha amin’izao fotsiny. Nony tonga ny hariva, tamin’ny fotoana firavan’ny mpianatra iny indrindra, nirotsaka ny orana ary tena avy be mihitsy. Vokany, kotsa tanteraka ilay zanany tonga tany an-trano. Ary hoy ny reniny taminy: «ny tsy finoanao ny teniko no nahavoa anao». Olona tsy manam-pinoana ve izany ilay zanany sa olona tsy manam-pitokisana? Ianao ihany dia efa afaka hilaza fa olona tsy manam-pitokisana izy.
Ary raha nanaiky ny tenin’ny reniny izy, izany hoe: nitondra elo, dia nilaza taminy indray ny reniny hoe: «Noho ny finoanao ny teniko, no tsy nahavoa anao». Dia ataoko fa ianao ihany dia efa afaka hilaza fa hoe: olona manam-pitokisana ny reny io zaza io.
Diso kosa ny filazana fa manam-pinoana izy, satria ny finoana na ho an’ny malagasy, na ho an’ny bouddhiste, na ho an’ny silamo, sns… dia mahafoaka an’ireo famaritana telo (a, b, d) voalazanao ireo.
Raha miresaka finoana, na finoana inona na finoana inona (finoan’ny razana, kristiana, boudhhiste, silamo, sns…) dia iray ihany no famaritana azy. Ny Votoatin’ny finoana kosa no mety tsy mitovy. Izany hoe: na finoana inona na finoana inona dia samy misy: «Fahamarinana» ekena ho marina, samy misy «olona (na andriamanitra)» hatokisana, ary samy misy zavatra «andrandraina na antenaina».
Tsara ny manamarika fa raha miresaka hoe: relijiozy (avy amin’ny hoe: religieux) dia tsy voafetra ho resaka kristiana ihany izany, fa voafoaka ao daholo rehefa mety resaka finoana.

22. gasynamana
(
04/07/2009 09:09)
ravonjison : Tsara raha mamaky tsara izay voalazako ary ambadika ary aloha ianao!
Fa hanampiako azy dia izao: Tsy ny «Finoana», araka ny voalazanao, no mialoha ny «Fahamarinana», fa ny fahamarinana no mialoha ny finoana. Alaivo sary an-tsaina fotsiny hoe: misy olona iray miteny hoe: «Mino aho». Ny fanontaniana apetraky ny rehetra aminy avy hatrany dia ny hoe: «Mino inona?» na koa hoe: «Mino an’iza?» Midika izany fa mialohan’ny hilazana fa «MINO» dia misy ny zavatra «EKENA FA MARINA». Tsy ekena fotsiny fa tena maharesy lahatra tanteraka. Ary io Fahamarinana io dia fahamarinana sarotra lavina na dia sarotra hazavaina aza. Tsara marihana fa rehefa misy ny fanaporofona (fandavana ilay fahamarinana voalaza na fanamafisana azy) dia tsy misy intsony ny finoana. Ohatra iray ity: misy vondron’olona te handrava tanteraka ny finoana kristiana ka miezaka manamporofo fa tsy marina ny zavatra rehetra lazain’ny Baiboly momba an’i Jesoa. Isan’izany ohatra ny filazana fa hita ny taolany. Misy mihitsy aza ny vondron'olona miezaka manamporofo fa tsy nisy akory izy.
Tiako ho marihana koa fa ny finoana dia tsy fomba: Fihevitra. Ohatra: Darwin dia nihevitra fa ny biby no nivoatra ka tonga olombelona. Tsy mbola tena nisy ny porofo mazava nomeny, na hita hatramin'izao momba an'izany. Io dia fomba fihevitra, avy amn'ny fandinihana sy ny fikarohana, fa tsy azo lazaina hoe: finoana velively.
- Manaraka an’izay dia izao: Araka ny voalazako teo aloha ary hamafisiko dia izao: raha tsy misy ny fahamarinana ekena fa marina, ary tena marina, dia azo lazaina fa finoanoam-poana ilay finoana, izay azo lazaina hoe tsy finoana velively. Ny finoanoam-poana dia midika hoe: Mino «Foana» (vide), izany hoe tsy misy fahamarinana inoana. Ka raha tsy misy ny inoana dia tsy misy izany ny finoana.
- Hoy ianao: «Tiako ho marihna anefa fa raha tsy mbola misy ny porofo androany, tsy midika fa tsy hisy izany afaka 300 taona ( ohatra)». Ny fahamarinana rehetra dia tsy siantifika daholo, ka aza ferana amin’ny fanaporofona ny fiekena fa «Marina» ny zavatra iray. Ny porofo dia tsy critère ilazana fa marina ny zavatra iray, fa fanamafisana fotsiny ihany (Jereo ny fanazavana ary ambadika ary).
- Farany: ilay nolazainao eo amin’ny laharana faharoa (n°2) dia misy fifanoheran-kevitra kely. Izao mantsy, na finoana inona na finoana inona dia samy misy endri-pivavahana daholo, izany hoe samy misy vavaka daholo. Ny vavaka dia tsy ilay manao ny fanaon’ny kristiana ihany akory, ary tsy ny kristiana ihany no mivavaka fa na ny malagasy nanolotra sorona, nanao joro, niantso razana, sns… dia efa vavaka daholo ireny. Ny meditations ataon’ny bouddhiste, ny yogah, sns… dia vavaka daholo koa ireny…

23. ravonjison
(
04/07/2009 12:45)
Salut gasynamana a . Misy hevitra betsaka hitovizantsika ao, ka izay tsy hitovizanztsika ihany no asiako ady hevitra .
Alohan \\\' ny hanohizako ny ady hevitra dia tiako marihina fa kristianina aho, fa kosa kristianina tsy azo adaladalaina ary tsy azo halemena saina.
Voalazanao :
\\\" Fa hanampiako azy dia izao: Tsy ny «Finoana», araka ny voalazanao, no mialoha ny «Fahamarinana», fa ny fahamarinana no mialoha ny finoana. Alaivo sary an-tsaina fotsiny hoe: misy olona iray miteny hoe: «Mino aho». Ny fanontaniana apetraky ny rehetra aminy avy hatrany dia ny hoe: «Mino inona?» na koa hoe: «Mino an’iza?» Midika izany fa mialohan’ny hilazana fa «MINO» dia misy ny zavatra «EKENA FA MARINA». Tsy ekena fotsiny fa tena maharesy lahatra tanteraka. Ary io Fahamarinana io dia fahamarinana sarotra lavina na dia sarotra hazavaina aza. Tsara marihana fa rehefa misy ny fanaporofona (fandavana ilay fahamarinana voalaza na fanamafisana azy) dia tsy misy intsony ny finoana. Ohatra iray ity: misy vondron’olona te handrava tanteraka ny finoana kristiana ka miezaka manamporofo fa tsy marina ny zavatra rehetra lazain’ny Baiboly momba an’i Jesoa \\\".
Eto dia tsy mitovy mihitsy ny hevitsika.
Ny olombelona noho ny tahotra, noho ny tsy fananany fanazavana mikasika ny tontolo ianinany, no nahatonga azy nametraka finoana, taty aoriana Andriamannitra. Izany finoana izany dia efa nisy hatrizay, talohan\\\' ny niterahan\\\' ny fivavahana. Ny kristianina no miezaka mampiditra ilay fahamarinana ho eo alohan\\\' ny finoana, kanefa izy ihany no milaza fa tsy ilaina ilay fahamarinana fa tsy maintsy mino fotsiny ianao.
Voalaza ao@ baiboly : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana \\\", avy eo indray anefa... : Sambatra izay mino nefa tsy mahita.
Izany hoe tsy voatery hiatanao sy fantatrao ny marina ( izany hoe tsy ao nagamba ilay fahamarinana azo porofoina), fa kosa atorony anao ny fahamarinana ( tsy azo porofoina sy tsy azo lavina. ( Araka ny voalazan\\\' i rakapy : Raha hiteny aho hoe izay mino an\\\'i jesosy dia haazo ny fiainana mandrakizay sy ny paradisa mahafinaritra. Io dia tsy azo iadina hevitra satria tsy nisy lasa tany ka niverina ary nahita fa tena marina tokoa izany. Ka noho io tsy fahafahana miverina io no anisan\\\'ny nahatonga ilay finoana.)
Antony: raha fantatrao ny marina dia mety ho rava ilay finoana.
Io fahamarinana tsy azo porofoina sy tsy azo lavina io izany no lazainao fa tsy maintsy mialoha ilay finoana. Mi-comprendre aho. Izany anefa dia tsy fahamarinana tanteraka fa kosa fahamarinana tsy voaporofo sy tsy azo lavina fotsiny. Satria raha voaporofo fa marina izy dia tsy azo hinoana intsony fa ekena fotsiny, raha tsy marina kosa dia mirodana hoazy ilay finoana.
Ny olona dia mety ho resy lahatra @ finoana , tsy mila fahamarinana anefa izany. Rehefa te-hino izy dia mino fotsiny.
Raha mametraka fanontaniana ianao : mino inona na mino an\\\'iza ? Ny valin-teny dia mety hoe: mino aho fa misy hery hafa manodidina antsika olombelona. Tsy fantatro na marina izany natsia fa inoako fotsiny, satria tsy manana fanazavana aho.
Ohatra : -ny kristianina dia mino fa Jesosy dia zanak\\\' Andriamanitra ary nitsangana t@ maty.
- ny silamo dia mino fa Jesosy dia mpaminany toy ny mpaminany rehetra ihany.
Aiza ary ilay fahamarinana mialoha ilay finoana eto ? Raha marina fa zanak\\\' Andriamanitra Jesosy, dia tsy misy fahamarinana ao@ silamo, ry zareo anefa mino foana. Raha mpaminany fotsiny i Jesosy, tsy misy fahamarinana izany ao @ kristianina.
Mazava fa tsy maintsy misy diso ny iray amin\\\' ireo ( tsy misy fahamarinana ao ), kanefa mitohy foana ilay finoana.

24. ravonjison
(
04/07/2009 13:03)
Voalazana' i gasynamana :
" Manaraka an’izay dia izao: Araka ny voalazako teo aloha ary hamafisiko dia izao: raha tsy misy ny fahamarinana ekena fa marina, ary tena marina, dia azo lazaina fa finoanoam-poana ilay finoana, izay azo lazaina hoe tsy finoana velively. Ny finoanoam-poana dia midika hoe: Mino «Foana» (vide), izany hoe tsy misy fahamarinana inoana. Ka raha tsy misy ny inoana dia tsy misy izany ny finoana.
- Hoy ianao: «Tiako ho marihna anefa fa raha tsy mbola misy ny porofo androany, tsy midika fa tsy hisy izany afaka 300 taona ( ohatra)». Ny fahamarinana rehetra dia tsy siantifika daholo, ka aza ferana amin’ny fanaporofona ny fiekena fa «Marina» ny zavatra iray. Ny porofo dia tsy critère ilazana fa marina ny zavatra iray, fa fanamafisana fotsiny ihany (Jereo ny fanazavana ary ambadika ary). "
Ny kristianina no milaza fa minomino foana ny olona rehefa tsy mino tsy mino ny fivavahana kristianina. Ny fivavahana kristianina ihany mantsy no lazainy fa marina ( mifototra @ fahamarinana).
Izany dia fomba fijery kristianina. Ny olona na ny firenena tsirairay anefa dia samy manana ny finoany , ary samy manana ny mahaizy azy izany finoana izany.
Ny kristianina no milaza fa minomino foana izy ireo, aminy kosa anefa izany finoana izany dia finoana tokoa fa tsy finoanoam-poana velively.
@ fomba ahoana no azonao hilazana fa fahamarinana ny zavatra iray raha tsy nahitanao porofo ? Satria ve izany no nolazain' ny Mohamed na Jesosy ...
Tsy fantatrao hoe fahamarinana mihitsy ny zavatra raha tsy misy porofo. Raha tsy ilainao ny porofo, dia azonao hinoana fotsiny ilay izy.

25. ravonjison
(
04/07/2009 13:06)
Voalazan' i gasynamana :
" Farany: ilay nolazainao eo amin’ny laharana faharoa (n°2) dia misy fifanoheran-kevitra kely. Izao mantsy, na finoana inona na finoana inona dia samy misy endri-pivavahana daholo, izany hoe samy misy vavaka daholo. Ny vavaka dia tsy ilay manao ny fanaon’ny kristiana ihany akory, ary tsy ny kristiana ihany no mivavaka fa na ny malagasy nanolotra sorona, nanao joro, niantso razana, sns… dia efa vavaka daholo ireny. Ny meditations ataon’ny bouddhiste, ny yogah, sns… dia vavaka daholo koa ireny… "
Misy lesy ny olona mino tsotra izao fotsiny a, kanefa tsy mivavaka minhitsy a.

26. itaramasoandro
(
04/07/2009 14:02)
hoy ravonjison:
ny filazanao azy dia toa midika hoe vao tonga ny andriamanitry ny kristiana dia foana avy teo ny tahotra nisy teo @ olombelona, sa diso ny fandikako ny teninao\'?
tahotra io tokoa no hitadiavan\'ny olombelona halaolana eo @ fiainany. tafiditra ao anat\'izany ny ahy, ny tsy fisian\'ny fahatokiana, ny fahalemen\'ny fanahy, ny aretina, ny toetrandro sy ny lozavoazanahary toy ny rivodoza, ny fihetsehan\'ny tany, sns.
nohon\'ny tsy fisian\'ny vahaolana raikitra izay mandaitra hatrany manoloana ireo loza isan-karazany ireo dia mitady fanazavana ny olombelona ary miaiky fa misy hery lehibe lavitra noho izy manodidina azy.
miovaova ary io hery io eo @ tsirairay ka niteraka ny finoana isankarazany izay ny sasany mino andriamanitra iray tokana, ny sasany andriamanitra maro, ny sasany milaza hoe tsy mino ninoninona.
raha lazaina tsotsotra dia : ny kristiana matahotra ny afo be sy ny finoana noentimparazana; ny silamo dia matahotra ny mety fisiana andriamanitra maro; ny bodista sy hindoista dia matahotra ny aretina sy fijaliana ka mitsinjo hatrany ny miaina mba hahafahana mihaotra izany ka hipoirana indray @ fianana vaovao, sns.
ny an\'i malagasy kosa dia ny fifandraisana andavanandro @ razana sy ny zanahary no vahaolana hitany manoloana ireo tahotra samihafa voateny etsy ambony. anisan\'izany ny fifandraisiny akaiky dia akaiky @ tontolo sy zavaboary satria mifameno anatin\'io tontolo io ny olombelona ary miombona sy mifamatotra @ tanteraka. ny fanafody azo @ zavamaniry, ny fiheverana ny fahamasinany tanindrazana, ny fomba fitsinjovana ny voambolana, ny mahasarobidy ny omby, sns. : ireo no halaolana hinoan\'ny malagasy mafy indrindra.
noho izany dia miaro ny tontolony ny finoana noentimparazana malagasy.
itaramasoandro 8)
Ny olombelona noho ny tahotra, noho ny tsy fananany fanazavana mikasika ny tontolo ianinany, no nahatonga azy nametraka finoana, taty aoriana Andriamannitra. Izany finoana izany dia efa nisy hatrizay, talohan\\\' ny niterahan\\\' ny fivavahana. Ny kristianina no miezaka mampiditra ilay fahamarinana ho eo alohan\\\' ny finoana, kanefa izy ihany no milaza fa tsy ilaina ilay fahamarinana fa tsy maintsy mino fotsiny ianao.
Voalaza ao@ baiboly : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana \\\", avy eo indray anefa... : Sambatra izay mino nefa tsy mahita.
ny filazanao azy dia toa midika hoe vao tonga ny andriamanitry ny kristiana dia foana avy teo ny tahotra nisy teo @ olombelona, sa diso ny fandikako ny teninao\'?
tahotra io tokoa no hitadiavan\'ny olombelona halaolana eo @ fiainany. tafiditra ao anat\'izany ny ahy, ny tsy fisian\'ny fahatokiana, ny fahalemen\'ny fanahy, ny aretina, ny toetrandro sy ny lozavoazanahary toy ny rivodoza, ny fihetsehan\'ny tany, sns.
nohon\'ny tsy fisian\'ny vahaolana raikitra izay mandaitra hatrany manoloana ireo loza isan-karazany ireo dia mitady fanazavana ny olombelona ary miaiky fa misy hery lehibe lavitra noho izy manodidina azy.
miovaova ary io hery io eo @ tsirairay ka niteraka ny finoana isankarazany izay ny sasany mino andriamanitra iray tokana, ny sasany andriamanitra maro, ny sasany milaza hoe tsy mino ninoninona.
raha lazaina tsotsotra dia : ny kristiana matahotra ny afo be sy ny finoana noentimparazana; ny silamo dia matahotra ny mety fisiana andriamanitra maro; ny bodista sy hindoista dia matahotra ny aretina sy fijaliana ka mitsinjo hatrany ny miaina mba hahafahana mihaotra izany ka hipoirana indray @ fianana vaovao, sns.
ny an\'i malagasy kosa dia ny fifandraisana andavanandro @ razana sy ny zanahary no vahaolana hitany manoloana ireo tahotra samihafa voateny etsy ambony. anisan\'izany ny fifandraisiny akaiky dia akaiky @ tontolo sy zavaboary satria mifameno anatin\'io tontolo io ny olombelona ary miombona sy mifamatotra @ tanteraka. ny fanafody azo @ zavamaniry, ny fiheverana ny fahamasinany tanindrazana, ny fomba fitsinjovana ny voambolana, ny mahasarobidy ny omby, sns. : ireo no halaolana hinoan\'ny malagasy mafy indrindra.
noho izany dia miaro ny tontolony ny finoana noentimparazana malagasy.
itaramasoandro 8)
27. gasynamana
(
04/07/2009 14:24)
itaramasoandro:
Raha ity zavatra amabaranao farany ity dia ekeko fa izay ilay finoana malagasy, fa tsy ilay nolazainao tery ambony tery kosa.
Amiko ny fandraisan ny hoe: "aza madaka rindrina fa mahafaty ray aman-dreny", ho finoana malagasy dia manamaivana ny finoana malagasy. Tsy misy idiran'ny finoana izany. Misy fahendrena lalina kosa ao anatin'io dia ny fanajana ireo Ray aman-dreny.

28. gasynamana
(
04/07/2009 14:28)
ravonjison:
Misy tokoa ny mino fotsiny ihany fa tsy mivavaka, ary be dia be. Na kristian aza dia betsaka ny mino fa tsy mivavaka.
Fa tsy izay akory no antony ilazana fa tsy misy vavaka ao anatin'ny finoana malagasy, na bouddhiste sns...
Ny sisa hovaliako amin'ny manaraka fa hody aloha alina ny andro.

29. ravonjison
(
05/07/2009 10:09)
Voalazan\' i gasynamana:
\" ny filazanao azy dia toa midika hoe vao tonga ny andriamanitry ny kristiana dia foana avy teo ny tahotra nisy teo @ olombelona, sa diso ny fandikako ny teninao\'? \"
Rehefa tonga ny Andriamanitry ny kristianina dia nisy ny tahotra foana , misy kosa anefa ny tahotra tsy foana. Zava-dehibe ilay Andriamanitra, kanefa tsy nanala ny tahotra rehetra.
Ohatra:
1- Rehefa tonga ny Andriamanitra kristianina dia tsy natahotra ny fahafatesana intsony ireo mino azy satria hitsanagana @ maty koa ka hanana ny fiainana mandrakizay. Mba ho fanomezantoky sy \" demonstraton \" an\' izany dia nitsangana t@ maty i Jesosy. Noho izany dia tsy olana @ mpino azy ny fahafatesana fa \" etape \" andalovana fotsiny.
2- Ilay Andriamanitra anefa tsy nanala ny tahotra mikasika ny \" olona na biby extraterrestre \" izay mety hanafika antsika eto antany ( ny fisiany na ny tsy fisiany dia tsy mbola voaporofo)
3- Ilay andriamanitra dia tsy nanala ny tahotra mikasika ny aretina haromotana \" rage \" . Ny medicine no nanala ilay tahotra , satria efa misy ( amboarina) ny \" anticorps \" izay fanafodiny @ izao fotoana izao.
Tena hadinoko ny role n\'ilay \" decalage horaire\" .Hay moa @ 4ora tolakandro atý efa @ 7 ora hariva any Dago.

30. itaramasoandro
(
05/07/2009 20:25)
maro ireo finoana malagasy midika fady ary natao hiarovana ny zavaboary fototry ny fiainan'i malagasy hatr@ fahagolan-tany.
io no nanomboako ny hevitra fa nohon'ilay fandikàna voalohany araka ny rakibolana dia, eny gasinamana, fa anisan'ny finoana eo @ malagasy io na dia tsy dia tsy reha laotra intsony andrenivohitra sy andrenivohiparitany aza.
finoana hafa, toy ny fototry ny finoana aram-panahy malagasy kosa ny momba ny razana sy zanahary.
tsy hitovy hevitra isika fa atao ahoana moa? misaotra nitafa e!
itaramasoandro 8)
31. rzakarivola
(
08/07/2009 13:13)
Mino aho, fa matoa tsy nofoanan\' Andriamanitra hatrizay ireny finoana ny fady ireny, izay mikasika zavatra ara-nofo, mba hitandrovana ny fiaraha-monina ara-nofo, dia fiainana ara-nofon\'ny tsirairay, dia tian\' Andriamanitra hianarantsika mibanjina hahafantarantsika fa misy ny fiaraha-monina ara-panahy, fiainanan\'ny fanahy, izay mety ho potika ka mila tandremana.
Ny Malagasy razantsika koa aza, araka ny tantara, voalaza fa nino izao zavatra manaraka izao :
- ny fanahy no olona (ny fanahy no maha olona ny olona)
- Rehefa maty ny nofon\'ny olona, ny fanahiny dia mankany amin\'ny toerana akaiky an\'i Zanahary.
Mifandray amin\'izao lohahevitra izao napetrak\'itaramasoandro izao, ary azo isaintsainana :
1- Na natao fampianarana, na finoana, na fampitahorana, na inona na inona ... ho fiarovana ny tontolo iainana, zavatra misy ankehitriny : efa potika ny tontolo iainana (sa diso aho ?).
2- Nisy koa ny fampitahorana sy fampianarana isan-karazany mikasika ny ara-panahy. Nankato izany ve isika ? Manao ahoana ny fahapotehan\'ny tontolo iainana ara-panahy ?