Ny miaramila ihany no manao ireny baomba ireny!

1. Onjakeli ( 23/06/2009 14:34)
Tsy hita intsony ny fika handravana ny mpanohana an'i ravalo etsy amin'ny Magro de atao avokoa izay mety handotoana azy ireo. Le resaka baomba ohatra. Mboçla misy toerana 5 mampiahiahy mety misy fanampoahana baomba hoy ny Kolonely Richard Ravalomanana tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tetsy Mahamasina tamin'ny herinandro. Ka tsy ry zareo ihany ve izany no tompo-marika amin'ny fanapoahana ireny baomba ireny satria efa hainy mialoha ny zava-drehetra sady efa fantany mialoha hatramin'ny isany sahady ny toera,a mety hisy fanampoahana. Ireo izay efa nanapoaka aza hatramin'izao tsy mbola voasambotra na de nodradraina aza fa haparitaka amin'ny alatsinainy ny sarin'ireo teo amin'ny Leader Price.

Ankoatra izay tambazana 3 200 tapitrisa ny miaramila sy ny polisy fa sao de mivadika eo indray koa.
novalian'i essera ny 24/06/2009 06:19
2. vaninna ( 23/06/2009 14:54)
ny mpomba Ra 8 milaza fa Hat ny manao ireny bomba ireny; ny Hat milaza fa ny pro ra8 no mpanakorontana manao ireny bomba ireny

MIFANARAHA IANAREO ROA TONTA AO AMBADIKY NY RIDEAU MIARAKA @ EMISSAIRE NY SADC SY NY ONU fa aza ny vahoaka no lalaovina é
Hany ka manjary voasarika ry Onjakeli manao dika tsy voaporofo izay vaovao reny; izay tsy azo anomezan-tsiny azy, satria izay no fahazoany sainy azy !!!!
3. lavaka ( 23/06/2009 14:56)
maivana kely izany fatran'ny fandalinanareo izany ry onja.
raha izao no fatranao dia tsy hanonja mihintsy ny ranom-panoherana, fa asa aloha.
tsy mendrika anao izao ry onja a! ampiakaro le fatra fa tena tsy mihetsika le famarana e!.

aoka re!!!!
4. Noue ( 23/06/2009 15:08)
fikan'ny FAT(Y) daholo ireny eee ! ry zareo ihany anie no terorista eee
5. Onjakeli ( 23/06/2009 15:10)
Mba rehefa milaza ny zava-misy indray mo le Onja de laizana fa maivana ny fatram-pandalinana koh. Mba mahatantesa hoa ilazana ny marina. Izao fotsiny hoe: aona no ilazanao fa misy toerana dimy mbola mampiahiahy raha tsy efa hainao ilay izy? Aza mba mievitrany olona ho vendrana e!SAdy io Kolonely io tamin'izay conference de presse izay efa nibolisa-bava saika hilaza ny marina fa maodiny haingana fa saika ho anina izy.
Le Onja ne maharaka matoa miteny e!fa tsy oe voasarika hanao porofo tsy marina.
De ilazao ry zareo HAT fa izy no tena mialalao ny vahoaka eto
6. Noue ( 23/06/2009 15:44)
ka ry zareo anie tsy maintsy manohitra eee! fa ny tena mampalahelo dia na ny marina rehetra zao aza hodiana fanina fotsiny
7. fahamarinana ( 23/06/2009 16:04)
vannina:
MIFANARAHA IANAREO ROA TONTA AO AMBADIKY NY RIDEAU MIARAKA @ EMISSAIRE NY SADC SY NY ONU fa aza ny vahoaka no lalaovina é

:arrow: zany ka fomba fijery tiko an ! Marina e !..:D (l)
8. xxx ( 23/06/2009 16:14)
Raha tsy borné isika fa mba miezaka mandalina kely fotsiny dia mazava be ilay izy. Inona moa ny tombotsoan'ny HAT hanakorotana an'i gasikara nefa izy efa eo amin'ny fitondrana.
9. fahamarinana ( 23/06/2009 16:20)
:arrow: xxx 7 : raha jerena amin'ny saina sy fo tsy miangatra anie dia eo ihany ny hat sy ny korontana,herisetra vitany ,fa eo koa ny ankilany mpandrangitra sy milaza ny hoe hikatsaka ny democratie nefa ny mifampisintona tady sy manenjana azy no vitany ! Fehiny : izao kontana tsy misy fitsaharana izao ,raha tsy ny iray dia ny iraika koa ! Asa rahoviana vao hisy hanao jery todika kely ny vahoaka e !
Fa fomba fijeriko koa moa io ka mety ho diso sy tsy eken'ny maro dia aereno amiko ! :D (l)
10. Onjakeli ( 23/06/2009 16:25)
Ka enao ve de mieritreritra fa milamina ry zareo. fitondrana tsy misy mi-reconnaitre io ve de milaza fa milamina. tsy hitany izay handrava ny hetsiky ny pro ravalo fa ny fisian'ireo eo am magro de ts mampilamina azy de tsy hita ze fika. amzay de tsy avela hitokona eo tsony ireo fa manelingelina azy de baomba e, terroriste e...........
11. fahamarinana ( 23/06/2009 16:37)
:arrow: Iza no nilaza fa nilamina na tsy nilamina aloha ? Tsy haiko na amiko ny fanontaniana no navatana fa ho valiko ihany !
Ny ahy manokana tsy mpiandany amin'iza na iza aho fa ny vokany no hitako sy tsapako ary mampalahelo ahy !Responsables daholo na iza io antoko io ,na inona firehana politika ananany !Ny vaha-olana rahateo tsy misy azo raisina satria samy be loha na ny andaniny na ny ankilany !Ny fifidianana andrandraina moa mbola lavitrezaka e !Asa izay hiafarantsika amin'izao ! Izay monja no manohana ny foko ,ny ambiny :ady politika,sns dia tsy takatry ny saiko ary maro ny malagasy tahaka ahy ihany koa,tsy voatery ho pro iza na iza ! :? (l)
12. Noue ( 23/06/2009 16:46)
coup d'état aza vitany ko zay hametraka bombe ve tsy ho vitany eee ??? misy azo lazaina ho terorista mihoatra ny fanaovana coup d'état ve ???
13. xxx ( 23/06/2009 16:47)
fahamarinana:
Ny ahy manokana tsy mpiandany amin'iza na iza aho fa ny vokany no hitako sy tsapako ary mampalahelo ahy !Responsables daholo na iza io antoko io ,na inona firehana politika ananany !Ny vaha-olana rahateo tsy misy azo raisina satria samy be loha na ny andaniny na ny ankilany !Ny fifidianana andrandraina moa mbola lavitrezaka e !Asa izay hiafarantsika amin'izao ! Izay monja no manohana ny foko ,ny ambiny :ady politika,sns dia tsy takatry ny saiko ary maro ny malagasy tahaka ahy ihany koa,tsy voatery ho pro iza na iza !


Zah koa dia mitovitovy hevitra taminao izay ihany taloha. Fa tsarovy fa raha tena te hanova ny zava-misy ianao dia tsy maintsy mijabaka amin'ilay izy. Izay manao politika no tena afaka manova ny fiainana an-davanandro. Ilay miteny na mitsikera fotsiny eny amin'ny sisiny dia tsy mampiova n'inoninona. Sady mora be ilay mitsikera fotsiny.
Fehiny: Ny politika dia tsy tonga lafatra fa izay mba hitanao tsy dé tena mitapy loatra no tokony tohananao. Eny fa na dia zavatra kely fotsiny aza no hiova. Efa izay aloha.
14. fahamarinana ( 23/06/2009 17:08)
:arrow: xxx : marina ! saingy raha ny ahy aloha,hatreto dia eo no misy ahy ! Miala tsiny fa tsy misy mahafapo ahy na raika avao aza fa kosa tsy kely fanantenana aho fa misy any ho any kah ! Malagasy maro ireo kouh ! :) ...
Ny miteny sy mitsikera kosa amiko dia ilaina foana mba tsy hanan'ny mpanao politika loatra assurance fa ny azy no marina sy tokony harahina ! Il faut de tout pour faire un monde hono ,ialana tsiny ilay teny frantsay ,dia anisan'io aho ! Mampiova tokoa ny tsikera ho an'izay miheno azy sy mandray azy ary miezaka mampihatra azy ihany koa indrindra raha ny vahoaka no miteny !..
Amiko kosa anefa tsy ny mpanao politika irery no afaka manova ny fiainana andavanadro fa isika rehetra izao !Io fiankinana sy fiandrandrana miracle amin'ny mpanao politika io no mahatonga azy ireo mipoera sy surs loatra ny tenany hany ka manaonao foana sy mampilalao ny vahoakany !! Ho an'ny firehana rehetra no lazaiko fa tsy iray manokana akory ! :) ....
Fehiny: Ny politika dia tsy tonga lafatra fa izay mba hitanao tsy dé tena mitapy loatra no tokony tohananao. Eny fa na dia zavatra kely fotsiny aza no hiova. Efa izay aloha.

:arrow: Tsy misy laviko raha io fa kosa angamba tsy dia ho voatery hiditra politika hatrany ny olombelona rehetra e!! Ny ahy ny halaheloko sy ny fitiavan-tanindrazako no mahatonga ahy miresaka izao !Na iza eo na iza raha mampandroso tokoa ny Tanindrazana dia tsy olana amiko ,amin'izao fotoana izao manko ,ny marina dia tsy hitako taratra fa na hat na tim na tgv na gtt na legaliste toa tsy dia misy loatra antenaiko fa samy revo mampiady karajia sy mifamaly amin'ny fomba rehetra ! Ialako tsiny fa za zay an !fa mety tsy ianao na ny hafa koa ! :D
Fa mbola tsy very fanatenana kah ! sa ve dia mbola revin-gadra koa ny ahy e ! Raha mbola nofy dia aleo aloha hanonofy ary e :) (l)
15. benkintana ( 23/06/2009 21:10)
ALeo ihany kôzina zay tsy mahafaly ry zalahy fa aza dia miaritra trefla a :lol:
16. essera ( 24/06/2009 06:19)
Aza manala tena e. Tsotra b ange ny zava-misy e, tsy tombotsoa ho an'ny tgv mihitsy ny hanapoaka bomba. Iza izao no tena miha-marefo ny toul, ka mba tsy hampihen-danja ny toul efa miha-marefo d tsy maintsy akorontana mihitsy alou.
Na ny miaramila na polisy na zandary samy miezaka mitady renseignement koa ry onjakely fa tsy hoe miandry fitarainana akory vao handeha hanenjika mpanapoka fa tsy araka ny lazainao hoe fantany mialoha tsotra izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3902