Ray aman(dreny hono solon'Andriamanitra eto ambony tany!!!..

1. caramelle ( 19/06/2009 19:08)
Miarahaba ny namana rehetra aho!
Araka ny loha-teny nataoko etsy ambony zany dia lazaiko aminareo fa olon-dehibe efa manana zafy kely no niteny io hvtr io..De sadaikatra be aho ,manontany tena fotsiny hoe,zany v ny fiteny taloha sa de efa olona te ho tompoina no miteny io??,zany hoe,raha ny fazahoako ny teniny zany de tsy manjaka afa tsy any andanitra Andriamanitra,fa ny RAD no solony eto ambony tany!!,de mihizingizina mits le olon-dehibe miteny izany ary hamafisiny iany fa zay no marina!!!....koa mba manontany ny hvtrareo eto zà,misy fahamarinana v zany???...fa rà ny hvto manokana aloha dia TSIA b ny valiny!!.
2. niryna ( 19/06/2009 19:16)
Dia tsy fantatro indray izany fa ny fantatro fotsiny dia tsara ampahafantarina ny ankizy fa Atra dia mihaino vavaka ary raha mitaraina any aminy amin'ny zanany izy dia mihaino Izy,Ampahafantarina azy ireo fa "Hajao ny ray sy ny reninao mba ho lava andro hiainana hianao" Raha ny ray amandreny izany no mivavaka ny zanaka dia satria izy no nametrahan'Atra ireny zaza ireny ,tsy azy ireny fa nomeny ho tazaina,ngaha hi,hi koa resaka fetin'ny ray moa isika izao dia anjaran'ny ray rehetra no manao izay fomba rehetra anabeazana sy itiavina ny zanaka fa nomena antsika ireny ka isika no mitsodrano azy ireny mba ho olom-banona izy.Aseho azy ireny foana ny fitiavana azy na hendry izy na maditra ary mivavaha ho azy amin'ny fiainany rehetra fa ATra dia mihaino ny ray izay napetrany hitantana ireny zaza ireny.Ho an'ireo tsy manan-dray kosa dia aza kivy fa manana ny Ray any an-danitra izy izay ambony lavitra noho ny ray nitaiza azy ka omena voninahitra,ankatoavina ny teniny ,arahina ny didiny ary isaorana andro aman'alina koa izy nonome ny ray ety an-tany ho tia azy.'
vita tompoko
3. gasynamana ( 20/06/2009 12:39)

Ny ray aman-dreny dia azo lazaina fa: Taratry ny Fahendrena. Noho izany dia azo itarafana ny endrik'Andriamanitra izy, izay fahafenon'ny fahendrena rehetra.

Tsy misy afaka hisolo an'Andriamanitra anefa na iza na iza, ary tsy misy afaka handray ny toerana koa.

Ny Ray aman-dReny mitomany ho tompoina dia tsy mampiseho velively ny endrik'Andriamanitra (Ilay tia ny olona rehetra, ary nanao izay azony natao mba hanavotana ny olona). I Kristy dia tonga mba hanompo fa tsy hotompoina.

Ny mpino rehetra koa anefa dia azo lazaina hoe: solon-tenan'Andriamanitra eo amin'izao tontolo izao. Raha nanenjika ny Kristiana i Paoly dia hoy i Jesoa taminy: "ahoana ianao no manenjika ahy?"... Hoy koa izy: "izay ataonareo amin'ireny madinika ireny dia amiko no hanaovanareo azy"...
Izany hoe: ny kristiana rehetra dia tokony hahatarafan'ny hafa ny endrik'i Kristy koa.
4. rodro ( 20/06/2009 13:28)
caramelle
Mino zaho fa marina izay tsiny rad nolo iray ihany no milaza anizay fa niany rehetra agnamba

izy marina no Atra hita maso
manjaka andriamanitra amizao ntontolo izao nefa fiteny ndrazana io
manao hoe Izahay no ray Atra hita maso
satria mbola tsinisy nahita Atra angamba istika izao
izay no mahatogna andreo milaza

Aminahy aloha de OUi
satria izy no mananatra atsika sanandro (l) (l) (l)
5. xxx ( 20/06/2009 14:00)
Aza manompo andriamanin- kafa hafa tsy izaho ihany, izany hoe tsy misy solony izany, vakio ny "EXODE 20 -4" didy folon' Andriamanitra, ary tafiditra ao ny hoe" hajao ny Ray sy Reninao, tsy midika akory izany fa Andriamanitra izy ireo, raha manamp- inoana ianao dia ho tsapanao fa misy tokoa Andriamanitra na mbola tsy hitanao maso aza
6. cutie ( 20/06/2009 14:38)
miobon-kevitra @ xxx :lol:
7. caramelle ( 20/06/2009 18:18)
miombon-kvtr @ xxx aho.Ny RAD olombelona mpanota,donc tsy solon'Andriamanitra velively izy .
8. niryna ( 21/06/2009 08:06)
ka izay indrindra mantsy,nahitana masoandro izy ary hajaina fa tsy tompoina na atao ambony noho ilay ATra izay hivavahana.Tena tsy azoko ilay izy taloha ary toa malahelo aza aho namaky ilay teny hoe raha tia ahy dia andao anaraka ahy.Dia niteny koa Jesosy tamin'ny reniny sy ny mpiray tampo aminy hoe iza no reniko,iza no rahalahiko ,izay rehetra manao ny sitrapon'ny raiko no rahalahiko . Dia mbola misy hafa koa ary any rehefa andeha ho any an-trano ity mpajono iray dia hoy izy hoe aleo ny maty andevina ny maty dia teo indray koa dia ketraka :D
Ray aman-dreny nahitana masoandro izy izany ary lolohavina an-tampon'ny loha ,mahita tokoa aho zaza na inona tenenin'ny rar dia tsy mba mamaly mihitsy izy na manohitra ny ray aman-dreny fa dia hoe eny tompoko foana.Dia izay no mba hanatra omeny ny tanora hoe hajao ny ray sy ny renin'ao raha te ho lava andro hiainana hianao.
Misy aloha rar dia mihevitra ny tenany ho ambony foana izy ary dia misy aza sahy miteny hoe izaho no masi-mandidy,mankarary ny ankizy ireny kanefa asiana elanelany koa ny zanaka eo amin'ny fanajana ny rar fa tena manampy azy ireo amin'ny fiainana izany .
Dia mbola mandeha ihany koa ny teny hoe raha izaho rar aman-dreny nahitanao masoandro aza tsy asianao hasina ahoana tokoa moa no ilazanao fa tia an'ilay Atra tsy hita maso hianao? io dia tafiditra amin'io daholo koa isika rehetra ,tsy afaka ilaza isika hoe tia an'Atra raha ny mpiray tampo amintsika na ny olon-kafa izay ananantsika alahelo aza tsy tiantsika na tsy amelantsika heloka .iza no mba eritreritro fa dia ahitsiho raha diso e
9. rzakarivola ( 24/06/2009 13:40)
caramel >>> Tena tsara fipetraka ny fanontanianao sady mahafaly ny fo ny mahita ny fahitsianao. Izao no mba hevitro :
Fanoharana : Ao @ orinasa anankiray (ohatra) rehefa voatendry ny olona ambony indrindra (ohatra hoe DG), dia zavatra jereny voalohany ireo mpitantana eo ambany fifehezana, ka izy no manendry hoe i ranona no atao mpiandraikitra ny vola sy ny fitantanan-draharaha (DAF), i ranona no hatao mpiadidy ny varotra sy ny doka (DCM), i ranona no mpiandraikitra ny ara-teknika (DT) ... Tsy ny DG no DAF na DCM na DT, fa ireny directeur isaka ny direction na chef de services ireny dia solon-tenan'ny DG kosa izay nomeny andraikitra hisahana ny service anakiray na maromaro araka ny sitrapoNy eo. Manana fahefana ny DG hanova araka ny sitrapony ireo olona ireo, hanala sy hampiditra.

Tsy fantatro na solon-tenan' Andriamanitra ety an-tany ny Ray aman-dReny na tsia, fa fantatro kosa fa Andriamanitra no nanendry ireny ho Ray aman-dReny, mpamelona, mpitantana sy mpanabe, mpanoro lalana mba hahafahan'ny zanaka mandeha araka ny sitrapon' Andriamanitra. Andriamanitra koa manana fahefana feno hanala izany andraikitra izany amin'izy ireo raha hitaNy fa manohitra ny sitrapoNy. Ka ny fanajàna ny Ray aman-dReny, dia fametrahana ireo ray aman-dReny ireo @ toerana misy azy, dia fampahatsiahivana azy ireo ny andraikitra nanendren' Andriamanitra azy hotanterahiny. Izay olona manao izany dia Andriamanitra nanendry mihitsy no tompoiny sy ankatoaviny ary omeny voninahitra, fa tsy ireo olona notendrena akory.

NB : Ny DAF sy ny DCM sy ny DRH ..., na dia nomena andraikitra hitantana araka ny fahaizany sy izay heveriny ho mety aza, dia tsy maintsy misy fotoana anaovany ampamoaka eo anatrehan'ny DG.
Tahaka izany, ny Ray aman-dReny rehetra koa dia hampamoahina eo anatrehan' Andriamanitra @ andraikitra nanendreNy azy, ary tsy ny zanaka velively no hohelohina @ izay mety ho fanararaotam-pahefana na fisandohana nataon'ny Ray aman-dReny.
10. soanja ( 24/06/2009 14:14)
caramelle:

Miarahaba ny namana rehetra aho!
Araka ny loha-teny nataoko etsy ambony zany dia lazaiko aminareo fa olon-dehibe efa manana zafy kely no niteny io hvtr io..De sadaikatra be aho ,manontany tena fotsiny hoe,zany v ny fiteny taloha sa de efa olona te ho tompoina no miteny io??,zany hoe,raha ny fazahoako ny teniny zany de tsy manjaka afa tsy any andanitra Andriamanitra,fa ny RAD no solony eto ambony tany!!,de mihizingizina mits le olon-dehibe miteny izany ary hamafisiny iany fa zay no marina!!!....koa mba manontany ny hvtrareo eto zà,misy fahamarinana v zany???...fa rà ny hvto manokana aloha dia TSIA b ny valiny!!.


Ny olana angamba raha ny fahitako azy dia ny fandraisana an'Andriamanitra tahaka endrika olona zany hoe misy vatana, misy tarehy sns.... Andriamanitra dia Fanahy/ Hery/ Enerjia ary Izy no fiodidinana sy fiahiana ary fiombonana amin'ny rehetra ataontsika sy iainantsika. Ao anaty Ray aman-dreny Izy ary n'aiza n'aiza. Izy no ifandraisantsika rehetra rehefa mifandray isika.

Ny Fanajana ny rehetra sy fanompoana ampitiavana ny rehetra hifandraika amin'ny Fitiavana sy Fiombonana ary Fitoniana no endrika tokony isehoan'ny fifandraisana amiko.


11. ari.malala ( 25/06/2009 06:35)
Amiko indray tsy hoe solony (manolo) fa solon-tena ftsn iany. Jereo Andriamanitra Ray, mamelona antsika @ Teniny sy ny Tenany isanandro, ny RAD no manao izany @ fomba hafa, manome hanina, mananatra, mampianatra sns, noho izany ts solony hoe remplacement akory fa solontena ftsn iany ary tokony hajaina @ maha RAD azy ireo. Tsy midika koa nefa izany hoe tiavina mihoatra an'Atra izy ireo fa Atra no tokony ho lohany @ zavatra rehetra.
12. bor2lais ( 25/06/2009 14:04)
Mahaliana ny fanazavana entin\'ny rehetra ary misaotra an\'i \"carmelle\" nanokatra ity lohateny ity !

Ankoatry ny valinteny 1 (na 2 angamba) dia saika miombon-kevitra daholo ny rehetra eto fa tsy solon\'Andriamanitra akory ny RAD fa fitaovana (tahaka ahy sy ianao) ampiasain\'Andriamanitra hifaneraseraNY amin\'ny zanaka.

Raha ny fahazoako ny fanazavana dia manana andraikitra 2 ny RAD :

1. Andriamanitra -> RAD -> zanaka : fampitana ny Fahendrena hoy i gasynamana
Raha ny fijeriko an\'io lafiny io dia manana andraikitra \"mpaminany\" na \"messager\" ny RAD

2. zanaka -> RAD -> Andriamanitra : mivavaka ho an\'ny zanany ny RAD hoy i Niryna ery ambony ery.
Io lafiny faharoa io kosa dia mampiseho andraikitra \"mpisorona\" ho an\'ny RAD

Izany hoe : Andriamanitra RAD zanaka !

(Famintinana an-tsary ny voalaza rehetra ihany io nataoko io araka ny fandraisako azy ka ialako tsiny raha diso.)

Amiko manokana ny anampiako azy dia tsy \"plat\" tahaka izao akory ilay fifandraisana fa telozoro (\"triangle\") : miampy Andriamanitra zanaka. Sa ahoana hoy ianareo ?

(Mba eritreritra nandalo ny ahy iny ka avereno aty amiko raha ohatra ka ...)
13. Veloo ( 30/06/2009 12:05)
Ari a,

marina ny andry, solon-tena ny RAD
14. caramelle ( 01/07/2009 07:09)
marina ny andry, solon-tena ny RAD
Aôna moa no hanaovana azy hoe solon-tena izy,tsy afaka ny hanao ny asan'Andriamanitra izy,ny solon-tena de hoe: amiko mbola afaka manao ny asany iany zany fa solony fotsiny? .Tsy misy solon-tena Andriamanitra,ny RAD ,ny zanaka dia miara manompo,miara manatanteraka ny didiny, fa... io zany rah misy RAD ohatra no alaiko,adaladala,mijangajanga,mimamo lava sns,de mbola hoe solontenan'Andriamanitra ve zany???
15. ari.malala ( 01/07/2009 14:14)
fa raha sanatria ve ka maditra mamolava na mijangajanga ny RAD n'i daramelle d soloina satria maditra sy manao adalàna?
16. ikaretsaka ( 01/07/2009 14:47)
baininareo sy bofinareo foana iny na nidegany aza ko.. le titre tsary afaka miala
17. ari.malala ( 02/07/2009 05:38)
fanontaniana hoan caramelle, inona lay asan'Andriamanitra tianao tenenina eto? azavao azafady
18. caramelle ( 02/07/2009 14:03)
RAD mazava be zany fa RAD fôna tsy misy masolo azy!!!sa misy solon-tena koa reo???? (ny ahy aloha tsy misy solon-tena zany)..Fa Andriamanitra!!! tsy nisy tao anaty baiboly niteny hoe reo ny RADnao ho solon-tenako!!,"hajao ny RADnao"zay no nisy fa le hoe:
solon-tena ny RAD
,rah tsika mandinika io ary v rah dinihina tokoa de hoe SOLON.TENAN'ANDRIAMANITRA NY RAD???solontena aona é?? sa iza no sahy miteny hoe:" Andriamanitra ô reto solontenanao reto ô!!" aôna koa zany?? ,tsy misy solon-tena Andriamanitra,iray ,tokana antampon'ny loha...RAD fanaja ,amiko,averiko,tsy solon-tenan'Andriamanitra izy reo.Zà zao Reny,aona no hieritreretako fa zà zany solontenanao Andriamanitra!! :roll: ,ataoko ny adidiko @ zanako,ny finoako an'Andriamanitra sy zay mety tsara retra araka ny sitrapon'Andriamanitra.Asa na tafita aminareo v le hvtro fa zay ny ahy.
19. caramelle ( 02/07/2009 14:11)
Dia tsy fantatro indray izany fa ny fantatro fotsiny dia tsara ampahafantarina ny ankizy fa Atra dia mihaino vavaka ary raha mitaraina any aminy amin'ny zanany izy dia mihaino Izy,Ampahafantarina azy ireo fa "Hajao ny ray sy ny reninao mba ho lava andro hiainana hianao" Raha ny ray amandreny izany no mivavaka ny zanaka dia satria izy no nametrahan'Atra ireny zaza ireny ,tsy azy ireny fa nomeny ho tazaina,ngaha hi,hi koa resaka fetin'ny ray moa isika izao dia anjaran'ny ray rehetra no manao izay fomba rehetra anabeazana sy itiavina ny zanaka fa nomena antsika ireny ka isika no mitsodrano azy ireny mba ho olom-banona izy.Aseho azy ireny foana ny fitiavana azy na hendry izy na maditra ary mivavaha ho azy amin'ny fiainany rehetra fa ATra dia mihaino ny ray izay napetrany hitantana ireny zaza ireny.Ho an'ireo tsy manan-dray kosa dia aza kivy fa manana ny Ray any an-danitra izy izay ambony lavitra noho ny ray nitaiza azy ka omena voninahitra,ankatoavina ny teniny ,arahina ny didiny ary isaorana andro aman'alina koa izy nonome ny ray ety an-tany ho tia azy.'
vita tompoko
mazava be zao ny tenin'i niryna,ny RAD manao ny adidiny araka ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy natao ho solon-tenan'Andriamanitra,lé hoe SOLON.TENA mits anie zany no tiko hamafisina eto é!
20. booboo ( 02/07/2009 14:17)
rasinao ara-bakiteny angamba ilay voambolana fa misy maro² ihany ny namana ao ambony nanome ohatra mazava be ny @ dikany hafa ankoatra ilay mot à mot...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1264