Ray aman(dreny hono solon'Andriamanitra eto ambony tany!!!..

21. Veloo ( 03/07/2009 00:19)
eka ouz booboo zay mihitsy retsy a :-*
22. rzakarivola ( 08/07/2009 06:55)
Izay Ray aman-dReny mihevitra ny tenany ho Andriamanitra dia maka ny toeran' Andriamanitra, ary efa voahelok' Andriamanitra izay nanendry azy amin'izany toerana izany izy.

Izay zanaka mino fa Andriamanitra no nanendry ireo Ray aman-dReny ireo sady manana fahefana hanala azy tsy ho RAD koa raha toa ka izay no sitrapoNy, dia izany zanaka izany no afaka hanaja ny Ray aman-dReniny.
Izay zanaka tsy manaja RAD dia manambara @ fiainany fa diso be Andriamanitra nanome azy ireo ho Ray aman-dReny mpitarika, mpitaiza, mpananatra.
23. ari.malala ( 08/07/2009 08:15)
Fa iza moa, ary aiza hoaiza eo @ ireo posts ireo nomisy miteny fa maka ny toeran'Andriamanitra ny RAD na mihevi-tena ho Atra ny RAD? Manin raha ts mandray antendrony e!
24. rzakarivola ( 08/07/2009 14:00)
ari.malala >>> Tsy ny post, fa izaho dia ray, ary mahatsapa aho fa matetika mihitsy no "mandidy alohan'ny tompony", Andriamanitra ilay Tompo izay tokony handidy, kanefa izaho no manao izany mialoha, izaho izany no maka ny toeran'Andriamanitra, mihevitra ny tenako ho Andriamanitra ... mihevitra ny tenako ho Ray (fa tsy représentant fotsiny).
25. ari.malala ( 13/07/2009 12:02)
mihevitra ny tenanao ahoana fa nga ts efa ray moa? d aza raisina ny adidy zany ko! ts azoko mintsy! mandidy alohan'ny tompony ahoana? fa ireo zanaka nomena anao ireo nga tsy ho andraikitrao sy adidinao izy ireo? sa hiandry an'Andriamanitra hiseho sy hiteny mivantana koa enao zay vao hikarakara sy hanome hanina sns azy ireo? ny pretra sy n pasitera aza miahy ny 'zanany" ara-panahy! mba mieritrereta!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0437