Finoana sy ny fahamarinana ve mitovy???

1. rakapy ( 19/06/2009 10:30)
Azafady aloha fa tsy ilay ps Fahamarinana io lazaiko io an!

Mba lasa hoa ny saiko raha nandinika ireo teny roa ireo, dia ny FINOANA sy FAHAMARINANA izany.
Raha raisina ara-bakiteny aloha dia toa tsy misy hifandraisany ireo teny roa ireo.

-Raha dinihina ny atao hoe FAHAMARINANA dia midika hoe MARINA, tsy miso diso na kiahanina ary hananana porofo mazava.

-Raha raisina indray ilay teny hoe FINOANA dia midika fa TSY voatery ho marina.Izany hoe METY HO MARINA nefa koa METY TSY ho MARINA.

Ny fanotaniana mipetraka dia hoe:
1/Ireo olona izay lazaina na voalaza na koa ireo mitono-tena fa manam-pinoana ve izany dia sanatry an'izany hoe manonofy sy manantena ihany fotsiny?

2/Nahoana ilay fiteny hoe FINOANA, CROYANCE, BELIEVE ...no nampiasain'ireo namorona ny fiangonana fa tsy ny hoe FAHAMARINANA, VERITE, TRUTH...? Nefa dia samy milaza daholo ny fiangonana fa MARINA avokoa ny zavatra voalazan'izy ireo amin'ny mpanara-dia azy ireo.



2. hery ( 19/06/2009 11:08)
1/ Ny marina no inoana... tsy contradictoire izany. Tsy manonofy ny mino sy manam-pinoana satria resy lahatra izy fa marina ilay inoany. Ny zavatra fantatrao fa marina dia inoanao fa marina, ary misy ny zavatra heverin'ny hafa fa marina no tsy inoanao.

2/ Ny Fiangonana kristianina dia mifototra eo ambonin'ny fahamarinana ka. Raha tena fiangonana kristianina dia eo ambonin'i Kristy no mifototra. I Kristy anefa no lalana sy fahamarinana ary fiainana... dia mifototra eo ambony fahamarinana izany ny Fiangonana.
3. ikaretsaka ( 19/06/2009 11:32)
Arakaraka ny vala hitondranao azy io ry rakapy

Ze heverina ho marina ny inoana ko...samy manana an'io ny tsirairay
Raha aminao tenanao irery dia hoe ny inoanao fa marina no ataonao...izany hoe mino ianao fa marina ny ataonao de zay...

Fa raha vao misy resaka fiaraha monina io dia tsy voatery hoe marina vo hinoana na voatery hino vao manao ny marina..ary samy manana ny inoany sy ny marina aminy io. Fa izay maro an'iza no "marina" sy "inoana"
4. rakapy ( 19/06/2009 12:06)
1/ Ny marina no inoana.

Angamba tsy mitombina io filazanao io. Tsy hoe rehefa marina dia hinoana. Marina fa misy ny ranomasina fa tsy midika akory izany fa inoanao ny ranomasina.
Ilay teny hoe MINO dia manabara zavatra tsy hita (efa lasa, @zao fotoana,@ho avy)
Ohatra hoe mino aho fa harary kibo iny zaza iny satria nihinana goavy manta. Tsy midika izany fa MARARY ilay zaza fa mbola METY harary, nefa mety tsy harary koa.(Probabilite)
Dia toy izay ihany koa ny finoana.
MINO aho fa ho any am-paradisa, mety tsy ho any ianao na dia mino aza.
5. ikaretsaka ( 19/06/2009 12:14)
De hitariko kely aza...inona ny mino sy ny maha samihafa azy @ manantena kay ?
6. xxx ( 19/06/2009 12:17)
Raha ny fahitako azy ny manantena dia mino ihany. Araka ny voalazako etsy ambony dia fanantenana ihany.
7. rakapy ( 19/06/2009 12:23)
Ny fahaterahana , fahafatesana ohatra dia fahamarinana fa tsy finoana akory. Fa ny fiainana any ankoatra kosa dia finoana na fanantenana.
8. soanja ( 19/06/2009 12:29)
Ity misy teny ao amin'ny Baiboly tena mahateny ny Finoana.

Hebreo 11:1

1-" Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita."

1 Now faith is assurance of [things] hoped for, a conviction of things not seen.

Noho izany dia ny zavatra tsy azo tsapain-tanana nefa tsapa ao anaty ka mandaitra amin'ny fomba fampiharanao ny fiainanao ary indrindra ny fiahiana ny ho ho avy no tena ifaharan'ny finoana.
9. soanja ( 19/06/2009 12:40)
Ny Fahamarinana indray amiko dia ny fahitako izany finoako izany rehefa ampiharina ary mandaitra zany hoe misy porofo mivaingana, araka ny heveriko sy fahitako azy fa mahasoa ahy sy ny hafa ary ny tontolo misy ahy ary ny fizorana amin'ny ho avy tsy fantatra!

Eo no olana anefa satria ny mandaitra amiko mety tsy mandaitra amin'ny hafa.

I Jesoa Kristy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana!

Ka raha amin'ny anarany no ifandraisanay Xtianina amiko dia tokony hilamina izahay satria Izy hanoro fiombonana sy fifankatiavana ary fiahina mahasoa ho an'ny tena sy ny hafa. Saingy matetika tsy izay no mitranga satria ny voasoratra no voizin'ny hafa nefa ny an'ny hafa mety tsy mila akory ny voasoratra fa ny ao anaty lalina dia efa ampy ahenoana an'i Kristy. Dia mifandika na mifanindry ny heverina ho Fahamarinana eto satria ny soratra dia olombelona ihany mitovy amin'ny tena no nanoratra azy. Eo no olana aminay hitako. Asa anefa ny hevitry ny hafa.
10. soanja ( 19/06/2009 12:43)
Raha ampifandraisiko ireo hevitro roa ireo dia hoe:

" Ny fikatsahana ny fanahy ao anaty no Finoana ary i Kristy ao anaty sy amin'ny rehetra misy, izay mpanoro lalana sy iainana no Fahamarinana" Soanja.
11. soanja ( 19/06/2009 13:03)
rakapy:

Ny fahaterahana , fahafatesana ohatra dia fahamarinana fa tsy finoana akory. Fa ny fiainana any ankoatra kosa dia finoana na fanantenana.



Ny fahanterana sy ny fahafatesana dia zavamisy fa ny fahamarinana kosa dia ny tsapa manoloana izany zavamisy izany any anaty nefa mahasoa anao sy ny hafa ary ny tontolo misy.

Raha nifandona ny fiara roa dia ny zavamisy hita dia ny fiara simba na poti-javatra miparitaka erin'ny arabe. Ny fahamarinana horesahina eo dia hoe iza no nandona (olona) ary iza no voadona (olona) ary tamin'ny fomba ahoana no nahatonga izany mba ahatongavana amin'ny hoe iza no diso ary an'iza ny marina ka hojerevana ny tokony hanarenana ny simba sy ny mba hampiharana ny lalana araka ny rariny sy ny hitsiny, izay matetika mifandraika amin'ny fahasoavan'ny daholobe.


12. cutie ( 19/06/2009 21:43)
Finoana sy ny fahamarinana ve mitovy???
Isan'ny hevitra : 11

tsy mitovy.
Ny finoana tsapa ao anaty, ny fahamarinana ndray tsapa ety ivelany :-D
13. fijo ( 19/06/2009 22:16)
ny fahamarinana tena misy sy azo antoka ny fisiany,ny finoana ao an tsaina fotsiny io,fa tsy azo antoka ny fisiany
14. rakapy ( 20/06/2009 07:56)
Raha ovaina kely indray izany ny fanotaniana dia lasa hoe:
"Fahamarinana ve ny finoana?"
15. ravonjison ( 20/06/2009 08:46)
fijo:

ny fahamarinana tena misy sy azo antoka ny fisiany,ny finoana ao an tsaina fotsiny io,fa tsy azo antoka ny fisiany



Sarotra dia sarotra itý ady hevitra iray itý.

Fa io voalazan' i FIJO io no hitako manakaiky ny hevitro.
Ilay finoana no sady tsy azo antoka ny fisiany , no tsy azo porofoina ilay zavatra hinoana, noho izany tsy azo hiadiana hevitra mihitsy ny hoe : ny finoana an' itý na an' itý no tsara , fa ny finoana an' itý dia ratsy, na koa ny finoana kristiana na silmano no tsara na ratsy. Izay indrindra no hilan' ny olombelona azy.

Fa ny fahamarinana dia tena misy sy azo antoka ny fisiany , ary mety azo atao koa ny mifanaraka @ hoe : itý no marina. Ny marina any Vietnam mety tsy voatery ho marina any Nouvelle Guinée ( ohatra).
16. ikaretsaka ( 20/06/2009 10:43)
rakapy:

Raha ovaina kely indray izany ny fanotaniana dia lasa hoe:
"Fahamarinana ve ny finoana?"

Arakarak'ilay vala (domaine de def) io rakapy a
Raha zahako rery de ze marina AMIKO araka ny ahitako sy hatsapako ary hirevesako azy no inoako

Fa raha vao mampiditra fotsiny olona na zavatra TSY ZAHO ao ianao dia lasa relatif be le izy; ny marina aminao tsy marina aminy dia ny inoany tsy voatery inoanao.

De eo ilay erreur

17. gasynamana ( 20/06/2009 11:58)
Ny finoana sy ny fahamarinana.

Ny Finoana tena azo antoka dia mifotra amin'ny Fahamarinana. Ny olona matoa mino an'Andriamanitra dia satria manaiky fa Fahamarinana izy. Ao anatin'io finoana io izany dia misy fahatokisana an'ilay milaza ny "marina", mba hahafahana mino izay lazainy ho tena marina. Raha tsy misy io fahatokisana io dia azo lazaina fa minomino foana ilay olona. Raha kristiana tsy mahatoky an'Andriamanitra dia azo lazaina fa tsy mino azy tanteraka.

Ny hoe "mety" (probable) dia tsy finoana velively. Io dia miankina amin'ny kajikajy ataon'ny tena, izay mety ho misy na tsy misy. Tsy azo faritana ho fahamarinana velively ny zavatra toy izany . Ny "marina" mantsy dia tokony ho marina foana, fa tsy tokony hiovaova, eny fa na dia ho mety samihafa aza ny fandraisana azy. Izay marina tsy miova izay no ifotoran'ny Finoana.

Mazava ho azy koa fa ny finoana dia mifaningotra amin'ny fanantenana satria tsy zavatra hita maso, na azo tsapaina no inoana. Manaraka an'izay, araka izay efa voalaza teo aloha, dia misy fahatokisana lehibe an'ilay nilaza ilay fahamarinana ao anatin'io finoana io, ka isany endrika isehoan'izay fahatokisana izay koa ny fanantenana. Ohatra: Raha nilaza i Kristy fa izay mino azy dia hanana ny fiainana mandrakizay ao aminy. Ataoko ahoana ny fanantena izany fiainana izany raha tsy mahatoky ilay nilaza an'io teny io aloha aho? Ataoko ahoana koa ny hanantena izany fiainana izany raha tsy inoako fa tena marina izay nolazainy? Ary farany, ataoko ahoana ny fanantena izany fiainana izany, raha tsy mifototra amin'ny fahamarinana azo antoka aho (Ohatra: révélation, experiences personnelles avec le Christ...)
18. ravonjison ( 20/06/2009 16:49)


\" Ny Finoana tena azo antoka dia mifotra amin\'ny Fahamarinana. Ny olona matoa mino an\'Andriamanitra dia satria manaiky fa Fahamarinana izy. Ao anatin\'io finoana io izany dia misy fahatokisana an\'ilay milaza ny \"marina\", mba hahafahana mino izay lazainy ho tena marina. Raha tsy misy io fahatokisana io dia azo lazaina fa minomino foana ilay olona. Raha kristiana tsy mahatoky an\'Andriamanitra dia azo lazaina fa tsy mino azy tanteraka. \"



Marina dia marina io voalaza io raha toa ka finoana ara-pivavahana kristianina no resahina, ny finoana @ fivavahana silamo dia hafa indray ny fandraisany azy , ny budhisme koa dia hafa ary tsy misy Andriamanitra akory ao.
Izany hoe ilay finoana tsy voatery finoana ara-pivavahana fa mety finoana tsotra izao fotsiny.
Ohatra : - ny kristianina dia mino fa isika rehetra rehefa maty dia handalo fitsrana daholo, ka izay voafidy dia mahazo ny fanjakan\' Andriamanitra, izay tsy voafody kosa dia ho any @ afobe.
- ny boudhiste indray dia mino fa rehefa maty isika dia ny fanahinstika dia hiverina eo @ fiainana ka miditra @ olona hafa ( reincarnation)
- misy indray ny firenena sasany mino fa ny bibi sasany ( oh: androngo) dia nirahin\' ny maty mba ho mpanelanelana @ velona .

Ireo finoana telo ireo dia tsy misy nahitana porofo, fa dia inoana, ary tsy azo lazaina fa itý no ratsy na itý no tsara. Noho izany tsy maintsy ekena fotsiny ( tsy tokony ary tsy azo kianina, samy manana ny finoany)....




19. rakapy ( 21/06/2009 11:44)
"Fahamarinana ve ny finoana?

Hoy Ikaretsaka
Arakarak'ilay vala (domaine de def) io rakapy a
Raha zahako rery de ze marina AMIKO araka ny ahitako sy hatsapako ary hirevesako azy no inoako

Mety ho marina io voalazan'Ika raha resaka "Fahamarinana" @ domaine specific
Oh: Ny vary dia matsiro nohon' ny katsaka, ny fanahy no maha olona sns...
Eto ilay "Fahamarinana" dia mijanona ho fahamarinana ho an'ilay nahatsapa azy ihany fa mety tsy marina ho an'i hafa anefa.

Raha ny "Fahamarinana" eo @ "Verite generale" indray kosa dia ataoko fa tsy mitombina ilay voalazanao.
Oh: boribory ny tany, fotsy ny la neige, mandoro ny afo sns....
Eto indray dia na hanaiky ianao na tsia dia mitombina ary tsy azo lavina ilay "Fahamarinana".(Raha tsy hoe odina tsy hita angaha)

Ka raha dinihina izany ny "finoana" dia ao anatin'ilay domaine voalaza voalohany???
Dia ivereko ny tenin'i Fijo hoe .
ny finoana ao an tsaina fotsiny io,fa tsy azo antoka ny fisiany





20. ikaretsaka ( 21/06/2009 12:49)
Ka eo @ le hoe ny anona matsiro noho ny anona ange rakapy d'efa tantara satria eo d'efa samy manana ny 'matsiro' sy tsara aminy e

Amiko manokana dia ny misy ny finoana dia eo anelanelany eo somary mitanila any @ le ianao personelle...izay no mahatonga anahy hilaza foana hoe hajao izay lazain'ny hafa ho marina aminy..na mifampizara hevitra aminy...noho ilay hoe vao tsy manao ny anareo ny olona d'efa tsarainareo ho izao sy zao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0833