Finoana sy ny fahamarinana ve mitovy???
21. tywa68
(
22/06/2009 05:10)
Finoana kristianina no azoko lazaina fa manome fanantenàna ahy satria ahitàko sy hahatsapàko fa mizotra miadana sy ampifaliana ny fiainako, miandry an'ilay fitsanganana @maty any aoriana : mila miaina anatin'ilay fahamarinana sy fitiavana zany mba hanakaiky sy ho mendrika kokoa antsoina hoe mpanara-dia an'i Kristy. :wink:
22. rakapy
(
22/06/2009 07:53)
Hoy Ikaretsaka
Ataoko angamba fa tsy misy endrika fitsarana ny lohahevitra eto. Fitadiavana ny MARINA no adi-hevitra eto.
Marina fa samy manana ny fahamarinana amin'ny fiheverany ny tsy1/1 nefa kosa, araka ny voalazako etsy ambony dia misy ilay marina iraisana ,voaporofo ary tsy azo lavina.
Hoy Tywa68
Raha ity hevitra iray ity izao no jerena dia mety azo kiasina ao @ ilay MARINA araka ny fihevitry ny tsy1/1. Izay midika hoe mbola misy point d'interogation ihany ho an'ny hafa.
Amiko manokana dia ny misy ny finoana dia eo anelanelany eo somary mitanila any @ le ianao personelle...izay no mahatonga anahy hilaza foana hoe hajao izay lazain'ny hafa ho marina aminy..na mifampizara hevitra aminy...noho ilay hoe vao tsy manao ny anareo ny olona d'efa tsarainareo ho izao sy zao
Ataoko angamba fa tsy misy endrika fitsarana ny lohahevitra eto. Fitadiavana ny MARINA no adi-hevitra eto.
Marina fa samy manana ny fahamarinana amin'ny fiheverany ny tsy1/1 nefa kosa, araka ny voalazako etsy ambony dia misy ilay marina iraisana ,voaporofo ary tsy azo lavina.
Hoy Tywa68
Finoana kristianina no azoko lazaina fa manome fanantenàna ahy satria ahitàko sy hahatsapàko fa mizotra miadana sy ampifaliana ny fiainako, miandry an'ilay fitsanganana @maty any aoriana : mila miaina anatin'ilay fahamarinana sy fitiavana zany mba hanakaiky sy ho mendrika kokoa antsoina hoe mpanara-dia an'i Kristy
Raha ity hevitra iray ity izao no jerena dia mety azo kiasina ao @ ilay MARINA araka ny fihevitry ny tsy1/1. Izay midika hoe mbola misy point d'interogation ihany ho an'ny hafa.
23. ravonjison
(
22/06/2009 09:00)
Hoy i RAKAPY
\" Marina fa samy manana ny fahamarinana amin\'ny fiheverany ny tsy1/1 nefa kosa, araka ny voalazako etsy ambony dia misy ilay marina iraisana ,voaporofo ary tsy azo lavina.\"
Izay mihitsy e . Io fahamarinana io anefa dia nifanarahana , izany fifanarahana izany dia namafisina t@ alalán\' ny porofo, noho izany tsy azo lavina intsony. Eto dia efa miditra ny siansa mba hanome porofo.
Hoy tywa68 :
\" Finoana kristianina no azoko lazaina fa manome fanantenàna ahy satria ahitàko sy hahatsapàko fa mizotra miadana sy ampifaliana ny fiainako, miandry an\'ilay fitsanganana @maty any aoriana : mila miaina anatin\'ilay fahamarinana sy fitiavana zany mba hanakaiky sy ho mendrika kokoa antsoina hoe mpanara-dia an\'i Kristy \" .
Eto indray, ilay finoana dia mijanona ho finoana sy ho azy irery ihany, ary ao antsainy fotsiny, satria tsy mbola misy manana porofo fa nisy olona nitsangana t@ maty. Ny kristianina ihany anefa no mino izany , ny boudhiste dia hafa indray ny finoany ny mikasika ny fianinana any ankoatra.
Misy ny finoana mari-pototra, ary misy ny tsy mari-pototra ka azo arodana.
Ohatra : taloha dia nino ny olona fa \" plat \" ny tany. I Gallieni anefa dia nilaza fa boribory, tsy nanana porofo anefa izy t@ izany fotoana izany, noho izany dia nolavina ny heviny, ary novoniona mihitsy izy noho izany.
Tatý aoriana vao nisy ny porofo, ary fantatra izao fa boribory ny tany. Ilay finoana izany voarodana ary lasa fahamarinana ( noho ilay porofo, tsy azo lavina intsony)
24. rakapy
(
22/06/2009 09:15)
Ravonjison> mampihomehy ahy koa ilay filazanao hoe i Galleini :-D :-D
Angamba efa ela talohany kosa no fantatra fa boribory ny tany e?
Fa na izany na tsia dia hitako fa mazava aminao ny tiako ahatongavana sy ambara @ ity lohahevitra ity.

25. ravonjison
(
22/06/2009 13:10)
rakapy:
Ravonjison> mampihomehy ahy koa ilay filazanao hoe i Galleini :-D :-D
Angamba efa ela talohany kosa no fantatra fa boribory ny tany e?
Fa na izany na tsia dia hitako fa mazava aminao ny tiako ahatongavana sy ambara @ ity lohahevitra ity.
Galileo Galilei avy Italie, teraka t@ taona 15 fevrier 1564 no tiako lazaina fa diso fanoratra aho e.
26. tywa68
(
22/06/2009 13:15)
Ravonjison > sao tsy diso fanoratra fa diso fihaino h@zay :-D :-D :wink: aza tezitra an :lol:
27. fahamarinana
(
22/06/2009 13:42)
:arrow: teny diso hono tsy mba kabary kambony ry ravonjison a ! :D
tywa : :-P :-* (l)
tywa : :-P :-* (l)
29. ravonjison
(
22/06/2009 15:24)
tywa68:
Ravonjison > sao tsy diso fanoratra fa diso fihaino h@zay :-D :-D :wink: aza tezitra an :lol:
Tsy misy mahatezitra ka !
31. soanja
(
24/06/2009 02:31)
rakapy:
Raha ovaina kely indray izany ny fanotaniana dia lasa hoe:
"Fahamarinana ve ny finoana?"
Ie finoana ny Fahamarinana. Ny marina amin'ny Gasy be dia be mino ny razana izao dia ny finoany fa mitahy ny razana. Matoa ny fiainany iray manontolo tamin'izany fotoana izany miatehitra amin'ny lalanan'ny firahamonina izay antsoina hoe Fanajana ny Fady sy ny fanarahana ny fomba amam-panao notakian'ny razana dia aminy finoana ny razana no Fahamarinana. Rehefa tafita any ankoatra izy ka mamonjy ireo razana dia zay no Marina aminy. Tsy misy zavatra azo tsapain-tanana eo fa dia mahavelona azy kosa ny fanarahany an'ireo noho izany marina aminy izany ilay finoana arahiny. Ao an-tsaina aman'eritreritra sy ara-panahy ny fisian'ny finoana fa ny fahafahan'ny olona miodina amin'ny fanarahany ireo no isehoan'ilay fahamarinana na ara-batana na ara-tsaina ary indrindra ara-panahy. Mivaingana ny asan'ny Fanahy na eo amin'ny tena na eo amin'ny fiarahamonina.
32. itaramasoandro
(
24/06/2009 03:13)
ny finoako manokana dia manampy ahy eo "@ fomba fiainako, tsy finoana araka ny hevitra kristianina fa afo manosika ahy, mamelona ny aiko sy ny fanahiko. marina araka ny fihevitro fa mety tsy zarain'ny sasany maro.
saingy kosa ampy ahy anosika ahy handroso satria inoako mafy dia mafy.
amiko, tsy mety ampifanankalozana ny dikan'ny fahamarinana sy ny finoana satria tsy mitovy sokajy. ny fahamarinana kosa dia zarain'olona maro lavitra nohon'ny finoana.
itaramasoandro 8)

33. rakapy
(
24/06/2009 06:12)
Hoy i Soanja
Marina dia marina ny volazanao fa ny tiako ahatongavana dia tsy ao satria io volazanao io dia ilay "Fahamarinana" @ fiheveran'ny tsy 1/1. fa tsy voatery ho marina @ daholo be ary tsy hananana porofo raha tena lasa eo akaiky ny razana tokoa izy ireny na tsia.
Hoy Itaramasoandro
Tsy ho ampifanakalozany no tanjona eto fa fampitahana sy fijerevana mba ahalalana sy hifanazavana momba ny finoana.
Ie finoana ny Fahamarinana. Ny marina amin'ny Gasy be dia be mino ny razana izao dia ny finoany fa mitahy ny razana. Matoa ny fiainany iray manontolo tamin'izany fotoana izany miatehitra amin'ny lalanan'ny firahamonina izay antsoina hoe Fanajana ny Fady sy ny fanarahana ny fomba amam-panao notakian'ny razana dia aminy finoana ny razana no Fahamarinana. Rehefa tafita any ankoatra izy ka mamonjy ireo razana dia zay no Marina aminy. Tsy misy zavatra azo tsapain-tanana eo fa dia mahavelona azy kosa ny fanarahany an'ireo noho izany marina aminy izany ilay finoana arahiny. Ao an-tsaina aman'eritreritra sy ara-panahy ny fisian'ny finoana fa ny fahafahan'ny olona miodina amin'ny fanarahany ireo no isehoan'ilay fahamarinana na ara-batana na ara-tsaina ary indrindra ara-panahy. Mivaingana ny asan'ny Fanahy na eo amin'ny tena na eo amin'ny fiarahamonina.
Marina dia marina ny volazanao fa ny tiako ahatongavana dia tsy ao satria io volazanao io dia ilay "Fahamarinana" @ fiheveran'ny tsy 1/1. fa tsy voatery ho marina @ daholo be ary tsy hananana porofo raha tena lasa eo akaiky ny razana tokoa izy ireny na tsia.
Hoy Itaramasoandro
amiko, tsy mety ampifanankalozana ny dikan'ny fahamarinana sy ny finoana satria tsy mitovy sokajy. ny fahamarinana kosa dia zarain'olona maro lavitra nohon'ny finoana.
itaramasoandro
Tsy ho ampifanakalozany no tanjona eto fa fampitahana sy fijerevana mba ahalalana sy hifanazavana momba ny finoana.
34. gasynamana
(
26/06/2009 13:01)
Hanampiako ny zavatra nolazaiko tamin'ny sabotsy 20 jiona lasa teo dia izao:
Ny olana hitako mipetraka dia ny famaritana ny atao hoe fahamarinana. Tsapa fa samy milaza ny atao hoe: "fahamarinana" eo amin'ny sehatra misy azy ny tsirariray: ao ny mamaritra ny "fahamarinana" ara-tsiansa, ao ny mamaritra azy amin'ny maha kristiana azy, sns...
Efa nolazaiko tamin'ny sabotsy moa fa ny zavatra: "METY HO" (probable) dia tsy azo faritana hoe fahamarinana. tsy fahamarinana io satria miankina amin'ny zavatra tsy azo antoka, tsy mari-potra,...
Toy izany koa ireo lazaina hoe: ANANKINA (relatif). Tsy azo raisina ho marina izany satria, toy izay voalaza teo ambony, miovaova (marina ho an'ny iray, fa tsy marina ho an'ny hafa).
Misy kosa anefa ireo fahamarinana voaporofo (siansa). Toy ny hoe 1 + 1 = 2. Misy ny milaza fa io fahamarinana voaporofo io no tena azo lazaina hoe: tena fahamarinana. Ary izay tsy azo porofoina dia nofinofy sy anganonga avokoa. Ireo siantista no miteny toy izany, ka betsaka amin'izy ireo no tsy mino an'Andriamanitra.
Tsy ny fahamarinana rehetra anefa no azo porofoina. Ary ny siansa dia tsy ho afaka hanazava sy hanome porofo ny zava-misy sy ny FAHAMARINANA rehetra. manaiky izany ireo siantista «modéré»
Ny zavatra tokony ho marihana aloha dia izao: Ny zavatra iray MARINA (manana ny fahamarinana) dia marina ao aminy, fa tsy miankina amin'ny zavatra hafa manodidina azy. Ohatra: Marina ny hoe: "mihodikodina ny tany". Io filazana io dia marina, nefa tsy noho demostration nataon'i Léon Foucault na ny hafa no maha marina an’io hoe: "mihodikodina ny tany io", fa noho ny "tany mihodikodina" no maha marina azy.
Ny FAHAMARINANA izany dia tsy miakina velively amin'ny porofo, na amin’ny fanaporofona. Efa marina hatry ny ela ohatra ny hoe: "mihodikodina ny tany", fa tsy hoe tao aorinan'ny fanamporofona nomen'ireo mpahay siansa izay vao marina io hoe "mihokodina ny tany" io. Ny fanaporofona dia fanazavana, na fampisehoana ny «Marina», fa tsy fepetra entina ilazana ny maha marina ny zavatra iray akory.
Tsara marihana koa fa sarotra ny mahalala sy manaiky ny marina amin’ny sehatra tsy misy ny tena. Ohatra ny hoe: sarotra ho an’ny siantista ny hahalala sy hanaiky ny misterin’ny Trinité Masina (kristiana), ny tsy fahafatesan’ny fanahy (bodista, greka…)… Izany hoe: mba hahalalana sy hanekena ny «fahamarinana» ao amin’ny tontolo iray hafa tsy an’ny tena dia tsy maintsy miditra ao amin’io tontolo io aloha ny tena. Toy izay nataon’i Papa Joany Paoly faharoa momba izay voalazan’i Darwin, tsy nanameloka fa nijery ifotiny izay marina ao amin’izay voalazany.
Raha mason’olona siantifika izany no ijerena ny «Fahamarinana» tsy siantifika dia mazava ho azy fa tsy hahita «fahamarinana» ao izy. Ohatra: Sarotra ho azy ny hanaiky ny misterin’ny fitsanganan-ko velona, ny fahatongavan’i Jesoa ho nofo. Ny siantifika dia manaiky ny «marina» voaporofo ihany, ireo anefa tsy azo porofoina. Raha somary hitarina kely dia hoe: voafetra ny ataon’ny siantifika hoe: «marina». Izany hoe voafetra amin’izay azo tsapaina sy hita ary takatry ny saina ihany.
Misy anefa ny «fahamarinana» tsy takatry ny saina, ary sarotra porofoina. Ity fahamarinana sarotra porofoina (na tsy mety porofoina amin’ny lojikan’ny saina sy ny siansa) ity no fahamarinana ifotoran’ny Finoana. Eto dia azo lazaina fa tsy mitombina izay voalazan’i Fijo hoe: «marina ao an-tsina ihany» satria ny saina dia manda an’io fahamarinana io, noho io fahamarinana io tsy araka ny lojikan’ny saina. Raha ara-tsaina ihany dia tsy marina ary tsy mitombina ny hoe: «Maria nanan’anaka nefa virijiny». Ny lojikan’ny saina dia hoe: Misy ny firaisana izay vao afaka manan’anaka. Noho izany, tsy mitombina mihitsy ny filazana fa «marina ao an-tsaina ihany» io. Fa marina io satria ny fahamarinany dia ao amin’ilay tranga mihitsy. Tsy miankina amiko na ianao, na ny porofo omeko no maha marina azy. Afahana mandray an’izay fahamarinana izay dia tsy maintsy mihoatra ny tenantsika isika, mihoatra ny saina fa tsy mionina fotsiny amin’izay takatry ny saina sy ny lojikany. Mila miditra ao amin’ny tontolon’ilay nanantateraka an’io «acte» io: Maria, Jesoa, Fanahy Masina, Andriamanitra Ray… Raha tsy izany dia na manda ny maha marina an’io fahamarina io ny tena, na hilaza fa «zavatra tsy maintsy» inoana izany.
Farany: Tsy ilay fahamarinana voaporofo mazava akory (siantifika) no fahamarinana mitaky finoana fa ilay «Marina» sarotra porofoina. Hoy i Jesoa tamin’i Toma: «Sambatra kokoa izay mino nefa tsy mahita».
Io Fahamarinana io dia mitaky Fahatokisana amin’ilay nilaza azy: Ho an’i Kristiana dia amin’i Kristy; ho an’i Bouddhisme dia amin’i Gautama Bouddha; ho an’ny malagasy mitana ny finoan’ny razana dia amin’ireo ray aman-dreny, sns…
Izay aloha fa efa lava be sasy ny tenanay mbola handeha hifety kely!
Dia manaova fety sambatra daholo e!

36. itaramasoandro
(
29/06/2009 01:35)
nohon\'ny fiankinanan\'ny finoana sy ny fahamarinana akaiky dia akaiky ary dia anjaran\'ny tsirairay no manontany tena hoe:
\"midika hevitra mitombona amiko ve ity atao hoe fahamarinana hipetrahan\'ity finoana iray ity ka mendrika hinoako mba hanarahiko ny manodidina azy?\"
sa: \"satria heverin\'ny be sy ny maro ho fototrin\'ny finoany dia andeha anaraka anjambena izany lazaina-hoe-fahamarinana izany aho fa misy antony io raha be mpanaraka, na tsy mifanojo @ fomba fieritreritro aza ?\"
fanontaniana tahaka ireo hoy ny fihevitro no hahafahana miala @ finoana isankarazany izay vola aman-karena no fototra hijorony fa tsy lalàna voajanahary toy ny fifamatoran\'ny fiainan\'ny olombelona @ tontolo iainana.
sa ahoana ny fihevitrao?

37. rakapy
(
03/07/2009 11:05)
hoy Ravonjison
Nalaiko tao @ dinika iray tetsy ambony ity valitenin'ny nama iray ity satria hitako ho mahafehy ilay lohahevitra ary iraisako hevitra aminy
Raha raisina @ maha teny azy fotsiny ilay teny hoe finoana dia mbola miharo zavatra tsy fantatra sy tsy mazava ,tsy midika akory izany fa tsy marina nefa tsy midika ihany koa fa marina.
Oh: Mino aho fa masaka ny vary.
Io dia mipetraka ho vinavina ihany mandra-paha hitanao fa masaka marina ilay vary na tsia.
Raha raisina eo @ finoana Xana indray ilay teny (Xana moa no betsaka misera eto ka io angalako ohatra) :
Raha hiteny aho hoe izay mino an'i jesosy dia haazo ny fiainana mandrakizay sy ny paradisa mahafinaritra. Io dia tsy azo iadina hevitra satria tsy nisy lasa tany ka niverina ary nahita fa tena marina tokoa izany. Ka noho io tsy fahafahana miverina io no anisan'ny nahatonga ilay finoana.
Izaho kosa milaza fa ny finoana no voalohany, ka rehefa voaporofo fa misy zavatra marina aho ( na tsy marina ) dia rava ilay finoana ka mivadika ho fahamarinana ( na rava fotsiny), satria tsy azo lavina intsony ilay fahamarinana ( na ilay fahadisoana). Raha tsy misy kosa ilay porofo , dia matetika mijanona ho finoana ihany ilay izy

38. ravonjison
(
03/07/2009 12:47)

Tena azonao ny tiako ho lazaina !!!!