Fikolokoloina ny tanana sy ny tongotra

1. niryna ( 18/06/2009 20:01)
Asa aloha izay fomba fanaon'ny olona any aminareo fa ny aty aminay dia rehefa manao hoho tanana sy tongotra hianao dia arotsany ao anaty rano kely izay aloha ilay izy dia manomboka kikisany daholo ny loto rehetra ao anaty hoho.Dia hetihetezany izany ny sisin'ny hoho rehetra iny ka lasa mivandravandra be izany ny sisin'ny hoho rehefa miala ilay verinis ataony amin'ny hohonao.Dia mandeha indray ny tongotra dia misy rano mandeha izay dia atsoboka ao ny tongotrao ,ny lamosina amin'io mahazo hotra kely amin'ny machine a,dia hoy ilay ramatoa hoe tiana ho manjamanja sy velombelombolo ve ny ratsan-tongotrao? dia asehony zavatra maintso izay ataony masque amin'ny ranjo dia fonosiny plastic manify dia manomboka mikiky ny hohotongotra indray izy ary dia hetezany avokoa na zavatra tokony tsy etezana izao aza manodidina ny hoho rehetra iny.Ny nahalasa saina ahy ry ireto dia nokikisany re ity faladiako ity,izaho mahita fa malemilemy ny faladiako,nalainy ilay lame izay ary dia nokikisany niala teo daholo ny faladiako rehetra.Tena kivy aho fa hoy aho hoe tsy iverina aty intsony aho fa tiako ny manotra ny tongotra,tiako ny manao vernisy ny tongotro sy ny tanako fa ny faladiako kikisana hiala ity ,an,an lany eto ny faladiako =)) =))

Tsy nandeha tany intsony aho fa naleoko nividy vernis dia izaho ihany no manao ny hohoko
Inona ny anareo no atao mba ahatonga ny tanana sy ny tongotra halefaka fa ny ahy.......... rehefa avy resahiko an :D
Ohatran'izany koa ve ry reto ny anareo ny fanaovana tongotra fa tena mahakivy?
(l) niryna
novalian'i tsima11 ny 23/08/2012 12:06
2. maeva74 ( 18/06/2009 20:54)
Ny ahy manokana fa ny tsy aty aminay akory, ny fanaovana hoho angamba mitovitovy daholo amin'ny faritra rehetra, fa ny ahy dia izao ary!
mamana rano aho dia avy eo avela ho matimaty dia atao anaty koveta kely raha tanana dia koveta lehibe raha tongotra dia tsy hadino ny manisy savony kely ao anatin'ilay rano matimaty, rehefa avy eo dia avela hilona kely minitra vitsivitsy , dia fafaina ho maina tsara ny tanana sy ny tongotra, dia rehefa vita ireo dia maka ilay hazo kely amidy eny amin'ny supermarket na pharmacie, alohany ny hikikisana ny sisiny hoho aloha dia hosorana creme ny hoho rehetra dia avela hilona kely, dia kikisana amin'ilay hazo kely avy eo ny sisiny rehetra, ka rehefa hitanao fa niala daholo ilay hoditra kely maty amin'ilay sisin'ny hoho dia sasana madio amin'ny alcool, dia avy eo hosorana base amin'izay fa tsy hatao direct ilay vernis, ka rehefa manapaka hoho aho dia tsy mba tapahako fohy kely fa ataoko misimisy mijanona foana
amidy eny amin'ny mpivarotra rehetra koa ireny fikikisana vody tongotra ireny.
Izay ny fikarakarako ny hohoko, mba hahateza ny hoho sy hahamafy azy dia asiako menaka olive kely sy ranomboasary makirana.
3. sakaymena ( 18/06/2009 20:56)
tsotra kely ny fanadiovana hoho alivo ny koveta kely de asvo rano mafanafana de asio chapooing zay misy ao aminao.avy eo alomy ao ny tongotrao 5MNeo ho eo rehefa avy nesorinao ny vernis io an de sokiro tsy moramora @ lay fitaovana fandiovana hoho izay hitanao na ampiasainao mety na dia lohana hety keliy reny.avy eo de hivoaka daholo ny loto rehetra .de hetezo amzay lay nofo manify dia manify manodidina ny hohonao iny ataovy toy zany tsirairay avy de ho hitanao fa tsara ery ny hohonao ary tena miavaka @ nofo manodidina azy.ny faladia inadray kikiso @ reny fikikisana faladia ireny tsymoramora de avy eo asio vaseline fa ho hitanao fa mandina tsara . mapiasa mandrakariva vseline de andramo ngeh fa na io ranjonao de halandilandy tsara
de esory @ cream fanalana volo ny volotongotra rah misy fa tena mety tsara.toy zany hatrany ny hohotanan ary koa ny sandry .
tsotra kely
4. endrika01 ( 20/06/2009 17:13)
Raha mandinika isika,ny zavatra mora tsikaritra indrindra amintsika vehivavy dia ny tanana sy ny vernis n oublier pas de mettre en valeur ce miroir . Ny fikarakarana tanana am firenena hafa,raha sendra misy taches manirikiry ireny ny tanana,dia dioviny ,kosehina ny marimarina kokoa,aminy voasary makirana,mangala voasary makirana 1,zarao 2,de koseho amininy ny faritra misy tasy avy eo alonay ao anaty rano matimaty izay nasiana melange na ranomboasary makirana 1 sotro lehibe sy menaka olive 1 sotro lehibe,ataovy anaty koveta,ny rano atao ao dia izay mahadifotra ny hatreo aminy poingnet,eo aminy 10 minitra raha ela indrindra fa tena malefaka sy malandina.Rehefa mikiky ny hoho am lime iany kou de aza atao pointe fa mora silaka,fa le izy somary forme en amande no tsara,sy tsy mora silaka,tsy voatery we ny olona tsy ampy fer no silatsilaka ny hoho fa ny fomba fikikisanao azy koa no mahatonga anio! raha sendra ,misy anle lalan-dra mibotsina (enflees) ireny ny tananao de mangala eau de cologne de hosory de secouez fortement,de alohany anaovana ny manucure raha toa ka mahita huile d amandes douces ianao,de trempez-o ,aminio ny hoho raha tianao ny hahamaina haingana ny vernis,dia mampiasa seche-cheveux,en tenant vos doigts sous le souffle froid,zah lou efa tratranio vernis sarotra maina io e, [b]fa raha ny fikarakarako ny hohoko manokana alou,dia tsy mety aminy mintsy le halona anaty koveta fotsiny!Fa alohany hanadiovako,na hanapahako azy:wink: de tsy maintsy manasa lamba tanana foana zay vo atomboka,satry mafy ben-doza ny hoho tanako =)) ny any sasany anefa misy malefaka kely,de refa tsisy coupe-ongles na lime de kaikeriny kely aminy nify zay,de somary mizesita kely zay zareo :P nenah tsy mety atao anio fa angamba adiny 4 eo iany! :cry: :D
5. niryna ( 21/06/2009 07:28)
maeva74:

misaotra maeve a

6. niryna ( 21/06/2009 07:29)
sakaymena:

tsotra kely ny fanadiovana hoho alivo ny koveta kely de asvo rano mafanafana de asio chapooing zay misy ao aminao.avy eo alomy ao ny tongotrao 5MNeo ho eo rehefa avy nesorinao ny vernis io an de sokiro tsy moramora @ lay fitaovana fandiovana hoho izay hitanao na ampiasainao mety na dia lohana hety keliy reny.avy eo de hivoaka daholo ny loto rehetra .de hetezo amzay lay nofo manify dia manify manodidina ny hohonao iny ataovy toy zany tsirairay avy de ho hitanao fa tsara ery ny hohonao ary tena miavaka @ nofo manodidina azy.ny faladia inadray kikiso @ reny fikikisana faladia ireny tsymoramora de avy eo asio vaseline fa ho hitanao fa mandina tsara . mapiasa mandrakariva vseline de andramo ngeh fa na io ranjonao de halandilandy tsara
de esory @ cream fanalana volo ny volotongotra rah misy fa tena mety tsara.toy zany hatrany ny hohotanan ary koa ny sandry .
tsotra kely

tsy ratsy kosa ilay izy.Andraso fa ho andramako kely indray.

:-*
7. niryna ( 21/06/2009 07:33)
endrika01:

Raha mandinika isika,ny zavatra mora tsikaritra indrindra amintsika vehivavy dia ny tanana sy ny vernis n oublier pas de mettre en valeur ce miroir . Ny fikarakarana tanana am firenena hafa,raha sendra misy taches manirikiry ireny ny tanana,dia dioviny ,kosehina ny marimarina kokoa,aminy voasary makirana,mangala voasary makirana 1,zarao 2,de koseho amininy ny faritra misy tasy avy eo alonay ao anaty rano matimaty izay nasiana melange na ranomboasary makirana 1 sotro lehibe sy menaka olive 1 sotro lehibe,ataovy anaty koveta,ny rano atao ao dia izay mahadifotra ny hatreo aminy poingnet,eo aminy 10 minitra raha ela indrindra fa tena malefaka sy malandina.Rehefa mikiky ny hoho am lime iany kou de aza atao pointe fa mora silaka,fa le izy somary forme en amande no tsara,sy tsy mora silaka,tsy voatery we ny olona tsy ampy fer no silatsilaka ny hoho fa ny fomba fikikisanao azy koa no mahatonga anio! raha sendra ,misy anle lalan-dra mibotsina (enflees) ireny ny tananao de mangala eau de cologne de hosory de secouez fortement,de alohany anaovana ny manucure raha toa ka mahita huile d amandes douces ianao,de trempez-o ,aminio ny hoho raha tianao ny hahamaina haingana ny vernis,dia mampiasa seche-cheveux,en tenant vos doigts sous le souffle froid,zah lou efa tratranio vernis sarotra maina io e, [b]fa raha ny fikarakarako ny hohoko manokana alou,dia tsy mety aminy mintsy le halona anaty koveta fotsiny!Fa alohany hanadiovako,na hanapahako azy:wink: de tsy maintsy manasa lamba tanana foana zay vo atomboka,satry mafy ben-doza ny hoho tanako =)) ny any sasany anefa misy malefaka kely,de refa tsisy coupe-ongles na lime de kaikeriny kely aminy nify zay,de somary mizesita kely zay zareo :P nenah tsy mety atao anio fa angamba adiny 4 eo iany! :cry: :D

mazava tsara fa izaho ity tia manandrakandrana ka andraso fa alaiko naoty daholo ny anareo telo ireo.Ny ahy koa dia mitondra fanala vernis aho any am-piasana fa tena tsy tiako ny mijery ireny hohoko miendaka ireny.Toa voretra ny fieritreretako ny tenako,hi,hi.
8. endrika01 ( 21/06/2009 11:24)
niryna> raiso naoty tsara dia mba zarao eto iany le resultat é! (l)
9. niryna ( 23/06/2009 20:16)
endrika01:

niryna> raiso naoty tsara dia mba zarao eto iany le resultat é! (l)

hi,hi manao citron kely aho io dia nasiako menaka olive,feno ny tanko kanefa aho andeha andray ordi dia nofafako tany amin'ny tongotro mba ho mandimandina rehefa avy eo

=)) mora mianatra aho e =))
10. ni81 ( 23/06/2009 20:40)
Raha tiana ho mafy ny hohon-tanana (lava) dia alaina ny ovy mahamay dia atsofoka ao elaela, tandremo tsy ho may ny rantsana.
Azo atao koa ny manosotra huile de ricin ny hoho fa manamafy azy iny
Ny momba ilay hoho-tongotra kosa raha mafy tapahana dia izao atao:
- makà koveta kely dia asio rano mafana izay zakanao dia asio liquide vaisselle ao anatin'io, dia lomana ao elaela fa ho mora tapahina tokoa ilay hoho avy eo.
11. ari.malala ( 24/06/2009 09:20)
Fa inona kay izany fikikisana faladiha teneninareo zany fa ts haiko? :-P
12. ni81 ( 24/06/2009 09:46)
Fa inona kay izany fikikisana faladiha teneninareo zany fa ts haiko?
misy ilay toy ny hoditra mafy ireny ao @ faladia dia esorina fa maharary rehefa mitambatra be. Toy ny kitro fa tsy tena kitro e
13. ari.malala ( 24/06/2009 10:21)
ni81, fa lay ikikisana azy ka? :)
14. ni81 ( 24/06/2009 10:44)
misy karazana lime fikikisana azy , ary raha mandeha @ ireny pédicure ireny aza dia misy fitaovana mandeha courant maneno toy ireny fanamboarana nify ireny ampiasainy. Andraso hitady sary aho alefako eo hampazava azy @ toi e
15. ni81 ( 24/06/2009 10:56)
[URL=http://img200.imageshack.us/i/77552.jpg/][IMG]http://img200.imageshack.us/img200/3483/77552.th.jpg[/IMG][/URL]
ity iray ity toy ny solaitra vato fa marokoroko
[URL=http://img40.imageshack.us/i/portecapuchon21.jpg/][IMG]http://img40.imageshack.us/img40/7886/portecapuchon21.jpg[/IMG][/URL]
ito ilay fitaovana ampiasainy miaraka @ fil maneno toy ireny manamboatra nify ireny
[URL=http://img40.imageshack.us/i/845713085l.jpg/][IMG]http://img40.imageshack.us/img40/240/845713085l.th.jpg[/IMG][/URL]
io dia toy ny sivana na ilay fikikisana karoty ireny :lol:
16. ari.malala ( 24/06/2009 11:18)
Ah d'accord fa ny tiako anontaniana hoe misy mivarotra mitokana v io akia?
17. fahamarinana ( 24/06/2009 11:22)
:arrow: noheveriko fa gilasy ilay faharoa kle ! :-D :-D :-D coupé coupé l'intestin !Za efa sorena sy romotra ato ity !tssss!! (l)
18. endrika01 ( 24/06/2009 12:31)
ni81:
Raha tiana ho mafy ny hohon-tanana (lava) dia alaina ny ovy mahamay dia atsofoka ao elaela, tandremo tsy ho may ny rantsana. Azo atao koa ny manosotra huile de ricin ny hoho fa manamafy azy iny Ny momba ilay hoho-tongotra kosa raha mafy tapahana dia izao atao: - makà koveta kely dia asio rano mafana izay zakanao dia asio liquide vaisselle ao anatin\'io, dia lomana ao elaela fa ho mora tapahina tokoa ilay hoho avy eo.
zah kalou tena mijaly mintsy refa hanapaka hohon-tanana,voadidy ny lame foana tam mbola zaza,satry tsy laitry ny coupe-ongles,fa ny tongotra alou tsy koi e.So mba misy solution fanalefahana hoho ? :P
19. ni81 ( 24/06/2009 14:01)
Ah d'accord fa ny tiako anontaniana hoe misy mivarotra mitokana v io akia
misy ireo fa ilay faharoa tsy haiko satria tsy maintsy miaraka @ ilay fitaovana elektrika. Midira ao @ site yves.rocher fa mahita ireo voalohany sy faharoa koa indry ao; fa misy koa ilay hoe pierre ponce (misy eny farmasia dago eny; dia ny ady gasy fanao ary tsy hita koa izay maharatsy azy dia kikisana @ vato rehefa misasa tongotra e
noheveriko fa gilasy ilay faharoa kle ! coupé coupé l'intestin !Za efa sorena sy romotra ato ity !tssss!!
=)) =)) sady ny andro mafana zao mety tsara ny gilasy an! tandremo zany coupé coupé zany intestin fa manjary sahirana tsy afaka maneho ilay voix bleue =)) =))
zah kalou tena mijaly mintsy refa hanapaka hohon-tanana,voadidy ny lame foana tam mbola zaza,satry tsy laitry ny coupe-ongles,fa ny tongotra alou tsy koi e.So mba misy solution fanalefahana hoho ?
lomy rano sy asiana ilay liquide vaisselle nolazaiko tery ambony rehefa tiana halemy
20. ari.malala ( 25/06/2009 06:01)
ni81, malaza maha vakivaky tongotra akia ny vato sa ts marina izany? fa misaotra nanoro e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1464