la jalousie

21. xxx ( 24/06/2009 20:22)

La jalousie est une preuve d'amour kanefa tsy izay saro-piaro rehetra kosa no tia.Ny vady tsy tiana no tsy arovana koa anefa hoy ny fiteny
Arakaraka io ; inona no antony mahasaro-piaro azy? Voafitaka ve izy? sa izy no manao ny hataony ka heveriny ho mamadika koa ny iray?
Tsy tokony haseho masoandro ihany ny ny hasarotam-piaro fa anareo roa ihany fa tsy hatao eny imasom-bahoaka ka hifanehaka eny ohatra.
Rehefa tsy eo ilay mahasaro-piaro vao mifanazavà ianareo roa. Fa tsarovy fa ny hasarotam-piaro de sady ARETINA mamotika ny manana azy,mahatonga aretim-po no FATOTRA lehibe tsy maha -olona afaka ny arovana. Manana ny safidiny sy ny sitra-pony ny olona ka tsy tokony ho voafatotra loatra.
Raha tokony hisy ny saoro-piaro, ny vehivavy ve no tokony ho saro-piaro sa ny lehilahy?
Vehivavy aho fa manana olon-tiana tena DISO SARO-PIARO ka isak'izay miresaka amin'olona dia heveriny ho olon-tiako foana. Farany navelako ho eny izy , manomboka tsy de mifandray aminy sasy aho, fantatro fa mijaly izy saingy voafatotra koa aho.
Fa hoy ny mpandinika hoe" arakaraky ny fiofanana na ny fianarana "nodiavina hono no mampihena na mampahery vaika ny hasarotam-piaro ka izay nandalina kokoa hono tsy de saro-piaro loatra. Asa ny fahamarinan'io.
22. Ratoa ( 24/06/2009 21:41)
Amiko ny asarota-piaro dia fahalemena: tsy matoky tena ilay saro -piaro hoe tena tia azy ilay olona. Amiko ny fitiavana dia fahatokisana mitovitovy @ finoana. Raha tia izy dia tsy mila arahana ary rehefa tsy tia intsony izy dia tsy afaka isakana azy tsy hifindra sy hiova tiana mihitsy ianao.
Manambany teny izay saro-piaro ary ty manaja ilay olo-tiany koa. Ra ha izaho aloha dia tsy manao scène de jalousie mihitsy aho na oviana na oviana. Il faut savoir rester digne et transcender les événements.
Tsy mampiova inoninona mihitsy ny fianarana sy ny fiofanana. rehefa tapitra dia tapitra. Ny olona fahiny anefa nahay nifandefitra sy nifananaja fa tsy ahitana asarota-piaro izany. Tena ambony dia ambony taminy ny tokatrano fa avy tamin'Andriamanitra tahaka ny zanaka.

Ka aiza no tandrifina anao?
23. xxx ( 02/07/2009 13:13)
Ny olona miaraka amiko tena saro-piaro tanteraka, maha-saropiaro azy daholo ity olona mifanerasera amiko ity. Efa lazaina foana fa tsy misy tokony haha saropiaro fa eee. Miezaka ihany aho mba hampilamintsaina azy fa eee, vizana koa ny farany.
Ka amiko rehefa tia dia saro-piaro foana, saingy mila fehezina ilay izy. Raha tsy izany manimba zavatra betsaka ary lasa mitory tsy fahatokisan-tena fa tsy fitiavana intsony raha diso tafahoatra.
24. rurale ( 12/08/2009 06:50)
soanja: Otrany hanohitra kely ny teninao za, fa ny hasarotam-piaro ilaina fa arakaraky ny fanehoana azy no mahamety sy tsy mahamety azy. Za zô de tena ol saro-piaro satria tiko izy, ny mahatonga ahy saro-piaro de izy be ol mifanerasera ary tia misangy @ ol, ny azy sangy fa ny ol mety handray an'le izy sens hafa de misy fiatraikany aty amiko le izy satria le ol avy eomanao fietsika hafahafa sns, de sarotiny aho @ izay fotoana izay satria tiko izy de arovako tsy oe tsy fatokisana valeur koa sanatria fa ny faka-panhy betsaka de anjarako no miaro azy tsy ho tratran'izay, arovako @ ol mitady hampme izy.
xxx: aza omena tsiny fa mety mitovy @ zay cas hitako zay no zava-nisy enao tsy mahatsapa oe misy ny sasany mandika vilana ny fihetsikao @ny. Tia izy e!
Eny e, fa manaiky ko za ndraindray fa ny ol manao ny ataony ko no mody saro-piaro, tsy fitiavana zay fa hypocrisie. Fa anjaran-tsika zany mamantatra ny olo-tian-tsika ts1 1.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3786