Bjr
Aza iomehezana re ray olona fa loza anie ny manjo ity nosy é!
Rahoviana? rahefa vehivavy indray no mitondra azy. Vehivavy reny, anabavy , zafikely sy zanaka vavy .
Amin'ny malagasy dia ambony dia ambony ny toeran'ny vehivavy saingy nony tonga ny frantsay dia noravany izany. Ny anarandray no naroso teo anoloana. Tadidio fa isika malagasy dia tsy mba nitondra anarandray. Matetika aza very anarana amin'ny zanany ny ray. Jereo: Dadan'Ikoto, Maman'i Bozy no iantsoana azy raha vao teraka ny zanany fa tsy ny anarany intsony. Ary ny vehivavy na dia manambady aza dia mitàna ny anarany, tsy mitondra anarambady. Fa fomba frantsay nolovaina t@ fanjanahan-tany io mba mora izohiana ny fianakavian'ny mpanohitra rehetra.
Raha hanambady ny vehivavy dia vatsiana izay ilaina ao an-tokatrano. Omena omby raha manana ny fianakaviana ary akoho mivady raha tsia. Ka raha nisy izay tsy nifanarahana tsy nipody tàna-polo Ravehivavy.
Ary nony tsy niasa tany intsony rangahy, dia tsy ny vokatry ny tany intsony no entina ho tantan-dramatoa, fa ny karama manontolo.
Ka VEHIVAVY VE? Hoy ianareo?
ENY, VEHIVAHY! hoy aho!
Vehivavy hitondra sy hanondraka fitiavana, hanosoa lalandava ny fianakaviankeliny sy ny fianakaviambe dia i Madagasikara iray tsy vaky vola.
Mbola ho avy ny maraina vaovao sy madio, mha te hiaina.