ampanatrehan-tena, rahoviana ????????

21. itaramasoandro ( 24/06/2009 14:20)
moa va re endrika iray tsy fankasitrahana ny vehivavy izato hevitrao'? ary ity fomba fanoratra misy w ity dia tsy mba gasy akory fa avy aiza'? ny informatika koa anie mty manaja ny mahagasy azy e!

itaramasoandro 8)
22. endrika01 ( 25/06/2009 09:10)
Dryyy,fa misy inona? Hay resaka we.Tsy fankasitrana vehivavy aona moa,ataoko angamba fa zah no nametraka dinika volou tary aminy dinika Politika hoe Maninona raha vehivavy indray no atao filoha?Mandreraka be reto lhl miady seza ireto, raha marina fa tena ho fampandrosoam-pirenena no ifandrombahana ny seza,inona moa no olana amizany,fa ny fahitako azy aloha ny amizao dia :roll::roll:
23. itaramasoandro ( 25/06/2009 17:07)
endrika01:

Dryyy,fa misy inona? Hay resaka we.Tsy fankasitrana vehivavy aona moa,ataoko angamba fa zah no nametraka dinika volou tary aminy dinika Politika hoe Maninona raha vehivavy indray no atao filoha?Mandreraka be reto lhl miady seza ireto, raha marina fa tena ho fampandrosoam-pirenena no ifandrombahana ny seza,inona moa no olana amizany,fa ny fahitako azy aloha ny amizao dia :roll::roll:



aza misendaotra re ianao fa fanontaniana mipetraka fotsiny ny ahy, zary vazivazy koa e.
marina fa tsy ampy ny vhv mitondra eto @ tsika ary indrindra vehivahy tsy maka tahaka ny fomba fanaon'ny lhl fa manandratra ihany koa ankoatran'ny mahagasy azy, ny fomba fijeri-fiasa-fieritreritrin'ny vhv izay mazàna mahatsinjo hevitra hafa (lavitra?) nohon'ny lhl.

misy firenena ohatra nametraka vehivavy maro nohon'ny lhl @ toeran'ny paolisy mandritra ny fifamoivoizana satria sarotra ny manome kolikoly ny vhv. misy maro koa ny vhv akaiky ny filoham-pirenena (mazàna ny vadiny) ary manome azy hevitra.

nahoana tokoa moa tsy ho filoha vhv no hitondra ny nosy'? ny lhl gasy mety hanaiky ihany hoy aho satria tsy fiarahamonina mametraka ny vhv ambany toerana ny malagasy. saingy ny olana dia toa mafy kitro ireo dinaozaoron'ny politika malagasy ka sady mavesatra izay tsy izy no mikiry @ fahanterany efa nanampaka.

saingy kirizy tahaka izao no hipoiran'ny olombaovao ka handao ary handrasana izany endrika vaovao izany.

itaramasoandro 8)



24. endrika01 ( 26/06/2009 09:37)
Ka ny fampandrosoana ny firenena anie maro be ny tsy mahatakatra fa hoe ny filoha dia mpanatanteraka baiko sy mandrisika ary mamporisika ny tsirairay hanasongadina ny ezaka tsara ataonizy ireny,ngah adinontsika ny kabary famerimberiny filoha teo aloha Marc Ravalomanana,taminireo Ben ny tanana voafidy.Famporisihana azy ireny hifaninana,tsy hoaminy ratsy akory,fa ny famatsarana,fampivoarana ny ao aminy Fokontany, Firaisana, Fivondronana sa mou Komune iadidiany.Ny halatra vaky trano fandrombana misy ao @Fokontany iray,na maromaro ve entina hilazana fa ny filoha no mampahantra?Ny isam-batanolona koa no miezaka hoaminy tsara fa tsy ny filoha foana no asiana.Ny zavatra iray tena mampihaiky ao am fiaraha-monina ao de ity,ireo nianatra fa T3 na Cepe fotsiny no ananany dia saiky mpanan-karena ny akamaroany,nahay nanangona,noho ireo nianatra nefa tsy tafita very volabe tam saram-pianarana :D
25. ravonjison ( 26/06/2009 16:32)

....rehefa nandia fianarana, mahay mamaky teny sy tsy azo ambakaina ary tsy azo adalaina ny 80% ny malagasy...
26. itaramasoandro ( 27/06/2009 05:39)
na iza na iza diso satria nivaona t@ andraikitra nandrasana taminy anefa nekeny ho tanterahana - na raiamandreny izy na filoha, na lehiben\'izato na iroa, na antitra na tanora, na manampahaizana na tsia - dia mieteza ampanantrehan-tena mihaino ny tsikera-ho-entina-manatsara avy @ ankolafinkevitra samihafa fa izany no fomba fanajàna ireo izay miaradiha @ tena (taranaka, mpianatra, mpiasa, vahoaka, sns).

tahaka izany koa ireto ankolafinkevitra samihafa: ny fanarahana akaiky ny fanantanterahan\'ny tompon\'andraikitra ny asany ka ny mampahatsiaro azy ireo ampanatrehan-tena fa tsy azo hambakaina ny taranaka, mpianatra, mpiasa, vahoaka, sns, dia fomba fampahatsiarovana fa mendrika ny ho hajaina ireo mpiaradiha satria :

miainga @ fifanajàna ny teny nifanomezana ny fifahatokisana.

itaramasoandro 8)
27. endrika01 ( 27/06/2009 06:30)
Tsy voatery hoe,izay mipetraka eny Ambohitsirohitra iany akory no azo lazaina hoe filoha,ka dia iadivana be fahantany ny toerana.Fa any aminy an-toko ,aminy toeram-piasana,any am-pianarana,any anaty fiaraha-monina any,dia afaka tonga filoha ianao,rehefa ao aminao ny famendrehana,fitiavana lavitry ny fanavakavahana sy ny herisetra,fahaizana mandanjalanja ny hetahetam-po ny ireo manodidina anao,mpiara-monina aminao,tsy mitanisa FOKO na an-toko fa tanjona tokana,dia izay hampandrosoana sy hampivoarana ny Firenena!
28. fenomarc ( 29/06/2009 14:18)
Lazaiko marina aminareo fa tsy ampoizina toy ny niavian'izao olana eto amin'ny firenena izao no hiavian'ny fandriampahalemana sy fandrosoana ho an'ny malagasy, tsarovy izao teniko izao refa tonga izay fotoana izay!
29. endrika01 ( 29/06/2009 15:34)
Dia miandry anilay fotoana zany kou.Oviana hono,hoatrany Bemolanga iany kou ve :P
30. endrika01 ( 29/06/2009 15:34)
Dia miandry anilay fotoana zany kou.Oviana hono,hoatrany Bemolanga iany kou ve :P
31. itaramasoandro ( 30/06/2009 01:20)
kely foana sisa dia feno 50 taona ny fahaleovantena malagasy. maro ny tantaram-pirenena nandalo kirizy sy filaminana dia kirizy indray dia filaminana hatrany nandritry ny taonjato maro.

saingy ankehitriny, maro ihany koa ny fomba hita fa tsy nahomby, maro lavitra ny fomba fiseraserana mety azo ampiasana tsara lavitra noho ny fahizay mba hanatsaràna ny fiainan'ny mpiarabelona.

ka toa tsy azo ekena intsony @ taon-jato ankehitriny ny ady, fitsabahana antanin'olona, fanjanahana samihafa satria natao hoe nivoatra ny zanak'olombelona.

tsy azo ekena intsony ireo mety ho fanisakitsahana ny anjara masoandro sy zon'ny hafa ary samy manana ny fiteniny, kolontsainy ny firenentsamihafa. anjaran'ny mponina ao aminy ny miaro izany hatrany.

anisan'ireo i madagasikarantsika. manana ny vahoakany, ny kolontsainy, ny fiteniny, ny ho aviny eo ampelatanany. fokonolona isankarazany miray @ sehatra maro samihafa no hipetrahan'ny fiaraha monina malagasy hatr@ izay ka io dia ampy hivondrona ho hery lehibe dia lehibe, manana tetik'asa ka mampita ny feony tsy mitsahatra satria hoy ilay fitenenana hoe ny any hery farany hananan'ny mahantra dia ny feony mba hitolomany hivoahany @ tsy rariny.

itaramasoandro 8)
32. endrika01 ( 01/07/2009 01:08)
Miara-dia,mifanome tanana,tsy mifanao aloha sy aoriana hifamingana. Mpirahalahy mianala,izy tokiko zaho tokony na koa hoe Izay mitambatra vato;fa izay misaraka fasika
33. eh ( 02/07/2009 09:27)
Resabe ambony latabatra izany rehetra izany fa tsy ho vehivavy mihintsy no hitondra eo hoy aho satria ny antony dia ny fiarahamonina Malagasy; tsy ny vavy mihintsy no ho lohan'ny lahy ary ny fitondrana firenena tsy hanaiky izany ny sarambaben'ny lehilahy ( ny lahy foana no lohan'ny vavy) , ny hoe olona hafaka hitondra antsika za tsy mahita afatsy i Dada ihany aloha hatreto ninoninona lazainareo!!! na miondana na tsia!! tokana ny safidy ary mino aho fa betsaka no toa ahy... 8) ataovy marina tsara anie ny fifidianana é!!! hifankahita isika... :D
34. eh ( 02/07/2009 09:32)
Resabe ambony latabatra izany rehetra izany fa tsy ho vehivavy mihintsy no hitondra eo hoy aho satria ny antony dia ny fiarahamonina Malagasy; tsy ny vavy mihintsy no ho lohan'ny lahy ary ny fitondrana firenena tsy hanaiky izany ny sarambaben'ny lehilahy ( ny lahy foana no lohan'ny vavy) , ny hoe olona hafaka hitondra antsika za tsy mahita afatsy i Dada ihany aloha hatreto ninoninona lazainareo!!! na miondana na tsia!! tokana ny safidy ary mino aho fa betsaka no toa ahy... 8) ataovy marina tsara anie ny fifidianana é!!! hifankahita isika... :D
35. tsiambaratelo ( 02/07/2009 10:44)
Dia tsy maintsy hoe ny lehilahy foana ve no hitondra eo? Sa amty aloha averina i Dada dia aminy fifidianana manaraka iNeny(atao anarananizay vehivavy hitondra eo ohatra)
36. tsiambaratelo ( 02/07/2009 10:49)
Dia tsy maintsy hoe ny lehilahy foana ve no hitondra eo? Sa amty aloha averina i Dada dia aminy fifidianana manaraka iNeny(atao anarananizay vehivavy hitondra eo ohatra)
37. itaramasoandro ( 03/07/2009 01:12)
Resabe ambony latabatra izany rehetra izany fa tsy ho vehivavy mihintsy no hitondra eo hoy aho satria ny antony dia ny fiarahamonina Malagasy; tsy ny vavy mihintsy no ho lohan\'ny lahy ary ny fitondrana firenena tsy hanaiky izany ny sarambaben\'ny lehilahy


eh! f\'inona ity lazainao? adinonao angaha fa mpanjaka vavy samy nanana ny lohany, ny heviny, ny tanjony no nifandimby teto @ nosy noelanelan\'ny mpanjaka lahy nandritra ny 50 taona? eny fa na dia ny praiminisitra lahy aza no nitondra mrina dia teo andohandaharana ny mpanjaka vavy tao aoriana an\'i nampintambaran\'andrianampoinimerina ny nosy ho iray.

adinonao va re fa nanana ny tantarany avy ireo vhv mpanjaka ireo? ka lazainao hoe tsy mety ho an\'ny fiaraha-monina gasy ny vhv eo @ fitondrana? tsarovy fa t@ fotoana androny no nanenjehana ny vazaha vahiny nanitsakitsaka ny finoana sy ny hasin\'ny malagasy.

fa tsy @ fotoana ny mpanjaka intsony isika izao ary tsy misy maniry ny hiverenan\'izany akory.

dingana lehibe ankehitriny mbola tsy noraisin\'i malagasy ho fahafahana ny fahaleovantena sy ny hetsikin\'ny ireo niady t@ izany t@ taona 1947. ampy ho an\'ny malagasy efa ho 15 tapitrisa no mivondrona @ sehatra samihafa miaro ny zony :
- vondrona miaro ny fahafahan\'ny tsirairay (@ fitenena, finoana, fananana tany hambolena sy hiompiana, fifamoivozana, famoronana orinasa,...)
- vondrona miaro ny serasera @ lafiny rehetra
- vondrona miaro ny tontolo iaiana, kolontsaina, harena sy vakoka malagasy
- vondrona miaro ny mpamboly, ny tantsaha, ny mpiasa, mpianatra, manampahaizana,...
- vondrona miaro ny tombotsohan\'ireo ankolafinkevitra samihafa ireo, ny lalàna, ny toeran\'ny gasy anivon\'ny firaisambe ny firenena mitambatra

efa misy hoe ireo rehetra ireo?

saingy tsy reha, tsy hita, tsy miseo, tsy miakatra antsehatra foana isakiny diso làlana ny fitondràna sy ireo mpanaradia azy.

rehefa matotra ny malagasy hivondrona ary hivondrona hatrany @ sehatra maro ka maneo ny heviny - na hataonao hoeh \"resabe ambony latabatra fotsiny\" aza - dia handroso tsikelikely. mbola lavitra ny làlana saingy aleo mandroso toa izay mivanàka fotsiny toy izao.

itaramasoandro 8)


38. endrika01 ( 03/07/2009 04:16)
itaramasoandro:
Resabe ambony latabatra izany rehetra izany fa tsy ho vehivavy mihintsy no hitondra eo hoy aho satria ny antony dia ny fiarahamonina Malagasy; tsy ny vavy mihintsy no ho lohan\'ny lahy ary ny fitondrana firenena tsy hanaiky izany ny sarambaben\'ny lehilahy
eh! f\'inona ity lazainao? adinonao angaha fa mpanjaka vavy samy nanana ny lohany, ny heviny, ny tanjony no nifandimby teto @ nosy noelanelan\'ny mpanjaka lahy nandritra ny 50 taona? eny fa na dia ny praiminisitra lahy aza no nitondra mrina dia teo andohandaharana ny mpanjaka vavy tao aoriana ani nampintambaran\'andrianampoinimerina ny nosy ho iray. adinonao va re fa nanana ny tantarany avy ireo vhv mpanjaka ireo? ka lazainao hoe tsy mety ho an\'ny fiaraha-monina gasy ny vhv eo @ fitondrana? tsarovy fa t@ fotoana androny no nanenjehana ny vazaha vahiny nanitsakitsaka ny finoana sy ny hasin\'ny malagasy. fa tsy @ fotoana ny mpanjaka intsony isika izao ary tsy misy maniry ny hiverenan\'izany akory. dingana lehibe ankehitriny mbola tsy noraisin\'i malagasy ho fahafahana ny fahaleovantena sy ny hetsikin\'ny ireo niady t@ izany t@ taona 1947. ampy ho an\'ny malagasy efa ho 15 tapitrisa no mivondrona @ sehatra samihafa miaro ny zony : - vondrona miaro ny fahafahan\'ny tsirairay (@ fitenena, finoana, fananana tany hambolena sy hiompiana, fifamoivozana, famoronana orinasa,...) - vondrona miaro ny serasera @ lafiny rehetra - vondrona miaro ny tontolo iaiana, kolontsaina, harena sy vakoka malagasy - vondrona miaro ny mpamboly, ny tantsaha, ny mpiasa, mpianatra, manampahaizana,... - vondrona miaro ny tombotsohan\'ireo ankolafinkevitra samihafa ireo, ny lalàna, ny toeran\'ny gasy anivon\'ny firaisambe ny firenena mitambatra efa misy hoe ireo rehetra ireo? saingy tsy reha, tsy hita, tsy miseo, tsy miakatra antsehatra foana isakiny diso làlana ny fitondràna sy ireo mpanaradia azy. rehefa matotra ny malagasy hivondrona ary hivondrona hatrany @ sehatra maro ka maneo ny heviny - na hataonao hoeh \"resabe ambony latabatra fotsiny\" aza - dia handroso tsikelikely. mbola lavitra ny làlana saingy aleo mandroso toa izay mivanàka fotsiny toy izao. itaramasoandro 8)
Mba tantarao an i eh kosa aloha zany hoe Mpanjakavavy nitondra taloha zany,fa mety tsy fatany.
39. itaramasoandro ( 03/07/2009 14:27)
mba mieteza re mahatsiaro, mamakafaka ny tantaran'ny nosy fa aza avela ho tontotry ny fahadinoana ny zava-niseo eh!

tsy mendrika ny ho adinoina ny tantara satria io no any lovan'ny vahoaka iray.

itaramasoandro 8)
40. endrika01 ( 05/07/2009 13:35)
itaramasoandro:

mba mieteza re mahatsiaro, mamakafaka ny tantaran'ny nosy fa aza avela ho tontotry ny fahadinoana ny zava-niseo eh!

tsy mendrika ny ho adinoina ny tantara satria io no any lovan'ny vahoaka iray.

itaramasoandro 8)



ka maro koa anie ny tsy maha araka tantara é,ny sasany zary fahavarana hoazy ny mihaino ny lazaina sy itany isn'andro
dia tsy misy voaray fa mandalo sy miserana fotsiny! (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5277