Frantsay lasa alavitra fa ireo ataony kilalao no vendrana
1. penguin
(
16/06/2009 05:51)
Efa ela aho no nampahatsiahy fa tsy vizana akory ny Frantsay ary tsy afaka apetraka hilahatra amin'ny Firenena osa dia osa. Ny resaka lazaina kosa dia na lasa alavitra aza ry zareo tsy hain'ireo izay nisolelaka taminy hatrizay ny naka ny tsiro nampandrosoana an'i Madagasikara. Miseo ary miariary ny filalaovan-dry zalahy ny marivo hisalosana ka izay filalaovana sy famiravirana izay no hanenjehana ny Frantsay fa tsy hoe ny maha-tsy alehany azy akory. Efa nisolelaka ny Frantsay hatrizay saingy izao foto-pisainana mihasimba andro aman'alina izao no vokany koa dia samy ahita faisana tokoa na ny ankehitriny na ny fara mandimby raha io variana misolelaka io no tohizana. Milaza sy miresaka tombon-tsoam-pirenena nefa faly maka tombony ambadika ary mamono ny firenena ankolaka.
novalian'i penguin ny 16/06/2009 10:54
2. rahiratra
(
16/06/2009 06:08)
Rehefa mahita ny miraviravy ny TGVendrana dia hafaliana no asetriny ary lazainy fa ho avotra ny firenena nefa izy mbola TGVendrana ihany tsy tsapany.
3. Noue
(
16/06/2009 06:24)
dia zay zavatra atao ary hita fa tsy mety zao dia lazaina oe Intérét supérieur de la Nation vaovao indray io eee
4. penguin
(
16/06/2009 10:54)
Izay no maha-tgvendrana ny tgvendrana. Lazaina tombon-tsoam-pirenena nefa ny sainy no manery azy. Izy andry tgvendrana no mandeha miantso ny vahoaka tsy hanaiky ny fahatongavan'y Filoham-pirenena Ravalomanana dia lazainy fa ny vahoaka no miteny. Heveriny fa donto izany ny vahoaka ka hievitra fa raha izy no flou FAT(y) dia ny vahoaka no ho vokin'ny vola raisiny ao amin'io FAT(y) io. Ary mba gaga aho fa tsy nametraka ilay hoe tsy handray karama ny tgvendrana tamin'ity ka asa na izay koa ilay tombon-tsoam-pirenena tgvendrana.
