Ny olona AFAKA no manangan-tsaina 26 jiona

1. hery ( 14/06/2009 08:58)
Maninona moa no tokony tsy hanangana saina eny an-davarangana amin'ny 26 jiona? Tsotra ny valiny. Satria tsy AFAKA indray ny Malagasy. Satria niverina ho zana-tany indray, ary tsy mba hoe zanatanin'olona vaovao fa mbola zanatany frantsay indray. Raha hanangan-tsaina izany dia tokony saina Frantsay no atsangana ary tokony amin'ny 14 jolay no manangana izany fa tsy amin'ny 26 jona.

Rehefa miala ny mpanao amboletra fanjakàna, ka miverina amin'ny resaka demokrasia sy ara-dalàna (misy na tsy misy Ravalo) dia hahofahofantsika amin'izay ny Saina Malagasy.

Averiko indray, rehefa tonga ny ara-dalàna misy na tsy misy Ravalo... izany hoe na rehefa tonga ny fanjakana lany t@ fifidianana na aorian'izay fifidianana hisy.

novalian'i Noue ny 15/06/2009 19:29
2. xxx ( 14/06/2009 09:02)
marina izany hery an ,aleo ny bekitana no hanagatsaina fa isika mbola varina aminy ady politika
vive madagascar e
http://www.dailymotion.com/video/x6setw_madagascar-national-anthem_music
(l) (l) (l)
3. Rajakoo ( 14/06/2009 09:17)
Tsara miofana kely any @ reo sipa reo zany ny capsat :lol:
4. reeves ( 14/06/2009 09:34)
Mahavariana tokoa fa eto Antananarivo aloha h@ zao dia mbola azo isaina amin`ny rantsan-tànana ny Trano ahitàna saina mihantona . Toa midika fa mitovy eritreritra daholo ny ankabeazan`ny olona tsy hoe tsy tia ny Tanindrazany fa kosa manohitra ny MPAKA FANJAKANA AN-KERINY !!!
5. endrika01 ( 14/06/2009 09:58)
Averina amin'ity taona ity ndray zany ny fahazahoana fahaleovantena taona volohany!

de hotry ny tsy mety satria lasa hoatry ny tsinotsinoavina ndray ireo namoy ny ainy sy niady mafy hoan'ny fahafahana taminizany taona maro lasa izany !
6. endrika01 ( 14/06/2009 09:59)
tsy asiana filaharana tsy asiana kabary ,tsy asiana matso,fa atao tanana haolo tsy misy mivoaka ny trano na saka iray aza!=))=))=))
7. ravalotgve ( 14/06/2009 10:03)
mety hisy hitifitra i tgv raha mankeny mahamasina

sniff
tchrouff

;-) ;-) ;-) ;-)
8. endrika01 ( 14/06/2009 10:04)
mangina ny tontolo, misaona ny voahary,mandini-tena izay manan-tsaina,de mifona mivalo amin'ilay Ray ao ambony aby ,fa mpanota be doly,fa saritsary fotsiny ny filazana we mpivavaka !=))=))=))=))



Oviana ihany vao ho tonga saina ny isam-batan'olona !!!!!
9. ravalotgve ( 14/06/2009 10:12)
tsisy tonga saina zany eo fa samy mitady ze mahasoa azy

sniff
tchroufff

10. ni81 ( 14/06/2009 11:57)
tsy asiana filaharana tsy asiana kabary ,tsy asiana matso,fa atao tanana haolo tsy misy mivoaka ny trano na saka iray aza! :-D :-D
11. Mirananirina ( 14/06/2009 12:01)
fa mbola zanatany frantsay indray

Hanjanaka indray izany izahay sy Rajoelina??????????Sanatria anie izany;Malagasy ihany isika président an,ny ra tsika Malagasy nadia misy ra vazaha mikoriana ihany aza ato anatiko ato dia Malagasy ihany aloha.
12. ravatorano ( 15/06/2009 07:10)
maagaga tokoa an
za mba mijery eny andoharanofotsy eny fa zaahy eny fa ohatran izaho rery no manangan-tsaina kle ! ary samy velom-panontaniana aza ny iray trano hoe sao d mbô lebe loatra iry saina atsangatsika ity ka everin'ny olona rehetra fa efa vitatsika ny andry zareo d nosoloiko kelikely fa mbola zaay irery ihany hatramin'izao anoratako izao no misy saina mitsangana amin'ny trano !
sa ve efa tsy raharahi'ny olona intsony izany na tsy mazava amin'ny olona ny antony anagananana ny sainam-pirenena toy izao.
amiko aloha na iza na iza mitondra eo dia fanajana lehibe atolotro an'i Madagasikara ny fametrahako ny saina io indrindra koa fa fanajako ireo ray amand-dreny nitari-tolona ka nahafoy ny ainy nahazahoana ny fahaleovantena
Koa atsangano zareo ny saina ah fa na tsy hivoaka ny trano aza nareo na hanao ville morte aza dia aza adino ny managa-tsaina e !
13. RATOVOARY ( 15/06/2009 07:19)
Ny gidraka politika etsy nadaniny, fa ny tena olana lehibe raha ny fahitako azy dia tsy ampy fanentanana ny olona tsirairay. Isika Malagasy mantsy dia zatra an'io entanin-dava io vao manatanteraka. Tsaroako fahiny misy miantsoantso lava raha vao manomboka ny volana jiona fa tokony hiofaofa isntrano ny sainampirenena.
Mbola variana @ ady politika na ny eo @ Fitondrana na ny ankolafinkery samihafa.
za mba mijery eny andoharanofotsy eny fa zaahy eny fa ohatran izaho rery no manangan-tsaina kle ! ary samy velom-panontaniana aza ny iray trano hoe sao d mbô lebe loatra iry saina atsangatsika ity ka everin'ny olona rehetra fa efa vitatsika ny andry zareo d nosoloiko kelikely fa mbola zaay irery ihany hatramin'izao anoratako izao no misy saina mitsangana amin'ny trano !
sa ve efa tsy raharahi'ny olona intsony izany na tsy mazava amin'ny olona ny antony anagananana ny sainam-pirenena toy izao.
:-D :-D :-D Tsy nihomehy aho raha tsy ity, be saina kosa Ravato zany a! Ilay eto aminay aza, ny tompontranonay komitimpokontany nefa tsy mbola misy saina ny tranony, mbola babangaona be ihany.
14. ravatorano ( 15/06/2009 07:32)
ô lty Ratovo ah ! :-D :-D :-D :-P :-P :-P be saina amin'ny ahoana aza !
za razandry manana saina karazany maro ato ah ao ny antonony ao ny lehibe ao ny kelikely ary ny tena kely koa misy fa ilay natsangako ao izao kely antonony hitan'ny maso tsara :-D :-D :-D
Tsy ampy fanentanana amin' ny hoe inona no mahatonga ilay fanaganan-tsaina inona no antony hanaovana ny fanaganan-tsaina reefa andro toy izao !
za manontany ny namana sasany dia ny valiteny azoko dia hoe efa araky ny mahazatra io e ! fomba fanaon'ny teo aloha ary tsy hita izay maharatsy azy d ataontsika d aoaka fotsiny e
:x :-D
15. RATOVOARY ( 15/06/2009 07:46)
Aza raisina hoe be saina sens hafa e! :-D :-D Ka izay hoa ilaina ilay fanentanana , izany angamba no antony nampisy ireny mpiantsoantso isaky ny evénement ireny. Amin'izao aho tsy maheno intsony raha tsy hoe misy jokotra any dia hiari-tory ndray zany.
Ilaina koa ny civisme, tokony hisy emission natokana ho amin'io @ny TVmpanjakana sy ny Radiompanjakana mba ho hain'ny olona ny antony hanaovana azy mba hialàna amin'izay manara-drenirano izay hoe efa fanao io (lasa systematique ilay izy zany :lol: ) ohatra an'le mandeha ary isa-maraina :?: :roll:
16. mihitsy ( 15/06/2009 08:45)
fa tsy efa ny sainan'ny amerikanina ve no efa narantirantinareo ry mpomba ny adalana o!
17. essera ( 15/06/2009 08:53)
D efa mahay mandika vilana koa ry Hery izany. Ka rehefa manangana daholo ny tgv d oul n'afaka izy sa tsy afaka. Fomban'ilay hoe : "hikoha-maina aza atao".
Ny oul no samy sahirana mande mitady fa ny manan-katao izao efa mametaka saina fotsiny. Tandremo fa kely sisa d ho lany ny lova (halatra) napetraky dada.
18. halloween ( 15/06/2009 09:10)
ka atsangana ilay maintso fotsy mena sefo hery a! fa d hoavy anaraka daholo ny Cosa Nostra, sady sefo zao tsy efa mba metimety any atsimo any ve :roll: :roll: :roll:
19. hery ( 15/06/2009 09:29)
ravatorano> Ka izay indrindra. Mba ho fanajana ireo namoy ny ainy hiady ho an'ny fanjanahan-tany kanefa isika ity miverina voazanaka indray dia tsy atsangana ny saina.

Inoako fa tsy hirehareha amin'izao situation misy izao mihitsy ry Ravoahangy sy Raseta ary Rabemananjara. Izahay hoy angamba izy ireo niady ny hanjakan'ny Malagasy, nareo ity toa lasa saribakolin'ny Frantsay indray...
20. xxx ( 15/06/2009 09:53)
Ahoana ary ra-Hery 'zany. Tiako hampatsiahivina kely fa resy isika malagasy tamin'ny ady taloha. Ireo GTT be zesta aty ireo dia niara niasa tamin'ny Frantsay ny ankabeazan'ny ray aman-dreniny na ny dadabeany mba ahazahoany taratasy vazaha amin'izao. Nefa izao toa mandrora mitsilany. Modia raha tena tia tanindrazana marina.

Averiko ihany fa resy isika, ary na ity fahaleovan-tena aza dia mbola nangatahina ohatry ny mahazatra ihany tamin'ny lafrantsa reny malala.

Ka noho izany, lafrantsa no teo ary lafrantsa no ho eo. Tsy maintsy mitsangana ny saina.

ViVe la France, reny malala.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4304