tafika tsy voabaikon'ny mpanao politika intsony !

1. ravatorano ( 13/06/2009 08:59)
ankalazaina mafy mihitsy izany izao io resaka io ary namerina izany ny lehiben'ireo tafika minisitra cemgam (AM-ZP) raha nanolotra ny fehikevitra lalnin-dry zareo tamin' iny fikaonan-doham-pirenen'ny tafika teo iny !
Ny tafika dia ivondronan'ny miaramila sy ny zandarimaria ary tsy voafaritra ao anatin'izany ny polisi-pirenena !
Raha manatanteraka baiko izany izao ny tafika dia iza no manome io baiko io
raha nandrava sy nanaparitaka ireo nivoriviry tsy nahazo alalana tamin'ny prefecture dia iza no naome baika azy ireo?Iza no naome baiko ilay lehiben'ireo tafika ireo ?ny lehibeny ve ? sa mbola ilay mpanao politika mitondra sy mitantanana ny firenena izay ankatoavin'izy ireo ihany ?
Eo izany no tsy azoko sa za no tsy mandefa saina lavitra ve ?
Ka raha tsy azo baikon'ny mpanao politika sivily izay mitondra ny firenena ny tafika ao anatin'izany firenena izany da ahoana no hiseho !
ho aiza marina ary tsika ity !
"La grande île plonge doucement mais tranquillement dans un gouffre d’où il sera difficile de sortir." (madagascar-tribune du 13/06/2009 "mal aux fesses"
2. essera ( 13/06/2009 09:15)
Ravatorano, naheno ve ianao ilay andian-teny nolazain'ny tafika hoe : "Tsy hanaiky hatao fitaovana politika ny intsony tafika ary marina fa ny filoham-pirenena no filoha faran-tampon'ny tafika fa tsy antony hanerena anay izany ami'ny resaka politika".
Andry en personne no présent teo ary nampian'lery hoe hanampy anareo mihitsy aho mba ho tanteraka izany. AMEN.
3. Noue ( 13/06/2009 09:23)
izy io dia tsy hay intsony oe iza no mibaiko an'iza ?? toa samy manao ny danin'ny kibony daholo ry zareo ao koo ! ireny aloha nisy an'io oe cellule tactique. Nifanitsaka ary saika niafara tamin'ny fifampitifiran'ny samy miaramila avokoa tato ho ato ny asan'ny CNME sy ny «Cellule tactique» I alain Ramaroson moa zany dia iny izyoe nanana ny polisiny manokana mandromba etsy sy eroa iny , eny eee ! toa efa nofohanana io cellule tactique io satria hita fa toa resak'adala fotsiny !
@ zao fotoana zao dia iza no mibaiko an'iza ?? toa tena mifanjevo be ny ao ??? Io ilay voalaza oe

Le ton commence à monter du côté de ceux qui sont considérés comme les « héros » de la crise. Ils sont tous issus de l’Armée, notamment des officiers supérieurs, des sous-officiers et des soldats. En commun, ils tirent la sonnette d’alarme envers les dirigeants de la HAT sur leur cas. «Quid de ces héros qui sont actuellement sans portefeuille ? Il y en a ceux qui n’ont fait que suivre la révolution du 08 mars initiée par le CAPSAT et sont actuellement bien placés », se plaint le groupe de militaires qui s’exprime, pour l’instant, sous couvert d’anonymat. «Il faut trouver des mesures spéciales pour les gardes présidentielles, les gardes des palais présidentiels sans oublier les officiers supérieurs nommés à des postes à responsabilité. Qu’en est-il de ces nouvelles recrues du CAPSAT et du RTS qui ont participé activement à la mise sur pied de la HAT alors qu’ils n’ont rien reçu en retour, quatre mois après, méme leur salaire depuis quelques mois », ont-ils continué. Ils vont jusqu’à remettre sur le tapis la crédibilité des membres du conseil supérieur de la défense nationale
4. Noue ( 13/06/2009 09:24)
dia izao anie ny valin'ireny fividianana ny capsat ireny eee ! aiza moa no tsy hisavoritaka ??
5. essera ( 13/06/2009 09:26)
I Noue, tsy vao omaly sa afak'omaly Noue no niteny hoe manara-dalàna izao ny tafika. Sa diso indray aho ve
6. Noue ( 13/06/2009 09:38)
essera aa ! misy leisy ny miaramila manara-dalàna aa ! mino an'io kosa aloha aho ee !
hitan'lah ry essera ? zaho aloha dia mino fa tsy tahaka an'ry charles sy ny forongony ireny daholo ny tafika fa mba ao koa ny mba tonga saina oe misy dia misy ny zavatra tsy rariny ataon'ny miaramila sasantsasany ee
7. essera ( 13/06/2009 09:50)
D izao ange ilay tiko ampitaina am lah, manara-dalàna ve i Jeneraly fidy izao fa izy sy ny avy am ravalo tam tantara teny andohanatady no nifanao bras dessus mihitsy tam fifamelan-keloka an'ny miaramila. Nandeha tsara tam tv izany ary tena nahafinaritra na nijery an'ilay séquence fa nanohina fo mihitsy.
fa rehefa misy miaramila miandry eo ambohijatovo d tsy manara-dalàna ireo fa mpamono vahoaka.
Aleo tsorina am lah fa somary fiable kokoa ny vaovao mivoaka am tv noho ny vaovao am internet. Sarotra les no hiondana youtube isan'andro fa aza miondana be amin'io.
8. ravatorano ( 15/06/2009 06:54)
essera < ekeko mihitsy ilay hoe Andry Rajoelina niteny fa hanampy andry zareo amin'ny fanatanterahana izany saingy izao ary e : iza izany no mibaiko ireo tafika ireo raha nandrava ireo olona nivorivory teny ambojatovo farany teo izy ? io ange ilay fanontaniako e ?
Aza hadino fa hatramin'izao dia mbo any filoham-pirenena no filoha faratampon'ny foloalindahy ary voalaza tamin'ny fikaonandohan'ny tafika farany teo izany fa tsy nesorina io andalana io ary ny filoham-pirenena tompoko dia sivily mpanao politika dia ahoana aindray sa atao anarany fotsiny ihany ? ????
Atahorako sao ho lasa baranahiny indray ange ilay izy bandy akama e !
Raha izany mùan,tsy dia avy hatrany dia tokony hiasa manejikadahalo mirongatra be ny tafika fa tsy hiandry tanana na kazerina fotsiny sady efa anjaran'ny osika ny fandaminana ny raharaha anatiny !
9. Noue ( 15/06/2009 06:58)
iza izany no mibaiko ireo tafika ireo raha nandrava ireo olona nivorivory teny ambojatovo farany teo izy ? io ange ilay fanontaniako e ?
tsara fipetraka ilay fanontaniana
10. xxx ( 15/06/2009 07:44)
essera:

Ravatorano, naheno ve ianao ilay andian-teny nolazain'ny tafika hoe : "Tsy hanaiky hatao fitaovana politika ny intsony tafika ary marina fa ny filoham-pirenena no filoha faran-tampon'ny tafika fa tsy antony hanerena anay izany ami'ny resaka politika".
Andry en personne no présent teo ary nampian'lery hoe hanampy anareo mihitsy aho mba ho tanteraka izany. AMEN.


Satria efa vita ny sitrapon'i Andry dia izany no mba vavany ... !!!
11. ravatorano ( 15/06/2009 10:02)
naheno an io teny io tokoa aho fa atramizao ve tena mandeha amin izay tokoa ny baiko azon'ny tafika sy ny ho tanterahin'ny tafika malagasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1953