kaka sy cristiano ronaldo any real de madrid indray

1. ravatorano ( 12/06/2009 08:37)
Kitra – Cristiano Ronaldo

Mpilalao lafo vidy indrindra



Ela ny ela ka hiala ao amin’ny klioban’ny Manchester United ilay kintan’ny baolina kitra, portioge, Cristiano Ronaldo. Any amin’ny ekipan’i Espaina, Real de Madrid indray ny lehilahy no hilalao amin’ny taom-pilalaovana manaraka. 93 tapitrisa Euros no sarany nividianan’ny Real azy. Izy ankehitriny no mpilalao lafo vidy indrindra eran-tany. Nosongonany ilay frantsay, Zinedine Zidane, izay nahatratra 75 tapitriasa Euros, tamin’ny taona 2001. Omaly alakamisy no nambara tamin’ny fomba ofisialy izao fifindran-toerany izao. Efa eo am-pamitana ny fifanarahana ny klioba roa tonta, izay voalaza fa ho tontosa mialoha ny 30 jona izao.

Efa ela no nanana faniriana ny handao ny Manchester United i Cristiano Ronaldo saingy tsy navelan’ireo tomponandraikitra anglisy. Ankehitriny, efa nahazo ny tolotra tadiaviny ny Manchester ary namela azy handeha. Marihina fa 24 taona i Ronaldo ankehitriny ary izy no «ballon d’or 2008». Efa nahazo ny tompondakan’i Eorôpa izy ny taona 2008 niaraka tamin’ny Manchester United.



Hiaraka ny «ballon d’or» roa lahy

Ankoatra an’i Ronaldo, novidian’ny Real ihany koa ilay kalazalahy breziliana, Kakà «ballon d’or 2007». Vao ny alatsinainy 8 jona teo no nakana azy. 65 tapitrisa Euros no sandan’i Kakà.

Hiaraka hilalao izany ny «ballon d’or» roa lahy.



Tsy hijanona eo ny fanatevenana ireo mpilalao mahay ho an’ity ekipa espaniôla ity fa efa eo am-pikitikitihana an’i David Villa sy Franck Ribéry ihany koa ny mpanazatra sy ny raiamandreny mpitantana ny Real de Madrid ity.

Klioba hiavaka indrindra any Eorôpa indray izany ny Real amin’ity satria ho hita ao aminy ireo mpilalao sangany indrindra eran-tany. Andrasana izay ho vokatr’izany.




Tompondaka

gazety taratra
12/06/2009



novalian'i rhina ny 26/09/2009 11:22
2. xxx ( 12/06/2009 11:31)
Izahay dia faly sy ravo mihitsy amin'izao vaovao izao. Ity barça nangalatra ny fandresenay ity tamin'ny demi-finalen'ny champions league farany teo mantsy dia alahelo tsy adinonay mihitsy. Ka raha misy ekipa afaka ny hanamboatra an-dry zareo any espagne any dia mahafaly anay izany. Ny eto europe kosa dia ho amboarinay amin'ny heritaona.
3. sitlo ( 12/06/2009 14:55)
Tsy dia tiako io bandy io fa be zesita loatra. Tsy mba manao cool ohatra an-dry Zidane, Ronaldinho, Beckham ary ry Thierry Henry sy Ballack fa manao style Barthez.
4. RATOVOARY ( 13/06/2009 05:52)
Tsy dia tiako io bandy io fa be zesita loatra
Mbola tsy mikatona tsara ny lohamaleminy ny tena marina. Manao sainjaza loatra, tsy mbola matotra fa taitai-bombna fotsiny. Be koretaka kely rehefa tsy mifanaraka @ sitrapony.
5. ravatorano ( 13/06/2009 07:50)
fa lery mahay boll klouh e
ilay toetrany iny zay ataony any sady za tzsy mlanarama azy fa reefa mahafaty boll izy ka mandresy ny ekipany ary reveko ilay filalaony defa mlay zay amiko
za zany mety haka real indray manomboka izao indrindra fa ao koa i Kakà !
alefa less real ah
za koa tsy mirevy barca e !
6. sitlo ( 15/06/2009 03:57)
Ka ny baolina misy fafiny foana na iza milalao eo na iza.
7. rhina ( 26/09/2009 11:22)
sitlo:

Ka ny baolina misy fafiny foana na iza milalao eo na iza.



inona le fafiny ry sitlo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.194