Rado ilay fitiavako fahiny
41. mmmhh
(
15/06/2009 12:38)
mISAOTRA maeva A,
Ity tsara kokoa noho ilay iray atsy ambadika,
Misaotra e,
any @ blaogy zany no mitohy ny tantara rah azoko tsara???

42. maeva74
(
15/06/2009 14:35)
Volana vitsivitsy taty ahoriana , efa manantona koa ny fotoam- panadinana ,dia indray alina tsikaritry i Laingo izahay sy i Rado nifampitantana teny amoron- dranomasina toy ilay fanaonay dia avy hatrany izy tonga dia nanantona ka nikikiaka mafy nanao hoe « Joko tsorika indry ity ry Rondro efa fantandry fa tiako I Ramose dia nahodindry ny lohany hitako indry mahazo noty be foana kay ao raha , lehilahy tsy vanona koa ity ianao ry Ramose , taitra tampoka I Rado ka nasiany nifindra toerana tao ahoriany aho fa tena efa nirehatry ny fialonana I Laingo, soa ihany fa tsy nisy nahatsikaritra fa saika nitangoronan’ ny olona teo izahay, fa inona ity ataonao ry Laingo hoy I Rado, modianao tsy tadidy angah fa miaraka isika torak’ ovitra aho naheno ilay feo ka ohatrin’ ny fanimpanina kely « inona izany lazainy ry Rado? hoy aho mantsy andRado, aza manahy ianao ry Rondro fa na izaho ary tsy mahalala izay nolazainy akory, avy hatrany dia niantsamby teny an- tsorik’ I Rado I Laingo no norohany I Rado, tezitra noho izany aho dia lasa aho nirifatra nody no latsaka ny ranomasoko, Rondro! Rondro hoy I Rado miverena ianao, avelao izy Rado hoy I Laingo fa izaho no ho tiavina an! Nahifiky Rado ny tanan’ I Laingo, ka hoy izy « inona izao ry Laingo no nahatonga anao nanao ireny fihetsika ireny ?? ka tiako ianao ry Ramose , tsy tia anao aho fa I Rondro no tiako ka aza haverina amiko intsony izao fihetsikao izao ary mandehana ianao fa hamonjy an’ i Rondro aho , ho hitanao tsar any valin’ izay ry Ramose fa tsy hataoko vita mora. Dia lasa I Rado namonjy an’ I Rondro.
Tao an- tranon’ I Rondro kosa,
Nitomany I Rondro, sniff,sniff, Rado , dia sahinao ve ny nampijaly sahady ity foko e! sniff sniff , mbola nisefosefon’ ny tomany I Rondro no injay I Rado nandondona mafy tao ambaravarana, Rondro an! Rondro an! vohay re aho e! tsy namoha azy I Rondro fa mbola nifokofoko foana, mbola mikikika foana I Rado, Rondro oh! mba voahay moa e! , farany novohain’ I Rondro ny varavarana; Rondro malalako hoy I Rado tsy niaraka tamin’ I Laingo izany aho fa noforonony avokoa ireny , ka raha tsy niaraka ve ianareo ho sahy hanao ireny fihetsika ireny izy e!, Tsia ry Rondro oh! Tsy niaraka taminy aho inona no hataoko mba hinoanao fa tsy nisy n’ ininona teo aminay sy I Laingo e! naninona koa nefa ianao tsy nandeha natory tany aminy fa tsy nankaty e! izy angeh efa mazotoa ny hiaraka aminao fa izah mbola tsy vonona e! hoy aho sady mbola nitomany ihany sniff sniff , Rondro! Ianao no tiako, ianao no nofidiko, tsy mbola nikitika an’ I Laingo aho na indray mandeha aza , fa izy no nisary adala tamiko, dia nanaiky ianao ?? hoy indray aho te haka toky, tsy nanaiky re aho e! ianao no tiako, hikikika eran’ ny vazan- tany ve aho, hanambara aminao fa ianao no tiako??? Dia nivoaka ny varavarana I Rado ka nikikiaka mafy hoe « HENOY RY TANY FA TIAKO I RONDRO» nisontoniko ny tanandRado niditra fa mitady hivory ny vahoaka naheno ilay feony, dia avy hatrany dia norohako izy :* :* satria fantako fa tena tia ahy tokoa, Rado oh ! fantatrao moa fa tena tia anao aho e! dia hoy I Rado namafa ilay ranomasoko teny @ tavako « aoka izay ry Rondro malalako , matokisa ahy fa tena tia anao tokoa ny foko « Tia anao aho rahavako» dia nifanoroka izahay avy eo dia nanatitra an’ I Rado teny ambaravarana aho ka nilaza taminy hoe « Rado oh! Vonona aho « efa herin’ andro sisa dia hitsingerina ny daty fankalazana ny andro nahaterahan’ I Rondro» vonona ny amin’ inona ianao ry Rondro hoy I Rado , fetiko @ alakamisy ka manasa anao aho ny alina hiara_ hifaly amiko, hay ve! Hoy I Rado tsy hadinoko kah , dia inona no ataoko @ zany ? tsy mitondra n’ inon’ inona ianao hoy aho fa ny tenanao tonga eto no hilaiko, izany an! Eny ary e! inona anefa ny fanomezana tian’ I Rondro? hoy I Rado ? Izay tianao dia tiako avokoa na tsy hitondra aza ianao dia hataoko maha- ampy ahy ny tenanao rahavako dia nifamihina izahay dia lasa I Rado. Diso ve aho raha sarom- piaro t@ndRado? Ho hitanao tsy ho el any tohiny
(l)

43. ravonjison
(
15/06/2009 15:22)
Tena mampatsiahy ny taloha tokoa ilay tantara. Lany dia lany ny eritreritro, iza @ mpanoratra famakiko ary no mitovitovy @ style -nao ? E.D. Andriamalala ve ? Clarisse Ratsifandrihamanana ?
Ary iza @ tantara voavakiko no mitovitovy @ io ? Ilay Vohitry ny Nofy ? Fofombadiko ? Taolambalo ? Zazavavindrano ? Ny zanako ?
Manja kosa ilay izy e.

45. vale
(
15/06/2009 15:37)
hummmmmmmm, milay be le izy :?) aza atao ela akia ny tohiny an!!! hihi ;-)
47. maryline
(
15/06/2009 19:30)
(l) (l) mampanonofy izy izany, ohatry ny hoe mijery film mihintsy azoko antsaina daholo ny rehetra , misaotra aky Maeva va hafa- po (l) (l)
48. tywa68
(
15/06/2009 19:52)
tena ohatrany mijery film mihitsy an ! miandry ny tohiny indray zany e
:lol: mci Maeva :wink:
:lol: mci Maeva :wink:
49. endrika01
(
16/06/2009 05:14)
ntsoooo! nampalahelo be ndray i Laingo tamininy an! Zany refa tia marina! De alefaso malaky be le tohiny e! Maeva74 enga anie mba tsy ho raikitra lay Anniv :-D i Rondro no ahiako hanaonao foana! hi hi hi, :P
50. fritou
(
16/06/2009 12:03)
ny ahiko ndray ho bevohoka i rondro fa nanaonao fona nefa i rado tsy tena tia anazy akory!
52. tywa68
(
16/06/2009 19:40)
endrika01:
ntsoooo! nampalahelo be ndray i Laingo tamininy an! Zany refa tia marina! De alefaso malaky be le tohiny e! Maeva74 enga anie mba tsy ho raikitra lay Anniv :-D i Rondro no ahiako hanaonao foana! hi hi hi, :P
Inn aza no atahorandry : taoko hahazo kdo izy :lol:
53. maeva74
(
18/06/2009 17:04)
Nisosa ny fotoana, vita ny fanadinana aram-panatanjahantena, efa somebiseby aho ny hikarakara ilay fetiko, te ho lafatra aho mba ho an- dRado satria tiako loatra izy, zoma ny andro , nadeha aho nividy sakafo maivana ho karakaraiko ho anay rahampitso alina , tonga tany an- trano aho dia nodioviko avokoa ny trano dia notadiaviko ilay lamban –databatra tsara indrindra nomen’ ny Neny sy ilay lambam-pandriana vaovao hitsenaiko ilay faha- valoambin’ny folo taonako sy ilay ora hanaovako veloma ilay fahazazako sy ny fahadiovako, rehefa voalamina ny rehetra dia niala- sasatra kely aho niandry an- DRado hitsena ahy ho eny amoron- dranoamasina, tonga izy arak’ ilay fotoana dia lasa izahay nitsangatsangana toy ilay fanaonay, ho feno valoambin’ ny folo taona tokoa moa indry izao ry Rondro rahampitso ? hoy Rado mantsy ahy lehibe izany izao? eny hoy aho, efa tsy ho andriko ny ora rahampitso hihaonantsika ry Rado, fa misy inona ry Rondro? fa toa tsy ohatry ny isan’ andro ianao fa toa lasa eritreritra be ! fa hoe ho valo ambin’ ny folo taona angaha no mahatonga izao sa ahoana?tsia ry Rado tsy maninona aho ka, lasa saina fotsiny aho hoe ahoana izany ho lehibe izany indray?nipetraka teo amin’ ilay seza fipetrahanay aho dia nasehony ahy ireo karazana kintana isankarazany no nihomehy sy nisangisangy izahay, rehefa avy nifanoroka toy ilay fanao isan’ alina izahay dia namonjy fodiana indray, dia nandao ahy toy ilay fanaony I Rado , zah kosa nandeha namonjy fandriana natory, fa maika ny hanao cours ny maraina.
Nirava aloha ny fianarana ka lasa aho nadeha teny « Bazary be « nanao volo sy nividy menaka manitra hahositro ny vatako mba ho andRado raha- alina, dia nody aho avy eo nikarakara vatana sy ny sakafo ary ny rehetra izay mbola tsy vita.
Nipaika ny tamin’ ny valo hariva efa nanomboka nody ilay masoandro , izaho kosa efa somebiseby ery teo ampiandrasana an-dRado malalako, foiko homena azy ny fahadiovako vonona aho ny ho an’ azy tanteraka, nanondro tamin’ ny valo sy dimy ambin’ ny folo minitra ny famataran’ andro, injay nisy nandondona tao ambaravarana , nibitaka tsy nisy ohatr’ izany ny foko, novohaiko ny varavarana, iny I Rado niditra nitondra vonin-draozy menamena midorehitra mba ho ahy,miaraka amin’ ny baoritra iray mifono taratasy mamirapiratra, dia nandroso izy ary tena variana nadinika ahy satria tsy mbola nahita ahy nihaingo toy izao izy, Rondro mahafatifaty be indry izany, ary tena manimanitra tokoa, nojereny ny manodidina rehetra fa tena lafatra avokoa , miaraka amin’ ireo labozia sy ny feon’ilay mozika milantolanto, nodinihiny mafy aho, tsy handriny intsony ka tonga aho dia norohany, izaho koa efa tena nagetaheta ilay molony sy ny orony raha teo, nifanoroka izahay, dia avy eo nasaiko izy hisakafo, somary gaga dia gaga ihany izy tamin’ ireo fihetsiko , noraisiko tamin’ ny tanako ilay nem nokarakaraiko ho azy dia narolotro azy teo amin’ ny vavany dia notazomin’ ny tanako ka norohany ihany koa, rehefa lany ny sakafo dia nanasa azy aho ny hankafy ilay mozika milantolanto fa izaho niditra kely ny trano fidiovana, nitombo tokoa ny fahagagan-dRado amin’ ireo fihetsiko madinidinika, rehafa dify ny trano fidiovana aho dia niditra koa I Rado nanotsam- bava , rehefa avy nidio sy namboatra tena tao amin’ ilay trano fidiovana aho dia niditra tao an’ efitranoko dia nentiko nanaraka ahy ilay raozy menamena nomen-dRado dia nalaiko tsirairay ireo felany dia nafafifafiko ny fandriana, dia avy eo nanaovako ilay ankanjo manify dia manify mahita taratra ilay bikako dia namonjy nanantona an-dRado aho, dia tsy nahaloampeo izy nandinika ahy, dia notantanako nandroso tao an’ efitra izy , Rondro hoy izy sao lahy…. notapenako tamin’ ny tanako ny vavany dia norohako izy, dia nifanoroka tsy nisy ohatr’ izany izahay dia nitarin- dRado ilay oroka ka nanaraka ny safosafo madinidinika, nangorintsina tsy nisy ohatr’ izany ny tenako, nesoriko moramora ny lobany dia nendahiko tsikelikely ny rehetra, nobatainy aho teo ambonin’ ilay fandriana dia tsy nitsahatra ny nanoroka ny vatako iray manontolo izy, izaho kosa efa tsy nahatsiaro izay ambonin’ ny tany intsony fa toa mitsingevana eny an’ abakabaka no fandraisako anay, Rondro hoy I Rado tamin’ ny feo milanto , sssshh hoy aho, dia notohizany ny safosafo sy ireo fanampiny, dia nobitsihiko ny sofiny dia nataoko hoe: Rado an! Aza atao marary .(l) (l)
Aminao maika loatra ve i Rondro???dia ho hitanao @ manaraka ny tohiny

54. fritou
(
19/06/2009 06:21)
maeva74:
Aminao maika loatra ve i Rondro???dia ho hitanao @ manaraka ny tohiny
ny maika ve moa samy manana ny fandraisany azy fa fotsiny oe so de jamban'ny fitiavana fotsiny ka tsy mieritreritra ny conséquences-ny! en tout cas, jsp qu'ils se sont protégés :lol: ;-)
fa enga ane amle tohiny manaraka ka ho tsara fiafara e!
55. mmmhh
(
19/06/2009 09:08)
fritou:
jsp qu'ils se sont protégés
ka i Rondro ange mety tsy hanana kapaoty any an-tranony e, izy mbola tsy nanao an'zany
moa i Ramose ndray mety tsy nanampo an'ilay fihetsik'i Rondro de tsy nihomana ny @ zany,
sady na nihomana izy mety ho tezitra indray i Rondro we, enao zany de tena efa nieritreritra ny hi... an'ah?
Asa....tohizo re ry Maeva a
56. endrika01
(
19/06/2009 13:14)
De de de,de nivady ve zareo? de de de,de nitoe-jaza ve Rondro?Sa lasa nandao i Rado? Sa,sa aona ny tohiny! Alefaso eto haingana fa zah tsy mahay mijery bilaogy=)) :P
57. fritou
(
19/06/2009 14:28)
endrika01:
De de de,de nivady ve zareo? de de de,de nitoe-jaza ve Rondro?Sa lasa nandao i Rado? Sa,sa aona ny tohiny! Alefaso eto haingana fa zah tsy mahay mijery bilaogy=)) :P
tena raha ny titre n'ny tantara alou no jerena de tena otrany ho ratsy fiafara izy zan e! ko oe "rado lay fitiavako fahiny" fa tsy ankehitriny tsony zan!
:roll: :(
58. maryline
(
20/06/2009 07:55)
Ndryyyyyyyy! tena tia ngeh Rondro e! ny vehivavy tokoa mantsy rehefa tia dia tia tokoa , i Rado koa tia azy raha arak' ilay tantara fa ny mahagaga dia hoe " FAHINY" inona ny ambadik' io teny io??? ny tohiny???
59. endrika01
(
21/06/2009 11:40)
fritou:
endrika01:
De de de,de nivady ve zareo? de de de,de nitoe-jaza ve Rondro?Sa lasa nandao i Rado? Sa,sa aona ny tohiny! Alefaso eto haingana fa zah tsy mahay mijery bilaogy=)) :P
tena raha ny titre n'ny tantara alou no jerena de tena otrany ho ratsy fiafara izy zan e! ko oe "rado lay fitiavako fahiny" fa tsy ankehitriny tsony zan!
:roll: :(
ka raha nanaonao foana tao nge zareo,no mampanahy ahy é,so de lasa tampoka i Rado,na koa sao de nisy papozy
Aiza iany le tohiny ry Maeva 74 a,sasamianjy be zah kou ;-)
60. xxx
(
23/06/2009 11:46)
Milay kosa izany tantara izany an! kay ve ka mpanoratra ilay Maeva74 e! Merci e! omena biz aloha ndry fa mahay mampirevy mpisera :-* :-*