Efa nisy nandray bibilava ve ny mpino eto?

1. soanja ( 10/06/2009 02:38)
Araka ny voalaza ao anaty baiboly,

Marka 16:17-18

17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;

18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.

Misy tokoa mpino amina fiangonana vitsivitsy ety US no manaraka io fomba io ho famantarana ny finoany, tsy inona moa izany fa ny fandraisana bibilava dia ny rattlesnakes no tena lalaoviny amin'izany. Menarana moa no resahin'ny baiboly malagasy eto.

Asa na mba efa nanandrana an'io ianareo ho fahafantarana ny finoanareo, mba tantarao anie izany raha misy na nisy tamin'ny traikefanareo.

Ny tenako dia efa nandray bibilava saingy tsy noho ny hoe fitiavana na fitsapana hahafantatra ny hangezan'ny finoako fa noho ny fahafantarako ilay bibilava noraisiko satria efa nozarina horaisin'olona ilay izy sady fantatra fa matory izy amin'ny atoandro dia tsy haninona anao mihitsy. Dona na do moa no karazan'ilay bibilava fa tsy menarana velively akory.

2. tywa68 ( 10/06/2009 05:07)
Soanja > tsy mbola nandray ary TSY HANDRAY na kely na lehibe na DO na menarana na inn :-D toa mangatsiaka hono ?? grrrr kankana aza efa tena tsy zakan'ny saina nefa mendy ery hanjono ... :-D :-D
3. mmmhh ( 10/06/2009 05:14)
soanja:
handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny.


zah aloha tsy mbola nandray bibilava, ary tsy ho eritreretiko handray an'zany mintsy , tsy noho ny tahotra fa tena maharikoriko ahy loatra ny bibilava,

ny misotro zava-mahafaty, zah koa aloha tsy we hisotro poizina , we hita zao ty fa poizina de hanina, fa zah ndray tsy mba matahotra mosavy zany, fantatro fa misy ny herin'ny devoly,
misy manko olona sasany tsy mba mihinankinan-javatra @ olona fahatany na olona fantatra fa mpilalao ody,
ny ahy ndray rah tsy nanao ratsy olona aho tsy matahotra an'zany, ary rah hanisy ratsy ahy aza le olona, tsy hahafaty ahy no tsy hahavoa ahy satria ny Andriamanitra hinoako mahery lavitra noho ilay zavatra tompoiny, ary fantatro miaro ahy.
4. ari.malala ( 10/06/2009 06:23)
Zà manokana tsy mbola nandray bibilava, ary tsy handray an'ireny mandrakizay :P ny fahitako an'ireny aza mahatorana ahy ko! momba ireo famantarana hafa idnray, tsy mitovy @ ilay hoe raha tena misy dia misehoa ihany ve izany e! hoe andramana aloha raha mandaitra na tsia? Hevitro manokana tsy mamatotra afatsy izaho ity ambarak manaraka ity, ny finoana dia entre ilay olona sy Andriamanitra (raisiko ny tenako, dia entre ahy sy Andriamanitra) ka Andriamanitra irery no hany mahalala ny degré ny finoako Azy. Ny fandraisako ireo hoe mandray bibilava sns ireo koa dia ilay karazana fitsapana madinidinika tsy maintsy lalovan'ny olombelona eo @ fiainany, ka raha tena mino an'Atra dia mivaha mora foana ny olana. (Averiko ihany fa hevitro ahy manokana ireo)
5. bor2lais ( 10/06/2009 08:13)
Mahatsikaiky ahy koa ianareo amin\'izato tahotra bibilava !!

Vazivazy iny fa miombon-kevitra aminareo aho : aza manandran-doza fa tsy mety. Azo lazaina fa fakana fanahy an\'Andriamanitra ny fanaovana izany (raha misy marina Ianao dia ...) ! Tsy ara-tSoratra Masina raha teo ny famonoan-tena (sy ny famonoan\'olona) !

Izaho manokana dia somary gaga ihany nahita ilay fanontaniana napetraky ny mpamorona ny lohateny. Araka ny voalazan\'i ari.malala dia samy manana ny \"degré\" ny finoan\'ny tsi11. Ka METY hampidi-doza ho an\'ny sasany ny fahitana an\'io !

Noho izany, araka ny hevitro, dia tokony hitandrina ny tsi11 mba tsy ahalavo ny namana mbola malemy ara-panahy !

Amiko, ny voalaza ao amin\'ny Baiboly dia tsy voatery arahina ara-bakiteny : hafatra ara-panahy no tovozina ao ! Izay no antony angatahana ny Fanahy Masina alohan\'ny hamakiana ny Baiboly raha tsy izany dia hijanona ho soratra toy ny boky rehetra ihany ny ao anatiny : io Fanahy Masina io no manova ny soratra ho Tenin\'Andriamanitra.

Mikasika ny andalan-tSoratra Masina voalaza etsy ambony dia miombon-kevitra amin\'ny voalazan\'i ari.malala ny tenako.

Fanamarihana kely anampiako azy : fanasitranana (ara-panahy sy/na ara-batana) ny marary no ventin-kevitra eto raha ny fahazoako azy ! Tsy fantatro raha mahatsikaritra tahaka ahy isika fa ny \"bibilava\" (na menarana) dia endriky ny fitsaboana : io no ampiasain\'ny \"pharmacie\" ohatra ! Tadidinareo koa ilay \"menarana varahina\" nentin\'i Mosesy nanasitrana ny zanak\'Israely tany an\'efitra ! ...

Ny tiako lazaina dia tsy voatery milaza zava-doza akory ny teny hoe \"menarana\" fa azo raisina ho \"fanafody\" mahasitrana ihany koa !

Hevitro manokana io ambarako io ka ialako tsiny ho an\'izay mety ho tohina na tsy mitovy fijery amiko ! (Avereno aty amiko ny ahy raha tsy mety)
6. fijo ( 10/06/2009 20:03)
za fony mbol aninon efa nandray,fa tsy nisy tahotra na inona akory,satria ny rambony no notazomina
7. soanja ( 10/06/2009 20:24)
bor2lais:



Vazivazy iny fa miombon-kevitra aminareo aho : aza manandran-doza fa tsy mety. Azo lazaina fa fakana fanahy an\'Andriamanitra ny fanaovana izany (raha misy marina Ianao dia ...) ! Tsy ara-tSoratra Masina raha teo ny famonoan-tena (sy ny famonoan\'olona) !

Izaho manokana dia somary gaga ihany nahita ilay fanontaniana napetraky ny mpamorona ny lohateny. Araka ny voalazan\'i ari.malala dia samy manana ny \"degré\" ny finoan\'ny tsi11. Ka METY hampidi-doza ho an\'ny sasany ny fahitana an\'io !

Noho izany, araka ny hevitro, dia tokony hitandrina ny tsi11 mba tsy ahalavo ny namana mbola malemy ara-panahy !



Maninona isika no matahotra ny hafa foana. Tadidio lalandava fa ny finoanao no jereo ary aza manahy ny hafa velively.

Ny hafa matoa manao izany dia mahatoky ny finoany izy ary izay no voasoratra ao anaty baiboly ary io no arahiny.

Tsy i Soanja velively akory ny haniraka olona handray bibilava hijery ny halalin'ny finoany fa fanontaniana amin'ny hafa izay efa nanao izany no mba mahaliana ahy.

Amiko tsy dia tsara ny mitsapa na mandrefy finoana satria ny finoana dia zavatra tsy azo tsapain-tanana na hoe hita maso. Ny fiantraikany amin'ny tsirairay kosa dia ny tenantsika samirery no mahalala izany ary tsy ilaina velively akory amiko adera na lazaina aseho ren-tany ren-danitra.

Raha zah manokana aza dia tsy raisiko tsiraidray tahak'io ny soratry ny baiboly saingy ny antony nanoratako azy eto dia io tokoa no voizin'ilay fiangonana rehefa miresaka sy milaza ny habetsaky ny finoany izy ireo dia mba liana aho. Ohatra ny Pantekotista mitambatra izay malaza tokoa amin'ny fanaovana Teny Tsy Fantatra ary ny sasany amin'ny fanalena devoly.
Tsy mamorona akory ireo olona ireo raha manao izany fa io no finoany ary tsy isika no hitsara izay ataony any fa io no hitany ao anaty baiboly izay hinoan'ny be sy ny maro eto.

Samy manana ny fandraisany azy ny soratra ao anaty baiboly ary anjarantsika tsiraidray ny mamantatra ny fiasany amintsiak. Raha mbola tsy nandray na nitazona bibilava ianao dia tsy manahy velively fa ny hafa efa nandray kosa hahafantatra ny finoany dia tsy afaka hilaza isika fa diso ny momba azy ireo.

Misy tokoa ireo olona mpandray bibilava ireo fa tsy foronina eto akory.

Ny bibilava dia toy ny biby rehetra ihany mila mitandrina tokoa rehefa mandray azy ary mila mahalala ny momba azy tanteraka fa tsy ataotao foana. Ny fahitako azy eto amin'ny soratra masina kosa dia ny fahafantarana fa " foana ny tahotra rehefa manana an'Andriamanitra ianao!"


8. ari.malala ( 11/06/2009 05:50)
Ekena fa misy ny mpandray bibilava, anazy iny, izay izany ny finoany hoe rehefa mandray bibilava, mandray ara-bakiteny izay voalaza ao @ baiboly dia izay vao mino :) ho ahy manokana dia tsy ny fandraisana ara-bakiteny izay voalaza ao no atao hoe mino :)
9. coopsal ( 11/06/2009 07:06)
bor2lais:
Noho izany, araka ny hevitro, dia tokony hitandrina ny tsi11 mba tsy ahalavo ny namana mbola malemy ara-panahy !

==> Miombon-kevitra amin'ity aho, koa ndeh aho hitandrina hamaly ny resaka sao izaho miteny ny hafa nefa ny tenako ....

bor2lais:

Amiko, ny voalaza ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery arahina ara-bakiteny :

==> Iza tokoa moa no mandray zaavtra ara-bakiteny raha tsy ny zazakely sy ny tsy manam-pahalalana? [Mat. 11:25]

bor2lais:

hafatra ara-panahy no tovozina ao !

==> Iombonako koa, araka izay voasoratra hoe "Izay avy any ambony dia milaza zavatra any ambony" [Jaona], ary Kristy izay niteny an'io zavatra io dia avy any ambony, koa zavatry ny lanitra (zava-panahy) izany no nambaraNy teo. Demoniaka ara-panahy, bibilava (menarana) ara-panahy, poizin'ny fanahy, aretin'ny fanahy, ...

bor2lais:

Izay no antony angatahana ny Fanahy Masina ... raha tsy izany dia hijanona ho soratra toy ny boky rehetra ihany ny ao anatiny

==> Marina izany. Ny famakiana baiboly raha fihainoana ny tenin'i Kristy, Jesoa Kristy koa niteny hoe "rehefa tonga ny Fanahy Masina, izy no hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko sady hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra". Ny vavaka dia fandraisana ny Fanahy Masina ao am-po hampahatsiahy ny tenin'i Kristy sy hitarika @ marina rehetra, ary hoy ny hafatra hoe "mivavaha ka aza mitsahatra".
10. soanja ( 11/06/2009 14:14)
ari.malala:

Ekena fa misy ny mpandray bibilava, anazy iny, izay izany ny finoany hoe rehefa mandray bibilava, mandray ara-bakiteny izay voalaza ao @ baiboly dia izay vao mino :) ho ahy manokana dia tsy ny fandraisana ara-bakiteny izay voalaza ao no atao hoe mino :)


Marina io. Namaste!

Rehefa nataoko zany ny kaonty dia mbola tsy nisy teto ny nandray bibilava hitsapa ny finoany.


:D :D :D
11. ikaretsaka ( 11/06/2009 23:41)
Zandrinay faralahy dia reptiles no biby tiany sy nompiany fony fahakeliny..bibilava lezard.iguanes..sokatra..dia misy fotoana aho manolo ny lafika sy ny sakafony..fa tsy misy resaka baiboly sns izany mihitsy fa biby ohatran'ny biby rehetra ireny..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0425