korobo @ venty sy korobo
21. xxx
(
15/06/2009 06:48)
Ao amin'ilay rohy io misy hoe tamin'ny andron'Andrianampoinimerina no nanomboka nisy tsena tany amintsika. Izany hoe mety nanombohan'ny fampiasana vola. Fa misy vakim-bola ihany aloha tamin'ny Ranavalona no nanomboka nampiasaina.
22. endrika01
(
21/06/2009 11:45)
xxx:
Ity aza, vao nojereko tato http://cjbenoit.club.fr/malagasy/volamalagasy.htm :
Notsongaina tao amin'ny sangan'asan'i Régis Rajemisa Raolison
Ny vola malagasy taloha dia vola vy avokoa fa tsy nisy taratasy ; Tao aloha ny vola ariary, izay natao koa hoe vola farantsa, na vola tsivaky, ary dia tao ny vakim-bola na vakivakim-bola, mitovy @ ataon-tsika hoe vola madinika. Ny vola ariary ihany no novakivakiana natao vola madinika, ka "ézsefa nisy olona nanam-pahaizana manokana momba ny famakivakiam-bola ary tsy nanana anton-draharaha afa-tsy izany.
Ny ariary no lehibe indrindra ka azo heverina ho venty fototra @ vola malagasy: 4,80 Fmg no tena tombany ary ireto avy ny ampahany fampiasa ka manana anarana manokana.
* Ny antsasaky ny ariary 1/2 : loso 2,40 F
* ny ampahatelony 1/3: sasanangy 1,60 F
* ny ampahefany 1/4 : kirobo 1,20 F
* ny ampaheniny 1/6 : venty 0,80 F
* ny ampahavalony 1/8 : sikajy 0,60 F
* ny ampahefatra amby roapolony 1/24 : voamena 0,20 F
* nisy ny naverina imbetsaka ny sikajy telo ohatra 0,60 X 3 = 1,80 F
* nisy no nozaraina roa ny ilavoamena ohatra 0,20 : 2 = 0,10 F
* nisy nampifanampiana ny ilavoamena sy ny voamena lasa lasiray
0,10 + 0,20 = 0,30 F
* nisy nanalàna ariary : latsa-benty 4,80 - 0,80 = 4,00 F
* nisy ny ampahan'ireo ariary ireo ihany no nampifamenoana : venty sy kirobo 0,80 + 1,20 = 2,00 F
Azo tadiavina tsirairay ao amin'ny http://malagasyworld.org io anaram-bola ireo raha te hahafantatra bebe kokoa. Singanina manokana :
variraiventy
MALAGASY DEFINITION Anaran' ny vakim-bola kely indrindra ...
varifitoventy
MALAGASY DEFINITION Anaram-bola mitovy amin' ny variraiventy [...] [full text in Rajemisa 1985]
Sotsa nizara é!
(l)
23. xxx
(
07/08/2009 05:23)
sitlo:
Inona marina no dikan'ny korobo fa tsy azoko mihitsy?
1.5 F leitsy izany a
lavoamena=0.01 F
Ariary sy Loso=1.5 Ar